Olon-tsotra Nandika Baiboly
Olon-tsotra Nandika Baiboly
TAMIN’NY 1835, dia nahavita tetik’asa tena lehibe i Henry Nott, Anglisy mpandatsa-biriky, sy John Davies, Galoà mpianatra ho mpivarotra. Vitan’izy ireo ihany ny fandikana ny Baiboly manontolo tamin’ny teny tahisianina, rehefa niasa mafy nandritra ny 30 taona izy ireo. Inona avy no zava-tsarotra hitan’ireo olon-tsotra ireo? Ary inona no vokatry ny asa mafy maimaim-poana nataony?
“Fifohazana Lehibe”
Nandritra ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha-18, dia nitory teny amin’ny zaridainam-bahoaka sy teny akaikin’ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy orinasa tany Grande-Bretagne, ireo Protestanta avy amin’ny Fifohazana Lehibe, na Fifohazana. Olona avy tamin’ny sarangan’ny mpiasa no tena tian’izy ireo hiresahana. Nampandroso ny fampielezana Baiboly ireo mpitory avy tao amin’ny Fifohazana.
Batista nantsoina hoe William Carey no nitarika izany fitoriana izany. Izy no anisan’ny nandray anjara tamin’ny fananganana ny London Missionary Society (LMS), izay niforona tamin’ny 1795. Nampiofanin’ny LMS ireo olona naniry hianatra fiteny hafa, sy naniry hanao asa misionera tany amin’ny faritr’i Pasifika Atsimo. Ny hitory ny Filazantsara tamin’ny fiteny nahazatra ny olona no tena tanjon’ireny misionera ireny.
Ireo nosin’i Tahiti, izay hita vao haingana, no toerana voalohany nitorian’ny misioneran’ny LMS. Nilaza ireo mpitorin’ny Fifohazana fa ‘toerana maizina’ nanjakan’ny fanompoan-tsampy ireny nosy ireny, ka nila mpijinja satria be ny vokatra.
Olon-tsotra nefa nahavita asa sarotra
Mba hitoriana tamin’ireo mponina tany Tahiti, dia nisy misionera 30 nangonina maimaika, sady tsy nampiofanina tsara akory, ary nalefa tamin’ny sambo Duff, izay novidin’ny LMS. Ireto avy no nandeha, araka ny tatitra iray: “Pasitera efatra nohamasinina [fa tsy nampiofanina], mpandrafitra enina, mpanao kiraro roa, mpandatsa-biriky roa, mpanenona roa, mpanjaitra roa, mpivarotra iray, mpanao lasely iray, mpiasa an-trano iray, mpanao zaridaina iray, dokotera iray, mpanefy vy iray, mpanao barìka iray, mpanao landihazo iray, mpanao satroka iray, mpanao lamba iray, mpanao fanaka iray, ary renim-pianakaviana telo sy ankizy dimy.”
Diksionera grika-anglisy sy Baiboly misy diksionera hebreo no hany fitaovana nampiasain’ireo misionera ireo, mba hahaizana ny fiteny nanoratana ny Baiboly. Fito volana izy ireo no teny an-dranomasina. Nianatra teny tahisianina vitsivitsy avy tamin’ireo mpitsidika teo alohany izy ireo, ka ny ankamaroany dia avy tamin’ireo mpikomy tao amin’ny sambo Bounty. Tonga tany Tahiti ihany ny sambo Duff tamin’ny farany, ka nidina an-tanety ireo misionera tamin’ny 7 Martsa 1797. Kivy anefa ny ankamaroany rehefa afaka herintaona, ka niala tany. Misionera fito sisa no nijanona.
Anisan’ireo fito ireo i Henry Nott, ilay mpandatsa-biriky taloha. Vao 23 taona izy tamin’izay. Tsy dia nahita fianarana izy, raha jerena ireo taratasy voalohany nosoratany. Vao teo am-piandohana anefa, dia efa hita fa tena talentany mihitsy ny nianatra ny fiteny tahisianina. Voalaza fa olona tsotra sy tsy sarotiny ary nahafinaritra izy.
Voafidy hampianatra ny fiteny tahisianina an’ireo misionera sivy vao tonga i Nott, tamin’ny 1801. Anisan’izy ireny i John Davies, Galoà 28 taona. Nazoto nianatra sy tia niasa mafy izy, sady olona tony sy nalala-tanana. Tsy ela dia nanapa-kevitra ny handika ny Baiboly tamin’ny teny tahisianina ireo lehilahy roa ireo.
Asa tena sarotra
Tena sarotra anefa ilay fandikan-teny, satria mbola tsy nosoratana ny teny tahisianina tamin’izany. Tamin’ny alalan’ny fihainoana fotsiny no nianaran’ny misionera an’io fiteny io. Tsy nanana diksionera na boky momba ny fitsipi-pitenenana izy ireo. Tena kivy ireo misionera nianatra azy io, satria misy feo an-tenda sy fiatoana tampoka manapaka ireo teny, ary maro be ny zanatsoratra nifanarakaraka (misy hatramin’ny dimy amin’ny teny iray), sady vitsy ny renisoratra. Nitaraina izy ireo hoe: “Tsy misy afa-tsy zanatsoratra ny teny sasany, ary samy manana ny feony izy ireny.” Niaiky izy ireo fa tsy hainy ny “namantatra tsara ny feon’ireo teny, amin’izay fomba tokony hihainoana azy.” Lazainy aza fa nandre feo mbola tsy fantany mihitsy izy ireo!
Manampy trotraka izany koa indraindray ireo teny fady, na tsy azo tononina, amin’ny teny tahisianina, ka tsy maintsy nosoloana. Mbola olana hafa koa ny momba ireo teny mitovy hevitra. Misy 70, ohatra, ireo teny azo ilazana ny hoe “vavaka.” Misy zava-manahirana hafa koa, satria hafa tanteraka amin’ny teny anglisy ny firafitry ny fehezanteny tahisianina. Na dia nisy zava-tsarotra aza anefa, dia nangonin’ireo misionera tsikelikely ny lisitr’ireo teny, ka afaka namoaka diksionera iray nisy teny 10 000 ihany i Davies, 50 taona tatỳ aoriana.
Sarotra koa anefa avy eo ny nanoratra ny teny tahisianina. Ny fitsipi-panoratana ny teny anglisy no niezahan’ireo misionera nanoratana ny teny tahisianina. Tsy nifanaraka tamin’ireo feo tamin’ny fiteny tahisianina anefa ny abidy romanina nampiasaina tamin’ny teny anglisy. Niady hevitra foana momba ny fomba fanonona sy fanoratra ny teny ireo misionera. Matetika àry izy ireo no namorona fomba fanoratra, satria izy ireo no voalohany nanoratra fiteny, nanerana ny Ranomasina Atsimo. Tsy nampoizin’izy ireo mihitsy hoe ho lasa modely ho an’ireo fiteny tany Pasifika Atsimo ny asany.
Tsy ampy fitaovana nefa nahita hevitra foana
Boky vitsy monja no mba azon’ireo mpandika teny nampiasaina. Nomen’ny LMS toromarika izy ireo mba handika teny avy tamin’ny Textus Receptus, na Soratra Voaray, sy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. Nangataka diksionera sy Baiboly maro kokoa amin’ny teny hebreo sy grika tamin’ny LMS i Nott. Tsy fantatra anefa raha nahazo izy na tsia. I Davies kosa nahazo bokin’ny manam-pahaizana avy tamin’ny Galoà namany. Araka ny tatitra dia ireto avy ny boky tsy maintsy ho nananany: diksionera grika, Baiboly hebreo, Testamenta Vaovao grika, ary ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.
Tsy nahitam-bokatra ny asa fitorian’ireo misionera nandritra izany fotoana izany. Tsy nisy mponina natao batisa mihitsy, na dia efa 12 taona aza ny misionera no tonga tany Tahiti. Nifanesy koa ny ady an-trano tatỳ aoriana, ka voatery nitsoaka nankany Aostralia ny misionera
rehetra, afa-tsy i Nott. Tamin’izay, dia izy irery no misionera tany amin’ny Îles du Vent, tao anatin’ny Îles de la Société. Tsy maintsy nanaraka ny Mpanjaka Pomaré II koa anefa izy, rehefa nandositra nankany amin’ny nosy Moorea teo akaiky teo ny mpanjaka.Tsy nampiato ny fandikan-teniny anefa i Nott na dia nifindra toerana aza, ary niverina mba hiaraka taminy koa i Davies, rehefa avy nijanona roa taona tany Aostralia. Efa nianatra ny teny grika sy hebreo koa i Nott nandritra izay fotoana izay, ary nanjary tena hainy ireo fiteny ireo. Nanomboka nandika tapany sasany tamin’ny Soratra Hebreo tamin’ny fiteny tahisianina àry izy. Nofantenany tamin’izany izay andalan-teny noheveriny fa hanintona kokoa an’ireo tompon-tany.
Niara-niasa akaiky tamin’i Davies i Nott, ka nadikany koa avy eo ny Filazantsaran’i Lioka, ary vita tanteraka izy io tamin’ny Septambra 1814. Nadikany tamin’ny fiteny tahisianina mora azo ilay izy, ary i Davies kosa nitsara sy nampitaha izany tamin’ireo soratra tany am-boalohany. Tamin’ny 1817, dia nangataka ny Mpanjaka Pomaré II mba ho ny tenany mihitsy no hanao pirinty ny pejy voalohany tamin’ny Filazantsaran’i Lioka. Milina kely fanaovana pirinty amin’ny tanana, nentin’ny misionera hafa avy tany Moorea, no nanaovany izany. Tsy vita ny fandikana ilay Baiboly raha tsy teo ilay Tahisianina nahatoky nantsoina hoe Tuahine, izay niaraka tamin’ireo misionera nandritra ny taona maro, sy nanampy azy ireo hahay ny tsipirian’ilay fiteny.
Vita ilay fandikan-teny
Vita tamin’ny 1819, taorian’ny asa mafy naharitra enin-taona, ny fandikana ny Filazantsara sy ny Asan’ny Apostoly ary ny bokin’ny Salamo. Nanamora ny fanaovana pirinty sy fizarana an’ireo boky ao amin’ny Baiboly ireo ilay milina nentin’ireo misionera vao tonga.
Niasa mafy izy ireo taorian’izay, nandika teny sy nitsara ary nanamarina izay voadika. Narary i Nott tamin’ny 1825, rehefa avy nipetraka tany Tahiti nandritra ny 28 taona, ka navelan’ny LMS handeha sambo hiverina tany Angletera. Soa ihany fa efa ho vita ny fandikana ny Soratra Grika tamin’izay. Nanohy ny fandikana ireo bokin’ny Baiboly sisa izy nandritra ny diany hankany Angletera sy ny fotoana nijanonany tany. Niverina tany Tahiti izy tamin’ny 1827. Vita ny fandikan-teniny, valo taona taorian’izay, izany hoe tamin’ny Desambra 1835. Voadika ny Baiboly manontolo taorian’ny 30 taona nanaovana asa mafy.
Niverina tany Angletera i Nott tamin’ny 1836, mba hanao pirinty ny Baiboly tahisianina manontolo tany Londres. Nientanentana erỳ izy tamin’ny 8 Jona 1838, nampiseho tamin’ny Mpanjakavavy Victoria ny Baiboly tahisianina vita pirinty voalohany. Tsy mahagaga raha tena nahafaly an’ilay mpandatsa-biriky taloha io fotoana io. Efapolo taona talohan’izay mantsy izy
no niainga tamin’ny sambo Duff, ary niaina tanteraka tao anatin’ny kolontsaina tahisianina, mba hamitana an’io asa lehibe naharitra nandritra ny androm-piainany io.Nankany Pasifika Atsimo indray i Nott, roa volana taorian’izay, nitondra kesika 27 nisy Baiboly tahisianina 3 000. Rehefa avy niantsona kely tany Sydney ilay sambo, dia narary indray izy, kanefa tsy nety nisaraka tamin’ireo kesika sarobidy. Sitrana izy avy eo, ary tonga tany Tahiti tamin’ny 1840. Nifandrombaka naka ny entany ny olona, satria may ny hahazo ireo Baiboly tahisianina. Maty teo amin’ny faha-70 taonany i Nott tamin’ny Mey 1844.
Vokany maharitra
Tena nisy vokany anefa ny asan’i Nott. Nitondra soa maro be tamin’ireo fiteny tany Polinezia ny fandikan-teniny. Tsy hadino ny fiteny tahisianina, satria nataon’ireo misionera an-tsoratra. Hoy ny mpanoratra iray: “I Nott no nanao ny fitsipi-pitenenana tahisianina. Nilaina foana àry ny nampiasa Baiboly, rehefa te hahay ny tena fiteny tahisianina.” Ny asa mafy nataon’ireny mpandika teny ireny no nahatonga ireo teny an’arivo tsy ho hadino, rehefa mandeha ny fotoana. Hoy ny mpanoratra iray, zato taona tatỳ aoriana: “Samy miaiky ny rehetra fa tena zavakanto teo amin’ny fiteny tahisianina ilay Baiboly miavaka nataon’i Nott.”
Tsy vitan’ny hoe nahasoa ny Tahisianina iny asa lehibe iny, fa nampiasaina tamin’ny fandikan-teny ho amin’ny fiteny hafa tany Pasifika Atsimo koa. Izy iny, ohatra, no modely narahin’ireo mpandika teny tany amin’ny Nosy Cook sy Samoa. Nilaza ny mpandika teny iray hoe: “Nodinihiko tsara ny fandikan-tenin’Atoa Nott, ary tena narahiko ny nataony.” Voalazan’ny tatitra iray fa rehefa ‘nandika ny salamon’i Davida tamin’ny teny samoanina ny mpandika teny iray, dia teo anoloany ny bokin’ny Salamo amin’ny teny hebreo sy anglisy ary tahisianina.’
Nanaraka ny ohatra navelan’ireo mpivavaka tamin’ny Fifohazana tany Angletera ireo misionera tany Tahiti, ka nampirisika mafy ny olona hamaky teny sy hanoratra. Nandritra ny zato taona mahery, dia ny Baiboly ihany no boky nisy tamin’ny teny tahisianina. Nanjary tena zava-dehibe teo amin’ny kolontsaina tahisianina àry izy io.
Anisan’ny zavatra tena tsara ao amin’ny Dikan-tenin’i Nott ny fisehoan’ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Hebreo sy Grika. Vokatr’izany, dia nanjary fantatry ny mponina any Tahiti sy ireo nosiny ny anaran’i Jehovah. Ahitana azy io koa aza eo amin’ny fiangonana protestanta sasany. Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitoriana ataony anefa no tonga ao an-tsaina avy hatrany, raha vao ny anaran’Andriamanitra no resahina. Tena ampiasain’izy ireo amin’izany ny Baiboly tahisianina nadikan’i Nott sy ireo mpiara-miasa taminy. Ny ezaka mafy nataon’ireo mpandika teny toa an-dry Henry Nott, dia mampahatsiahy antsika fa tena tokony ho velom-pankasitrahana isika, satria afaka mamaky ny Tenin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona eran-tany ankehitriny.
[Sary, pejy 26]
Baiboly voalohany tamin’ny fiteny tahisianina, tamin’ny 1815, ahitana ny anaran’i Jehovah
Henry Nott (1774-1844), ilay nitarika ny fandikana ny Baiboly tahisianina
[Sary nahazoan-dalana]
Baiboly tahisianina: Copyright the British Library (3070.a.32); Henry Nott sy taratasy: Collection du Musée de Tahiti et de ses Îles, Punaauia, Tahiti; bokim-pivavahana: With permission of the London Missionary Society Papers, Alexander Turnbull Library, Wellington, New Zealand
[Sary, pejy 28]
Bokim-pivavahana amin’ny fiteny tahisianina sy galoà, tamin’ny 1801, ahitana ny anaran’Andriamanitra
[Sary nahazoan-dalana]
With permission of the London Missionary Society Papers, Alexander Turnbull Library, Wellington, New Zealand
[Sary, pejy 29]
Misy ny anaran’i Jehovah eo anoloan’ilay fiangonana protestanta, any amin’ny nosy Huahine, any Polinezia frantsay
[Sary nahazoan-dalana]
Avec la permission du Pasteur Teoroi Firipa