Porofo fa Tetỳ An-tany Tokoa i Jesosy Kristy
Porofo fa Tetỳ An-tany Tokoa i Jesosy Kristy
TSY nahita mivantana an’ilay mpahay siansa malaza atao hoe Albert Einstein ny ankamaroan’ny olona. Tsy fantatry ny ankabeazan’ny olona any amin’ny tany sasany akory aza hoe iza izy. Misy tatitra azo itokisana momba ny zava-bitany anefa manaporofo fa tena nisy izy. Ampiasain’ny mpahay siansa koa ny vokatry ny fikarohana nataony. Maro, ohatra, no mandray soa avy amin’ny herinaratra azo avy amin’ny fikarohana nataon’i Einstein.
Toy izany koa no fomba anaporofoana fa tena nisy i Jesosy Kristy. Iaraha-manaiky fa tsy nisy olona nanan-kery teo amin’ny fiainan’ny hafa toa azy. Ny zavatra nosoratana momba azy sy ny
vokatry ny nataony, dia porofo tsy azo lavina fa tena nisy izy. Mahaliana tokoa ilay zavatra hitan’ny arkeology misy ny anaran’i Jakoba, voaresaka tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Tsy miankina amin’iny, na amin’ny rakitry ny ela hafa anefa no anaporofoana fa tena nisy i Jesosy. Raha ny marina, ny zavatra nosoratan’ny mpahay tantara momba azy sy ny mpianany, dia manaporofo fa tena nisy izy.Porofo omen’ny mpahay tantara
Diniho, ohatra, ny porofo nomen’i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany sady Fariseo. Miresaka an’i Jesosy Kristy izy ao amin’ilay boky hoe Rakitry ny Ela Jiosy (anglisy). Miresaka voalohany an’i Jesosy ho toy ny Mesia i Josèphe, nefa misy misalasala ny amin’ny fahamarinan’izy io. Milaza anefa i Louis Feldman, mpampianatra ao amin’ny Oniversite Yeshiva, fa vitsy no misalasala ny amin’izay nolazainy faharoa momba an’i Jesosy. Izao no lazain’i Josèphe: “Namory ny mpitsara tao amin’ny Synedriona [i Anany mpisoronabe], ary nampaka teo anoloany ny lehilahy iray nantsoina hoe Jakoba, rahalahin’i Jesosy, izay nantsoina koa hoe Kristy.” (Rakitry ny Ela Jiosy, XX, 200) Araka izany, dia nisy Fariseo niaiky fa tena nisy i “Jakoba, rahalahin’i Kristy”, na dia maro tamin’izy ireo aza no nitsangana ho fahavalon’i Jesosy.
Hita tamin’ny asa nataon’ny mpianatr’i Jesosy fa nanan-kery teo amin’ny fiainan’izy ireo izy. Rehefa nigadra tany Roma ny apostoly Paoly tamin’ny taona 59 tany ho any, dia hoy ny lohandohany tamin’ny Jiosy taminy: “Ny amin’izany antoko [na sekta] izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” (Asan’ny Apostoly 28:17-22) Nantsoin’izy ireo hoe ‘sekta’ ny mpianatr’i Jesosy. Azo inoana fa ho niresaka momba azy ireo ny mpahay tantara, raha ratsy laza teny rehetra teny izy ireo, sa tsy izany?
Niresaka momba ny Kristianina koa i Tacite ao amin’ilay bokiny hoe Tantara (anglisy). Teraka tamin’ny taona 55 tany ho any izy ary lazaina fa anisan’ireo mpahay tantara nalaza indrindra. Nitantara izy fa niampanga ny Kristianina ho nandoro ampahany lehibe tamin’ny tanànan’i Roma i Néron, tamin’ny taona 64. Hoy izy: “Nampangain’i Néron sy nampijalijaliny faran’izay mafy ilay antokon’olona nankahalaina noho ny zavatra naharikoriko nataony, dia ireo nantsoin’ny vahoaka hoe Kristianina. Novonoin’i Pontio Pilato, anisan’ny manam-pahefana teo amintsika, i Kristy, ilay olona niavian’ilay anarana [hoe Kristianina], nandritra ny fitondran’i Tiberio.” Mifanaraka tsara amin’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy izany tsipiriany izany.
Niresaka momba ny mpianatr’i Jesosy koa ny mpanoratra hafa iray, dia i Pline Tanora, governoran’i Bitynia. Nanoratra ho an’ny Emperora Trajan izy tany amin’ny taona 111 tany ho any, mba hanontany izay tokony hatao amin’ny Kristianina. Nilaza i Pline fa namerina ireo fitalahoana natao tamin’ireo andriamanitra ny olona nampangaina ho Kristianina, ary nivavaka tamin’ny tsangambaton’i Trajan, mba hanaporofoana fotsiny fa tsy Kristianina izy ireo. Hoy koa izy: “Voalaza anefa fa tsy nanaiky hoterena hanao izany mihitsy ireo tena Kristianina.” Porofo izany fa tena nisy i Kristy, ary vonona ny ho faty noho ny finoany azy ny mpianany.
Namintina izay nolazain’ireo mpahay tantara tamin’ny taonjato roa voalohany momba an’i Jesosy Kristy sy ny mpianany ny Rakipahalalana Britannica (fanontana 2002, anglisy). Izao no famaranan-teniny avy eo: ‘Porofoin’ireo tantara fahiny ireo, fa na dia ny mpanohitra ny Kristianisma aza, tsy nisalasala mihitsy hoe tena nisy i Jesosy. Tsy niadian-kevitra ny fisiany raha tsy tamin’ny faran’ny taonjato faha-18, nandritra ny taonjato faha-19, ary tany am-piandohan’ny taonjato faha-20, nefa tsy nisy antony marim-pototra akory.’
Porofo nomen’ny mpianatr’i Jesosy
“Hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny ankamaroan’ny porofo momba ny fiainan’i Jesosy sy ny niafarany, ary koa ny fanazavan’ny Kristianina voalohany momba ny toerana lehibe notanany”, hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (anglisy). Ireo misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly dia mety tsy hanaiky hoe manaporofo izy io fa tena nisy i Jesosy. Misy fanaporofoan-kevitra roa avy ao amin’ny Soratra Masina anefa manampy antsika hanamarina fa tena nisy tokoa izy.
Araka ny efa nomarihintsika, dia ireo teoria malaza hitan’i Einstein no manaporofo fa tena nisy izy. Toy izany koa fa ny fampianaran’i Jesosy no manaporofo hoe tena nisy izy. Raiso, ohatra, ilay Toriteny malaza nataony teo An-tendrombohitra. (Matio toko 5-7) Izao no nolazain’ny apostoly Matio momba ny fiantraikan’io toriteny io: “Talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy.” (Matio 7:28, 29) Nilaza ny akon’ilay toriteny teo amin’ny olona nandritra ny taonjato maro, ny Profesora Hans Betz. Hoy izy: “Tsy teo amin’ny Jiosy na ny Kristianina, na teo amin’ny kolontsaina tandrefana fotsiny, no nanan-kery ny Toriteny teo An-tendrombohitra.” Nilaza izy fa “tena manintona ny olona eran-tany” izy io.
Ireto misy tenim-pahendrena fohy sy mahasoa avy amin’io toriteny io: “Na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.” “Tandremo mba tsy hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona.” “Aza manahy ny amin’ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy.” “Aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny vato soanareo.” “Mangataha, dia homena hianareo.” “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” “Midira amin’ny vavahady èty hianareo.” “Ny voany no hahafantaranareo azy.” “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara.”—Matio 5:39; 6:1, 34; 7:6, 7, 12, 13, 16, 17.
Azo antoka fa efa renao ny sasany amin’ireo teny ireo na ny hevi-dehibe fonosiny. Efa lasa fomba fiteny mihitsy aza angamba izany amin’ny fiteninao. Nalaina avy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra daholo ireo teny ireo. Tena manan-kery eo amin’ny olona sy kolontsaina maro be io toriteny io. Porofo tsy azo lavina izany fa tena nisy ilay “mpampianatra lehibe.”
Eritrereto hoe noforonin’ny sain’ny olona fotsiny ilay olo-malaza hoe Jesosy Kristy. Aoka hatao hoe lalin-tsaina be ilay olona, ka namorona ireo fampianarana lazain’ny Baiboly fa avy amin’i Jesosy. Tsy hataony ve izay haneken’ny sarambaben’olona an’i Jesosy sy ny fampianarany? Mariho anefa izay nolazain’ny apostoly Paoly: “Ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ny jentilisa.” (1 Korintiana 1:22, 23) Tsy nahasarika ny Jiosy sy ny jentilisa ilay hafatra mahakasika an’i Kristy voahombo. Izany anefa ilay Kristy notorin’ny Kristianina voalohany. Nahoana àry no nolazaina hoe voahombo i Kristy? Ny hany fanazavana mahafa-po, dia satria nilaza ny marina momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fahafatesany ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina.
Ity no hevitra hafa iray manaporofo fa tena nisy i Jesosy: Tsy nitsahatra nitory ny fampianarany ny mpianany. Tokony ho 30 taona monja taorian’ny nanombohan’i Jesosy ny fanompoany, dia afaka nilaza i Paoly fa ‘notorina teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’, ny Kolosiana 1:23) Nisy ny fanoherana, nefa niely nanerana ireo firenena nisy tamin’izany ny fampianaran’i Jesosy. Izao no nosoratan’i Paoly, izay nenjehina noho izy Kristianina: “Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo.” (1 Korintiana 15:12-17) Raha tsy natsangana tamin’ny maty i Kristy dia ho zava-poana ny fitoriana. Vao mainka ho zava-poana izany raha tsy tena nisy akory izy. Araka ny novakintsika tao amin’ilay tatitra nataon’i Pline Tanora, dia vonona ny ho faty noho ny finoany an’i Kristy Jesosy ireo Kristianina voalohany. Nanao vivery ny ainy ho an’i Kristy izy ireo satria tena nisy izy; tena tetỳ an-tany tokoa izy, araka ny tantarain’ny Filazantsara.
vaovao tsara. (Mahita porofon’izany ianao
Tsy maintsy nino ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty ny Kristianina vao afaka nitory. Afaka mino koa ianao fa tena natsangana tamin’ny maty i Jesosy, rehefa mahita ny zava-bitany.
Nanambara faminaniana mahatalanjona momba ny fanatrehany i Jesosy talohan’ny nanomboana azy. Nilaza koa izy fa hatsangana amin’ny maty izy, ka hipetraka eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra, ary hiandry ny fotoana hiadiany amin’ny fahavalony. (Salamo 110:1; Jaona 6:62; Asan’ny Apostoly 2:34, 35; Romana 8:34) Hanao zavatra izy avy eo, ka handroaka an’i Satana sy ny demoniany avy any an-danitra.—Apokalypsy 12:7-9.
Rahoviana izany rehetra izany no hitranga? Nomen’i Jesosy ny mpianany ny ‘famantarana ny [fanatrehany] sy ny fahataperan’izao tontolo izao.’ Anisan’ny famantarana ny fanatrehany tsy hita maso ny ady lehibe, mosary, horohoron-tany, mpaminany sandoka, fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna, ary aretina mafy. Hampoizina ny hisian’izany satria hitondra “loza ho an’ny tany”, ny fandroahana an’i Satana Devoly. Naidina etỳ amin’ny manodidina ny tany, ny Devoly, sady “manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Anisan’ilay famantarana koa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.”—Matio 24:3-14; Apokalypsy 12:12; Lioka 21:7-19.
Tanteraka avokoa izay nambaran’i Jesosy Kristy mialoha. Hitantsika ny porofon’ny fanatrehany tsy hita maso, nanomboka tamin’ny nipoahan’ny Ady Lehibe I, tamin’ny 1914. Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy izao, ary tena manan-kery lehibe eo amin’ny olona. Ity gazety eo am-pelatananao ity fotsiny, dia efa porofo fa mitohy ny fitoriana ilay Fanjakana.
Mila mianatra ny Baiboly ianao, mba hahatakarana tsara kokoa fa tena manan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona i Jesosy. Nahoana raha anontaniana ny Vavolombelon’i Jehovah, ny tsipiriany momba ny fanatrehany?
[Sary, pejy 5]
Niresaka an’i Jesosy Kristy sy ny mpianany i Josèphe sy Tacite ary Pline Tanora
[Sary nahazoan-dalana]
Ireo sary telo: © Bettmann/CORBIS
[Sary, pejy 7]
Niaiky ny Kristianina voalohany fa tena nisy i Jesosy