Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Enimpolo Taona Nampiofanana Misionera ny Sekolin’i Gileada

Enimpolo Taona Nampiofanana Misionera ny Sekolin’i Gileada

Enimpolo Taona Nampiofanana Misionera ny Sekolin’i Gileada

“NIHAKAIKY an’i Jehovah izahay, ary nahafantatra kokoa ny fandaminany, rehefa nandalina ny Baiboly. Nanomana anay ho amin’ny fiainana tany an-tany hafa izany.” Izany no nolazain’ny misionera iray nahazo diplaoma tamin’ny kilasy voalohany, mahakasika ny fianarana nataony tao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana. Nandefa misionera maro ny Sekolin’i Gileada, nanomboka tamin’ny nitokanana azy, 60 taona lasa izay. Natao tamin’ny 8 Martsa 2003, tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, any Patterson, New York, ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-114. Nisy 6 404 no nanatrika izany tao amin’ilay efitrano lehibe sy toerana kely maromaro hafa, nampifandraisina an-tsary. Nohenoin’izy ireo tsara ny fandaharana, izay nisy lahateny sy fanadinadinana ary fiaraha-midinika.

I Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no mpitari-draharaha. Nilaza izy teo am-piandohana fa samy hafa firenena ireo mpanatrika, satria misy avy any Amerika Afovoany sy Atsimo, Azia, Eoropa, ary Karaiba. Nampiasa ny 2 Timoty 4:5 ny Rahalahy Jaracz, mba hanasongadinana fa “ny asan’ny evanjelista” no tena ataon’ireo misionera. Mitory ny fahamarinana ireo misionera, rehefa mampianatra Baiboly.

Nahazo toromarika farany ireo mpianatra

Voalohany tamin’ireo lahateny fohy, ny an’i John Larson, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Nanatanjaka ny finoana ilay lahateniny hoe “Raha Andriamanitra no Momba Antsika, Iza no Hahatohitra Antsika?” (Romana 8:31) Nohazavainy ny antony ara-baiboly ahafahan’ireo mpianatra mino tanteraka fa manana hery hanampiana azy ireo i Jehovah, ka ho vitany ny hiatrika izay zava-tsarotra any amin’ny toerana hanendrena azy ireo. Nampiasain’ny Rahalahy Larson ny Romana 8:38, 39, ka nampirisika an’ireo mpianatra izy hoe: “Eritrereto tsara ny hery ampiasain’i Jehovah ho anareo, ary tadidio fa tsy misy afaka mandrava ny fitiavany anareo.”

I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny nanaraka, nampitondrainy ny lohateny hoe “Hazòny ho Sambatra ny Masonareo!” (Lioka 10:23) Nohazavainy fa ny hoe tena sambatra dia midika hoe mahalala an’i Jehovah sy ny fikasany mandrakizay, ary mahita ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly. Ho tena sambatra foana ireo mpianatra, raha mihazona ny masony ho sambatra, na aiza na aiza halehany. Nampirisihin’ny Rahalahy Pierce izy ireo, mba hieritreritra lalina ny hatsaran’i Jehovah sy hampifantoka ny sainy sy ny fony amin’ny fanaovana ny sitrapony. (Salamo 77:12) Afaka ny hiatrika ny zava-tsarotra rehetra ireo mpianatra, raha mijery ny lafy tsaran-javatra foana.

Nanome teny farany an’ireo mpianatra avy eo, ireo rahalahy roa nampianatra azy isan’andro. Fanontaniana no lohatenin’ny lahatenin’i Lawrence Bowen hoe “Mitady Voninahitra ve Ianao?” Heverin’ny olona fa manam-boninahitra izy, rehefa deraina sy hajaina ary misongadina. Takatr’i Asafa mpanao salamo anefa fa ny tena voninahitra, dia ilay zava-tsarobidy indrindra, izany hoe ny fifandraisana amin’i Jehovah. (Salamo 73:24, 25) Nampirisihina ireo mpianatra mba hihazona fifandraisana tsara amin’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fahazarana mianatra lalina ny Baiboly. “Tian’ny anjely hodinihina” ireo tsipiriany momba ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy. (1 Petera 1:12) Tian’izy ireo ny hianatra zavatra betsaka araka izay azony atao momba ilay Rainy, mba hahafahany hanome taratry ny voninahiny. Nampirisihin’ilay mpandahateny koa ireo mpianatra mba hanome voninahitra an’i Jehovah any amin’ny toerana anendrena azy, ka hanampy ny olona hahita ilay zava-tsarobidy indrindra.

I Wallace Liverance, mpitan-tsoratr’ilay sekoly, no nanao ny farany tamin’ireo lahateny fanokafana, nitondra ny lohateny hoe “Lazao ny Fahendren’Andriamanitra Maneho Zava-miafina.” (1 Korintiana 2:7) Inona ilay fahendren’Andriamanitra noresahin’ny apostoly Paoly, nandritra ny asa misionera nataony? Izy io dia ny fomba feno fahendrena sy hery, izay ampiasain’i Jehovah mba hampisy fiadanana sy firaisan-tsaina eran-tany. Mifantoka amin’i Jesosy io fahendrena io. Tsy nampiasa ny filazantsara mba hanatsarana ny fiaraha-monina i Paoly, fa nanampy ny olona kosa hahita ny fomba hanafoanan’Andriamanitra ny vokatry ny fahotan’i Adama. (Efesiana 3:8, 9) Nampirisihin’ilay mpandahateny ny mpihaino azy hoe: “Ampiasao toy ny nataon’i Paoly ny tombontsoam-panompoanareo. Ny asa misionera mantsy, dia noheveriny ho fahafahana hanampy olona hahita ny fomba hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany.”

Nitarika fiaraha-midinika velombelona tamin’ny mpianatra vitsivitsy avy eo i Mark Noumair, anisan’ny mpampianatra ao amin’i Gileada. Nanasongadina ny tenin’i Paoly ao amin’ny Romana 10:10 ilay foto-kevitra noresahiny hoe “Mamokatra Mpitory Mazoto ny Fianarana ny Tenin’Andriamanitra.” Nitantara zavatra nahafinaritra hitany teny am-pitoriana nandritra ilay sekoly ireo mpianatra. Hita tamin’izany fa rehefa mianatra sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isika, dia mameno ny fontsika ireo zava-tsoa momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany, ka mivoaka eo am-bavantsika. Dimy volana ireo mpianatra no nipetraka tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana. Nanomboka fampianarana Baiboly 30 mahery anefa izy ireo, na dia efa voasa matetika aza ireo faritanin’ny fiangonana manodidina niasan’izy ireo.

Torohevitra avy amin’olona matotra

Nandray soa tamin’ny fiarahana tamin’ny fianakavian’ny Betelan’i Etazonia koa ireo mpianatra. Nitarika fanadinadinana mpanompon’i Jehovah nahatoky hatramin’ny ela i Robert Ciranko sy Robert Johnson, samy anisan’ny komitin’ny sampan’i Etazonia. Anisan’ny nadinadininy ireo mpiandraikitra mpitety faritany nandray fiofanana manokana tao amin’ilay foibem-pampianarana, tamin’io fotoana io. Efa nahazo diplaoman’i Gileada ireo rehetra nadinadinina, ary efa misionera koa taloha. Nampahery an’ireo mpianatra sy ny havany aman-tsakaizany ny nandre ny torohevitr’ireo rahalahy za-draharaha sy araka ny fanahy ireo.

Izao no anisan’ny toroheviny: “Miezaha foana ho variana amin’ny fanompoana sy ny asan’ny fiangonana, raha mbola azo atao.” “Aza dia mora tohina loatra. Mifantoha foana amin’ny zava-kendren’ny misionera, ary ataovy izay hahatamana anareo.” Hita tamin’ny fanamarihana hafa koa fa manampy ny mpitory hanao asa tsara ny Sekolin’i Gileada, na aiza na aiza anendrena azy. Anisan’izany ny hoe: “Nianatra hiara-miasa izahay.” “Nanampy anay hanaiky kolontsaina vaovao ilay sekoly.” “Nampianarina hampiasa ny Soratra Masina tamin’ny fomba hafa koa izahay.”

Nanao ny lahateny fototra tamin’ilay fandaharana i John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana efa hatramin’ny ela. Ny lohatenin’izy io dia hoe “Efa Nivoaka ho any Amin’ny Tany Rehetra ny Feony.” (Romana 10:18) Nanontany izy hoe: Vitan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny ve izany? Eny tokoa! Efa tamin’ny 1881 ny Tilikambo Fiambenana no nanontany hoe: “Mitory ve ianao?” Nampahatsiahivin’ny Rahalahy Barr ny mpanatrika rehetra avy eo, ny momba ilay antso nanan-tantara tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point, Etazonia, tamin’ny 1922. Hoy ilay antso: “Ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany!” Nanosika ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky ny zotom-pony, mba hanambara amin’ny firenena rehetra ny fahamarinana mahatalanjona momba ilay Fanjakana. Mamoaka boky izy ireo sady mitory, ka tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny vaovao tsara, ho voninahitra sy dera ho an’i Jehovah. Namarana ny teniny ny Rahalahy Barr, ka nampirisika an’ireo misionera vaovao mba hisaintsaina ny fitahiana azony. Nampientam-po ny teniny, nanao hoe: “Rehefa mivavaka ianareo isan’andro, any amin’ny toerana halehanareo any, dia isaory avy amin’ny fonareo manontolo i Jehovah, noho ny anjara asanareo amin’ny fanatanterahana an’ilay teny hoe: ‘Efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny feony.’”

Novakina taorian’io lahateny io ny firarian-tsoa, ary nizara ny diplaoma ho an’ny mpianatra tsirairay ny mpitari-draharaha. Nisy solontenan’ny mpianatra avy eo namaky ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Sady faly izy no nalahelo handao an’ilay sekoly. Nolazain’ilay solontena tamin’ny Filan-kevi-pitantanana sy ny fianakavian’ny Betela, fa tapa-kevitra ireo misionera vaovao ny hidera an’i Jehovah “hatramin’izao ka ho mandrakizay.”​—Salamo 115:18.

Mivavaka isika mba hizatra amin’ny fiainany vaovao ireo misionera ireo, ary handray anjara tsara amin’ny fampandrosoana ny asa fitoriana maneran-tany. Toy izany koa mantsy no nataon’ireo misionera talohan’izy ireo, tao anatin’izay 60 taona izay.

[Efajoro, pejy 23]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Isan’ny tany nanana solontena: 12

Isan’ny tany nanendrena: 16

Isan’ny mpianatra: 48

Salanisan’ny taona: 34,4

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 17,6

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 13,5

[Sary, pejy 24]

Ny Kilasy Faha-114 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Rosa, D.; Garrigolas, J.; Lindström, R.; Pavanello, P.; Tait, N. 2) Van Hout, M.; Donabauer, C.; Martinez, L.; Millar, D.; Festré, Y.; Nutter, S. 3) Martinez, P.; Clarke, L.; Maughan, B.; Fischer, L.; Romo, G. 4) Romo, R.; Eadie, S.; Tuynman, C.; Campbell, P.; Millar, D.; Rosa, W. 5) Lindström, C.; Garrigolas, J.; Markevich, N.; Lindala, K.; van den Heuvel, J.; Tait, S.; Nutter, P. 6) Maughan, P.; Pavanello, V.; Eadie, N.; West, A.; Clarke, D.; Markevich, J. 7) Fischer, D.; Donabauer, R.; Curry, P.; Curry, Y.; Carfagno, W.; West, M.; Tuynman, A. 8) Van Hout, M.; Campbell, C.; Festré, Y.; Carfagno, C.; van den Heuvel, K.; Lindala, D.