Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Navelan’i Jehovah hanana vady maro ny Isiraelita mpanompony fahiny. Tsy mamela hanao izany kosa izy ankehitriny. Miovaova ve izany ny fitsipiny?

Tsy miova ny hevitr’i Jehovah momba ny fananana vady maro. (Salamo 19:7; Malakia 3:6) Tsy tao amin’ny fandaharana nataony momba ny olombelona izany, na tamin’ny voalohany na amin’izao fotoana izao. Nilaza i Jehovah fa vehivavy iray no ho vadin’ny lehilahy iray, fony izy namorona an’i Eva ho vadin’i Adama. “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.”​—Genesisy 2:24.

Mbola nanamafy an’io hevitra io i Jesosy teto an-tany, rehefa nisy nanontany azy momba ny fisaraham-panambadiana sy ny fanambadiana indray. Hoy izy: “Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe: ‘Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa’? ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.” Hoy koa i Jesosy: “Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga.” (Matio 19:4-6, 9) Mazava amin’izany, fa fanitsakitsaham-bady ny fakana vady iray hafa na maromaro fanampiny.

Nahoana anefa no nisy navela hanambady maro fahiny? Tadidio fa tsy i Jehovah no niandohan’io fanao io. I Lameka, taranak’i Kaina, no resahin’ny Baiboly voalohany hoe nanambady maro. (Genesisy 4:19-24) Nanana vady iray avy kosa i Noa sy ny zanany telo lahy, tamin’ny fotoana nandefasan’i Jehovah Safo-drano. Maty tamin’ny Safo-drano avokoa ireo nanana vady maro.

Fony nifidy ny Isiraelita ho vahoakany i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana, dia efa nisy nanana vady maro teo amin’izy ireo, na dia ny fananana vady tokana aza no tena fahita. Tsy nangataka ny hisarahan’izay nanana vady maro Andriamanitra. Namoaka fitsipika hentitra anefa izy, mba hifehezana ilay fanao.​—Eksodosy 21:10, 11; Deoteronomia 21:15-17.

Nihelina ihany ny fileferan’i Jehovah tamin’ny fananana vady maro. Manaporofo izany ny tenin’i Jesosy momba ny fitsipik’i Jehovah tany am-boalohany momba ny fanambadiana. Manaporofo izany koa ny teny nosoratan’ny apostoly Paoly teo ambany herin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Hoy izy: “Aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.” (1 Korintiana 7:2) Nahazo herin’ny fanahy masina koa i Paoly, ka nanoratra fa tsy maintsy “manam-bady tokana”, ny lehilahy rehetra voatendry ho mpiandraikitra na mpanampy amin’ny fanompoana, eo anivon’ny fiangonana kristianina.​—1 Timoty 3:2, 12; Titosy 1:6.

Nifarana àry ny fileferan’i Jehovah tamin’ny fananana vady maro, rehefa niforona ny fiangonana kristianina, tokony ho 2 000 taona lasa izay. Niverina ho toy ny tamin’ny namoronan’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany indray ny fitsipika momba ny fanambadiana, izany hoe vehivavy iray no vadin’ny lehilahy iray. Izany koa no fitsipika arahina ankehitriny eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra maneran-tany.​—Marka 10:11, 12; 1 Korintiana 6:9, 10.