“Nameno ny Banga tao Am-poko Izy Io”
“Nameno ny Banga tao Am-poko Izy Io”
“MISAOTRA anareo amin’ny foko manontolo aho tamin’ilay fanomezana tena kanto, dia ny boky Manatòna An’i Jehovah. Nameno ny banga tao am-poko izy io. Tsy inona akory izany banga izany fa ny faniriana ho tian’i Jehovah sy hankamaminy. Mahatsapa ho akaiky kokoa azy sy ny Zanany malala aho izao. Tiako horesahina amin’ny olona rehetra ilay boky, ary tiako homena iray avy ny havako rehetra.” Izany no tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray rehefa navoaka ilay boky vaovao misy pejy 320, tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto” nandritra ny taona 2002/2003. Andeha hojerentsika ny lafiny sasany mampiavaka an’io boky vaovao io, sy ny antony namoahana azy.
Lafiny sasany mampiavaka ilay boky vaovao
Inona no hita ao amin’izy io? Ny fanazavana rehetra ao amin’ireo lahatsoratra fianarana amin’ity gazety ity, mbamin’ny maro hafa koa! Misy toko 31 ilay boky, ary mitovitovy halava amin’ny lahatsoratra fianarana amin’ny Tilikambo Fiambenana ny toko tsirairay. Mizara efatra ilay boky aorian’ny sasin-teny sy ny toko telo voalohany. Mamelabelatra ny tsirairay amin’ireo toetra lehiben’i Jehovah ny fizarana tsirairay. Resahiny amin’ny ankapobeny aloha ilay toetra. Avy eo, dia hazavain’ireo toko vitsivitsy manaraka ny fomba anehoan’i Jehovah azy io. Misy toko momba an’i Jesosy koa ny fizarana tsirairay. Nahoana? Satria hoy i Jesosy: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray.” (Jaona 14:9) Nampiseho taratry ny toetran’i Jehovah tamin’ny fomba lavorary i Jesosy tamin’izay rehetra nataony. Mampianatra antsika ny fomba anahafana an’ilay toetran’i Jehovah noresahina, ny toko farany ao amin’ny fizarana tsirairay. Voatonona ao amin’io boky vaovao miresaka ny toetran’i Jehovah io, ny boky rehetra ao amin’ny Baiboly.
Misy lafiny manokana koa mampiavaka an’ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah. Isaky ny toko tsirairay, manomboka eo amin’ny toko faha-2, dia misy faritra voafefy hoe “Fanontaniana Hosaintsainina.” Tsy natao hamerenana an’ilay toko akory ny andinin-teny sy fanontaniana omena ao. Natao hanampiana anao hampiasa ny Baiboly mba hisaintsainana lalina an’ilay foto-kevitra kosa izy ireo. Ampirisihina ianao hamaky tsara ny andinin-teny tsirairay. Saintsaino ilay fanontaniana, ary eritrereto ny fomba hampiharanao izay ianaranao. Hanohina ny fonao izany fisaintsainana izany, ka hanampy anao hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah.—Salamo 19:14.
Nanaovana fikarohana sy nomanina tsara ireo sary ao amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah, mba hampianatra sy handrisika ny olona. Toko 17 no ahitana sary kanto mameno pejy iray. Mampiseho zava-nitranga tamin’ny andron’ny Baiboly izy ireo.
Nahoana izy io no navoaka?
Nahoana no navoaka ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah? Voalohany indrindra, dia mba hanampiana antsika hahafantatra bebe kokoa an’i Jehovah Andriamanitsika. Hifandray akaiky kokoa aminy isika amin’izay.
Misy olona eritreretinao hoe mety handray soa avy amin’ilay boky Manatòna An’i Jehovah ve? Ohatra, mpianatra ny Baiboly na rahalahy na anabavy tsy mitory intsony? Ary ahoana ny aminao? Efa nanomboka namaky an’io boky vaovao io ve ianao? Raha tsy izany, nahoana raha mandamina fotoana hanombohana izany haingana araka izay azo atao? Makà fotoana hisaintsainana izay vakinao. Enga anie io boky vaovao io hanampy anao hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah Andriamanitra, mba ho faly sy hazoto kokoa hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ianao!