Ougarit—Tanàna Fahinin’ny Mpivavaka Tamin’i Bala
Ougarit—Tanàna Fahinin’ny Mpivavaka Tamin’i Bala
SENDRA vato ny angadinombin’ny mpamboly syrianina iray, tamin’ny taona 1928. Hay io vato io nanarona fasana nisy zavatra vita tamin’ny tanimanga fahiny. Tsy azon’ilay mpamboly an-tsaina akory ny hasarobidin’io zavatra hitany io. Nankany an-toerana ny ekipa frantsay mpanao fikarohana ambanin’ny tany, notarihin’i Claude Schaeffer, herintaona taorian’izay, rehefa nandre ny momba azy io.
Tsy ela dia nisy soratra nofongarina, izay nanampy an’ilay ekipana mpikaroka hamantatra ireo sisan-javatra nohadiny tamin’ny torelina. Tsy inona izany fa i Ougarit, ilay “tanàna fahiny anisan’ny lehibe indrindra
tany Proche-Orient.” Nilaza toy izao mihitsy aza i Barry Hoberman, mpanoratra: “Tsy nisy tamin’ireo zavatra hitan’ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany, na dia ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty aza, afaka nanampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny Baiboly toa an’ireo soratra ireo.”—Gazetin’i Atlantika Mivoaka Isam-bolana (anglisy).Ambohipihaonana
Maherin’ny 3 000 taona lasa izay, dia tanàna nandroso sy nisy mponina avy tamin’ny firenena rehetra i Ougarit. Teo amin’ny havoana antsoina hoe Ras Shamra no nisy azy io, izany hoe teo amin’ny Morontsirak’i Mediterane, izay antsoina hoe Syria avaratra, ankehitriny. Renivohitry ny fanjakana iray i Ougarit. Nahatratra 60 kilaometatra ny lavan’io fanjakana io, hatreo amin’ny Tendrombohitra Casios, tany avaratra, ka hatrany amin’ny Havoana Sukas, tany atsimo. Nahatratra 30 ka hatramin’ny 45 kilaometatra kosa ny sakany, avy teo amin’ny Ranomasina Mediterane, tany andrefana, ka hatrany amin’ny Lohasaha Oronte, tany atsinanana.
Niroborobo ny fiompiana tany Ougarit, noho izy nanana toetany antonony. Vokatra tany an-toerana ny voamadinika, menaka oliva, sy divay, ary hazo, izay tena tsy nisy tany Mezopotamia sy Ejipta. Teo amin’ny fihaonan’ny lalan’ny mpivarotra koa no nisy an’ilay tanàna, hany ka izy io no anisan’ny voalohany tamin’ny seranan-tsambo iraisam-pirenena lehibe. Nividy sy nivarotra metaly, vokatry ny tany, ary entam-barotra maro novokarina teo an-toerana ny mpivarotra avy tany Égée, Anatolia, Babylona, Ejipta, ary ny toerana hafa tany Moyen-Orient.
Teo ambany fahefan’ny fanjakana hafa foana anefa i Ougarit, na dia nanankarem-be aza. Izy io no tanàna nisy toby miaramila farany avaratra indrindra tamin’ny Fanjakana Ejipsianina, ary lasa anisan’ny Fanjakana Hetita izy io, tamin’ny taonjato faha-14 T.K. Voatery nandoa hetra sy nandefa miaramila ho an’ny fanjakana nanjanaka azy, i Ougarit. Nangatahin’ny Hetita hanampy azy ny miaramila sy ny sambo mpiady tany Ougarit, rehefa nanomboka nandrava an’i Anatolia (Torkia afovoany) sy Syria avaratra ireo “Mponina avy Tany Ampitan-dranomasina.” * Tsy nisy mpiaro intsony àry i Ougarit, ka rava tanteraka, tokotokony ho tamin’ny 1200 T.K.
Nofohazina ny lasa
Havoana efa ho 20 metatra, mandrakotra velaran-tany 25 hektara mahery, no sisa tavela tamin’i Ougarit. Vao ny ampahenin’io faritra io anefa no voahady. Anisan’ny hitan’ireo mpanao fikarohana ambanin’ny tany ny sisa tavela tamin’ny lapa lehibe iray. Nisy tokotany sy efitra efa ho zato tao anatiny, ary 10 000 metatra toradroa teo ho eo ny faritra nisy azy. Nisy paompy, efitrano fidiovana, ary fantsona fandehanan’ny rano maloto, tao amin’io lapa lehibe io. Nasiana haingony volamena sy vato manga ary ivoara ireo fanaka. Nahitana takelaka vita tamin’ny ivoara nisy sary sokitra voakaly koa tao. Vao mainka nanome endrika an’ilay lapa ireo zaridaina voahodidina tamboho sy ireo dobo kely tao anatiny.
Nisongadina ny tempolin’i Bala sy Dagana, teo amin’ilay tanàna sy ny tany lemaka manodidina. * Nahatratra 20 metatra ny haavon’ny tilikambon’ireo tempoly ireo. Nisy lalantsara kely nankao amin’ny efitra anatiny, izay nisy ny sarin’ilay andriamanitra. Nisy tohatra tonga hatreny amin’ny lavarangana iray, izay fitarihan’ny mpanjaka ireo fombafomba maro isan-karazany. Mety ho nisy fanilo teny an-tampon’ireo tempoly ireo, mba hanampiana ny sambo ho tody teny an-tseranana, nandritra ny alina sy rehefa nisy tafio-drivotra. Nihevitra ireo tantsambo tody soa aman-tsara fa i Bala-hadada, andriamanitry ny tafio-drivotra no nitahy azy ireo. Azo antoka àry fa izy ireo no nanome ireo vatofantsika 17 hita tao amin’ny fitoerany masina, mba hanefana ny voady nataon’izy ireo.
Fahitana soratra sarobidy
Takela-tanimanga an’arivo no hita tao amin’ilay toerana nisy an’i Ougarit fahiny. Lahatsoratra momba ny toe-karena, lalàna, fifampiraharahana, ary fitantanana tamin’ny fiteny valo sy karazan-tsoratra dimy, no hita. Nahita lahatsoratra tamin’ny fiteny mbola tsy fantatra mihitsy ny ekipan’i Schaeffer, ary nomena ny anarana hoe Ogaritika izy io. Voaforona tarehintsoratra miendri-pantsika 30 izy io, ary iray amin’ireo abidy tranainy indrindra hita hatramin’izay.
Niresaka momba ny raharaha fanao andavanandro ireo lahatsoratra ogaritika ireo. Nahitana haisoratra nisy fanazavana vaovao momba ny finoana sy ny fanao ara-pivavahana tamin’izany fotoana izany koa anefa tao amin’izy ireo. Hita fa nisy nitovizany betsaka ny fivavahana tany Ougarit sy ny fivavahan’ny Kananita, teo akaiky teo. Nilaza i Roland de Vaux fa “nahitana taratry ny kolontsaina tany Kanana, taloha kelin’ny nahazoan’ny Isiraelita azy”, ireo lahatsoratra ireo.
Fivavahana tany amin’ny tanànan’i Bala
Miresaka andriamanitra sy andriamanibavy maherin’ny 200 ireo lahatsoratra tany Ras Shamra. I El no andriamanitra ambony indrindra, ary nantsoina hoe rain’ny andriamanitra sy ny olona izy. I Bala-Hadada, andriamanitry ny tafio-drivotra, no “mpitaingina rahona” sy “tompon’ny tany.” Aseho ho toy ny lahiantitra hendry sy fotsy volombava i El, ary tsy nifanerasera firy tamin’ny olombelona. I Bala kosa dia andriamanitra matanjaka sy fatra-paniry laza, ary te hifehy ny andriamanitra hafa sy ny olombelona.
Mety ho novakina nandritra ny fety ara-pivavahana, toy ny taom-baovao na ny fetin’ny fijinjana, ireo lahatsoratra hita ireo. Mbola tsy fantatra anefa ny tena dikan’izy ireo. Lazain’ny poezia iray miresaka fiadiana fahefana, fa resin’i Bala i Yamm, andriamanitry ny ranomasina sady zanakalahy tian’i El indrindra. Io fandresena io angamba no nahatonga ny tantsambon’i Ougarit hatoky fa harovan’i Bala izy ireo, rehefa eny an-dranomasina. Resy i Bala, rehefa niady tamin’i Mot, ka nankany amin’ny tontolon’ireo maty. Nisy hain-tany avy eo, ary nitsahatra ny asan’olombelona. Novonoin’i Anat, vadin’i Bala sady anabaviny, ary andriamanitry ny fitiavana sy ny ady, i Mot ary novelominy indray i Bala. Avy eo dia naripak’i Bala ireo zanakalahin’i Athirat (Aseraha), vadin’i El, ary azony indray ny fahefana. Niverina indray anefa i Mot, fito taona taorian’izay.
Samy nilaza ny hevitr’io poezia io ny manam-pahaizana. Ao ny milaza fa mampiseho ny fifandimbiasan’ny orana mahavelona sy
ny hafanana manevokevoka isan-taona izy io, ary ny fiverenan’ny orana indray rehefa tonga ny fararano. Ny hafa indray mihevitra fa misy ifandraisana amin’ny tahotra ny hisian’ny mosary sy hain-tany, ilay tsingerina isaky ny fito taona. Na ahoana na ahoana anefa, dia heverina fa tena ilaina ny fahambonian’i Bala, mba hahitan’ny olona fahombiazana. Nanamarika toy izao i Peter Craigie, manam-pahaizana: “Natao hiarovana ny fiandrianan’i Bala ny fivavahana taminy. Mino mantsy ny mpivavaka aminy fa rehefa izy hatrany no [andriamanitra] fara tampony, dia hisy foana ny vokatra sy ny biby fiompy, izay antoky ny fiveloman’ny olombelona.”Fiarovana tamin’ny fanompoan-tsampy
Niharihary tamin’ireo lahatsoratra nofongarina, fa niharo fitondran-tena maloto ny fivavahana, tany Ougarit. Hoy ny Rakibolana Ara-Baiboly Misy Sary (anglisy): “Asehon’ireo lahatsoratra ny fitondran-tena ratsy, vokatry ny fivavahana tamin’ireo andriamanitra ireo, izay nanindrahindra ny ady, ny fivarotan-tena masina, ary ny firaisana ara-nofo. Nampikororosy ny fitondran-tenan’ny fiaraha-monina izany.” Hoy i De Vaux: “Rehefa mamaky an’ireo poezia ireo ianao, dia takatrao hoe nahoana io fivavahana io no naharikoriko tanteraka an’ireo tena mpivavaka tamin’i Iaveh sy ireo mpaminany lehibe.” Natao hiarovana ny firenen’ny Isiraely fahiny tamin’izany fivavahan-diso izany ny Lalàna nomen’Andriamanitra azy ireo.
Nampiasaina nanerana an’i Ougarit ny sikidy sy ny fanandroana ary ny mazia. Tsy tamin’ireo zavatra teny amin’ny lanitra ihany no nitadiavan’izy ireo famantarana sy fambara, fa tamin’ny tsaika kilemaina sy ny taovan’ireo biby novonoina koa. “Nino izy ireo, fa lasa ao amin’ilay andriamanitra nanolorana fanatitra ilay biby natao sorona, ary lasa mitambatra ny fanahin’ilay andriamanitra sy ny an’ilay biby”, araka ny fanazavan’i Jacqueline Gachet, mpahay tantara. “Rehefa vinanina àry ny hevitr’ireo famantarana hita amin’ireny taova ireny, dia ho fantatra koa ny sitrapon’ireo andriamanitra. Azon’izy ireo atao ny manome valiny tsara na ratsy, rehefa misy manontany momba ny hoavy, na ny zavatra tokony hatao amin’ny toe-javatra manokana iray.” (Ny Tanànan’i Ougarit tamin’ny taona 1200 T.K. tany ho any, frantsay) Tokony hanalavitra ny fanao toy izany anefa ny Isiraelita.—Deoteronomia 18:9-14.
Nandrara an-kitsirano ny firaisana tamin’ny biby ny Lalàn’i Mosesy. (Levitikosy 18:23) Ahoana no niheverana an’io fanao io tany Ougarit? Voalazan’ireo lahatsoratra hita tany, fa nanao firaisana tamin’ny vantotr’ombivavy i Bala. Hoy i Cyrus Gordon, mpanao fikarohana ambanin’ny tany: “Na dia voalaza aza fa niova ho omby i Bala mba hahafahany hanao io firaisana io, dia tsy ho azo atao mihitsy ny hilaza fa afaka niova ho omby koa ny mpisorony, rehefa namerina ilay zavatra nataony tao amin’ny angano.”
Nodidiana toy izao ny Isiraelita: “Aza mitetika ny tenanareo noho ny maty.” (Levitikosy 19:28) Rehefa maty anefa i Bala, dia “nandrasarasa ny hodiny tamin’ny antsy” i El, sy “nandratra ny tenany tamin’ny hareza”, ary “nandidididy ny takolany sy ny saokany.” Toa efa fanaon’ny mpivavaka tamin’i Bala ny nitetika ny tenany, rehefa nivavaka.—1 Mpanjaka 18:28.
Nisy poezia ogaritika iray toa mampiseho, fa anisan’ny fanaon’ny mpivavaka kananita ny nahandro zanak’osy tamin’ny rononon-dreniny Eksodosy 23:19.
mba hahafahan’ireo momba hanan-janaka. Nodidiana toy izao anefa ny Isiraelita, tao amin’ny Lalàn’i Mosesy: “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.”—Fampitahana ny lahatsoratra ogaritika sy ny Baiboly
Nanampy tamin’ny fandikana ireo lahatsoratra ogaritika ny teny hebreo nanoratana ny Baiboly, tamin’ny voalohany. Hoy i Peter Craigie: “Betsaka ny teny ao amin’ny soratra hebreo no tsy mazava na tsy fantatra indraindray ny heviny. Nampiasa fomba maro ireo mpandika teny talohan’ny taonjato faha-20, mba hahafahana haminavina ny mety ho hevitr’izy ireny. Nazava kokoa anefa ny hevitr’izy ireny, rehefa hita tao amin’ny lahatsoratra ogaritika.”
Matetika, ohatra, ilay teny hebreo ao amin’ny Isaia 3:18 no nadika hoe “fehi-loha.” Manondro ny masoandro sy ny andriamanibavin’ny masoandro ny fototeny mitovy amin’izy io, amin’ny teny ogaritika. Mety ho nanao firavaka nisy sarina masoandro kely sy “sarim-bolan-tsinana” àry ireo vehivavy tany Jerosalema, izay resahin’ny faminanian’i Isaia, mba hanomezam-boninahitra ny andriamanitry ny Kananita.
Ny soratra masoretika sy ny Fandikan-teny Katolika dia mampitaha “ny molotra maimay miaraka amin’ny fo ratsy” amin’ny vilany tany “mipetaka taim-bolafotsy”, ao amin’ny Ohabolana 26:23. Azo atao anefa ny nampitaha izany tamin’ny “ankosotra eo amin’ny vakim-bilany”, rehefa hita ny fototeny amin’ny teny ogaritika. Mety tsara àry ny nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ny Fandikan-teny Malagasy an’io ohabolana io hoe: “Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.”
Niorina tamin’izy ireo ve ny Baiboly?
Rehefa nandinika ny lahatsoratra tany Ras Shamra ny manam-pahaizana sasany, dia nilaza fa notsoahana avy tamin’ny haisoratra ogaritika ny andalan-teny sasany ao amin’ny Baiboly. Nilaza i André Caquot, mpikambana ao amin’ny Sekoly Ambony Frantsay, fa “nifototra tamin’ny kolontsaina kananita ny fivavahan’ny Isiraelita.”
Nilaza toy izao i Mitchell Dahood, avy ao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’ny Eveka, any Roma, mahakasika ny Salamo faha-29: “Hira fahiny nideran’ny Kananita an’i Bala, andriamanitry ny tafio-drivotra io salamo io, fa nohavaozin’ny mpivavaka tamin’i Iaveh . . . Saika ny teny rehetra ao amin’ilay Salamo izao no hita ao amin’ny lahatsoratra kananita, izay tranainy kokoa.” Mitombina ve izany fanatsoahan-kevitra izany? Tsy mitombina velively!
Miaiky ireo manam-pahaizana mahay mandanjalanja kokoa, fa nitarina loatra ilay resaka fitoviana. “Tsy misy lahatsoratra ogaritika mitovy tanteraka amin’ny Salamo faha-29”, hoy i Garry Brantley, teolojianina. “Tsy misy porofo mivaingana hilazana fa anganon’ny mpanompo sampy nohavaozina ny Salamo faha-29 (na andalan-teny hafa ao amin’ny Baiboly).”
Ny fitoviana eo amin’ny sarin-teny sy ny poezia ary ny fomba fanoratra ve dia manaporofo fa nalaina tahaka ilay izy? Ampoizina aza ny hisian’ny fitoviana toy izany. Hoy ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy): “Ny kolontsaina no nahatonga io fitoviana tamin’ny fomba fanoratra sy ny votoatin’ny lahatsoratra io. Na dia nifanalavitra be aza ny toerana sy ny vanim-potoana nisy an’i Ougarit sy ny Isiraely, dia nitovy ny kolontsain’izy ireo, hany ka nisy poezia sy voambolana ara-pivavahana niombonany.” Nanatsoaka hevitra toy izao àry i Garry Brantley: “Tsy mety ny hanizingizinana fa avy amin’ny finoan’ny mpanompo sampy ilay andalan-teny ao amin’ny Baiboly, satria fotsiny hoe mitovy ny voambolana sy ny fomba fanoratra.”
Tsara homarihina, eto am-pamaranana, fa raha misy itovizany ireo lahatsoratra tany Ras Shamra sy ny Baiboly, dia eo amin’ny teny fotsiny izany, fa tsy eo amin’ny finoana sy ny fanao ara-pivavahana akory. “Tsy hita tany Ougarit ny fitsipi-pitondran-tena ambony resahin’ny Baiboly”, hoy i Cyrus Gordon, mpanao fikarohana ambanin’ny tany. Betsaka lavitra àry ny fahasamihafana, raha oharina amin’izay mety ho fitoviana.
Azo inoana fa ny fianarana ireo lahatsoratra ogaritika dia hanampy hatrany ny mpianatra Baiboly hahatakatra ny kolontsaina sy ny tantara ary ny fivavahana niainan’ny mpanoratra Baiboly sy ny firenena hebreo, tamin’ny ankapobeny. Mety hanampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny soratra hebreo fahiny koa, ny fandinihana bebe kokoa ireo lahatsoratra tany Ras Shamra. Ambonin’izany, ireo zavatra hitan’ny mpanao fikarohana tany Ougarit dia mampiharihary ny tsy fitovian’ny fivavahana nampikororosy tamin’i Bala sy ny fivavahana madio amin’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Nantsoina hoe “Mponina avy Tany Ampitan-dranomasina” mazàna ireo tantsambo avy tamin’ireo nosin’i Mediterane sy ny morontsirany. Mety ho anisan’izy ireo ny Filistinina, satria ny nosy Kreta angamba ilay Kaftora resahina ao amin’i Amosa 9:7.
^ feh. 10 Na dia tsy mitovy hevitra aza ny manam-pahaizana, dia misy amin’izy ireo milaza fa ny tempolin’i Dagana ihany no tempolin’i El. Anisan’izany, ohatra, ilay frantsay atao hoe Roland de Vaux, manam-pahaizana ao amin’ny Sekoly Fianarana Baiboly any Jerosalema. Nilaza izy fa i Dagana, na i Dagona ao amin’ny Mpitsara 16:23 sy ny 1 Samoela 5:1-5, no tena anaran’i El. Lazain’ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy), fa mety ho “nampifandraisina tamin’i [El] i Dagana, na nitambatra taminy.” Voalazan’ilay lahatsoratra tany Ras Shamra, fa nantsoina hoe zanakalahin’i Dagana i Bala. Tsy fantatra tsara anefa ny dikan’ilay hoe “zanakalahy” eto.
[Teny notsongaina, pejy 25]
Nanampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny Soratra Masina ny zavatra hitan’ny mpanao fikarohana tany Ougarit
[Sarintany/Sary, pejy 24, 25]
(Jereo ny gazety)
Fanjakana Hetita tamin’ny taonjato faha-14 T.K.
RANOMASINA MEDITERANE
Eofrata
TENDROMBOHITRA CASIOS (EL-AGRA)
Ougarit (Ras Shamra)
Havoana Sukas
Oronte
SYRIA
EJIPTA
[Sary nahazoan-dalana]
Sarivongan’i Bala sy tavoahangy miendrika loham-biby: Musée du Louvre, Paris; sary hoso-doko mampiseho ny lapan’ny mpanjaka: © D. Héron-Hugé pour “Le Monde de la Bible”
[Sary, pejy 25]
Sisa tavela tamin’ilay fidirana ho ao an-dapa
[Sary, pejy 26]
Poezia ao amin’ny angano ogaritika no nahitana ny mety ho antony nanoratana ny Eksodosy 23:19
[Sary nahazoan-dalana]
Musée du Louvre, Paris
[Sary, pejy 27]
Tsangambato misy sarin’i Bala
Vilia volamena misy sarin’olona mihaza
Sarona boaty vita tamin’ny ivoara, misy sarin’ilay andriamanibavin’ny fahafaha-miteraka
[Sary nahazoan-dalana]
Sary rehetra: Musée du Louvre, Paris