‘Solomona aza Tsy Nitafy Tahaka ny Iray Amin’ireny’
‘Solomona aza Tsy Nitafy Tahaka ny Iray Amin’ireny’
FAHITA eny amoron-dalana, any amin’ny faritra atsimon’i Afrika, io voninkazo dia eo amin’ny sary io. Tany Amerika Afovoany sy Atsimo anefa no tena niaviany. Mahatsiaro ny fampianaran’i Jesosy angamba isika rehefa mahita voninkazo tsara tarehy toa an’io. Nahantra ny maro tamin’ireo nihaino an’i Jesosy, ka nanjary nanahy ny amin’ny sakafo sy fitafiana ary izay nilainy teo amin’ny fiainana.
Nanontany àry i Jesosy hoe: “Nahoana no manahy ny amin’ny fitafiana hianareo? Diniho tsara ny fanirin’ny vonin-kazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny.”—Matio 6:28, 29.
Samy manana ny heviny ny olona momba ny karazam-boninkazo tao an-tsain’i Jesosy, tamin’izy nilaza ireo teny ireo. Niresaka momba an’ilay izy ho toy ny ahitra anefa izy avy eo, rehefa nilaza hoe: “Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana?”—Matio 6:30.
Tsy avy any Israely io voninkazo dia eo amin’ny sary io, kanefa azo antoka fa manamarina ny fampianaran’i Jesosy ny hatsaran-tarehiny. Mahavariana ny hakantony na tazanin-davitra na dinihina akaiky, hany ka tia azy io erỳ ny mpaka sary sy ny mpanao sary. Tsy nanitatra velively àry i Jesosy raha nilaza hoe: “Na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny.”
Inona no lesona tsoahintsika avy amin’izany? Afaka matoky ny mpanompon’Andriamanitra, fa hanampy azy ireo hahazo izay ilainy eo amin’ny fiainana Andriamanitra, na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza. Nohazavain’i Jesosy hoe: “Katsaho ny fanjakan[’Andriamanitra]; dia hanampy ho anareo izany zavatra [sakafo sy fitafiana] izany.” (Lioka 12:31) Tena mahasoa tokoa ny mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantatrao ve anefa hoe inona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary inona no hataon’izy io ho an’ny olombelona? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahita ny valin’izany ao amin’ny Baiboly.