Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hananana ny Tena Fitiavana?

Ahoana no Hananana ny Tena Fitiavana?

Ahoana no Hananana ny Tena Fitiavana?

“Manasitrana ny rofy rehetra ny fitiavana; ny fitiavana no aina.”​—Ankafizo ny Fiainana (anglisy), nosoratan’i Joseph Johnson, 1871.

AHOANA no ianaran’ny olona maneho fitiavana? Amin’ny fandalinana ny psikolojia ve? Sa amin’ny fampianaran-tena amin’ny boky? Sa amin’ny fijerena tantaram-pitiavana ao amin’ny televiziona? Tsy izany mihitsy. Ny ohatra avelan’ny ray aman-dreny sy ny fampianaran’izy ireo no fomba voalohany ianarana maneho fitiavana. Hianatra ny atao hoe fitiavana ny ankizy, raha miaina eo anivon’ny tokantrano anjakan’izany. Ao amin’ny tokantrano toy izany dia mamelona sy miaro azy ny ray aman-dreniny, miresaka aminy, ary tena miahy azy manokana. Mianatra maneho fitiavana koa izy ireo, rehefa ampianarin’ny ray aman-dreniny hanaraka fitsipika marina, izay mamaritra ny tsara sy ny ratsy.

Tsy fihetseham-po fotsiny ny tena fitiavana. Mitady izay hahasoa ny hafa foana izy io, na dia tsy tena mankasitraka izany aza ny hafa amin’ny voalohany. Matetika, ohatra, ny ankizy no tsy mankasitraka ny fananarana azy amim-pitiavana. Ny Mpamorona no modely lavorary, raha ny amin’ny fitiavana tsy mitady valiny. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’i Jehovah, ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony hianao; fa izay tian’i Jehovah no faizany.”​—Hebreo 12:5, 6.

Ry ray aman-dreny, ahoana no hanehoanareo fitiavana amin’ny mpianakavinareo, toa an’i Jehovah? Misy akony eo amin’izy ireo ve ny fifandraisanareo mivady?

Manomeza ohatra tsara

Raha lehilahy manambady ianao, moa ve mihevitra ny vadinao ho sarobidy ianao, ka manome voninahitra sy manaja azy? Raha vehivavy manambady kosa ianao, moa ve ianao tia sy manohana ny vadinao? Milaza ny Baiboly fa tokony hifankatia sy hifanaja ny mpivady. (Efesiana 5:28; Titosy 2:4) Rehefa manao izany izy ireo, dia hitan’ny zanany ny atao hoe fanehoana fitiavana kristianina. Tena lesona mafonja sy sarobidy mihitsy izany!

Maneho fitiavana koa ny ray aman-dreny, rehefa manaraka sady mametra fitsipika ambony ho an’ny fianakaviana, eo amin’ny resaka fialam-boly, fitondran-tena sy tanjona, ary izay atao loha laharana eo amin’ny fiainana. Misy olona maro eran-tany mahatsapa fa tena manampy azy ireo hamaritra fitsipika toy izany ny Baiboly. Porofoin’ny fiainan’izy ireo fa tena “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra” ny Baiboly, ary “mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16) Maro, ohatra, no manaiky fa tsy manam-paharoa ny fitsipi-pitondran-tena sy toro lalana momba ny fiainana, hita ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra.​—Matio toko faha-5-7.

Milamin-tsaina kokoa ny tsirairay rehefa mitady tari-dalana amin’Andriamanitra ny fianakaviana manontolo, sady manaraka ny fitsipiny. Mora kokoa ho an’ny ankizy koa amin’izay ny ho tia sy hanaja ny ray aman-dreniny. Mety ho sosotra sy tezitra ary hikomy kosa izy ireo, raha tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny ray aman-dreniny ny ataony, na diso ny fitsipika arahiny, na milefitra loatra izy ireo.​—Romana 2:21; Kolosiana 3:21.

Ary ahoana ny amin’ireo ray na reny tokan-tena? Sarotra loatra amin’izy ireo ve ny mampianatra ny zanany haneho fitiavana? Tsy voatery ho izany. Marina fa tsy misy tsara toy ny mpivady miara-mitaiza ny zanany. Araka ny zavatra hita anefa, dia afaka mameno ny banga ihany ilay ray na reny tokan-tena, rehefa tsara ny fifandraisan’izy mianakavy. Miezaha àry hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ao an-tokantranonao, raha mitaiza irery ianao. Hoy mantsy ny ohabolana iray: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”, anisan’izany ny lalana diavinao eo amin’ny fitaizana ny zanakao.​—Ohabolana 3:5, 6; Jakoba 1:5.

Maro ny tanora mahafinaritra notezain’ny reniny na ny rainy irery. Mpanompo mahatokin’Andriamanitra izy ireo izao, ary anisan’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maro be eran-tany. Porofoin’izany fa mahavita mampianatra ny zanany haneho fitiavana koa ny ray na ny reny tokan-tena.

Afaka maneho fitiavana ny rehetra

Efa nilaza ny Baiboly fa ‘tsy hanam-pitiavana’ ny olona amin’ny ‘andro farany.’ Ilay firaiketam-po voajanahary eo amin’ny mpianakavy no tiana holazaina eo. (2 Timoty 3:1, 3) Afaka mianatra maneho fitiavana anefa ny olona, na dia tsy nahatsapa izany aza teo anivon’ny fianakaviany. Inona no azony atao? Mila mianatra amin’i Jehovah izy. I Jehovah no Loharanon’ny fitiavana, ary anehoany fitiavana sy firaiketam-po ny olona rehetra miantehitra aminy amin’ny fo manontolo. (1 Jaona 4:7, 8) Hoy ny mpanao salamo: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.”​—Salamo 27:10.

Maro ny fomba ampisehoan’i Jehovah Raintsika ny fitiavany antsika. Anisan’izany ny tari-dalana omeny ao amin’ny Baiboly. Eo koa ny fanampian’ny fanahy masina sy ireo rahalahy kristianina be fitiavana. (Salamo 119:97-105; Lioka 11:13; Hebreo 10:24, 25) Araka ny hodinihintsika izao, dia manampy anao ho tia kokoa an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminao ireo.

Tari-dalana ara-tsindrimandry avy amin’ilay Raintsika

Tsy maintsy fantatsika tsara ny olona iray, vao afaka miraiki-po aminy isika. Manasa antsika hanatona azy i Jehovah, ka manazava ny mombamomba azy ao amin’ny Baiboly. Tsy ampy anefa ny mamaky Baiboly. Tsy maintsy mampihatra ny fampianarana hita ao isika, ka mahatsapa ny soa entin’izany. (Salamo 19:7-10) Izao no voalazan’ny Isaia 48:17: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” Koa satria fitiavana i Jehovah, dia mampianatra antsika hahita soa izy, fa tsy mitady haneritery ny fiainantsika amin’ny lalàna sy fitsipika tsy ilaina akory.

Manampy antsika ho tia kokoa ny mpiara-belona amintsika koa ny fahalalana marina ao amin’ny Baiboly. Avy amin’ny fahamarinana ara-baiboly mantsy no ianarantsika ny fiheveran’Andriamanitra ny olombelona. Avy amin’izany koa no hahafantarantsika ireo toro lalana tokony harahina, rehefa mifandray amin’ny olona. Ho mafy orina tokoa ny fitiavantsika ny mpiara-belona amintsika, raha manana izany fahalalana izany isika. Hoy ny apostoly Paoly: “Izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara [na fahalalana marina] sy ny fahafantarana rehetra.”​—Filipiana 1:9.

Afaka mitari-dalana antsika amin’ny fanehoana fitiavana ny ‘fahalalana marina.’ Mampiseho izany ity toro lalana fototra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35 ity: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Miankina amin’ny fanaovan’ny olona ny marina sy ny fahatahorany an’Andriamanitra, no itsaran’Andriamanitra azy, fa tsy arakaraka ny fireneny na ny fokony. Moa ve àry isika tsy tokony hanahaka azy, ka tsy hizaha tavan’olona koa?​—Asan’ny Apostoly 17:26, 27; 1 Jaona 4:7-11, 20, 21.

Vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fitiavana

Mamokatra tsara ny saham-boankazo rehefa mirotsaka amin’ny fotoana ilana azy ny orana. Toy izany koa ny fanahin’Andriamanitra. Izay olona irotsahany dia manana ireo toetra antsoin’ny Baiboly hoe “vokatry ny Fanahy.” (Galatiana 5:22, 23) Ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo toetra ireo. (1 Korintiana 13:13) Ahoana anefa no ahazoantsika ny fanahin’Andriamanitra? Tena ilaina ny mivavaka. Homen’Andriamanitra ny fanahiny isika, raha mivavaka mba hahazo izany. (Lioka 11:9-13) Tsy mitsahatra mivavaka ve ianao mba hahazoana fanahy masina? Raha manao izany ianao, dia tokony haneho bebe kokoa ny toetra sarobidy vokarin’izy io, anisan’izany ny fitiavana.

Misy fanahy manohitra ny fanahin’Andriamanitra anefa. “Ny fanahin’izao tontolo izao” no iantsoan’ny Baiboly azy io. (1 Korintiana 2:12; Efesiana 2:2) Mitaona ny olona hanao ratsy izy io, ary avy amin’i Satana Devoly, ilay “andrianan’izao tontolo izao.” Ny izao tontolo izao dia ny olombelona tafasaraka amin’Andriamanitra. (Jaona 12:31) Toy ny rivotra manainga vovoka sy loto io “fanahin’izao tontolo izao” io, ka miteraka fanirian-dratsy izay mampihena ny fitiavana, fa manome fahafaham-po ny fahalemen’ny nofo.​—Galatiana 5:19-21.

Manan-kery eo amin’ny olona io fanahy na toe-tsaina ratsy io, rehefa manaiky ho resin’ny fitiavam-bola izy ireo, na ny fitiavan-tena, sy ny herisetra, ary ny hevitra naolana sy diso momba ny fitiavana. Tsy maintsy manohitra mafy ny toe-tsain’ity tontolo ity isika, raha te haneho ny tena fitiavana bebe kokoa. (Jakoba 4:7) Aza miantehitra amin’ny herinao samirery anefa. Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. Afaka manatanjaka anao ny fanahiny, ka hahomby ianao. Tsy misy hery lehibe noho io eran’izao rehetra izao.​—Salamo 121:2.

Mampianatra antsika haneho fitiavana ireo rahalahy kristianina

Mianatra maneho fitiavana ny ankizy rehefa mahatsapa azy io ao an-trano. Toy izany koa isika rehetra, na antitra na tanora. Mitombo ny fitiavantsika rehefa mifandray amin’ny Kristianina hafa isika. (Jaona 13:34, 35) Raha ny marina aza, ny anjara asa iray lehibe ataon’ny fiangonana kristianina, dia ny ‘mampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.’​—Hebreo 10:24.

Tena sarobidy io fitiavana io, indrindra ho an’ireo ‘nampahantraina sy nafoy’ eto amin’ity tontolo tsy manam-pitiavana ity. (Matio 9:36) Raha tsy nanehoana fitiavana ny olona tamin’izy mbola kely, dia mety hisy voka-dratsy eo aminy izany. Voamarika anefa fa mandresy izany voka-dratsy izany izy, raha anehoana fitiavana rehefa lehibe. Tena mila mandray amim-pitiavana an’ireo vaovao àry ny Kristianina rehetra vita fanoloran-tena!

“Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”

Milaza ny Baiboly fa “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay.” (1 Korintiana 13:8) Ahoana no hetezan’izany? Hoy ny apostoly Paoly: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo.” (1 Korintiana 13:4, 5) Mazava araka izany fa tsy resa-be na fihetseham-po fotsiny io fitiavana io. Ny olona maneho azy io kosa, dia miaiky fa misy ny fahadisoam-panantenana sy ny alahelo eo amin’ny fiainana. Tsy avelany hampihena, na hanafoana ny fitiavany ny mpiara-belona aminy anefa izany. Tena ‘fehy’ mampiray tanteraka tokoa io fitiavana io.​—Kolosiana 3:12-14.

Diniho ny ohatra omen’ny tovovavy kristianina iray 17 taona any Korea. Voatery niala tao an-tranony izy, rehefa nanomboka nanompo an’i Jehovah Andriamanitra, satria tsy nankasitraka izany ny fianakaviany. Tsy tezitra anefa izy, fa nivavaka momba ny nanjo azy, ary namela ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny hamolavola ny fomba fisainany. Nanoratra ho an’ny fianakaviany izy avy eo, ary nolazainy tao amin’ireo taratasiny fa tena tia azy ireo izy. Noho izany, dia nanomboka nianatra Baiboly ny zokiny roa lahy, ary Kristianina vita fanoloran-tena izy ireo izao. Nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly koa ny reniny sy ny zandriny lahy. Niova tanteraka koa ny rainy tamin’ny farany, na dia nanohitra be mihitsy aza taloha. Nanoratra ilay tovovavy Vavolombelona hoe: “Nanambady Kristianina daholo izahay iray tam-po, ary 23 izahay izao no mpihavana miara-manompo an’i Jehovah.” Tena nandresy tokoa ny fitiavana!

Te hanana ny tena fitiavana koa ve ianao, ka hanampy ny hafa hanana izany? Mitadiava àry fanampiana amin’i Jehovah, ilay Loharanon’io toetra sarobidy io. Raiso am-po ny Teniny, mivavaha mba hahazo ny fanahiny masina, ary miaraha hatrany amin’ireo rahalahy kristianina. (Isaia 11:9; Matio 5:5) Tena mampahery mihitsy ny mahafantatra fa tsy ho ela dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy rehetra, ka izay manana ny tena fitiavana kristianina ihany no ho sisa tavela! Ny fitiavana tokoa no antoky ny fahasambarana sy ny fiainana.​—Salamo 37:10, 11; 1 Jaona 3:14.

[Sary, pejy 6]

Hanampy antsika hanana ny tena fitiavana ny vavaka sy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra