Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hadinon’i Roma Mihitsy ny Papa Alexandre VI

Tsy Hadinon’i Roma Mihitsy ny Papa Alexandre VI

Tsy Hadinon’i Roma Mihitsy ny Papa Alexandre VI

“TSY ampy ny teny anamelohana an’i Alexandre VI, araka ny fomba fijery katolika”, hoy ny Tantaran’ny Papa Nanomboka Tamin’ny Faramparan’ny Moyen Âge (alemà). “Tsy azo leferina mihitsy ny fiainany . . . Tsy maintsy ekentsika fa nanala baraka ny Eglizy io papa io. Na dia zatra nahita zavatra tsy mendrika aza ny olona niara-belona tamin’ny fianakaviana Borgia, dia voamarik’izy ireo fa faran’izay nahatsiravina ny heloka vitan’io fianakaviana io, ary mbola tsy lefy tanteraka ny akon’izany, 400 taona mahery atỳ aoriana.”​—Ny Eglizy sy ny Renaissance (1449-1517) (frantsay).

Nahoana no masiaka toy izany amin’ny papa iray sy ny fianakaviany ny asa soratra malaza momba ny tantaran’ny Eglizy Katolika Romanina? Inona loatra no nataony no dia tsikeraina toy izany izy ireo? Nisy fampirantiana nitondra ny lohateny hoe Ny Fianakaviana Borgia​—Ny Fahaizana Mitondra (italianina) tany Roma, tamin’ny Oktobra 2002–Febroary 2003. Izay nitsidika izany dia afaka nisaintsaina ny fahefana nananan’ny papa, indrindra fa ny fomba nampiasan’i Rodrigo Borgia, na Alexandre VI (papa 1492-1503) an’io fahefana io.

Nahazo fahefana

Teraka tamin’ny 1431 i Rodrigo Borgia. Izy dia zanaka fianakaviana nanan-kaja tany Játiva, tany amin’ny fanjakan’i Aragon, any Espaina ankehitriny. Evekan’i Valence i Alfonso de Borgia, dadatoany. Nanara-maso ny fianaran’i Rodrigo io dadatoany io, sady nanao izay hahazoan’ny zanak’anabaviny asa nandraisan-karama teo anivon’ny eglizy, na dia mbola zatovo aza izy. Nianatra lalàna tany Italia i Rodrigo tamin’izy 18 taona, ary niantoka azy tamin’izany i Alfonso, izay efa lasa kardinaly tamin’izay. Rehefa lasa Papa Calixtus III i Alfonso, dia notendreny ho kardinaly i Rodrigo sy ny zanaky ny iray tam-po aminy hafa. Notendrena ho governoran’ny tanàna maro samihafa i Pere Lluís Borgia. Tsy ela dia notendrena ho chancelier lefitry ny eglizy i Rodrigo, ary nitana io toerana io foana izy, nandritra ny fitondran’ireo papa nifandimby. Nandray karama tsy toko tsy forohana izy tamin’izany, ary nahangona harena be. Nanana fahefana lehibe koa izy, ary nanana fiainana nampiadana toy ny an’ny printsy.

Nahira-tsaina i Rodrigo, nahay nandaha-teny, mpanohana mpanakanto, ary nahatratra ny tanjona nokendreny. Niaraka tamina vehivavy maromaro izy. Niteraka efatra izy sy ilay vehivavy niaraka taminy mandra-pahafatiny, ary niteraka mihoatra noho izany tamina vehivavy vitsivitsy hafa koa izy. Tsy niova i Rodrigo, na dia nananatra azy mafy aza ny Papa Pius II, noho ny tsy fahaizany “mifehy tena” sy ny “fitiavany fahafinaretana be loatra.”

Maty ny Papa Innocent VIII tamin’ny 1492, ary nivory mba hifidy mpandimby azy ny kardinalin’ny eglizy. Fantatra fa notambazan’i Rodrigo Borgia harena be ny kardinaly namany ary nambarany imasoimaso fa hanaiky izany fanambatambazana izany izy ireo, ka lany ho Papa Alexandre VI ihany izy, tamin’ny fivorian’izy ireo. Inona avy no nomeny an’ireo kardinaly nifidy azy? Toerana ambonimbony teo anivon’ny eglizy, rova, tranobe, tanàna, monasitera, ary fitondrana diosezy sy karama be. Takatrao tsara angamba ny antony nilazan’ny mpahay tantara iray, fa “nahamenatra sy nanala baraka ny Eglizy Romanina” ny fitondran’i Alexandre VI.

Tsy tsara noho ny printsy tsy mpitondra fivavahana

Noho i Alexandre VI lohan’ny eglizy, dia izy no nanelanelana tamin’ny fifandiran’i Espaina sy Portogaly momba ireo tany vao hita tany amin’ny kontinanta amerikanina. Nanam-pahefana tsy ara-pivavahana koa izy, ka lasa mpitondra ny fanjakan’ny papa, nanana faritany tany Italia afovoany. Nitovy ny fomba fitondrany sy ny an’ny mpanjaka hafa tamin’ny androny. Betsaka ny tsolotra sy kiantranoantrano, tamin’ny andron’i Alexandre VI sy ireo papa talohany sy taoriany, ary olona iray, fara fahakeliny, no maty noho ny antony tsy mazava.

Niady mba hahazo ny faritanin’i Italia ny fanjakana fahavalo nandritra ireny vanim-potoana feno hotakotaka ireny, ary nandray anjara navitrika tamin’izany ny papa. Nanao tetika sy fifanekena ara-politika izy, nanafoana ny fifanekena nataony, mba hanitarany ny fanjakany, hampakarany ny toeran’ny zanany, ary hanandratany ny fianakaviana Borgia ho ambony noho ny fianakaviana hafa. Nanambady ny zanak’olo-mpiray tam-po tamin’ny mpanjakan’i Castille i Jean, zanany lahy, ary lasa Andrianan’i Gandía, tany Espaina. I Jofré, zanany lahy hafa, kosa nanambady ny zafin’ny mpanjakan’i Naples.

Efa nomen’ny papa toky ny andriana iray tany Aragon, fa homeny azy ho vady i Lucrèce, zanany vavy 13 taona. Rehefa nitady fomba hanamafisana ny fifandraisany tamin’i Frantsa anefa izy, dia nofoanany ilay fanomezan-toky, ka ny havan’ny andrianan’i Milan indray no nomeny an’io zanany io. Rehefa tsy nahitany tombontsoa ara-politika intsony anefa izany fanambadiana izany, dia nitady fomba hanafoanana azy io izy. Nomeny mba ho vadin’i Alfonso avy tany Aragon, fahavalon’i Frantsa, indray àry i Lucrèce. Nanao fifanekena tamin’i Louis XII avy tany Frantsa koa anefa ny anadahin’i Lucrèce, dia i César, izay fatra-paniry laza sy tsy mifaditrovana, ka nanjary nahamenatra ilay fanambadian’ny anabaviny. Inona no vahaolana? Nilaza ny boky iray fa “nisy olona efatra saika hamono azy ho faty teo amin’ny tohatry ny Bazilikan’i Md. Piera, ka naratra mafy izy tamin’izany. Rehefa nihasitrana io vadin’i Lucrèce nahonena io, dia nokendain’ny iray tamin’ny mpanompon’i César.” Naniry hanao fifanekena ara-politika hafa indray ny papa, ka nomeny ho vadin’ilay andriana natanjaka avy tany Ferrara indray i Lucrèce, izay efa 21 taona tamin’izay.

Voalaza fa “olona maty eritreritra sy mpamono olona” i César. Na dia notendren’ny rainy ho kardinaly aza izy, tamin’izy 17 taona, dia nety taminy kokoa ny nandeha tany an’ady noho ny niandraikitra ny asan’ny eglizy. Fetsy sy fatra-paniry laza mantsy izy ary ratsy fitondran-tena, toy ny kardinaly sasany. Niala tsy ho mpitondra fivavahana intsony izy, ary nanambady andriambavy frantsay iray, ka lasa andrianan’i Valentin. Nampian’ny tafika frantsay izy avy eo, ary nanomboka namono olona sy nanao fahirano, mba hahafahany hifehy an’i Italia avaratra.

Nangataka lalana tamin’ny papa, i Louis XII avy tany Frantsa, mba hisaraka amin’ny vadiny sy hanambady an’i Anne avy tany Bretagne, ary mba hitaran’ny fanjakany. Neken’ny papa izany na dia fisarahana nanafintohina aza, satria mbola tiany hanampy an’i César hanatratra ny tanjony ny miaramila frantsay. Nilaza toy izao momba an’io papa io ny boky iray, raha ny marina: “Nampandeferiny ny voninahitry ny Eglizy sy ny fitsipika hentitra, mba hahazoan’ny havany tombontsoa.”

Nokianina ny fanaovan’ny papa zavatra tafahoatra

Nanjary nanam-pahavalo sy mpanakiana ny fianakaviana Borgia, noho izy ireo ratsy fitondran-tena loatra. Tsy niraharaha an’ireo mpanakiana azy anefa ny papa, raha ny marina. Tena tsy azo nodian-tsy hita anefa i Jérôme Savonarole. Moanina dominikanina izy, ary mpitory nafana fo sady filoha ara-politika tany Florence. Nomelohiny ny faharatsiam-pitondran-tenan’ny mpiara-miasa tamin’ny papa, sy ny zavatra nataon’ny papa manokana ary ny politikany. Nitaky ny hanesorana ny papa sy hanatsarana ny fitondrana teo anivon’ny eglizy izy. Niantsoantso toy izao i Savonarole: “Ry mpitondra ny Eglizy, . . . amin’ny alina ianareo mankany amin’ny vehivavinareo, fa amin’ny maraina kosa manamasina ny sakramenta.” Hoy izy tatỳ aoriana: “Miendrika vehivavy janga [ireo mpitondra ireo], ka manala baraka ny Eglizy. Milaza aminareo aho fa tsy manana finoana kristianina ireo olona ireo.”

Notendren’ny papa ho kardinaly i Savonarole mba hampanginana azy, nefa nanda izy. Tsy fantatra na ny fanoherany ny politikan’ny papa, na ny zavatra nolazainy no niteraka ny fahavoazany, fa naongana tsy ho anisan’ny eglizy izy tamin’ny farany. Nosamborina i Savonarole, nampijalina mba hiaiky heloka, ary nahantona sy nodorana avy eo.

Fanontaniana lehibe

Miteraka fanontaniana lehibe ireo fisehoan-javatra ara-tantara ireo. Ahoana no hanazavana izany teti-dratsy sy fitondran-tenan’ny papa izany? Ahoana hoy ny mpahay tantara? Samy manana ny heviny izy ireo.

Maro no nihevitra, fa tokony hodinihina araka ny zava-nisy tamin’ny androny ny tantaran’i Alexandre VI. Lazaina fa ny politikany sy ny fomba nitondrany ny fiangonana dia nobaikoin’ny faniriany hampanjaka ny fandriampahalemana, hampifanaraka ireo fanjakana mpifandrafy, hanamafy ny fihavanany tamin’ireo fanjakana nanohana ny fitondran’ny papa, ary hampiray hatrany ny fivavahana kristianina teo anatrehan’ny fandrahonan’ny Tiorka.

Ary ny fitondran-tenany? “Fahita teo amin’ny tantaran’ny Eglizy ny Kristianina ratsy fitondran-tena sy ny pretra tsy mendrika”, hoy ny manam-pahaizana iray. “Nanambara izany mialoha mihitsy i Kristy, mba tsy hisy ho tafintohina amin’izany. Izy mihitsy aza no nampitovy ny Eglizy tamin’ny tanimbary nisy vary sy tsimparifary, na harato nisy hazandrano tsara sy ratsy, ary nekeny ho anisan’ny apostoliny i Jodasy.” *

Hoy koa io manam-pahaizana io: ‘Mbola sarobidy foana ny vatosoa na dia misy tsininy aza ny metaly nametahana azy. Tsy voatery hanimba ny fampianaran’ny pretra koa ny heloka vitany. Mbola volamena ihany ny volamena, na madio na maloto ny tanana mizara azy.’ Nilaza ny mpahay tantara katolika iray, fa ilay torohevitra nomen’i Jesosy ny mpianany momba ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo no tokony harahin’ny Katolika tso-po, raha ny amin’ny raharahan’i Alexandre VI: ‘Aza ny ataony no atao, fa izay lazainy tanteraho.’ (Matio 23:2, 3) Manaiky an’izany hevitra izany ve anefa ianao?

Io ve no Kristianisma marina?

Nanome toro lalana tsotra hanavahana ireo mitonona ho Kristianina i Jesosy: “Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”​—Matio 7:16-18, 20.

Nanaraka ilay fomba fiaina tena Kristianina naorin’i Jesosy sy ny ohatra navelan’ireo tena mpanara-dia azy ve ny mpitondra fivavahana amin’ny ankapobeny, nandritra ireo taonjato lasa sy ankehitriny? Lafin-javatra roa fotsiny no hojerentsika: fitsabahana amin’ny politika sy ny fomba fiaina.

Tsy toy ireo printsy eo amin’izao tontolo izao i Jesosy. Tsotra be ny fomba fiainany, ka afaka niteny izy hoe tsy nanana na dia izay “hipetrahan’ny lohany” aza izy. “Tsy avy amin’izao tontolo izao” ny Fanjakany, ary tokony ho “tsy naman’izao tontolo izao, tahaka [azy] tsy naman’izao tontolo izao” koa ny mpianany. Tsy nety nitsabaka tamin’ny raharaha ara-politika tamin’ny androny àry i Jesosy.​—Matio 8:20; Jaona 6:15; 17:16; 18:36.

Tsy marina ve anefa fa niray petsapetsa tamin’ny mpitondra fanjakana foana ny fivavahana, nandritra ny taonjato maro? Tsy izany ve no nataony, mba hahazoana harena sy toerana teo amin’ny fitondrana, na dia nampahory ny sarambabem-bahoaka aza izany? Tsy marina koa ve fa manankarem-be ny mpitondra fivavahana maro, na dia mampahantra ny ankamaroan’ny olona tokony hokarakarainy aza izany?

Hoy i Jakoba, rahalahin’i Jesosy: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4) Nahoana no “fahavalon’Andriamanitra”? Hoy ny 1 Jaona 5:19: ‘Izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.’

Nanoratra toy izao momba ny fitondran-tenan’i Alexandre VI ny mpahay tantara iray tamin’ny androny: “Tsy voafehy ny fitondran-tenany, tsy nahalala menatra izy, tsy tsotra, tsy nanam-pinoana, ary tsy tia mivavaka. Tsy nety voky vola izy, fatra-paniry laza, lozabe, ary izay hampandrosoana ny zanany maro be no tena nahamay azy.” Tsy ry Borgia irery anefa, mazava ho azy, no lohandohany tao amin’ny Eglizy nanao toy izany.

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fitondran-tena toy izany? Hoy i Paoly: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga . . . sy ny mpaka vadin’olona ... sy ny mpierina . . . dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.”​—1 Korintiana 6:9, 10.

Anisan’ny antony nanaovana ilay fampirantiana momba ny fianakaviana Borgia, natao vao haingana tany Roma, dia ny “mba hampahafantarana ny tantaran’ireny olo-malaza ireny, . . . sy mba hahatakarana ny zava-nisy, fa tsy hanamelohana na hitsarana azy mihitsy.” Ny mpitsidika, raha ny marina, no navela hanatsoaka hevitra. Inona àry no fanatsoahan-kevitrao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Mba hahitanao ny fanazavana marina momba ireo fanoharana ireo, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1995 pejy 5, 6, ary ny 15 Jona 1992 pejy 17-22.

[Sary, pejy 26]

Rodrigo Borgia, Papa Alexandre VI

[Sary, pejy 27]

Nataon-drainy fitaovana hanitarana ny fanjakany i Lucrèce Borgia

[Sary, pejy 28]

Fatra-paniry laza sady ratsy fitondran-tena i César Borgia

[Sary, pejy 29]

Nahantona sy nodorana i Jérôme Savonarole, satria tsy nety nangina