Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Indro Andriamanitsika”

“Indro Andriamanitsika”

“Indro Andriamanitsika”

Ny fanazavana ato amin’ireto lahatsoratra fianarana roa ireto dia nalaina avy tao amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah, izay navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, natao naneran-tany tamin’ny 2002/2003.​—Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nameno ny Banga tao Am-poko Izy Io”, eo amin’ny pejy faha-20.

“Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; indro Jehovah.”​—ISAIA 25:9.

1, 2. a) Ahoana no niantsoan’i Jehovah an’i Abrahama, ary inona no fanontaniana mety ho tonga ao an-tsaintsika noho izany? b) Ahoana no anomezan’ny Baiboly toky antsika fa afaka mifandray akaiky amin’Andriamanitra isika?

“SAKAIZAKO.” Izany no niantsoan’i Jehovah, ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany, an’i Abrahama. (Isaia 41:8) Eritrereto ange e! Olombelona nefa minamana amin’ilay Tompo Fara Tampon’izao rehetra izao! Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Afaka ny ho akaiky an’Andriamanitra toy izany ve aho?’

2 Manome toky antsika ny Baiboly fa afaka ny ho akaiky an’Andriamanitra isika. Nifandray akaiky tamin’Andriamanitra i Abrahama satria ‘nino azy.’ (Jakoba 2:23) ‘Ao amin’ny marina koa ny fisakaizan’i’ Jehovah ankehitriny. (Ohabolana 3:32) Mampirisika antsika ny Baiboly ao amin’ny Jakoba 4:8 hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” Hanao ny anjarany àry i Jehovah raha manao dingana hanatonana azy isika. Tena hanatona antsika tokoa izy. Midika anefa ve ireo teny ara-tsindrimandry ireo fa isika, olombelona mpanota sy tsy lavorary, no manao ny dingana voalohany? Tsy izany mihitsy. Misy dingana lehibe roa nataon’i Jehovah Andriamanitsika be fitiavana, matoa isika afaka mifandray akaiky aminy.​—Salamo 25:14.

3. Inona no dingana roa nataon’i Jehovah mba hahatonga antsika hinamana aminy?

3 Voalohany, nirahin’i Jehovah i Jesosy mba “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28) Afaka ny ho akaiky an’Andriamanitra isika, noho io sorom-panavotana io. Hoy ny Baiboly: “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” (1 Jaona 4:19) Andriamanitra tokoa no “efa tia antsika taloha”, ka nataony izay hahafahantsika ho tonga namany. Faharoa, mampahafantatra ny tenany amintsika i Jehovah. Matoa ny olona iray lasa namantsika, dia satria fantatsika tsara izy, ary mampiaiky volana antsika sy sarobidy amintsika ny toetrany miavaka. Eritrereto ny dikan’izany. Tsy afaka ny hanatona an’i Jehovah mihitsy isika, raha Andriamanitra miafina sy tsy hay fantarina izy. Tsy miafina anefa izy, fa tiany mihitsy aza ny hahafantarantsika azy. (Isaia 45:19) Mampahafantatra ny tenany amin’ny fomba takatsika izy ao amin’ny Teniny, na ny Baiboly. Porofo izany fa sady tia antsika izy, no tiany isika hahafantatra sy ho tia azy, toy ny Raintsika any an-danitra.

4. Ahoana no hiheverantsika an’i Jehovah, arakaraka ny hahalalantsika ny toetrany?

4 Asa ianao raha efa nahita ankizikely nanondro ny rainy, ka faly sy kevoka erỳ nilaza tamin’ny namany hoe: “Iny i dadanay!” Tokony hahatsapa toy izany momba an’i Jehovah koa ny mpivavaka aminy. Efa nilaza ny Baiboly fa ho avy ny fotoana hilazan’ny olona mahatoky hoe: “Indro Andriamanitsika.” (Isaia 25:8, 9) Arakaraka ny hahalalantsika ny toetran’i Jehovah, no hahatsapantsika fa manana ny Ray tsara indrindra sy ny Namana akaiky indrindra isika. Manana antony be dia be hanatonana an’i Jehovah tokoa isika, rehefa mahalala ny toetrany. Andeha àry hodinihintsika ny fomba ampisehoan’ny Baiboly ireo toetrany efatra lehibe indrindra, dia ny hery, fitiavana ny rariny, fahendrena, ary fitiavana. Ireo toetrany telo voalohany aloha no horesahintsika ato amin’ity lahatsoratra ity.

“Lehibe amin’ny hery”

5. Nahoana no i Jehovah ihany no mendrika antsoina hoe “Tsitoha”, ary amin’ny fomba ahoana avy no ampiasany ny heriny lehibe?

5 “Lehibe amin’ny hery” i Jehovah. (Joba 37:23) Hoy ny Jeremia 10:6: “Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; lehibe Hianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.” Tsy misy zavaboary manana hery tsy manam-petra toa an’i Jehovah. Izy ihany àry no mendrika antsoina hoe “Tsitoha.” (Apokalypsy 15:3) Mampiasa an’io heriny mahatalanjona io i Jehovah mba hamoronana, handringanana, hiarovana, ary hamerenana amin’ny laoniny. Diniho fotsiny ireto ohatra roa ireto: ny hery amoronany sy ny hery iarovany.

6, 7. Toy inona ny herin’ny masoandro, ary inona no hevi-dehibe hamarinin’izany?

6 Inona no tsapanao rehefa eny ivelany ianao amin’ny andro mafana? Ny hafanan’ny masoandro. Ny vokatry ny hery ampiasain’i Jehovah amoronana anefa no tsapanao, raha ny marina. Manao ahoana ny herin’ny masoandro? Mahatratra 15 000 000 degre eo ho eo ny hafanan’ny atin’ny masoandro. Andeha hatao hoe afaka maka sombiny toy ny loham-panjaitra monja amin’io atin’ny masoandro io ianao, ka mametraka izany eto an-tany. Any amin’ny 140 kilaometatra miala amin’izy io ianao vao tsy ho may! Mamoaka hery mitovy amin’ny fipoahan’ny baomba ataomika an-jato tapitrisa ny masoandro, isan-tsegondra. Mety tsara anefa ny elanelan’io afo midedadeda be io sy ny tany mihodidina aminy. Ho lasa etona ny rano eto an-tany, raha akaikiny loatra ny masoandro. Hivaingana kosa izany, raha lavitra loatra izy. Tsy ho azo iainana ny tany raha ireo no mitranga.

7 Maro no mihevitra ny masoandro ho toy ny zavatra efa mahazatra fotsiny, na dia tena miankina amin’izy io aza ny ainy. Tsy takatr’izy ireo àry ny zavatra ampianarin’ny masoandro antsika. Hoy ny Salamo 74:16 momba an’i Jehovah: “Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.” Manome voninahitra an’i Jehovah, “izay nanao ny lanitra sy ny tany”, tokoa izy io. (Salamo 146:6) Vao iray monja amin’ireo voary maro be mampianatra antsika momba ny hery tsy manam-paharoan’i Jehovah anefa ny masoandro. Mihalalina ny fanajantsika an’i Jehovah, rehefa mahafantatra bebe kokoa momba ny hery ampiasainy amoronana isika.

8, 9. a) Inona ilay fanoharana mampihetsi-po, izay mampiseho fa maniry hiaro sy hikarakara ny mpivavaka aminy i Jehovah? b) Ahoana no nikarakaran’ny mpiandry ondry fahiny ny ondriny, ary milaza inona momba ilay Mpiandry Lehibe izany?

8 Mampiasa ny heriny lehibe koa i Jehovah mba hiarovana sy hikarakarana ny mpanompony. Mampiasa fanoharana velombelona sy mampihetsi-po ny Baiboly, hilazana fa mampanantena hiaro sy hikarakara ny olony i Jehovah. Mariho, ohatra, ny Isaia 40:11. Ao i Jehovah dia mampitovy ny tenany amin’ny mpiandry ondry, ary ny vahoakany amin’ny ondry. Izao no vakintsika ao: “Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.” Azonao an-tsaina ve izay resahin’io andinin-teny io?

9 Vitsy ny biby tsy afaka miaro tena toy ny ondry. Tsy maintsy be herim-po ny mpiandry ondry fahiny, mba hiarovana ny ondriny tamin’ny amboadia sy bera ary liona. (1 Samoela 17:34-36; Jaona 10:10-13) Nila naneho hatsaram-panahy koa anefa izy indraindray, rehefa niaro sy nikarakara ny ondry. Mety ho nisy ondry niteraka lavitra ny vala, ohatra. Ahoana àry no niarovan’ilay mpiandry ondry, ilay ondrikely vao teraka? Nentiny teo “an-tratrany” izy, izany hoe tao anatin’ilay lamba niaraka tamin’ny akanjony ambony, angamba nandritra ny andro maromaro. Ahoana anefa no hahatongavan’ilay ondrikely eo an-tratrany? Manatona an’ilay mpiandry angamba izy, ary mandona ny tongony mihitsy. Ilay mpiandry anefa no tsy maintsy miondrika mandray sy mibata ilay ondrikely, ary mametraka sy miaro azy eo an-tratrany. Hita avy amin’io fanoharana mampihetsi-po io tokoa, fa maniry hiaro sy hikarakara ny mpanompony ilay Mpiandry Lehibe!

10. Inona no fiarovana omen’i Jehovah ankehitriny, ary nahoana no tena zava-dehibe izy io?

10 Tsy vitan’ny hoe mampanantena fiarovana fotsiny i Jehovah. Nanao fahagagana izy fahiny hampisehoana fa hainy ny ‘mamonjy ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy.’ (2 Petera 2:9) Ary ahoana ny amin’ny ankehitriny? Fantatsika fa tsy mampiasa ny heriny mba hiarovana antsika amin’ny loza rehetra izy. Zava-dehibe kokoa anefa no omeny, dia ny fiarovana ara-panahy. Miaro antsika tsy ho tratran’ny loza ara-panahy ilay Andriamanitsika be fitiavana, ka manome izay ilaintsika mba hiaretana fisedrana sy hitandrovana ny fihavanantsika aminy. Milaza, ohatra, ny Lioka 11:13 hoe: “Raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” Manampy antsika hiatrika ny fisedrana na olana rehetra mianjady amintsika io hery lehibe io. (2 Korintiana 4:7) Miaro ny aintsika àry i Jehovah mba hiainantsika mandrakizay, fa tsy mandritra ny taona vitsivitsy monja. Ho ‘maivana sy vetivety’ amintsika ny fahoriantsika ankehitriny, raha mitadidy izany isika. (2 Korintiana 4:17) Tsy manintona antsika ve ny Andriamanitra mampiasa amim-pitiavana ny heriny toy izany, mba hanampiana antsika?

“Jehovah tia rariny”

11, 12. a) Nahoana no manintona antsika ny fanaovan’i Jehovah ny rariny? b) Inona no fanatsoahan-kevitr’i Davida momba ny fanaovan’i Jehovah ny rariny, ary nahoana no mampahery antsika ireo teny ara-tsindrimandry ireo?

11 Manao ny rariny sy hitsiny foana i Jehovah amin’ny olona tsy an-kanavaka. Tsy hentitra loatra na masiaka izy rehefa mampihatra ny rariny, ka hoe manjary mihataka aminy isika. Mahatehotia kosa io toetrany io, ka mahatonga antsika hanatona azy. Milaza ny Baiboly fa tena mankahery io toetrany io. Andeha àry isika handinika fomba telo anaovan’i Jehovah ny rariny.

12 Voalohany, manosika an’i Jehovah tsy hivadika amin’ny mpanompony ny fanaovany ny rariny. Nahatsapa mivantana izany i Davida mpanao salamo. Inona no fanatsoahan-keviny, noho ny zavatra niainany sy ny fandinihany ny fomba fanaovan’Andriamanitra zavatra? Hoy izy: “Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; harovana mandrakizay ireo.” (Salamo 37:28) Mampahery tokoa izany fanomezan-toky izany! Tsy hahafoy mihitsy an’ireo tsy mivadika aminy ny Andriamanitsika. Afaka matoky isika fa ho akaiky antsika sy hikarakara antsika amim-pitiavana foana izy. Azo antoka izany satria manao ny rariny izy!​—Ohabolana 2:7, 8.

13. Asehoy fa miahy ny sahirana i Jehovah, araka ny Lalàna nomeny ny Isiraelita.

13 Faharoa, mahatsapa izay ilain’ny ory Andriamanitra, satria manao ny rariny izy. Ahariharin’ny Lalàna nomeny ny Isiraelita fa miahy ny sahirana izy. Nisy fitsipika natao hikarakarana ny kamboty sy ny mpitondratena, ohatra, tao amin’izy io. (Deoteronomia 24:17-21) Fantatr’i Jehovah fa tena sarotra ny fiainan’ireny olona ireny, ka nanjary Ray sy Mpitsara ary Mpiaro azy ireo izy. (Deoteronomia 10:17, 18) Nampitandrina ny Isiraelita izy fa raha nampijaly ireny vehivavy sy ankizy tsy nisy mpiaro ireny izy ireo, dia hihaino ny fitarainany izy. “Hirehitra ny fahatezerako”, hoy izy, ao amin’ny Eksodosy 22:21-23. Marina fa tsy toetra mampiavaka an’Andriamanitra ny fahatezerana, nefa rariny raha tezitra izy rehefa misy minia manao ny tsy rariny, indrindra fa amin’ireo tsy misy mpiaro.​—Salamo 103:6.

14. Inona no porofo tena miavaka fa tsy mizaha tavan’olona i Jehovah?

14 Fahatelo, manome toky antsika ny Deoteronomia 10:17 fa “tsy mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly” i Jehovah. Tsy toy ny manam-pahefana maro izy, ka hoe manan-kery eo aminy ny vola sy ny fisehoana ivelany. Tsy miangatra na mifidy tavan’olona izy. Ity no porofo tena miavaka ny amin’izany: Tsy olom-bitsy voafantina fotsiny no afaka hanompo azy, ka hanantena fiainana mandrakizay. Hoy kosa ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Afaka manantena izany ny rehetra, na inona na inona sarangany, volon-kodiny, na firenena misy azy. Tsy izany ve no tena atao hoe rariny? Tena voatosika hanatona an’i Jehovah tokoa isika, rehefa mahafantatra tsara kokoa ny fomba anaovany ny rariny!

‘Endrey ny halalin’ny fahendren’Andriamanitra!’

15. Inona no atao hoe fahendrena, ary ahoana no anehoan’i Jehovah azy io?

15 Voatosika hilaza toy izao ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 11:33: ‘Endrey ny halalin’ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany!’ Ho feno fanajana an’i Jehovah isika, rehefa mandinika ny lafiny samihafa amin’ny fahendreny tsy hita lany. Ahoana anefa no amaritana an’io toetra io? Ny fahendrena dia ny fampiasana ny fahalalana sy ny fahaiza-manavaka, ary ny fahiratan-tsaina, mba hanatratrarana zava-kendrena. Mampiasa ny fahalalany lehibe sy ny fahiratan-tsainy lalina i Jehovah, ka mandray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra foana, ary manatanteraka izany amin’ny fomba tsara indrindra.

16, 17. Ahoana no anamarinan’ny zavaboarin’i Jehovah fa tsy hita lany ny fahendreny? Manomeza ohatra.

16 Inona avy no ohatra miavaka sasantsasany manaporofo fa tsy hita lany ny fahendren’i Jehovah? Hoy ny Salamo 104:24: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” Arakaraka ny ianarantsika momba ny zavatra nataon’i Jehovah, no mahatonga antsika ho talanjona amin’ny fahendreny. Diniho fotsiny, ohatra, ny zavatra nianaran’ny mpahay siansa avy amin’ny fandinihana ny zavaboarin’i Jehovah! Misy mihitsy aza karazana siansa natao hakana tahaka ny zavaboary.

17 Raha efa nandinika tranon-kala, ohatra, ianao, dia mety ho gaga nahita ny hakantony. Mahavariana tokoa ny firafitr’izy io. Jerena toa mora tapaka ny kofehiny, nefa mafy kokoa noho ny vy mitovy habe aminy, ary matanjaka kokoa noho ny fibra fampiasa amin’ny akanjo tsy laitran’ny bala. Inona no tena dikan’izany? Eritrereto hoe atao mitovy habe amin’ny haraton’ny mpanjono ilay tranon-kala. Ho mafy be mihitsy izy io amin’izay, ka afaka hampijanona fiaramanidina eny am-panidinana! Nanao ireny zavatra rehetra ireny ‘tamim-pahendrena’ tokoa i Jehovah.

18. Nahoana no mampiseho ny fahendren’i Jehovah ny nampiasany olona mba hanoratra ny Teniny?

18 Ao amin’ny Baiboly no misy ny porofo mavesa-danja indrindra hoe manam-pahendrena i Jehovah. Manoro antsika ny fomba fiaina tsara indrindra ny torohevitra feno fahendrena hita ao. (Isaia 48:17) Hita amin’ny fomba nanoratana ny Baiboly koa anefa fa tsy manan-tsahala ny fahendren’i Jehovah. Fa nahoana? Satria noho ny fahendreny, dia olona no nofidiny hanoratra ny Teniny. Ho nanintona antsika ve ny Teniny ara-tsindrimandry raha anjely no nasainy nanoratra azy? Marina fa azon’ny anjely natao ny niresaka an’i Jehovah araka ny fomba fiheviny, sy nilaza ny fitiavany azy. Kanefa, ho azontsika tsara ve ny fomba fihevitry ny anjely lavorary, izay manana fahalalana sy fahaizana ary hery mihoatra lavitra noho ny antsika?​—Hebreo 2:6, 7.

19. Inona no ohatra mampiseho fa tena manohina ny fo sy manintona ny Baiboly, satria olona no nanoratra azy?

19 Tena manohina ny fo sy manintona ny Baiboly, satria olona no nanoratra azy. Olona toa antsika ihany izy ireo. Tsy lavorary izy ireo, ka niatrika fisedrana sy fanerena toy ny hitantsika. Nanoratra ny fihetseham-pony sy ny zava-tsarotra natrehiny izy ireo indraindray. (2 Korintiana 12:7-10) Teny tsy ho tafavoakan’ny anjely mihitsy no nampiasainy. Raiso, ohatra, ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo faha-51. Araka ilay teny fampidirana, dia nanoratra an’io salamo io izy, rehefa avy nanao fahotana lehibe. Namboraka ny tao am-pony sy ny alahelony mafy izy, ary nitalaho famelana tamin’Andriamanitra. Hoy ny andininy faha-2 sy 3: “Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.” Mariho ny andininy faha-5: “Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.” Hoy koa ny andininy faha-17: “Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro, ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” Tsy tsapanao ve ny fahorian’ilay mpanoratra eo? Olombelona tsy lavorary ihany no afaka milaza fihetseham-po toy izany, sa tsy izany?

20, 21. a) Nahoana no azo lazaina fa ny fahendren’i Jehovah no hita ao amin’ny Baiboly, na dia olona aza no nanoratra azy? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Rehefa nampiasa olona tsy lavorary toy izany i Jehovah, dia nanome izay tena ilaintsika, izany hoe tantara “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”, nefa mora azon’ny olona. (2 Timoty 3:16) Notarihin’ny fanahy masina ireo mpanoratra ireo, ka ny fahendren’i Jehovah no nosoratany, fa tsy ny azy. Azo itokisana tanteraka io fahendrena io. Ambony lavitra noho ny antsika izy io, ka mampirisika antsika amim-pitiavana Andriamanitra hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:5, 6) Manatona akaiky kokoa an’ilay Andriamanitsika faran’izay hendry isika, rehefa manaraka izany torohevitra feno fahendrena izany.

21 Ny fitiavana no toetran’i Jehovah mahatehotia sy tsara indrindra. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba anehoan’i Jehovah fitiavana.

Tadidinao Ve?

Inona avy no dingana nataon’i Jehovah mba hahafahantsika hinamana aminy?

Manomeza ohatra mampiseho ny hery ampiasain’i Jehovah amoronana sy iarovana.

Amin’ny fomba ahoana avy no anaovan’i Jehovah ny rariny?

Hazavao fa hita amin’ny zavaboarin’i Jehovah sy ny Baiboly ny fahendreny.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Miahy amim-pitiavana ny ondriny i Jehovah, toy ny mpiandry ondry mitrotro zanak’ondry eo an-tratrany

[Sary, pejy 13]

Hita amin’ny fomba nanoratana ny Baiboly ny fahendren’i Jehovah