Manamaivana ny Fijaliana ny Fanampiana ny Hafa
Tantaram-piainana
Manamaivana ny Fijaliana ny Fanampiana ny Hafa
NOTANTARAIN’I JULIÁN ARIAS
Nieritreritra aho fa nanana asa tsara tamin’izaho 40 taona, tamin’ny 1988. Talem-paritry ny orinasa iraisam-pirenena iray aho. Nomena fiara lafo vidy aho, tsara karama, ary nanana birao tsara tarehy teto afovoan-tanànan’i Madrid, eto Espaina. Nilaza an-kolaka mihitsy aza ilay orinasa niasako hoe hotendreny ho tale eto Espaina manontolo aho. Tsy nampoiziko mihitsy fa hiova tampoka ny fiainako tsy ela taorian’izay.
NILAZA tamiko ny dokoterako indray andro, tamin’io taona io, fa voan’ilay aretina tsy misy fanafany antsoina hoe sclérose en plaques aho. Kivy tanteraka aho. Natahotra be aho avy eo, rehefa namaky ny mety ho vokatr’io aretina io eo amin’ny olona iray. * Natahotra ny ho faty foana aho. Ahoana no hikarakarako an’i Milagros vadiko sy Ismael zanako lahy telo taona? Ahoana no hiatrehanay ny aretiko? Nisy zavatra nampalahelo hafa koa nitranga, raha mbola teo am-pitadiavana ny valin’ireo fanontaniana ireo aho.
Niantso ahy ho any amin’ny biraony ny lehibeko, iray volana teo ho eo taorian’ny nilazan’ny dokoterako an’ilay aretina, ary nilaza tamiko fa olona “tomady” no nilain’ny orinasa. Tsy nahafeno an’io fepetra io ny olona nanana aretina mikiky toa ahy, na dia vao manomboka aza ilay izy. Teo no ho eo ihany àry dia nesoriny tamin’ny asako aho. Very tampoka teo ny asa fivelomako!
Mody niseho ho natanja-tsaina aho teo anatrehan’ny ankohonako, nefa naniry mafy ny ho irery
aho mba handinika ny fiovana rehetra teo amin’ny fiainako sy ny hoaviko. Nanomboka ketraka aho, ary niezaka niady mafy tamin’izany. Ny tena nampalahelo ahy dia hoe vetivety teo, dia tsy nila ahy intsony ilay orinasa niasako.Nahazo hery tao anatin’ny fahalemena
Soa ihany fa afaka nahazo hery tamin’ny fomba isan-karazany aho, tao anatin’izany fotoana nahaketraka izany. Efa 20 taona talohan’izay aho no lasa Vavolombelon’i Jehovah. Notsoriko tamin’i Jehovah àry izay tao am-poko sy ny fanahiako momba ny hoavy. Tena nampahery ahy foana ny vadiko, izay Vavolombelon’i Jehovah toa ahy koa. Nisy namako akaiky nampahery sy nanampy ahy koa. Tena sarobidy tamiko ny hatsaram-panahin’izy ireny sy ny fangoraham-pony.—Ohabolana 17:17.
Nanampy ahy koa ny fahatsapana fa mbola manana andraikitra aho. Te hitaiza tsara ny zanako aho, hampianatra azy, hiara-milalao aminy, ary hampiofana azy amin’ny asa fitoriana. Tsy tokony hamoy fo mihitsy àry aho. Anti-panahin’ny iray amin’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa aho, ka mila ny fanampiako ny rahalahy sy anabaviko kristianina. Tsapako fa tena ho ohatra ratsy ho azy ireo aho, raha navelako hampihena ny finoako ny aretiko.
Niova ny toe-batako, ary nihena ny vola azoko. Nisy naharatsy azy izany fiovana izany, nefa nisy nahatsara azy koa. Nisy dokotera reko indray mandeha niteny hoe: “Tsy manimba ny olona iray ny aretiny, fa manova azy.” Hitako tokoa fa tsy ratsy daholo ny fiovana rehetra.
Voalohany, nanampy ahy hahazo an-tsaina kokoa ny aretin’ny olon-kafa sy hiara-miory aminy ny ‘tsilo tamin’ny nofoko.’ (2 Korintiana 12:7) Nanjary takatro kokoa noho ny hatramin’izay fa zava-dehibe ny Ohabolana 3:5 manao hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” Ambonin’ny zava-drehetra, dia nianarako avy tamin’ireo fiovana ireo hoe inona no tena zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana, ary inona no tena mahafa-po sy mahatonga ny olona iray hahatsiaro tena ho misy vidiny. Mbola betsaka ny zavatra azoko natao tao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Hitako fa tena marina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.
Fiainam-baovao
Voasa tamin’ny seminera iray teto Madrid aho, taoriana kelin’ny nahafantarana ny aretiko. Natao hampiofanana mpiasa an-tsitrapo kristianina izy io, mba hampirisihan’izy ireo ny dokotera sy ny marary Vavolombelona hifanampy. Nozarazaraina ho Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly avy eo ireo mpiasa an-tsitrapo ireo. Ho ahy manokana, dia tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy io seminera io. Nahita asa tsara kokoa aho, dia asa mahafa-po lavitra noho ny asa ahazoam-bola.
Nolazaina taminay fa hotendrena hitsidika hopitaly sy hanadihady ny dokotera ireo komity vao natsangana ireo, sady hanao famelabelarana amin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Ny zava-kendrena dia ny hahatonga ny dokotera sy ny marary hifanampy, ary ny hisoroka ny tsy fifankahazoan-kevitra. Manampy ny Vavolombelona hahita dokotera vonona hanao fandidiana tsy ampiasana ra koa izy ireo. Mazava ho azy fa be dia be ny zavatra tsy maintsy nianarako momba ny voambolana fampiasa amin’ny fitsaboana sy ny fitsipika mifehy ny fitsaboana ary ny fandaminana ao amin’ny hopitaly, satria tsy nahay momba izany mihitsy aho. Nanova ny fiainako anefa iny seminera iny. Vonona tsara aho, ka tsy andriko izay hanaovana ilay asa vaovao.
Nahafa-po ny fitsidihana hopitaly
Nitombo ny andraikitro amin’ny maha anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ahy, na
dia nampahosa ahy tsikelikely aza ny aretiko. Tsy niasa aho, nefa nahazo vola fanampiana ho an’ny kilemaina, ka nanana fotoana nitsidihana hopitaly. Tsy mandray anay tsara ny olona indraindray, nefa mora sy mahafa-po kokoa tsy araka ny noeritreretiko ireny fitsidihana ireny. Mandeha amin’ny seza mikorisa aho izao, nefa tsy dia vato misakana lehibe izany. Tsy maintsy misy mpikambana iray ao amin’ny komity miaraka amiko. Zatra miresaka amin’ny olona mandeha amin’ny seza mikorisa koa ny dokotera, ary toa manaja sy mihaino ahy kokoa izy ireo indraindray, rehefa hitany ny ezaka ataoko hitsidihana azy.Nitsidika dokotera an-jato aho, tato anatin’ny folo taona. Eo am-boalohany dia efa manaiky hanampy anay ny dokotera sasany. Vonona ny hiara-miasa taminay avy hatrany, ohatra, ny Dr. Juan Duarte, mpandidy fo, eto Madrid. Miezaka manaja ny fieritreretan’ny marariny foana io dokotera io, ary faly noho izany. Nahavita nanao fandidiana tsy ampiasana ra tamin’ny Vavolombelona 200 mahery avy any amin’ny faritra samihafa eto Espaina izy, hatramin’izay. Arakaraka ny fandehan’ny taona, dia mihamaro ny dokotera manomboka manao fandidiana tsy ampiasana ra. Anisan’ny nahatonga azy ireo hanao izany ny fitsidihana tsy tapaka ataonay. Eo koa anefa ny fandrosoana eo amin’ny fitsaboana sy ny fahombiazan’ny fandidiana tsy ampiasana ra. Azonay antoka koa fa nitahy ny ezaka nataonay i Jehovah.
Ny vokatry ny asanay teo amin’ny dokotera sasany mpandidy fon’ankizy no tena nampahery ahy. Nisy ekipana dokotera notsidihinay, nandritra ny roa taona. Dokotera mpandidy roa miaraka amin’ny mpanao fanatoranana no ao amin’io ekipa io. Nomenay boky momba ny fitsaboana izy ireo. Miresaka ny fomba ampiasain’ny dokotera tsy mampiasa ra ireo boky ireo. Nisy vokany tsara ny ezaka nataonay tamin’ny 1999, nandritra ny Konferansa Ara-pitsaboana Momba ny Fandidiana Fo sy Lalan-dran’ankizy. Nanao fandidiana tena sarotra tamin’ny zazakely iray Vavolombelona ireo dokotera roa notsidihinay ireo. Nila fanamboarana ny mpaneliran’io zazakely io. * Nanampy an’ireo dokotera roa ireo ny mpandidy iray mahay sady vonon-kanampy, avy any Angletera. Niara-nifaly tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza aho, rehefa nivoaka avy tao amin’ny efitra fandidiana ny iray tamin’ireo dokotera, ka nilaza fa vita soa aman-tsara ilay fandidiana, ary nohajaina ny safidin’ilay fianakaviana. Manaiky handidy Vavolombelona avy amin’ny lafy valon’i Espaina izao ireo dokotera ireo.
Ny tena mahafaly ahy amin’ny toe-javatra toy ireny, dia ny fahatsapako fa afaka manampy ny rahalahiko kristianina aho. Mazàna no efa tena very hevitra izy ireo, matoa manatona ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Tsy maintsy didiana izy ireo, nefa tsy mety na tsy mahay manao fandidiana tsy ampiasana ra ny dokotera ao amin’ny hopitaly eo an-toerana. Tena faly àry izy ireo rehefa mandre fa misy dokotera mpandidy vonon-kanampy eto Madrid, na inona na inona fandidiana tokony hataony. Mbola tsaroako fa tony avy hatrany ny rahalahy iray nitebiteby, raha vao nahita anay nanotrona azy tany amin’ny hopitaly fotsiny.
Ny mpitsara sy ny fitsipika mifehy ny fitsaboana
Mitsidika mpitsara koa ireo anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, tato anatin’ny taona faramparany. Omenay an’ilay boky hoe Fikarakarana Fianakaviana sy Fitsaboana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah (frantsay) izy ireo amin’izany. Natao hampahafantarana an’ireny mpitsara ireny ny fomba fijerintsika ny fampiasana ra io boky io. Miresaka ireo fomba fitsaboana maro tsy ampiasana ra koa izy io. Tena nilaina ireny fitsidihana ireny tamin’izany, satria fahita teto Espaina ny mpitsara namela ny dokotera hampiditra ra tamin’ny marary na dia tsy nanaiky aza izy.
Lehibe ny trano fiasan’ny mpitsara, ka nahatsiaro tena ho kely dia kely aho namakivaky ny lalantsara tamin’ny seza mikorisa, rehefa nitsidika voalohany azy ireo. Vao mainka loza tamin’izay satria nisy zavatra kely tsy nety, ka nianjera avy teo ambonin’ilay seza aho, ary nandohalika tamin’ny tany. Nisy mpitsara sy mpisolovava vitsivitsy nahita ahy nianjera, ka nanampy ahy. Tena menatra azy ireo aho tamin’izay.
Tsara fanahy taminay ny ankamaroan’ireo mpitsara, na dia tsy tena azony tsara aza ny antony nitsidihanay azy. Efa nieritreritra momba ny tsy fampiasantsika ra ny mpitsara voalohany notsidihinay, talohan’ny nahatongavanay tany aminy, ka nilaza izy fa mbola te hiresaka taminay bebe kokoa. Rehefa niverina nitsidika azy izahay, dia izy mihitsy no nanosika ny sezako nankany amin’ny biraony, ary nihaino tsara ahy. Nanampy ahy sy ny namako handresy ny tahotra izany vokatra tsara azonay izany. Mbola nahazo vokatra tsara hafa koa izahay taoriana kelin’izay.
Tamin’io taona io ihany, dia nomenay an’ilay boky Fikarakarana Fianakaviana koa ny mpitsara hafa iray. Nandray anay tsara izy, ary nampanantena fa hamaky ilay boky. Nomeko azy ny nomerao telefaoniko, raha sendra nisy nilany anay maika. Niantso ahy izy, tapa-bolana taorian’izay, mba hilaza fa nangataka lalana taminy ny dokotera mpandidy iray eo an-toerana, mba hampiditra ra tamin’ny Vavolombelona iray hodidiana. Nilaza taminay ilay mpitsara fa tiany raha ampianay hitady vahaolana izy, mba ho voahaja ny safidin’ilay Vavolombelona. Tsy dia sarotra taminay ny nahita hopitaly hafa nahavita tsara an’ilay fandidiana, ary tsy nampiasana ra. Faly be ilay mpitsara rehefa nandre izany, ka nampanantena anay fa hitady vahaolana toy iny amin’ny manaraka.
Matetika no nisy adihevitra momba ny fitsipika mifehy ny fitsaboana, rehefa nitsidika hopitaly izahay. Tianay mantsy ny hanisian’ny dokotera fiheverana ny zo sy ny fieritreretan’ny marary. Nanasa
ahy hanatrika ny seminera nalaminy momba ny fitsipika mifehy ny fitsaboana, ny hopitaly iray vonona hanampy anay, eto Madrid. Afaka namelabelatra ny fomba fijerintsika ara-baiboly momba ny ra, tamin’ny olona maro mahay ny fitsipika mifehy ny fitsaboana aho, noho io seminera io. Nanampy ahy hahatakatra koa izy io fa maro be ireo fanapahan-kevitra sarotra tsy maintsy raisin’ny dokotera.Mandamina fianarana ambony tsy tapaka momba ny fitsipika mifehy ny fitsaboana ny Profesora Diego Gracia, anisan’ny mpampianatra ao amin’io seminera io. Natao ho an’ny dokotera espaniola ilay fianarana. Lasa mpanohana ny fahatapahan-kevitsika tsy hampiasa ra koa io profesora io. * Nifandray tsy tapaka taminy izahay, ka nanasa solontena avy amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Espaina izy, mba hanazava tamin’ny mpianany ny fomba fijerintsika ny fampiasana ra. Malaza ho ny dokotera mahay indrindra eto Espaina ny sasany amin’ny mpianatr’io profesora io.
Fiatrehana ny zava-misy
Mazava ho azy fa tsy nandamina ny zava-manahirana ahy rehetra io asa mahafa-po, anampiako ny mpiray finoana amiko io. Miharatsy hatrany ny fahasalamako. Soa ihany anefa fa mbola miasa tsara ny saiko. Mbola afaka manao ny andraikitro koa aho, satria tsy mba mitaraina mihitsy ny vadiko sy ny zanako lahy. Tsy ho nahavita izany mihitsy aho, raha tsy teo ny fanampian’izy ireo sy ny fanohanany. Tsy haiko mantsy, na dia ny manidy bokotra sy ny mampiditra pardesia aza. Ny tena tiako dia ny miara-mitory amin’i Ismael zanako, isaky ny asabotsy. Manosika ny sezako izy, ka afaka miresaka amin’ny tompon-trano tsirairay aho. Mbola afaka manao ny andraikitro amin’ny maha anti-panahin’ny fiangonana koa aho.
Nisy zavatra sasany nampalahelo ahy tato anatin’ny 12 taona farany. Mampijaly ahy mihoatra noho ilay aretina indraindray, ny fahitako fa mafy amin’ny mpianakaviko ny manjo ahy. Fantatro fa mijaly izy ireo, na dia tsy miteny aza. Tsy ela izay, tao anatin’ny herintaona monja, dia maty ny rafozam-baviko sy ny raiko. Tsy afaka nandeha intsony koa aho tamin’io taona io, ka tsy maintsy nampiasa seza mikorisa. Aretina nikiky azy tsikelikely koa no nahazo ny raiko, ka izany no nahafaty azy. Niara-nipetraka taminay izy, ary i Milagros no nikarakara azy. Toy ny efa azon’i Milagros an-tsaina sahady tamin’izay ny zavatra hitranga amiko amin’ny hoavy.
Na izany aza, dia mampiray anay mianakavy ny fiarahanay mizaka zava-tsarotra. Eo ambony seza mikorisa aho izao, fa tsy tale be voninahitra intsony, nefa tsara kokoa ny fiainako satria atokako tanteraka hanampiana ny olon-kafa. Manamaivana ny fijaliana ny fanampiana ny hafa, ary tena marina ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hanatanjaka antsika izy rehefa mila izany isika. Tena afaka miteny toa an’i Paoly aho hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.”—Filipiana 4:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Aretina mamely ny rafi-pitatitra foibe ny sclérose en plaques. Rehefa voan’izy io ny olona, dia matetika no mihamihilangilana ny vatany, ary mihatsy miasa tsara ny tanany na ny tongony. Mihajamba ny olona sasany, na mihatsy mahay miteny, na koa mihamiadana ny fiasan’ny sainy.
^ feh. 19 Antsoina hoe teknikan’ny Dr. Ross io fomba fandidiana io.
^ feh. 27 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1997, pejy 19, 20.
[Efajoro, pejy 24]
Ny Hevitry ny Vadiny
Mafy ny miara-miaina amin’ny vady voan’ny sclérose en plaques. Mafy ilay izy na eo amin’ny ara-tsaina, na ara-pihetseham-po, na ara-batana. Tsy maintsy mandanjalanja tsara aho eo amin’ny zavatra tiako hatao, ary miezaka ny tsy hanahy loatra ny amin’izay hitranga. (Matio 6:34) Ao anatin’ny fijaliana anefa no miseho ny toetra tsaran’ny olona iray. Lasa mifankatia kokoa izahay mivady, ary lasa akaiky kokoa an’i Jehovah aho. Tena nampahery ahy koa ny tantaram-piainan’ny olon-kafa izay miaina ao anatin’ny toe-javatra mampalahelo toy ny anay. Finaritra erỳ koa aho rehefa mahita an’i Julián faly avy nanampy ny mpiara-manompo aminy. Tena sarobidy ny fanampiana omeny azy ireny. Hitako koa fa tsy manary antsika mihitsy i Jehovah, na dia tsy fantatra aza izay avoakan’ny ampitso.
[Efajoro, pejy 24]
Ny Hevitry ny Zanany
Tena ohatra tsara ho ahy i Dada, satria manana faharetana sy mijery lafy tsaran-javatra izy. Tsapako hoe ilaina aho rehefa manosika azy amin’ny seza mikorisa. Fantatro fa tsy afaka manao izay tiako foana aho. Mbola zatovo aho izao, fa rehefa lehibe kokoa aho, dia te ho anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Fantatro fa vetivety ihany ny fijaliana, araka ny fampanantenan’ny Baiboly. Fantatro koa fa mbola mafy noho ny anay ny fijalian’ny rahalahy sy anabavy maro.
[Sary, pejy 22]
Tena mampahery ahy ny vadiko
[Sary, pejy 23]
Niresaka tamin’ny Dr. Juan Duarte, mpandidy fo
[Sary, pejy 25]
Mahafinaritra ahy ny miara-manao fanompoana amin’ny zanako