Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana Olona Mampiasa Fiteny Hafakely any Korea

Fanampiana Olona Mampiasa Fiteny Hafakely any Korea

Fanampiana Olona Mampiasa Fiteny Hafakely any Korea

NANATRIKA ny fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona maromaro tena nafana fo, nefa somary nangingina, tamin’ny 1997. Io no fivoriambe voalohany natao ho an’ny marenina, tany Korea. Nisy 1 174 ny tampon’isan’ny mpanatrika. Natao tamin’ny Baiko Moana Koreanina ny fandaharana manontolo, na ny lahateny sy ny fanadinadinana, na ny fampisehoana tantara. Nalefa tamin’ny efijery lehibe iray toy ny any amin’ny sinema izany, mba ho tazana manerana ilay Efitrano Fivoriambe. Vokatry ny asa mafy nataon’ny mpiasa an-tsitrapo be dia be, nandritra ny taona maro izany.

Ho avy ny fotoana “hampahaladìna ny sofin’ny marenina”, ao amin’ny paradisa an-tany. (Isaia 35:5) Izay rehetra maniry hiaina ao amin’io Paradisa io, anisan’izany ny marenina, dia tsy maintsy miditra ao amin’ny paradisa ara-panahy aloha, izany hoe ny fanambinana ara-panahy azon’ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy maintsy Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa ary ampianariny koa izy ireo.​—Mika 4:1-4.

Fiandohana kely

Efa nisy asa fitoriana natao tamin’ireo marenina, tamin’ireo taona 1960. Nandritra ireo taona 1970 anefa vao nisy vitsivitsy tamin’izy ireo nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Séoul, renivohitr’i Korea. Nisy rahalahy nahay nanoratra haingana, ka nanoratra tamin’ny solaitrabe ny hevi-dehiben’ny lahateny sy ireo andinin-teny nampiasaina.

Nanan-janakalahy marenina ny Vavolombelona iray tao amin’ny tanànan’i Taejon. Nanomboka nampianatra momba ilay Fanjakana tamin’io zanany io sy ireo marenina naman’ny zanany izy, tamin’ny 1971. Maromaro tamin’ireo olona be zotom-po ireo no lasa andrin’ny fiangonana maro mampiasa baikon’ny moana.​—Zakaria 4:10.

Tanora mazoto manolo-tena

Mbola nisy ezaka be nilaina natao, mba hahafantaran’ny marenina an’i Jehovah sy Jesosy, ka hanarahany ny lalan’ny fiainana. (Jaona 17:3) Nisy Vavolombelon’i Jehovah maro nianatra baikon’ny moana, ary novalian-tsoa ny ezaka nataony, satria tena nahita fahafaham-po izy ireo.

Dimy ambin’ny folo taona i Park In-sun, ary nataony tanjona ny hahay baikon’ny moana. Niofana tao amin’ny orinasa iray nisy mpiasa marenina 20 àry izy. Niara-niasa akaiky tamin’izy ireo izy nandritra ny valo volana, mba hianarana ny baikon’ny moana sy ny fomba fisainan’ny marenina. Lasa mpisava lalana maharitra, na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, i Park In-sun ny taona nanaraka, ary nanampy marenina vitsivitsy liana tamin’ny fahamarinana ara-baiboly. Nitombo haingana ny isan’izy ireo, ka tsy ela dia 35 mahery no nanatrika ny fivoriana alahady.​—Salamo 110:3.

Nalamina taorian’izay ny fivoriana kristianina voalohany tsy nampiasana afa-tsy baikon’ny moana, tany Séoul. Nitombo foana ny isan’ireo mpianatra Baiboly ary nanampy azy ireo i Park In-sun, izay lasa mpisava lalana manokana. Efa nahay baikon’ny moana tsara izy tamin’izay. Nitarika fampianarana Baiboly 28 tamin’ny marenina izy, nandritra ny volana sasany. Maro tamin’izy ireo no nandroso sy lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Noho ny asan’ireo mpiasa an-tsitrapo narisika ireo, dia niforona tamin’ny Oktobra 1976 ny fiangonana voalohany nampiasa baikon’ny moana tany Séoul. Nisy mpitory 40 sy mpisava lalana roa tao amin’io fiangonana io. Nandrisika an’ireo mpitory tany amin’ny tanàna hafa any Korea koa izany. Mbola betsaka ny marenina nangetaheta ny vaovao tsara, ka niandry hotsidihina.

Fanampiana ireo marenina

Mety hanontany tena ianao hoe ahoana no nahitana ireo marenina. Ny olona no tena nanoro ny nisy azy ireo. Nangatahana fanampiana koa ireo mpivaro-bary, ka nanome ny anarana sy ny adiresin’ireo marenina. Nanampy toy izany koa ny biraom-panjakana sasany. Notadiavina tsara ireo marenina, ary tena nahomby ny fitoriana tamin’izy ireo, ka lasa nisy fiangonana efatra nampiasa baikon’ny moana. Tanora kristianina maro no nampirisihina hianatra baikon’ny moana.

Notendren’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-miasa amin’ireo fiangonana ireo ny mpisava lalana manokana nianatra baikon’ny moana. Tsy ela koa izay, dia voatendry hiara-miasa amin’ireo fiangonana ireo ny ralahahy sasany nahazo ny diplaoman’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ka nampahery azy ireo.

Misy zava-tsarotra tsy maintsy resena anefa. Mila miezaka hahafantatra ny fomba fisainan’ny marenina sy ny fomba amam-panaony ny mpitory. Tsotra sy mivantambantana izy ireo, ary tsy manampo izany ny olona indraindray, ka mety hisy tsy fifankahazoana. Rehefa mampianatra Baiboly amin’ny marenina ny Vavolombelona, dia mila manampy azy koa hahay baikon’ny moana tsara, sy mampirisika azy hamaky teny sy hianatra bebe kokoa.

Miatrika zava-tsarotra tena tsy fantatry ny hafa ny marenina eo amin’ny fiainany andavanandro. Matetika no manahirana be azy ireo ny mampita izay tiany holazaina any amin’ny biraom-panjakana sy ny toeram-pitsaboana, ary na dia amin’ny raharaham-barotra tsotra aza. Nanampy azy ireo tamim-pitiavana ny Vavolombelona teo amin’ny manodidina, ka tsapan’ireo marenina ny tena atao hoe firahalahiana, teo anivon’ny fiangonana kristianina.​—Jaona 13:34, 35.

Mahomby ny fitoriana tsy ara-potoana

Nifanena tamin’ny marenina roa lahy ny Vavolombelona iray, tany Pusan, seranan-tsambo lehibe indrindra any amin’ny faritra atsimon’i Korea. Nanoratra tamin’ny taratasy kely izy mirahalahy hoe: “Tianay ny Paradisa. Te hahafantatra ireo andinin-teny miresaka momba ny fiainana mandrakizay izahay.” Nandray ny adiresiny ilay rahalahy, ary nifanao fotoana taminy. Efa feno marenina niandry tao amin’ilay trano, rehefa tonga nitsidika azy ireo izy. Naniry hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana izy rehetra. Nampirisika an’ilay Vavolombelona hianatra baikon’ny moana izany. Tsy ela dia lasa nisy fiangonana nampiasa baikon’ny moana tao Pusan.

Nisy rahalahy iray avy amin’io fiangonana io nahamarika olona marenina roa nifanao baikon’ny moana, ka nanatona azy ireo izy. Hitany fa vao avy niangona izy mirahalahy, ka nasainy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana tamin’ny roa tolakandro tamin’iny andro iny ihany. Tonga tany izy ireo, ary nanomboka ny fianarana Baiboly. Nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izy mirahalahy taoriana kelin’izay, ary nitondra namana marenina 20. Maromaro tamin’izy ireo no nanolo-tena ho an’i Jehovah. Lasa anti-panahy ny roa, ary ny iray mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny fiangonana mampiasa baikon’ny moana.

Novalian-tsoa ny fikirizana

Mipetraka lavitra ny fiangonana mampiasa baikon’ny moana ny marenina sasany, ka tsy maintsy miezaka mafy sy maneho fikirizana ny mpitory mba hitondrana sakafo ara-panahy tsy tapaka ho azy ireo. Mpanjono teny amoron’ny nosy iray, ohatra, ny lehilahy marenina 31 taona. Niresaka tamin’ny zandriny lahy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka izy no nandrenesany ny hafatra ara-baiboly. Nangetaheta ara-panahy ilay mpanjono marenina, ka nandray lakana ary nanao dia 16 kilaometatra, hatrany Tongyoung, tanàna any amoron-tsiraka atsimon’i Korea. Nanao izany izy, satria te hihaona tamin’ny mpisava lalana manokana iray avy tamin’ilay fiangonana nampiasa baikon’ny moana, tany Masan. Nanao dia 65 kilaometatra isaky ny alatsinainy ilay mpisava lalana, mba hampianatra azy Baiboly fotsiny.

Isaky ny hanatrika ny fivoriana alahady tany Masan ilay marenina, dia tsy maintsy nanao dia 16 kilaometatra tamin’ny lakana, ary avy eo nanao dia 65 kilaometatra tamin’ny fiara fitaterana. Nisy vokany anefa ny fikirizany. Nihanahay baikon’ny moana sy litera koreanina bebe kokoa izy, tao anatin’ny volana vitsivitsy monja. Ny tena zava-dehibe aza dia hoe nianatra ny hany fomba hifandraisana amin’i Jehovah izy. Tsapany fa zava-dehibe ny fivoriana sy ny fitoriana tsy tapaka, ka nifindra tany amin’ny faritanin’ilay fiangonana mampiasa baikon’ny moana izy. Mora taminy ve izany? Tsia. Voatery niala tamin’ny asa fanjonoana izy, na dia nahazoany 3 800 dolara (24 000 000 FMG eo ho eo) isam-bolana aza izany. Novalian-tsoa anefa ny fikirizany. Nandroso tao amin’ny fahamarinana izy, ka natao batisa, ary manompo an’i Jehovah amim-pifaliana izy mianakavy izao.

Fandikan-teny ho an’ny marenina

Matetika no ampitaina am-bava ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Ilaina haseho amin’ny endriny maharitra kokoa anefa ny fampianarana ara-baiboly, mba ho marina kokoa ny fomba hampitana ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany, dia nanoratra boky sy taratasy ireo anti-panahy za-draharaha tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 15:22-31; Efesiana 3:4; Kolosiana 1:2; 4:16) Mahazo sakafo ara-panahy tondraka amin’ny alalan’ireo boky kristianina isan-karazany isika amin’izao andro izao. Mandika ireny boky ireny amin’ny Baikon’ny Moana Koreanina ny sampan-draharaha iray ao amin’ny biraon’ny sampana. Misy sampan-draharaha iray hafa koa mamoaka vidéo mampiasa baikon’ny moana. Izany dia manome sakafo ara-panahy ho an’ireo mpitory ny vaovao tsara sy ireo olona liana nefa marenina, eo amin’ireo fiangonana any Korea.

Ireo manana ray aman-dreny marenina no tena mahay mandika teny, na dia betsaka aza no lasa nahay baikon’ny moana tsara sy nanampy tamin’ny famoahana vidéo. Mbola zazakely izy ireo dia efa nianatra baikon’ny moana. Tsy vitan’ny hoe marina ny zavatra adikany, fa manohina ny fo sy ny saina koa. Hainy tsara mantsy ny mamoaka ny fihetseham-po sy manasongadina ny hevi-dehibe, amin’ny fihetsiny sy ny endriny.

Araka ny efa nomarihina, dia misy foana izao ny fivoriambe amin’ny baikon’ny moana any Korea. Betsaka aloha ny asa sy vola ary ny ezaka ilaina amin’izany, nefa tena mankasitraka ny fivoriambe ny mpanatrika. Maro no mbola mijanona elaela rehefa mirava, satria tiany hitohy ilay fiarahana mahafinaritra. Te hiresaka momba ny sakafo ara-panahy matsiro noraisiny koa izy. Tsy mora, araka izany, ny manampy ireo olona mampiasa fiteny hafakely ireo. Tsy very maina anefa ny ezaka atao, satria ahazoana fitahiana avy amin’i Jehovah.

[Sary, pejy 10]

Vidéo amin’ny baikon’ny moana vita any Korea: “Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?”, “Fankasitrahana ny Lovantsika Ara-panahy”, “Ohatra Fampitandremana ho An’ny Androntsika”, ary “Hajao ny Fahefan’i Jehovah”

[Sary, pejy 10]

Manaraka ny fihodin’ny famantaranandro, miainga avy eo ambany: Fanamboarana vidéo amin’ny baikon’ny moana any amin’ny sampan’i Korea; fanomanana voambolana manokana amin’ny baikon’ny moana; ekipan’ny mpandika teny amin’ny baikon’ny moana; fanampiana mpanao baikon’ny moana eo am-panaovana vidéo