Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eusèbe, “Ilay Voalohany Nanoratra ny Tantaran’ny Eglizy” Ve?

Eusèbe, “Ilay Voalohany Nanoratra ny Tantaran’ny Eglizy” Ve?

Eusèbe, “Ilay Voalohany Nanoratra ny Tantaran’ny Eglizy” Ve?

NANTSOIN’I Constantin, Emperora romanina, hankany Nicée ny eveka rehetra, tamin’ny taona 325. Ny tanjony tamin’izany dia ny hanapa-kevitra momba ilay adihevitra tsy nisy farany mahakasika ny fifandraisan’ny Ray sy ny Zanaka. Anisan’ny nanatrika tany i Eusèbe avy any Kaisaria, izay noheverina ho ny nanam-pahaizana indrindra tamin’ny androny. Nazoto nianatra ny Soratra Masina izy, sady niaro ny finoana Andriamanitra tokana.

Izao no lazain’ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) momba ilay Konsilin’i Nicée: “I Constantin ihany no nitarika ny fivoriana. Izy no nitarika ny adihevitra, ka ny tenany mihitsy no nanolo-kevitra . . . hoe ‘mitovy amin’ny Ray [ny Zanaka].’ Io no namaritana ny fifandraisan’i Kristy amin’Andriamanitra, tao amin’ilay fanekem-pinoana navoakan’ny konsily. . . . Maro tamin’ireo eveka no tsy nanaiky an’ilay hevitra, nefa natahotra ny emperora izy ireo, ka nanao sonia, afa-tsy ny roa taminy ihany.” Anisan’ireo tsy nanao sonia ve i Eusèbe? Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny safidy nataony? Andeha aloha hojerentsika ny fahaizana nananan’i Eusèbe sy ny zava-bitany.

Niavaka ireo boky nosoratany

Toa teraka tamin’ny taona 260, tany Palestina, i Eusèbe. Mbola kely izy dia efa niaraka tamin’i Pamphile, mpiandraikitra ny eglizy tany Kaisaria. Mpianatra nazoto i Eusèbe, tao amin’ny sekoly fianarana teolojian’i Pamphile. Nampiasainy tsara ny fitahirizam-boky lehiben’i Pamphile. Nilofo mafy tamin’ny fianarany i Eusèbe, indrindra fa ny fianarana Baiboly. Nanjary mpinamana tsy nifankafoy koa izy sy i Pamphile, ka nataony hoe “Eusèbe zanak’i Pamphile” ny anarany.

Izao no nolazain’i Eusèbe, momba ny tanjona napetrany: “Ny tanjoko dia ny hitantara momba ireo Apostoly masina nifandimby, sy ny fotoana teo anelanelan’ny andron’ny Mpamonjy antsika sy ny androntsika; ny hanoratra ny fomba itantaran’ny olona ireo zava-dehibe maro nitranga teo amin’ny tantaran’ny Eglizy; ny hilaza momba ireo mpitondra sy mpitarika ny eglizy tany amin’ireo paroasy nalaza indrindra; ary ny hanoratra momba an’ireo nitory ny tenin’Andriamanitra am-bava na an-tsoratra, nandritra ireo taranaka nifandimby.”

Ahatsiarovana an’i Eusèbe ny asa sorany tiam-bahoaka hoe Tantaran’ny Eglizy Kristianina (anglisy). Navoaka tamin’ny taona 324 izy io, ary misy boky folo. Heverina fa izy io no miavaka indrindra amin’ny tantaran’ny Eglizy tamin’ny andro taloha. Nanjary nantsoina hoe ny voalohany nanoratra ny tantaran’ny Eglizy i Eusèbe, noho io asa sorany io.

Ankoatra ny Tantaran’ny Eglizy, dia izy koa no nanoratra ilay hoe Fitantarana (anglisy), izay misy boky roa. Famintinana ny tantaran’izao tontolo izao ilay boky voalohany. Izy io no nampiasaina tamin’ny taonjato fahefatra, mba hamaritana ny fotoana nitrangan’ireo fisehoan-javatra teo amin’izao tontolo izao. Ilay boky faharoa kosa nirakitra ireo daty manan-tantara. Nampiasa karazana tabilao i Eusèbe, ka nampiseho ireo mpitondra nifandimby tany amin’ny firenena samihafa.

Nanoratra boky ara-tantara roa hafa koa i Eusèbe, dia ny Martiora Tany Palestina (anglisy) sy ny Fiainan’i Constantin (anglisy). Mirakitra ireo zava-nitranga tamin’ny taona 303-310 sy ireo martiora nandritra io fotoana io ilay boky voalohany. Azo inoana fa nahita an’ireny fisehoan-javatra ireny i Eusèbe. Misy fizarana efatra kosa ilay faharoa, izay navoaka taorian’ny nahafatesan’ny Emperora Constantin tamin’ny taona 337, ary miresaka tsipiriany maro momba ny tantara. Tsy fitantarana tsotra fotsiny izy io, fa teny fandokafana, amin’ny ankapobeny.

Ireo asa soratra nataon’i Eusèbe mba hiarovana ny finoany kosa, dia famaliana ny tenin’i Hiéroclès, governora romanina tamin’izany andro izany. Nanoratra zavatra nanohitra ny Kristianina mantsy i Hiéroclès, ka namaly azy i Eusèbe. Nanoratra boky 35 hafa koa izy, mba hanamafisana fa avy amin’Andriamanitra ny Soratra Masina, ary heverina fa ireo boky ireo no asa niavaka sy voakaly indrindra tamin’ny boky nitovy taminy. Ny 15 tamin’ireo dia niaro ny faneken’ny Kristianina hoe anisan’ny Soratra Masina ny asa soratr’ireo Hebreo. Ny 20 ambiny kosa dia nanaporofo fa tsy tokony hitandrina ny lalàna jiosy intsony ny Kristianina, fa tokony hanaraka fitsipika sy fomba vaovao. Tena niaro an’ilay Kristianisma fantatr’i Eusèbe ireny boky rehetra ireny.

Velona nandritra ny 80 taona teo ho eo i Eusèbe (taona 260-340 tany ho any), ary nanjary anisan’ireo mpanoratra nalaza indrindra tamin’ny andro fahiny. Voalaza ao amin’ny bokiny ireo zava-niseho tamin’ireo taonjato telo voalohany ka hatramin’ny andron’ny Emperora Constantin. Nanao ny asan’ny evekan’i Kaisaria koa izy rehefa antitra, ankoatra ny naha mpanoratra azy. Mpanoratra tantara no tena nahafantarana an’i Eusèbe, kanefa mpiaro ny finoana koa izy, sady mpanao sarintany, mpitory, mpanazava ny Baiboly, ary mpanoratra momba ny fivavahana.

Ireo antony roa nanoratany boky

Nahoana i Eusèbe no nanao an’izany asa be mbola tsy nisy mpanao izany? Satria ninoany fa niaina tamin’ny fotoana nialoha ny “Vanim-potoana Vaovao” izy. Nisy zava-dehibe nitranga tamin’ny andron’ireo taranaka teo aloha, araka ny heviny, ka nila noraketina an-tsoratra izany mba ho an’ny taranaka atỳ aoriana.

Ny zava-kendren’i Eusèbe faharoa dia ny hiaro ny finoany. Nino izy fa avy amin’Andriamanitra ny Kristianisma. Nisy nanohitra anefa io hevitra io. Nanoratra i Eusèbe hoe: “Zava-kendreko koa ny hanome ny anaran’ireo olona toy ny amboadia masiaka, izay namiravira tsy nisy indrafo ny ondrin’i Kristy, sy ny habetsahan’izy ireo ary ny hoe impiry izy no nanao izany. Tia fanovana loatra mantsy izy ireo, ka nanjary diso hevitra tanteraka, satria nihevitra ho nahita fahalalana, izay tsy tena izy akory.”

Nihevitra ny tenany ho Kristianina ve i Eusèbe? Toa izany no izy, satria nolazainy fa “Mpamonjy antsika” i Kristy. Hoy izy: “Ny tiako hatao dia . . . ny hitantara ny fahoriana nahazo tampoka ny firenena jiosy manontolo, noho izy ireo nanao tetika hamandrihana ny Mpamonjy antsika. Tiako koa ny hanoratra ny fomba sy ny fotoana nanafihan’ny Jentilisa ny tenin’Andriamanitra. Holazaiko ny nampiavaka an’ireo niady mafy ho an’izy io nandritra ny vanim-potoana samihafa, na dia novonoina sy nampijalina aza. Tiako hosoratana koa ny fiekem-pinoana nataon’ny olona amin’ny androntsika, ary ny famindram-po sy fanampiana nomen’ny Mpamonjy antsika azy rehetra.”

Ny fikarohana maro nataony

Maro be ny boky novakin’i Eusèbe sy noresahiny. Tamin’ny asa soratr’i Eusèbe ihany no nahafantarana momba ireo olo-nalaza tamin’ireo taonjato telo voalohany. Ao amin’ny asa sorany ihany no ahitana fanazavana momba ny zava-nitranga lehibe sasany, satria tsy hita intsony ny loharanon-kevitra nakana azy ireny.

Tena nazoto nanangona fanazavana tamin’ny an-tsipiriany i Eusèbe. Hita fa niezaka mafy izy mba hanavaka ny tatitra azo antoka sy tsy azo antoka. Nisy tsininy kely anefa ny asany. Nandika vilana ny zavatra nataon’ny olona izy indraindray, ary tsy azony mihitsy ny hevitry ny olona sasany. Tsy marina koa indraindray ny daty nomeny. Tsy dia nahafinaritra ny fomba nandrindrany ny hevitra nolazainy. Heverina ho tena sarobidy ihany anefa ny ankamaroan’ny asany.

Tia fahamarinana ve i Eusèbe?

Nanahiran-tsaina an’i Eusèbe ilay adihevitra tsy nahitana valiny momba ny fifandraisan’ny Ray sy ny Zanaka. Efa nisy talohan’ny Zanaka ve ny Ray, araka ny ninoan’i Eusèbe, sa niara-nisy? “Raha efa niaraka nisy izy ireo”, hoy izy, “dia ahoana no maha Ray ny Ray, sy maha Zanaka ny Zanaka?” Nanome andinin-teny mihitsy aza izy mba hanaporofoana ny zavatra ninoany. Anisan’izany ny Jaona 14:28, izay milaza fa ‘ny Ray dia lehibe noho i Jesosy’, sy ny Jaona 17:3, izay ilazana fa ‘nirahin’ilay Andriamanitra tokana sady marina’ i Jesosy. Niresaka momba ny Kolosiana 1:15 sy ny Jaona 1:1 koa i Eusèbe, ka nanantitrantitra fa ny Logos, na ny Teny, dia “endrik’Andriamanitra tsy hita”, izany hoe Zanak’Andriamanitra.

Nahagaga anefa, fa nanaiky an’ilay hevitra nifanohitra tamin’ny azy ihany i Eusèbe tamin’ny faran’ilay Konsilin’i Nicée. Nanaraka ny hevitry ny emperora izy, fa tsy niandany tamin’ny Soratra Masina, izay nanambara fa tsy mitovy ny Ray sy ny Zanaka.

Fianarana ho antsika

Nahoana i Eusèbe no nanaiky lembenana tany amin’ny Konsilin’i Nicée, ka nanaraka foto-kevitra tsy araka ny Soratra Masina? Nisy antony ara-politika ve tao an-tsainy? Ary naninona koa moa izy no nanatrika an’io konsily io? Na dia nantsoina hankany aza ny eveka rehetra, dia 300 monja no tonga. Mety ho naniry hitana ny toerana ambony nananany ve i Eusèbe? Ary nahoana no tena nanaja azy ny Emperora Constantin? Nipetraka teo ankavanan’ny emperora mantsy i Eusèbe nandritra ilay konsily.

Hita fa tsy niraharaha ilay zavatra notakin’i Jesosy i Eusèbe, dia ilay hoe “tsy naman’izao tontolo izao” ny mpanara-dia azy. (Jaona 17:16; 18:36) Nanontany i Jakoba mpianatra hoe: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?” (Jakoba 4:4) Tena mety tokoa ilay fampirisihan’i Paoly hoe: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”! (2 Korintiana 6:14) Enga anie àry isika hisaraka amin’izao tontolo izao foana, ka ‘hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.’​—Jaona 4:24.

[Sary, pejy 31]

Hoso-doko mampiseho ny Konsilin’i Nicée

[Sary nahazoan-dalana]

Scala/Art Resource, NY

[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]

Courtesy of Special Collections Library, University of Michigan