Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiononana ho An’ireo Mitady Fanampiana

Fampiononana ho An’ireo Mitady Fanampiana

Fampiononana ho An’ireo Mitady Fanampiana

TSY boky momba ny fahasalaman’ny saina ny Baiboly. Mampionona sy manampy antsika anefa izy io, mba hankafizantsika ny fiainana, na dia eo aza ny olana atrehintsika. Milaza ny Soratra Masina fa “ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.” (Joba 14:1) Avy amin’ny tsy fahalavorariantsika ny sasany amin’ireo fisedrana diavintsika. Iza anefa no tena tompon’andraikitra amin’ny fijalian’ny olombelona?

Milaza ny Baiboly fa izy io dia ilay fanahy ratsy antsoina hoe Devoly sy Satana. “Mamitaka izao tontolo izao” izy, ary mahatonga ny ankamaroan’ny olana mahazo ny olombelona. Milaza koa anefa ny Baiboly fa kely sisa ny andron’i Satana. (Apokalypsy 12:9, 12) Tsy ho ela dia hifarana ny fahoriana rehetra nentin’i Satana ho an’ny mponina eto an-tany, satria hisalovana Andriamanitra. Hamarana ny famoizam-po ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana, dia ilay tontolo nampanantenain’Andriamanitra.​—2 Petera 3:13.

Mampionona erỳ ny mahalala fa mihelina ny fijalian’ny olombelona! Tsy hisy intsony ny tsy rariny sy ny fijaliana rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra entin’i Jesosy Kristy. Hoy ny Soratra Masina, momba ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.”​—Salamo 72:12-14.

Efa tena akaiky ny fotoana hahatanterahan’ireo faminaniana ireo. Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany isika, ao anatin’ny toe-piainana lavorary. (Lioka 23:43; Jaona 17:3) Manome fanantenana sy mampionona an’ireo mitady fanampiana, ny fahalalana an’izany fampanantenana omen’ny Soratra Masina izany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Tovovavy ketraka: Photo ILO/J. Maillard