Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana i Satana no antsoina hoe “ilay manana ny herin’ny fahafatesana” ao amin’ny Hebreo 2:14?

Raha tsorina, dia te hilaza i Paoly hoe afaka mamono olona mivantana na mampiasa olon-kafa hanao izany i Satana. Izany no niantsoan’i Jesosy azy hoe “mpamono olona hatramin’ny taloha.”​—Jaona 8:44.

Mety hisy olona ho diso fandray ny hevitry ny Hebreo 2:14, satria misy Baiboly mandika azy io hoe manana ny “herin’ny fahafatesana” i Satana. Toa milaza mantsy izany hoe manana hery tsy voafetra hamono izay tiany hovonoina izy. Tsy marina velively anefa izany. Raha izany tokoa no izy, dia efa ela no ho naripany ny mpivavaka amin’i Jehovah.​—Genesisy 3:15.

Ilay teny grika hoe “kraʹtos tou tha·naʹtou” no adikan’ny fandikan-teny sasany hoe “herin’ny fahafatesana”, na koa hoe “manan-kery hahatonga fahafatesana.” Teny ilazana ny “fahafatesana” ny tou tha·naʹtou, ary manondro “hery na tanjaka” kosa raha ny marina ny hoe kraʹtos. Araka ny Rakibolana Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy), dia ny “fananana hery na tanjaka fa tsy ny fampiasana azy io” no tena tiana holazaina eo. Koa tsy te hilaza àry i Paoly, ao amin’ny Hebreo 2:14, hoe fehezin’i Satana tanteraka ny herin’ny fahafatesana. Te hampiseho fotsiny izy hoe manana hery hamonoana olona i Satana, na afaka manao izany.

Ahoana no ampiasan’i Satana “ny herin’ny fahafatesana” ananany? Mahita ohatra iray tena maningana momba izany isika ao amin’ny bokin’ny Joba. Tantaraina ao fa nandefa rivo-mahery i Satana mba hamonoana ireo zanak’i Joba. Mariho anefa fa navelan’Andriamanitra hanao izany izy, satria nisy raharaha goavana niadian-kevitra tamin’izay. (Joba 1:12, 18, 19) Tsy afaka namono an’i Joba velively kosa izy, satria tsy navela hanao izany. (Joba 2:6) Koa na dia afaka namono olombelona nahatoky aza i Satana tamin’ny fotoana sasany, dia tsy tokony hatahotra isika hoe afaka mamono antsika koa izy rehefa te hanao izany.

Mampiasa olombelona koa i Satana mba hamonoana. Kristianina maro àry no novonoina ho faty noho ny finoany. Matin’ny vahoaka romotra ny sasany tamin’izy ireo, ary nisy koa nohelohina ho faty tsy ara-drariny noho ny baikon’ny manam-pahefana na mpitsara mpandray kolikoly.​—Apokalypsy 2:13.

Mampiasa ny fahalemen’olombelona koa i Satana indraindray, mba hamonoana olona. Tamin’ny andron’ny Isiraely, ohatra, dia nampirisihin’i Balama mpaminany ny Moabita, mba haka fanahy ka ‘hampahadiso ny Zanak’Isiraely tamin’i Jehovah.’ (Nomery 31:16) Isiraelita 23 000 mahery no namoy ny ainy vokatr’izany. (Nomery 25:9; 1 Korintiana 10:8) Voafitak’i Satana amin’izany fomba izany koa ny sasany amin’izao fotoana izao, ka voafandrika hijangajanga na hanaraka fanao hafa tsy tian’Andriamanitra. (Efesiana 6:11) Marina fa matetika no tsy maty eo no ho eo ny olona manao toy izany. Tena mety tsy hahazo fiainana mandrakizay anefa izy ireo, ka amin’izay heviny izay i Satana no mamono azy.

Tsy tokony haharaiki-tahotra antsika anefa i Satana, na dia ekentsika aza hoe afaka manisy ratsy antsika izy. Marina fa nilaza i Paoly hoe manan-kery hahatonga fahafatesana i Satana. Nolazainy koa anefa tamin’izay, fa maty i Kristy “mba handringanany [an’i Satana] . . . ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.” (Hebreo 2:14, 15) Eny, efa naloan’i Jesosy ny vidin’ny avotra, ka izay rehetra mino dia nafahana tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana.​—2 Timoty 1:10.

Marina fa mampieritreritra ny mahafantatra hoe manan-kery hahatonga fahafatesana i Satana. Matoky anefa isika, fa azon’i Jehovah onerana avokoa ny fahavoazana rehetra mihatra amintsika, vokatry ny nataon’i Satana sy ny olony. Manome toky antsika i Jehovah, fa i Jesosy izay natsangany tamin’ny maty dia “handrava ny asan’ny devoly.” (1 Jaona 3:8) Hanangana ny maty koa i Jesosy, noho ny herin’i Jehovah. Handresy ny fahafatesana izy amin’izay fotoana izay. (Jaona 5:28, 29). Hahariharin’i Jesosy tokoa ny fetran’ny herin’i Satana, rehefa hanipy azy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy. Fandringanana mandrakizay no miandry an’i Satana amin’ny farany.​—Apokalypsy 20:1-10.