Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaporofo ny Fisian’i Jesosy ve Ilay Fitahirizana Taolam-paty?

Manaporofo ny Fisian’i Jesosy ve Ilay Fitahirizana Taolam-paty?

Manaporofo ny Fisian’i Jesosy ve Ilay Fitahirizana Taolam-paty?

“VOASOKITRA Amin’ny Vato ny Porofo fa Tena Nisy i Jesosy.” Izany no hita teo amin’ny fonon’ny boky Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy, Novambra/Desambra 2002). Naseho teo koa ny sarina fitahirizan-taolam-paty vita tamin’ny vatosokay, hita tany Israely. Betsaka ny Jiosy nampiasa fitahirizan-taolam-paty nanomboka tamin’ny taonjato voalohany Talohan’i Kristy (T.K.) ka hatramin’ny taona 70 Aorian’i Kristy (A.K.). Ny tena nampiavaka an’ity iray ity anefa, dia ilay soratra aramianina hita teo aminy. Araka ny manam-pahaizana, dia izao no dikan’ilay soratra: “Jakoba, zanak’i Josefa, rahalahin’i Jesosy.”

Milaza ny Baiboly fa i Jesosy avy any Nazareta dia nanana rahalahy nantsoina hoe Jakoba, izay zanak’i Josefa, vadin’i Maria. Gaga ny olona nihaino an’i Jesosy Kristy nampianatra tao amin’ny tanànany, ka nanontany hoe: “Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran’ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny? Ary ny anabaviny, moa tsy etỳ amintsika avokoa va izy?”​—Matio 13:54-56; Lioka 4:22; Jaona 6:42.

Mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy avy any Nazareta tokoa àry, ilay soratra eo amin’ilay fitahirizan-taolam-paty. Raha i Jakoba, rahalahy iray reny tamin’i Jesosy Kristy tokoa no resahin’izy io, dia io no “porofo tranainy indrindra hitan’ny arkeology, ankoatra ny Baiboly, fa tena nisy i Jesosy.” Izany no nambaran’i André Lemaire, manam-pahaizana manokana momba ny soratra tranainy, sady nanoratra ilay lahatsoratra tao amin’ilay boky tetsy aloha. Nanamarika i Hershel Shanks, mpampanonta an’io boky io, fa ilay fitahirizan-taolam-paty dia “zavatra mivaingana sy hita maso tamin’ny andron’ilay olona niavaka indrindra teto an-tany.”

Anarana nahazatra tamin’ny taonjato voalohany anefa ireo anarana telo voasoratra teo amin’ilay fitahirizan-taolam-paty. Nety ho nisy Jakoba sy Josefa ary Jesosy koa àry tao amin’ny fianakaviana hafa, ankoatra ny an’i Jesosy Kristy. Hoy i Lemaire: ‘Olona 20 teo ho eo angamba no nantsoina hoe “Jakoba zanak’i Josefa sy rahalahin’i Jesosy”, tany Jerosalema, nandritra ny taranaka roa talohan’ny taona 70.’ Mihevitra anefa izy, fa azo antoka ihany hoe i Jakoba, rahalahy iray reny tamin’i Jesosy Kristy, no resahin’ilay fitahirizan-taolam-paty.

Misy antony hafa koa mahatonga ny sasany hino izany. Fanaon’ny olona fahiny ny nanoratra ny anaran’ny rain’ilay maty tamin’ireny fitahirizan-taolam-paty ireny. Nahalana be kosa vao nosoratana teo ny an’ny rahalahiny. Izany no mahatonga ny manam-pahaizana sasany hihevitra fa tsy maintsy ho olona niavaka io Jesosy io, dia i Jesosy Kristy, ilay nanorina ny Kristianisma.

Azo itokisana ve ilay fitahirizan-taolam-paty?

Inona no atao hoe fitahirizan-taolam-paty? Izy io dia vata fasiana ny taolam-patin’ny olona, rehefa lo tao amin’ny zohy fandevenana ny nofony. Betsaka ny fitahirizan-taolam-paty nangalarina tao amin’ireo fasana nanodidina an’i Jerosalema. Tany amin’ny mpivarotra rakitry ny ela no nahitana ilay vata nisy ny anaran’i Jakoba, fa tsy teny amin’ny toerana famongaran’ny manam-pahaizana ireo sisan-javatra fahiny. Nilaza ny tompon’ilay vata fa an-jato dolara vitsivitsy no nividianany azy io, tany amin’ireo taona 1970. Tsy fantatra marina àry hoe avy aiza izy io. Hoy i Bruce Chilton, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Bard, any New York: “Tsy afaka milaza ianao hoe misy ifandraisana ny rakitry ny ela iray sy ny olona mety horesahin’izy io, raha tsy hainao ny toerana nahitana sy nisy azy io nandritra ny 2 000 taona latsaka kely.”

Koa satria tsy ireo arkeology no nahita ilay vata, dia nalefan’i André Lemaire tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Jeolojia any Israely, ilay izy. Nojeren’ireo mpikaroka, tany amin’io tany io raha vita tamin’ny vatosokay tamin’ny taonjato voalohany na faharoa tokoa ilay vata. Nilaza izy ireo fa rehefa nodinihina ilay izy, dia hita fa “tsy nisy fitaovana maoderina nampiasaina taminy.” Rehefa nadinadinin’ny Gazetin’i New York (anglisy) anefa ny manam-pahaizana momba ny Baiboly, dia nilaza fa ‘toa tena mifandray amin’i Jesosy ilay porofo azo, nefa izany akory tsy manaporofo mivantana hoe nisy izy.’

Nilaza ny gazetiboky Ny Fotoana (anglisy) fa “ny ankamaroan’ny olona nahita fianarana dia mino hoe nisy i Jesosy.” Maro anefa no mihevitra fa tokony hisy porofo hafa, ankoatra ny Baiboly, manamarina izany. Ny arkeolojia ve no tokony ho fototra hiorenan’ny finoana an’i Jesosy Kristy? Inona no porofo ananantsika fa tena nisy tokoa “ilay olona niavaka indrindra teto an-tany”?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Ankavia: Fitahirizan-taolam-patin’i Jakoba: AFP PHOTO/J.P. Moczulski; Ankavanana: soratra: AFP PHOTO/HO