Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tsy Mahavita Tena?

Nahoana Isika no Tsy Mahavita Tena?

Nahoana Isika no Tsy Mahavita Tena?

“Tsara ny roa noho ny iray . . . Raha misy lavo izy, dia arenin’ny namany.”​—Solomona Mpanjaka

HOY i Solomona, mpanjaka hendry tany Isiraely fahiny: “Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany. Raha misy lavo izy, dia arenin’ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.” (Mpitoriteny 4:9, 10) Nasongadin’io mpandinika ny toetran’olombelona io tamin’izany fa mila namana isika ary tsy tokony hitokantokana. Tsy hevitr’olombelona fotsiny anefa izany. Ny fahendrena sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra no nahatonga an’i Solomona hilaza ireo teny ireo.

Tsy fahendrena ny mitokantokana. Mila ny hafa isika. Mila ny tanjaka sy ny fanampian’izy ireo isika rehetra. Hoy ny ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” (Ohabolana 18:1) Tsy mahagaga àry raha mampirisika ny tsirairay ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, mba hiaraka amin’ny olon-kafa sy hifampiahy.

Nanome soso-kevitra mba hampiray hina ny fiaraha-monina ny Profesora Robert Putnam. Nilaza izy, ohatra, fa ilaina ny “manamafy ny finoana an’Andriamanitra.” Miavaka ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany amin’io lafiny io, satria voaro eo anivon’ireo fiangonana, izay toy ny fianakaviana, izy ireo. Araka ny tenin’ny apostoly Petera, dia ‘tian’izy ireo ny rahalahy’ rehetra, izay manaja sy ‘matahotra an’Andriamanitra.’ (1 Petera 2:17) Tsy mitokantokana sy tsy iharan’ny voka-dratsin’izany ny Vavolombelona, satria maro be ny asa tsara atao ao amin’ny fivavahana marina. Noho izany, dia manampy hatrany ny mpiara-belona aminy izy ireo, hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra na ny Baiboly.​—2 Timoty 2:15.

Nanova ny fiainan’izy ireo ny fitiavana sy ny namana

Toy ny fianakaviam-be iray miray hina ny Vavolombelon’i Jehovah, ary sarobidy ny tsirairay aminy. Diniho, ohatra, ry Miguel sy Froylán ary Alma Ruth, mpiray tam-po any Amerika Latinina. Azon’ny aretina nanaranaka ny taolan’izy telo mianadahy, ka nanjary fohy kely izy ireo. Voatery mampiasa seza misy kodiarana àry izy telo. Nanao ahoana ny fiainan’izy ireo rehefa nifanerasera tamin’ny Vavolombelona izy ireo?

Hoy i Miguel: “Nandia fotoan-tsarotra aho matetika, nefa niova ny fiainako rehefa nanomboka nifanerasera tamin’ny vahoakan’i Jehovah aho. Tena mampidi-doza ny mitokantokana. Tena nitondra fifaliana sy fahafaham-po ho ahy ny nifanerasera tamin’ireo mpiray finoana tamiko tany am-pivoriana, sy ny niaraka tamin’izy ireo isan-kerinandro.”

Hoy koa i Alma Ruth: “Matetika aho no ketraka mafy sy tena nalahelo. Rehefa nianatra momba an’i Jehovah anefa aho, dia tsapako fa afaka ny hifandray akaiky aminy aho. Izany fifandraisana izany no sarobidy indrindra eo amin’ny fiainako izao. Nanohana ahy tanteraka koa ny fianakaviako, ka vao mainka izany nampiray anay.”

Nampianatra tamim-pitiavana an’i Miguel hamaky teny sy hanoratra, ny rainy. I Miguel indray avy eo no nampianatra izany an’i Froylán sy Alma Ruth. Tena nilaina izany mba hahasalama azy ireo ara-panahy. Hoy i Alma Ruth: “Nitondra soa be dia be ho anay ny nianatra namaky teny, satria afaka misakafo ara-panahy izahay rehefa mamaky ny Baiboly sy ireo boky sy gazety ara-baiboly.”

Anti-panahy kristianina izao i Miguel. I Froylán efa nahavaky Baiboly intsivy. Ary i Alma Ruth nampitombo ny fanompoany an’i Jehovah, ka lasa mpisava lalana, na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, nanomboka tamin’ny 1996. Hoy izy: “Tratrako io tanjona io noho ny fitahian’i Jehovah. Teo koa ireo rahavavy malalako. Tsy vitan’ny hoe nanampy ahy hitory fotsiny izy ireo, fa nanampy ahy koa tamin’ny fampianarana Baiboly vao natomboko tamin’ny olona 11.”

Ohatra tsara koa i Emelia. Niharan-doza izy, ka voatery nampiasa seza misy kodiarana satria naratra ny ranjony sy ny hazondamosiny. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Mexico izy, ary natao batisa tamin’ny 1996. Hoy i Emelia: “Tsy te hiaina intsony aho, ka te hamono tena talohan’ny nianarako ny fahamarinana. Tsy nisy dikany ny fiainako, ka nitomany andro aman’alina aho. Tsapako anefa ny fitiavan’ny vahoakan’i Jehovah rehefa nifanerasera tamin’izy ireo aho. Nampahery ahy ny fiahian’izy ireo. Nisy anti-panahy iray tena toy ny anadahy sy ray ho ahy mihitsy. Nitondra ahy nivory sy nitory izy mbamin’ny mpanampy amin’ny fanompoana vitsivitsy, na dia mampiasa seza misy kodiarana aza aho.”

Mipetraka irery i José, Vavolombelon’i Jehovah vita batisa tamin’ny 1992. Fitopolo taona izy, ary nisotro ronono tamin’ny 1990. Ketraka matetika i José, nefa nanatrika fivoriana kristianina avy hatrany izy rehefa nitory taminy ny Vavolombelona. Tiany ny zavatra reny sy hitany tany. Tsikariny, ohatra, fa mifankahazo tsara ireo rahalahy sady miahy azy. Mikarakara azy izao ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonany. (Filipiana 1:1; 1 Petera 5:2) “Fampiononana” ho azy ny mpiray finoana aminy. (Kolosiana 4:11) Nanohana azy, izy ireo tamin’izy nodidiana inefatra. Mitondra azy any amin’ny dokotera koa izy ireo, ary mitsidika azy. Hoy izy: “Miahy ahy izy ireo. Izy ireo no tena fianakaviako ary mahafinaritra ahy ny minamana aminy.”

Tena mahasambatra ny manome

Talohan’ny nilazan’i Solomona Mpanjaka hoe “tsara ny roa noho ny iray”, dia nanambara izy fa zava-poana ny fandaniana ny herin’ny tena rehetra mba hikatsahana harena. (Mpitoriteny 4:7-9) Izany anefa no mahamay ny maro ankehitriny, na dia voatery mamoy ny fifandraisany amin’ny mpianakaviny sy ny olon-kafa aza izy.

Mahatonga olona maro hitokantokana izany fitiavan-karena sy fitiavan-tena izany. Tsy mahasambatra na mahafa-po azy ireo anefa izany, satria mazàna no diso fanantenana sy mamoy fo ny olona matimatin-karena sy tia tena. Asehon’ireo tantara voalaza tetsy aloha anefa fa mahasoa ny mifanerasera amin’ireo manompo sy tia an’i Jehovah mbamin’ny mpiara-belona. Tena nanampy an’ireny olona ireny handresy ny fahaketrahana ateraky ny fitokantokanana, ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriana kristianina, ny fanohanana sy fiahian’ny Kristianina hafa, ary ny fahazotoana manompo.​—Ohabolana 17:17; Hebreo 10:24, 25.

Ara-dalàna raha mahafa-po ny manao zavatra ho an’ny hafa, satria mifampiankina isika. I Albert Einstein, izay nitondra soa ho an’ny olona maro, dia nilaza hoe: ‘Izay omen’ny olona iray no tokony hamaritana ny mahasarobidy azy, fa tsy izay azony raisina.’ Mifanaraka tsara amin’ireto tenin’i Jesosy Kristy Tompontsika ireto izany: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Tsara tokoa ny hoe tian’olona, nefa tena mahasalama koa ny maneho fitiavana.

Misy mpiandraikitra mpitety faritany iray mitsidika fiangonana hatramin’ny taona maro, mba hanampiana azy ireny eo amin’ny lafiny ara-panahy. Manampy an’ireo Kristianina sahirana hanorina toeram-pivoriana koa izy. Izao no tsapany: “Faly aho manompo ireo rahalahiko sy mahita azy ireo velom-pankasitrahana, hany ka voatosika foana aho hitady fomba hanampiana azy ireo. Hitako fa ny fiahiana ny hafa no antoky ny fahasambarana. Ary fantatro fa isika anti-panahy, dia tokony ho ‘fierena amin’ny rivotra . . . ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.’”​—Isaia 32:2.

Mahafinaritra ny miara-monina amim-piraisan-tsaina!

Azo antoka fa tena mahasoa sy mahasambatra ny manampy ny hafa, sy minamana amin’ireo manompo an’i Jehovah. Hoy ny mpanao salamo: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina [amim-piraisan-tsaina, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao].” (Salamo 133:1) Tena mila miray saina ny mpianakavy mba hahafahany hifanohana, araka ny hitantsika tamin-dry Miguel sy Froylán ary Alma Ruth. Fitahiana tokoa izany hoe tafaray ao amin’ny fivavahana marina izany! Rehefa avy nanome torohevitra ho an’ny mpivady kristianina ny apostoly Petera, dia hoy izy: “Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.”​—1Petera 3:8.

Mahasambatra ny manana tena namana ary mitondra soa lehibe eo amin’ny lafiny ara-panahy izany. Nampirisika ny mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly hoe: “Omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ny olona rehetra . . . Miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra.”​—1Tesaloniana 5:14,15.

Mitadiava àry fomba hanasoavana ny hafa. ‘Manaova soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana’, fa hanjary tena hisy heviny ny fiainanao, ary ho afa-po ianao. (Galatiana 6:9, 10) Hoy i Jakoba, mpianatr’i Jesosy: “Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan-andro, ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?” (Jakoba 2:15,16) Mazava ny valin’izany. Tsy tokony ‘hihevitra ny antsika ihany isika, fa ny an’ny namantsika koa.’​—Filipiana 2:4.

Manome fanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy olona sahirana mafy, na rehefa misy loza mitranga. Mazoto koa anefa izy ireo manao asa lehibe sy mahasoa ny mpiara-belona aminy, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Ny fitorian’ireo Vavolombelona maherin’ny 6 000 000 an’io hafatra mitondra fanantenana sy fampiononana io, dia porofo fa tena tia sy miahy ny olona izy ireo. Mitondra zavatra hafa tena ilain’ny olona koa anefa izy ireo, rehefa manampy azy amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Inona izany?

Manome zavatra tena ilaina izy ireo

Mila mifandray tsara amin’Andriamanitra isika raha te ho sambatra marina. Nisy nilaza hoe: “Voatosika hitalaho amin-javatra inoany fa ambony sy mahery kokoa noho izy foana ny olombelona hatraiza hatraiza, hatramin’izay nisiany. Mampiseho izany fa voajanahary ao aminy ny fivavahana, ka tokony heken’ny siansa izany . . . Tokony ho zendana sy hahatsapa fanajana miharo tahotra isika, rehefa mahita fa mitady an’Andriamanitra ny olona eran-tany, ary mino fa misy izy.”​—Tsy Mahavita Tena ny Olombelona (anglisy), nosoratan’i Cressy Morrison.

Hoy i Jesosy Kristy: “Sambatra ny malahelo am-panahy”, na mila an’Andriamanitra. (Matio 5:3) Tsy sambatra ny olona mihatakataka maharitra amin’ny olon-kafa. Ratsy kokoa noho izany anefa ny mihatakataka amin’ny Mpamorona antsika. (Apokalypsy 4:11) Tokony ho tapany lehibe amin’ny fiainantsika ny fitadiavana sy fampiharana ny “fahalalana an’Andriamanitra.” (Ohabolana 2:1-5) Tena tokony hiezaka hitady an’Andriamanitra isika, satria tsy mahavita tena sady mila azy. Mila mifandray tsara amin’i Jehovah, “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra” isika, mba ho sambatra sy ho afa-po.​—Salamo 83:18.

[Sary, pejy 5]

Miguel: “Nandia fotoan-tsarotra aho matetika, nefa niova ny fiainako rehefa nanomboka nifanerasera tamin’ny vahoakan’i Jehovah aho”

[Sary, pejy 5]

Alma Ruth: “Rehefa nianatra momba an’i Jehovah anefa aho, dia tsapako fa afaka ny hifandray akaiky aminy aho”

[Sary, pejy 6]

Emelia: ‘Tsy nisy dikany ny fiainako talohan’ny nianarako ny fahamarinana’

[Sary, pejy 7]

Manampy antsika hitady an’Andriamanitra ny fiarahana amin’ny tena mpivavaka