Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mila ny Hafa ve Isika?

Tena Mila ny Hafa ve Isika?

Tena Mila ny Hafa ve Isika?

“REHEFA mandinika ny fiainantsika sy ny asa ataontsika isika, dia mahamarika avy hatrany fa miankina amin’ny fisian’ny olon-kafa ny ankamaroan’ny zavatra ataontsika sy irintsika”, hoy ilay mpahay siansa malaza atao hoe Albert Einstein. Hoy koa izy: ‘Mihinana sakafo novokarin’olon-kafa isika, manao akanjo nozairin’olon-kafa, ary mipetraka ao amin’ny trano naorin’olon-kafa. Tsy dia ny toetra mampiavaka azy loatra no mahasarobidy ny olona iray, fa noho izy anisan’ny fiaraha-monina lehibe izay mamolavola ny fiainany manontolo, anisan’izany ny fivavahany, manomboka amin’ny fahaterahany ka mandra-pahafatiny.’

Raha ny biby no resahina, dia mahazatra ny mahita azy ireo miaraka, ary efa voajanahary aminy izany. Manao andiany, ohatra, ny elefanta rehefa mandehandeha, ka manara-maso tsara ny zanany. Miara-mihaza ny liona vavy ary mizara ny hazany amin’ny liona lahy. Miara-milalao ny feso (dauphins) ary miaro ny biby hafa na ny mpilomano tra-doza mihitsy aza.

Raha ny olombelona indray anefa no resahina, dia misy zavatra mampanahy voamariky ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina. Araka ny gazety iray any Meksika, dia misy manam-pahaizana mihevitra fa “niteraka fahavoazana lehibe ho an’ny Amerikanina ny fitokantokanana nandritra ny taona maro sy ny fisaratsarahan’ny fiaraha-monina.” Nilaza ilay gazety fa “tsy ho sambatra ilay firenena, raha tsy misy fiovana lehibe, anisan’izany ny hoe miray hina indray ny fiaraha-monina.”

Ny tany mandroso no tena manana an’io olana io. Mitombo haingana ny isan’ny olona samy maka ho azy any amin’ireny tany ireny. ‘Te hanana ny fiainany’ izy ireo, ary tsy tiany mihitsy raha ‘mitsabatsabaka amin’ny fiainany’ ny hafa, na miraiki-po be aminy. Voalaza aza fa izany toe-tsaina izany no mahatonga olona maro kokoa ho ketraka, sy te hamono tena, na hanana olana hafa mitovitovy amin’izany.

Hoy ny Dr. Daniel Goleman momba izany: “Ahina harary sy ho faty aloha kokoa, ny olona tsy manana olon-kafa amborahana ny fihetseham-pony, na ifandraisana akaiky.” Mifarana toy izao ny tatitra nivoaka tao amin’ny gazety Siansa (anglisy): ‘Ny fitokantokanana dia mety hahafaty toy ny sigara, fiakaran’ny tosidra, fitomboan’ny kolesterola, hatavezana be loatra, ary tsy fahampian’ny fampiasan-tena.’

Noho ny antony maro àry, dia tena mila ny hafa isika. Tsy mahavita tena isika. Inona àry no vahaolana amin’ny fitokantokanana? Inona no tena nampisy heviny ny fiainan’ny olona maro? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 3]

“Miankina amin’ny fisian’ny olon-kafa ny ankamaroan’ny zavatra ataontsika sy irintsika.”​—Albert Einstein