Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifantoha Amin’ny Toetra Tsaran’ny Olona Rehetra

Mifantoha Amin’ny Toetra Tsaran’ny Olona Rehetra

Mifantoha Amin’ny Toetra Tsaran’ny Olona Rehetra

“Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.”​—NEHEMIA 13:31.

1. Ahoana no anaovan’i Jehovah soa ho an’ny rehetra?

TENA mahafinaritra rehefa mibaliaka ny masoandro, aorian’ny andro maromaro nanjombona. Velom-bolo indray ny olona sady falifaly. Mamelombelona sy manamaivamaivana koa ny orana, na ny oram-baratra mihitsy aza, rehefa nidanika ela ny hainandro, ary maina ny andro. I Jehovah, ilay Mpamorona antsika be fitiavana, no nampisy ireo toetr’andro faran’izay tsara ireo. Nisarika ny saina ho amin’ny fahalalahan-tanan’Andriamanitra i Jesosy, rehefa nampianatra hoe: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo,​—mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:43-45) Manao soa ho an’ny rehetra tokoa i Jehovah. Tokony hiezaka hanahaka azy ny mpanompony, ka hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona.

2. a) Inona no antony mahatonga an’i Jehovah hanao soa? b) Inona no dinihin’i Jehovah amintsika?

2 Inona no antony mahatonga an’i Jehovah hanao soa? Mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olombelona foana izy, hatramin’ny nanotan’i Adama. (Salamo 130:3, 4) Mikasa hamerina ny olombelona mankatò ho ao amin’ny Paradisa izy. (Efesiana 1:9, 10) Naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa i Jehovah, ka manantena isika fa hanafaka antsika amin’ny ota sy ny tsy fahalavorariana ilay Taranaka nampanantenaina. (Genesisy 3:15; Romana 5:12, 15) Afaka manantena ny ho lavorary indray isika, raha mino ny avotra. Mandinika antsika tsirairay i Jehovah izao, mba hahitany izay ataontsika ho setrin’ny fahalalahan-tanany. (1 Jaona 3:16) Manamarika izay rehetra ataontsika ho fankasitrahana ny soa ataony izy. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.”​—Hebreo 6:10.

3. Inona no fanontaniana tokony hodinihintsika?

3 Ahoana àry no hanahafantsika an’i Jehovah, ka hifantohantsika amin’ny toetra tsaran’ny olona? Andeha isika handinika ny fomba anaovana izany: 1) eo amin’ny fanompoana kristianina, 2) eo anivon’ny fianakaviana, 3) eo anivon’ny fiangonana, ary 4) rehefa mifandray amin’ny olona rehetra.

Rehefa mitory sy manao mpianatra

4. Hazavao fa mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona isika, rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana.

4 Rehefa nanontany ny hevitry ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ny mpianatr’i Jesosy, dia nanazava izy fa “ny tanimbary dia izao tontolo izao.” Manaiky izany koa isika mpianatr’i Kristy ankehitriny, rehefa mandeha manompo eny amin’ny saha. (Matio 13:36-38; 28:19, 20) Tafiditra amin’izany ny fanambarana ampahibemaso ny finoantsika. Fantatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fitoriany isan-trano sy eny an-dalana. Porofo izany fa mazoto mitady izay rehetra mendrika ny hafatra momba ilay Fanjakana isika. Hoy tokoa i Jesosy: “Izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao.”​—Matio 10:11; Asan’ny Apostoly 17:17; 20:20.

5, 6. Nahoana isika no miverimberina foana mitsidika ny olona?

5 Mandinika ny fandraisan’ny olona ny hafatra entintsika isika, rehefa tonga tsy ampoizina any aminy. Indraindray, dia misy olona mihaino antsika ao amin’ny trano iray, nefa misy iray hafa ao amin’io trano io ihany milaza hoe: “Tsy mahaliana anay izany.” Ary mifarana hatreo ny resaka. Tena malahelo mihitsy isika rehefa misy olona manohitra na tsy liana, ka manjary tsy mihaino koa ny hafa! Ahoana àry no hifantohantsika hatrany amin’ny toetra tsaran’ny olona rehetra?

6 Mety ho afaka hiresaka mivantana amin’ilay olona nilaza fa tsy liana isika, rehefa mitory indray ao amin’ilay faritany. Manampy antsika hiomana ny mitadidy ny zava-nitranga. Mety ho tsara fikasa izy matoa nanohitra. Nihevitra angamba izy fa tokony hisakana ny hafa tsy hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana, noho izy mety ho nahare zavatra diso momba ny tanjontsika. Izany anefa tsy misakana antsika tsy hitory intsony ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ao amin’io trano io. Hiezaka hanitsy ny heviny amim-panajana kosa isika. Maniry hanampy ny rehetra hahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra isika. Mety hitaona an’ilay olona ho aminy i Jehovah.​—Jaona 6:44; 1 Timoty 2:4.

7. Inona no hanampy antsika hijery lafy tsaran-javatra rehefa manatona ny olona?

7 Niresaka momba ny fanoheran’ny mpianakavy koa i Jesosy, rehefa nanome toromarika ho an’ny mpianany. Tsy nilaza ve izy hoe: “Tonga Aho hampifandrafy olona amin’ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozani-vavy”? Hoy koa izy: “Ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.” (Matio 10:35, 36) Miova anefa ny toe-javatra sy ny fihetsiky ny olona. Mampiova ny fandraisan’izy ireo ny hafatra torintsika ny aretina tampoka, ny fahafatesan’ny havany, ny loza, ny olana mampitebiteby, ny fahasahiranana ara-bola, sy ny antony maro hafa. Azo lazaina àry ve fa tena mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona itoriantsika isika, raha mieritreritra fa tsy hanaiky ilay hafatra mihitsy izy ireo? Nahoana raha mitsidika azy ireo amim-pifaliana indray? Mety handray antsika izy ireo amin’izay. Indraindray dia tsy ny zavatra lazaintsika fotsiny no mampiova ny fihetsiky ny olona, fa ny fomba ilazantsika azy. Tena hanampy antsika ny mivavaka mafy amin’i Jehovah alohan’ny hitoriana. Amin’izay isika dia hijery lafy tsaran-javatra sy hahay hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny fomba manintona ny olon-drehetra.​—Kolosiana 4:6; 1 Tesaloniana 5:17.

8. Inona no vokany rehefa mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny havany tsy mpino ny Kristianina?

8 Maro ny mpihavana no samy manompo an’i Jehovah, eo anivon’ny fiangonana sasany. Matetika ireo tanora tao amin’ilay fianakaviana no niaiky volana, rehefa nahamarika fa mifandray tsara hatrany amin’ny vadiny sy ny fianakaviana ny havany Vavolombelona. Lasa nanaja an’io havany io izy ireo ary niova mihitsy aza, ka vonona kokoa hanaiky ilay hafatra torintsika. Maro koa ny vehivavy kristianina nahataona ny vadiny “tsy amin’ny teny”, rehefa nanaraka ny torohevitry ny apostoly Petera.​—1 Petera 3:1, 2.

Eo anivon’ny fianakaviana

9, 10. Ahoana no nampisehoan’i Jakoba sy Josefa fa nifantoka tamin’ny toetra tsaran’ny mpianakaviny izy ireo?

9 Afaka mifantoka amin’ny toetra tsaran’ireo tena akaiky antsika koa isika, izany hoe ny mpianakavintsika. Diniho ny lesona azontsika raisina avy amin’ny fomba nitondran’i Jakoba ny zanany lahy. Asehon’ny Baiboly, ao amin’ny Genesisy 37:3, 4, fa tian’i Jakoba nihoatra noho ny zanany hafa i Josefa. Nialona an’i Josefa àry ny mpiray tam-po taminy, ka niray tetika hamono azy mihitsy. Mariho anefa ny nataon’i Jakoba sy Josefa tatỳ aoriana. Samy nifantoka tamin’ny toetra tsaran’ny mpianakaviny izy ireo.

10 Nandray tsara ny rahalahiny i Josefa, fony izy mpiandraikitra ny fizaran-tsakafo tany Ejipta, nandritra ny mosary. Tsy nambarany avy hatrany hoe iza izy, nefa nokarakarainy tsara izy ireo ary nampitondrainy sakafo ho an’ilay rainy efa be taona. Niahy izay hahasoa azy ireo tokoa i Josefa, na dia nankahalain’izy ireo aza taloha. (Genesisy 41:53–42:8; 45:23) I Jakoba koa dia nitso-drano ny zanany lahy rehetra, talohan’ny hahafatesany. Marina fa nisy tombontsoa sasany tsy azon’izy ireo noho ny ratsy nataony. Kanefa, samy nahazo lova tao amin’ilay tany izy rehetra. (Genesisy 49:3-28) Tena niavaka mihitsy ny fomba nampisehoan’i Jakoba fa naharitra ny fitiavany!

11, 12. a) Inona no ohatra voalazan’ny faminaniana, izay manamafy fa ilaina ny mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpianakavy? b) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay zanaka adala?

11 Nahari-po tamin’ny firenen’ny Isiraely tsy nanam-pinoana i Jehovah. Hitantsika tsara kokoa amin’izany ny fomba ifantohany amin’ny toetra tsaran’ny olony. Nampiasa ny zava-nisy tao an-tokantranon’i Hosea mpaminany izy, mba hampisehoana fa maharitra ny fitiavany. Imbetsaka i Gomera no nanitsakitsaka an’i Hosea vadiny. Na izany aza, dia nandidy an’i Hosea i Jehovah hoe: “Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodina ho amin’izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.” (Hosea 3:1) Nahoana i Jehovah no nandidy azy hanao izany? Satria fantany fa hisy olona hankasitraka ny fahari-pony, ao amin’ilay firenena nania sy niala taminy. Hoy i Hosea: “Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak’Isiraely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary handeha amin-kovitra hanatona an’i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any am-parany.” (Hosea 3:5) Tena tokony hosaintsainina mihitsy io ohatra tsara io, rehefa misy olana ao an-tokantrano. Raha mifantoka hatrany amin’ny toetra tsaran’ny mpianakavinao ianao, dia ho ohatra tsara ny amin’ny fahari-po, na dia tsy voalamina avy hatrany aza ireo olana.

12 Ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay zanaka adala koa, dia manazava kokoa amintsika izay azo atao mba hifantohana amin’ny toetra tsaran’ny mpianakavintsika. Nody ilay faralahy rehefa avy niliba sy nandanilany ny fananany. Namindra fo taminy anefa ny rainy. Ahoana no nataon’ilay rainy, rehefa nitaraina taminy ilay lahimatoa, izay mbola tsy nandao ny fianakaviany mihitsy? Hoy izy taminy: “Anaka, hianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.” Tsy nibedy azy izy teo, fa nanome toky azy ny amin’ny fitiavany fotsiny. Hoy koa izy: “Mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.” Afaka manao toy izany koa isika, ka hifantoka hatrany amin’ny toetra tsaran’ny hafa.​—Lioka 15:11-32.

Eo anivon’ny fiangonana kristianina

13, 14. Ahoana no azontsika ampiharana ilay didy ambony indrindra, dia ny fitiavana, eo anivon’ny fiangonana kristianina?

13 Ny hanaraka ilay didy ambony indrindra, dia ny fitiavana, no tanjontsika Kristianina. (Jakoba 2:1-9) Marina fa misy angamba olona tsy mitovy fari-piainana amintsika eo anivon’ny fiangonana, ary mandray azy ireo tsara isika. Kanefa, “miangatra” ve isika amin’ny olona avy amin’ny foko, na kolontsaina sasany, na avy amin’ny fivavahana sasany mihitsy aza? Raha izany no izy, ahoana no hampiharantsika ny torohevitr’i Jakoba?

14 Porofon’ny hatsaram-panahintsika ny fandraisantsika tsara ny olona rehetra tonga mivory. Mety ho menamenatra na ho sadaikatra ireo sambany vao tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana. Mety ho afaka anefa izany, raha manatona azy sy miresaka aminy isika. Nilaza mihitsy aza ny olona sasany izay sambany vao nanatrika fivoriana hoe: “Sariaka be daholo ny olona tany. Ohatra ny hoe efa nahafantatra ahy izy rehetra, ka tsy sadaikatra mihitsy aho.”

15. Ahoana no azo anampiana ireo tanora mba hifandray amin’ny olon-dehibe eo anivon’ny fiangonana?

15 Indraindray, rehefa vita ny fivoriana, dia misy tanora vitsivitsy mivorivory ao anaty Efitrano Fanjakana, na eny ivelany, ary tsy mifanerasera amin’ny olon-dehibe. Inona no azo atao mba hialana amin’izany? Mazava ho azy fa ny ray aman-dreny aloha no tokony hampiofana ny zanany any an-trano, ka hanomana azy ireo ho amin’ny fivoriana. (Ohabolana 22:6) Azo asaina manomana ny boky hoentiny any am-pivoriana, ohatra, ny ankizy. Amin’izay dia samy hanana ny azy izy ireo rehefa mivory. Ny ray aman-dreny koa no tsara toerana indrindra mba hampirisika ny zanany hiresadresaka amin’ny olon-dehibe sy ireo efa osaosa, any amin’ny Efitrano Fanjakana. Ho afa-po izy ireo raha manan-javatra mampahery horesahina amin’ireo olon-dehibe ireo.

16, 17. Ahoana no hifantohan’ny olon-dehibe amin’ny toetra tsaran’ireo tanora eo anivon’ny fiangonana?

16 Tokony hihevitra an’ireo tanora eo anivon’ny fiangonana ireo rahalahy sy anabavy efa lehibe. (Filipiana 2:4) Afaka manatona ny tanora sy miresaka zavatra mampahery aminy izy ireo. Mazàna no misy hevitra misongadina velabelarina mandritra ny fivoriana. Azo anontaniana ireo tanora raha nahafinaritra azy ilay fivoriana, ary koa inona no hevitra tena nahaliana azy sy azony ampiharina. Tena anisan’ny fiangonana ireo tanora, ka tokony hankasitrahana noho izy ireo mihaino tsara. Tokony hoderaina koa izy ireo rehefa mamaly, na manao anjara hafa. Mety ho azo anankinana andraikitra lehibe kokoa izy ireo any aoriana any, arakaraka ny fifandraisany amin’ny olon-dehibe eo anivon’ny fiangonana, sy ny fomba fanaovany raharaha tsotsotra any an-trano.​—Lioka 16:10.

17 Mandroso tsara ny tanora sasany, rehefa mandray andraikitra. Manjary manana ny toetra kristianina ilaina izy ireo, ka azo anankinana asa mavesa-danja kokoa. Rehefa misy atao koa ny tanora, dia mety hisakana azy tsy hanao hadalana izany. (2 Timoty 2:22) Mety ho ‘fizahan-toetra’ an’ireo rahalahy maniry ho mpanampy amin’ny fanompoana ireny asa ampanaovina azy ireny. (1 Timoty 3:10) Rehefa mazoto mandray anjara amin’ny fivoriana sy ny fanompoana izy, sady miahy ny olona rehetra eo anivon’ny fiangonana, dia ho hitan’ny anti-panahy raha azo omena andraikitra fanampiny.

Mifantoha amin’ny toetra tsaran’ny olona rehetra

18. Inona no fandrika tsy maintsy ialana rehefa mitsara, ary nahoana?

18 “Tsy mety raha mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana”, hoy ny Ohabolana 24:23. Araka ny fahendrena avy any an-danitra, dia tsy tokony hizaha tavan’olona ny anti-panahy rehefa misy raharaha tsarainy eo anivon’ny fiangonana. Hoy i Jakoba: “Ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indra fo amana voka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.” (Jakoba 3:17, Fandikan-teny Katolika) Koa na dia mifantoka amin’ny toetra tsara aza ireo anti-panahy, dia tsy avelany hitarika azy hitsara an-tendrony ny fihetseham-pony, na ny fifandraisany amin’ilay olona. “Andriamanitra dia eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra”, hoy i Asafa mpanao salamo. “Ary eo amin’ireo andriamanitra [na ‘ireo tahaka ny andriamanitra’, dia ireo mpitsara olombelona] no itsarany. Mandra-pahoviana no hitsaranareo tsy marina, ka ihenaranareo maso [na iangaranareo amin’] ny ratsy fanahy?” (Salamo 82:1, 2) Mampihatra izany ireo anti-panahy, ka miezaka ny tsy hiangatra na dia kely aza, rehefa misy namany na havany voakasika amin’ilay raharaha. Mitandro ny firaisan-tsainan’ny fiangonana izy ireo amin’izany, ka mirotsaka tsara ny fanahin’i Jehovah.​—1 Tesaloniana 5:23.

19. Ahoana avy no fomba hifantohantsika amin’ny toetra tsaran’ny olona?

19 Rehefa mifantoka amin’ny toetra tsaran’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, dia manahaka ny toe-tsain’i Paoly rehefa niresaka tamin’ny fiangonana tany Tesalonika izy. Hoy izy: “Fa izahay matoky anareo ao amin’ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.” (2 Tesaloniana 3:4) Ho mora kokoa amintsika ny hamela ny fahadisoan’ny olona, rehefa mifantoka amin’ny toetra tsarany isika. Hitady izay toetrany mahate hidera isika, fa tsy ho be fanakianana. Nanoratra i Paoly hoe: “Fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky.” (1 Korintiana 4:2) Tsy ireo mpiandraikitra ihany no manjary tiantsika noho izy ireo mahatoky, fa ny rahalahy sy anabavintsika kristianina rehetra mihitsy. Lasa akaiky antsika kokoa izy ireo, ka mifankatia kokoa isika. Manjary mihevitra an’ireo rahalahintsika toy ny niheveran’i Paoly azy ireo isika. ‘Mpiara-miasa amintsika hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra’ izy ireo, sady “fampiononana” ho antsika. (Kolosiana 4:11) Manahaka an’i Jehovah isika amin’izany.

20. Inona no fitahiana ho azon’izay mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona rehetra?

20 Azo antoka fa mivavaka toa an’i Nehemia koa isika hoe: “Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.” (Nehemia 13:31) Tena faly mihitsy isika fa mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona i Jehovah! (1 Mpanjaka 14:13) Enga anie isika hanao toy izany koa. Afaka manantena fanavotana isika amin’izay, ary koa fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao, izay efa tena akaiky.​—Salamo 130:3-8.

Ahoana no Havalinao?

Inona no antony mahatonga an’i Jehovah hanao soa amin’ny rehetra?

• Ahoana no hifantohantsika amin’ny toetra tsaran’ny

olona eny amin’ny fanompoana?

olona eo anivon’ny fianakaviantsika?

olona eo anivon’ny fiangonantsika?

olona rehetra ifandraisantsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Nifantoka tamin’ny toetra tsaran’ireo rahalahiny i Josefa, na dia nankahala azy aza izy ireo taloha

[Sary, pejy 19]

Miezaka hanampy ny olona rehetra foana isika na misy aza ny fanoherana

[Sary, pejy 20]

Nitso-drano ny zanany lahy rehetra i Jakoba, na dia nanao ratsy aza izy ireo taloha

[Sary, pejy 21]

Raiso tsara izay rehetra tonga mivory