Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Andriamanitra dia Fitiavana”

“Andriamanitra dia Fitiavana”

“Andriamanitra dia Fitiavana”

“Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.”​—1 JAONA 4:8.

1-3. a) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fitiavan’i Jehovah, ary nahoana izany no miavaka? b) Nahoana no milaza ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana”?

TSY manan-tsahala sy lavorary ary manintona ny toetran’i Jehovah rehetra. Ny fitiavana anefa no toetrany mahatehotia indrindra sy tena mahatonga antsika hanatona azy. Soa ihany fa io koa no toetrany miavaka indrindra. Ahoana no ahalalantsika izany?

2 Tsy mitovy ny fomba ilazan’ny Baiboly ny fitiavan’i Jehovah sy ireo toetrany lehibe hafa. Tsy milaza ny Soratra Masina hoe Andriamanitra dia hery, na Andriamanitra dia rariny, na Andriamanitra dia fahendrena. Manana ireo toetra telo ireo izy, ary izy no loharanon’izy ireo. Milaza zavatra lalina kokoa momba ny fitiavana anefa ny 1 Jaona 4:8, izay manao hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” Feno fitiavana i Jehovah. Izany no tena maha izy azy. Azontsika raisina toy izao izany: Ny herin’i Jehovah no ahafahany manao zavatra. Ny fitiavany ny rariny sy ny fahendreny no mitarika ny fomba fanaovany zavatra. Fa ny fitiavany kosa no manosika azy hanao zavatra. Hita taratra foana io fitiavany io rehefa maneho ireo toetrany hafa izy.

3 Koa satria i Jehovah mihitsy no fitiavana, dia tsy maintsy mianatra ny momba azy isika, raha te hianatra momba ny atao hoe fitiavana. Andeha àry isika handinika ny lafiny sasany amin’ny fitiavana tsy manan-tsahalan’i Jehovah.

Ny fanehoam-pitiavana lehibe indrindra

4, 5. a) Inona no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra hatramin’izay? b) Nahoana isika no afaka milaza fa mampiray an’i Jehovah sy ilay Zanany, ny fatoram-pitiavana mafy indrindra?

4 Naneho fitiavana tamin’ny fomba maro i Jehovah, nefa iray no miavaka indrindra. Inona izany? Ny nanirahany ny Zanany hijaly sy ho faty ho antsika. Tsy diso isika raha milaza hoe io no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra hatramin’izay. Nahoana?

5 Antsoin’ny Baiboly hoe “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao”, i Jesosy. (Kolosiana 1:15) Eritrereto ange e! Efa nisy talohan’izao rehetra izao io Zanak’i Jehovah io. Hafiriana no efa niarahan’izy mianaka? Tombanan’ny mpahay siansa ho 13 000 tapitrisa taona no nisian’izao rehetra izao. Na dia atao hoe marina aza izany, dia mbola fohy raha oharina amin’ny halavan’ny fiainan’ilay Zanak’i Jehovah lahimatoa! Inona no nataony nandritra izany fotoana rehetra izany? “Mpità-marika” na Mpiasa Kinga, izay faly nanampy ny Rainy izy. (Ohabolana 8:30; Jaona 1:3) Niara-niasa mba hamorona ny zavatra hafa rehetra àry i Jehovah sy ilay Zanany. Nahafinaritra tokoa ny fiarahan’izy ireo tamin’izany! Azonao an-tsaina ve ny hamafin’ny fifankatiavana misy mandritra izany fotoana lava be izany? Ny fatoram-pitiavana mafy indrindra tokoa no mampiray an’i Jehovah Andriamanitra sy ilay Zanany.

6. Rehefa natao batisa i Jesosy, inona no nolazain’i Jehovah momba azy?

6 Nirahin’i Jehovah ho etỳ an-tany mba hateraka ho olombelona anefa ilay Zanany. Nidika izany fa nanaiky tsy hifanerasera akaiky tamin’ilay Zanany malala tany an-danitra izy, nandritra ny am-polo taona. Tany an-danitra tany izy, dia nandinika tsara ny fitomboan’i Jesosy, mandra-pahatongany ho olon-dehibe lavorary. Natao batisa i Jesosy rehefa 30 taona teo ho eo. Niteny avy tany an-danitra ny Rainy tamin’izay hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17) Tsy maintsy ho tena faly izy, rehefa nahita an’i Jesosy nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny faminaniana sy izay rehetra nangatahina taminy!​—Jaona 5:36; 17:4.

7, 8. a) Inona no niaretan’i Jesosy tamin’ny 14 Nisana taona 33, ary inona no tsapan’ilay Rainy tany an-danitra? b) Nahoana no navelan’i Jehovah hijaly sy ho faty ny Zanany?

7 Inona kosa no tsapan’i Jehovah tamin’ny 14 Nisana taona 33, rehefa nisy namadika i Jesosy, ka nosamborin’ny vahoaka romotra? Ary rehefa nesoina sy nororana ary nasiana totohondry i Jesosy? Rehefa nokapohina izy ka rovidrovitra ny lamosiny? Rehefa nofantsihana tamin’ny tsato-kazo ny tanany sy ny tongony ka nahantona teo izy, sady nanompa azy ihany ny olona? Inona no tsapan’io Ray io rehefa niantso azy ilay Zanany malala tao anatin’ny fangirifiriana? Inona no tsapan’i Jehovah rehefa tapitra ny ain’i Jesosy, ka sambany tamin’izay no tsy nisy intsony ny Zanany malala, hatramin’ny namoronana an’izao rehetra izao?​—Matio 26:14-16, 46, 47, 56, 59, 67; 27:26, 38-44, 46; Jaona 19:1.

8 Koa satria i Jehovah manana fihetseham-po, dia tsy misy teny mahalaza ny fahoriana tsapany rehefa maty ilay Zanany. Ny azo lazaina dia ny antony namelany an’izany hitranga. Nahoana izy no nanaiky hijaly toy izany? Manambara zavatra tena tsara amintsika izy ao amin’ny Jaona 3:16. Zava-dehibe tokoa no voambara ao, ka azo lazaina hoe mamintina ny Filazantsara mihitsy. Hoy ilay andininy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Ny fitiavana àry no nanosika an’Andriamanitra hanao izany. Tsy nisy naneho fitiavana lehibe noho izany mihitsy hatramin’izay.

Manome toky antsika i Jehovah fa tiany isika

9. Inona no tian’i Satana hinoantsika, nefa inona no toky omen’i Jehovah antsika?

9 Misy fanontaniana lehibe mipetraka anefa: Tia antsika isam-batan’olona ve Andriamanitra? Mety hisy hanaiky fa tia ny olona rehetra Andriamanitra, araka ny Jaona 3:16. Mihevitra anefa izy ireo hoe: ‘Tsy ho afaka ny ho tia ahy mihitsy izy.’ Raha ny marina, dia tian’i Satana Devoly ny hinoantsika fa sady tsy tia antsika i Jehovah, no tsy mihevitra antsika ho sarobidy. Na dia mety hihevi-tena ho tsy mahatehotia sy tsinontsinona aza anefa isika, dia manome toky antsika i Jehovah fa sarobidy aminy ny mpanompony mahatoky tsirairay.

10, 11. Hazavao amin’ny alalan’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny tsintsina fa sarobidy amin’i Jehovah isika.

10 Diniho, ohatra, ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:29-31. Nanazava tamin’ny ohatra ny hasarobidin’ireo mpianany izy. Hoy izy: “Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” Eritrereto ny dikan’ireo teny ireo ho an’ny mpihaino an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany.

11 Ny tsintsina no vorona fihinana mora indrindra tamin’ny andron’i Jesosy. Tsintsina roa no azon’ny varidimiventy, na vola madinika kely iray. Nilaza anefa i Jesosy tatỳ aoriana, ao amin’ny Lioka 12:6, 7, fa hahazo tsintsina dimy, fa tsy efatra, ny eranambatry, na vola madinika roa. Nomena fotsiny ny tsintsina iray, toy ny hoe tsy nisy vidiny akory. Tsy nisy vidiny tamin’ny olona angamba ny tsintsina, nefa ahoana no fiheveran’ny Mpamorona azy? Hoy i Jesosy: “Tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza [na dia ilay nomena fotsiny aza].” Takatsika angamba izao ny tian’i Jesosy hampitaina. Raha tsintsina iray aza sarobidy amin’i Jehovah, mainka moa fa ny olombelona! Mahafantatra ny tsipiriany rehetra momba antsika izy, hoy i Jesosy. Ny volon-dohantsika aza voaisany!

12. Nahoana isika no matoky fa tsy nanitatra i Jesosy, rehefa nilaza fa voaisa ny volon-dohantsika?

12 Mety hisy hilaza fa nanitatra i Jesosy teto. Eritrereto anefa ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy maintsy fantatr’i Jehovah tsara ny momba antsika mba hamoronany antsika indray! Tena sarobidy aminy isika, ka tsaroany ny tsipiriany rehetra momba antsika, toy ny rafi-pandovan-toetra sy ny zavatra rehetra tadidintsika sy niainantsika nandritra ny taona maro. Tsotra kely ny hanisa ny volontsika, raha oharina amin’izany, satria 100 000 eo ho eo monja ny volon-dohan’ny olona. Tena miahy antsika isam-batan’olona tokoa i Jehovah. Kanto erỳ ireo teny nanomezan’i Jesosy toky antsika ireo!

13. Hazavao amin’ny alalan’ny ohatr’i Josafata Mpanjaka fa mifantoka amin’ny toetra tsarantsika i Jehovah, na dia tsy lavorary aza isika.

13 Misy zavatra hafa koa ao amin’ny Baiboly, izay manome toky antsika fa tia antsika i Jehovah. Voambara ao fa mifantoka amin’ny toetra tsarantsika izy, ary mihevitra izany ho sarobidy. Raiso, ohatra, i Josafata, mpanjaka tsara. Nanao hadalana izy, ka hoy ny mpaminanin’i Jehovah taminy: “Noho izany dia tezitra aminao Jehovah.” Mampieritreritra izany! Tsy tapitra hatreo anefa ny tenin’i Jehovah, fa nitohy toy izao: “Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao.” (2 Tantara 19:1-3) Tsy nahatonga an’i Jehovah tsy hahita ny ‘hatsaram-panahin’i’ Josafata àry ny fahatezerany. Tsy mampahery ve ny mahalala fa mifantoka amin’ny toetra tsarantsika Andriamanitra, na dia tsy lavorary aza isika?

Andriamanitra “mamela heloka”

14. Inona no mety hanavesatra ny fontsika rehefa manota isika, nefa ahoana no ahazoantsika ny famelan-kelok’i Jehovah?

14 Rehefa manota isika, ka diso fanantenana sy menatra ary mahatsiaro tena ho meloka, dia mety hieritreritra fa tsy mendrika ny hanompo an’i Jehovah mihitsy. Tadidio anefa fa “mamela heloka” i Jehovah. (Salamo 86:5) Hamela ny helotsika izy, raha mibebaka isika ary miezaka mafy tsy hamerina ny fahotantsika. Diniho ny fomba ilazan’ny Baiboly an’io lafiny mahavariana amin’ny fitiavan’i Jehovah io.

15. Aiza ho aiza no ametrahan’i Jehovah ny fahotantsika?

15 Nampiasa teny mazava tsara i Davida mpanao salamo mba hilazana ny famelan’i Jehovah. Hoy izy: “Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.” (Salamo 103:12) Manao ahoana ny elanelan’ny atsinanana sy ny andrefana? Azo lazaina hoe any amin’ny faritra lavitra indrindran’ny atsinanana ny andrefana, ka tsy hihaona mihitsy izy ireo. Milaza ny manam-pahaizana iray fa ny dikan’ireo teny ireo dia hoe “lavitra indrindra; faran’izay lavitra azo eritreretina.” Te hilaza àry ireo teny ara-tsindrimandry nosoratan’i Davida ireo fa rehefa mamela ny fahotantsika i Jehovah, dia apetrany lavitra antsika izany, any amin’izay lavitra indrindra azontsika eritreretina.

16. Nahoana isika no afaka matoky fa madio eo anatrehan’i Jehovah isika, rehefa mamela ny helotsika izy?

16 Efa mba niezaka mafy nanala tasy tamin’ny akanjo fotsy ve ianao, nefa tsy afaka ilay izy? Mariho ny fahaizan’i Jehovah mamela heloka: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.” (Isaia 1:18) Mena be ny loko “jaky.” * Ny “sily” koa dia lamba na kofehy mena midorehitra. Tsy ho vitantsika samirery mihitsy ny hanala ny tasy vokatry ny fahotana. Afaka manala ny fahotana tahaka ny jaky sy ny sily kosa i Jehovah, ka manova izany ho fotsy toy ny orampanala na ny volon’ondry fotsy. Tsy voatery handoto antsika mandra-pahafatintsika àry ny fahotantsika, rehefa mamela antsika i Jehovah.

17. Inona no dikan’ny hoe arian’i Jehovah eo ivohony ny fahotantsika?

17 Nanao hiram-pankasitrahana nampihetsi-po i Hezekia, rehefa voavotra tamin’ny aretina saika nahafaty azy. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.” (Isaia 38:17) Toy ny hoe maka ny fahotan’ny olona mibebaka i Jehovah eto, ary manary izany ao ivohony, ka tsy mahita na miraharaha izany intsony. Milaza ny boky iray fa azo lazaina toy izao koa ilay hevitra: “Nataonao toy ny tsy nisy [ny fahotako].” Tsy mampahery ve izany?

18. Ahoana no nampisehoan’i Mika mpaminany fa esorin’i Jehovah tanteraka ny fahotantsika, rehefa mamela antsika izy?

18 Nampanantena i Mika mpaminany fa haverina tamin’ny taniny ny Isiraelita. Niaiky mafy izy tamin’izay fa hamela ny fahotan’ny vahoakany nibebaka i Jehovah. Hoy izy: “Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay . . . mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? . . . Eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.” (Mika 7:18, 19) Eritrereto ny dikan’ireo teny ireo ho an’ny olona tamin’izany fotoana izany. Mety mbola ho azo ve ny zavatra natsipy tany “amin’ny ranomasina lalina”? Asehon’ireo tenin’i Mika ireo àry fa esorin’i Jehovah tanteraka ny fahotantsika, rehefa mamela antsika izy.

‘Ny halehiben’ny fangorahan’Andriamanitsika’

19, 20. a) Inona no dikan’ilay matoanteny hebreo adika hoe “mamindra fo” na “miantra”? b) Inona no ianarantsika momba ny fangorahan’i Jehovah, avy amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny fitiavan’ny reny ny zanany kely?

19 Lafiny iray amin’ny fitiavan’i Jehovah koa ny fangorahana. Inona no atao hoe fangorahana? Mifandray akaiky ny famindram-po sy ny fangorahana ao amin’ny Baiboly. Misy teny hebreo sy grika maromaro ilazana ny fangorahana. Matetika, ohatra, ilay matoanteny hebreo ra·chamʹ no adika hoe “mamindra fo” na “miantra.” Ampiharin’i Jehovah amin’ny tenany io teny hebreo io, ary ampifandraisina amin’ny hoe “kibo”, ka azo atao hoe “fangorahan’ny reny.”

20 Oharin’ny Baiboly amin’ny fangorahan’ny reny ny zanany, ny fangorahan’i Jehovah ny olona. Hoy ny Isaia 49:15: “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo [na hangoraka, ra·chamʹ] amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.” Sarotra inoana ny hoe hanadino ny hanome sakafo sy hikarakara ny zanany kely ny reny. Tsy manam-piarovana tokoa ny zazakely, ka mila ny fikarakaran-dreniny andro aman’alina. Mampalahelo anefa fa misy reny manao tsirambina ny zanany, indrindra amin’izao “andro mahory” izao. (2 Timoty 3:1, 3) Milaza anefa i Jehovah hoe: “Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.” Ny fangorahan’i Jehovah ny mpanompony dia mahery lavitra noho ny firaiketam-po voajanahary lalina indrindra azontsika eritreretina, dia ny fangorahan’ny reny ny zanany kely.

21, 22. Inona no nanjo ny Isiraelita tany Ejipta, ary ahoana no navalin’i Jehovah ny fitarainany?

21 Ahoana no anehoan’i Jehovah fangorahana, toy ny ray aman-dreny be fitiavana? Nasehony mazava izany tamin’ny fitondrany ny firenen’ny Isiraely fahiny. Isiraelita an-tapitrisa no andevo tany Ejipta tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-16 Talohan’i Kristy. Nijaly mafy izy ireo tany. (Eksodosy 1:11, 14) Nitalaho fanampiana tamin’i Jehovah izy ireo, tao anatin’ny fahoriany. Ahoana no navalin’ilay Andriamanitra be fangorahana?

22 Tohina ny fon’i Jehovah. Hoy izy: “Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany . . . Fantatro ny alahelony.” (Eksodosy 3:7) Tsy afaka ny tsy hihontsina i Jehovah rehefa nahita ny fahorian’ny vahoakany, sy nahare ny fitarainany. Mahay miara-miory amin’ny olona i Jehovah, ary mitovitovy amin’ny fangorahana io toetra io. Tsy nahatsapa ny fahorian’ny vahoakany fotsiny anefa izy, fa voatosika hanao zavatra ho azy ireo mihitsy. Hoy ny Isaia 63:9: “Ny fitiavany sy ny famindrampony [na fangoraham-pony] no nanavotany azy.” Nanafaka ny Isiraelita tany Ejipta, tamin’ny “tànana mahery” izy. (Deoteronomia 4:34) Nomeny sakafo tamin’ny fomba mahagaga izy ireo taorian’izay, ary nomeny tany lonaka.

23. a) Asehoy fa manome toky antsika ny tenin’ny mpanao salamo hoe miahy lalina antsika isam-batan’olona i Jehovah. b) Ahoana no anampian’i Jehovah antsika?

23 Tsy ny mpanompony amin’ny fitambarany ihany anefa no anehoan’i Jehovah fangorahana. Miahy lalina antsika isam-batan’olona koa ilay Andriamanitsika be fitiavana. Fantany tsara ny fahoriana mianjady amintsika, na inona izany na inona. Hoy ny mpanao salamo: “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:15, 18) Ahoana no anampian’i Jehovah antsika isam-batan’olona? Tsy voatery hanala ny antony mampahory antsika izy. Nanao zavatra maro be ho an’ireo mitalaho ny fanampiany anefa izy. Manome torohevitra izay tena manampy antsika, ny Teniny. Manome mpiandraikitra mahafeno fepetra eo amin’ny lafiny ara-panahy koa i Jehovah, eo anivon’ny fiangonana. Miezaka ny hangoraka toa azy izy ireo, rehefa manampy ny hafa. (Jakoba 5:14, 15) “Mpihaino vavaka” koa i Jehovah, ka ‘manome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy.’ (Salamo 65:2; Lioka 11:13) Izany rehetra izany dia porofon’ny “halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika” na ny fangorahany.​—Lioka 1:78.

24. Inona no havalinao ny fitiavan’i Jehovah?

24 Tsy tena mahafinaritra ve ny mieritreritra ny fitiavan’ilay Raintsika any an-danitra? Nampahatsiahy antsika ilay lahatsoratra teo aloha, fa mampiseho ny heriny sy fitiavany ny rariny ary fahendreny amim-pitiavana i Jehovah, ho tombontsoantsika. Ary hitantsika tato amin’ity lahatsoratra ity fa maneho fitiavana miavaka amin’ny olombelona rehetra sy amintsika isam-batan’olona izy. Tokony hanontany tena àry isika tsirairay hoe: ‘Inona no havaliko ny fitiavan’i Jehovah?’ Enga anie ianao ho tia azy amin’ny fo, fanahy, saina, ary herinao manontolo. (Marka 12:29, 30) Enga anie ny fomba fiainanao isan’andro hampiseho fa tena maniry hanatona kokoa an’i Jehovah ianao. Ary enga anie i Jehovah, ilay Andriamanitra fitiavana, ka hanatona anao foana, mandrakizay mihitsy!​—Jakoba 4:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Misy manam-pahaizana milaza fa ‘loko mateza sy tsy miofo mihitsy ny jaky. Tsy mahafaka azy io na ranon’ando, na orana, na fanasana. Tsy mihavasoka koa izy io na dia efa tonta aza ilay lamba.’

Tadidinao Ve?

Ahoana no ahalalantsika fa ny fitiavana no toetran’i Jehovah miavaka indrindra?

Nahoana no lazaina fa ny nanirahan’i Jehovah ny Zanany hijaly sy ho faty ho antsika, no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra?

Ahoana no anomezan’i Jehovah toky antsika fa tia antsika isam-batan’olona izy?

Amin’ny fomba ahoana avy no ilazan’ny Baiboly fa mamela heloka i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

‘Nanome ny Zanany lahitokana Andriamanitra’

[Sary, pejy 16, 17]

“Mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo”

[Sary nahazoan-dalana]

© J. Heidecker/VIREO

[Sary, pejy 18]

Oharina amin’ny fangorahan’ny reny ny zanany ny fangorahan’i Jehovah