Jehovah, Ilay Andriamanitry ny Fahamarinana
Jehovah, Ilay Andriamanitry ny Fahamarinana
“Efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.”—SALAMO 31:5.
1. Nanao ahoana ny tany an-danitra sy ny tetỳ an-tany fony mbola tsy nisy ny lainga?
NISY fotoana tsy nisian’ny lainga. Nisy anjely lavorary tany an-danitra, izay nanompo ny Mpamorona azy, dia ilay “Andriamanitry ny fahamarinana.” (Salamo 31:5) Tsy nisy lainga na fitaka tamin’izany fotoana izany. Nilaza ny marina tamin’ny zanany ara-panahy i Jehovah, satria tiany izy ireo sady tena niriny ho sambatra. Toy izany koa ny tetỳ an-tany. Namorona ny lehilahy sy vehivavy voalohany i Jehovah. Tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny, dia nilaza ny marina tamin’izy ireo foana izy, tamin’ny fomba tsotra sy mazava. Azo antoka fa nahafinaritra erỳ tamin’izany!
2. Iza no namorona ny lainga, ary nahoana?
2 Nitady ho andriamanitra anefa ny iray tamin’ny zanak’Andriamanitra tatỳ aoriana, ka sahy nitsangana ho fahavalony sy nanohitra azy. Tiany hivavaka aminy ny hafa. Namoron-dainga àry io anjely lasa Satana Devoly io, mba hahafahany hifehy ny hafa. Noho izany, dia lasa “mpandainga izy sady rain’ny lainga.”—Jaona 8:44.
3. Inona no nataon’i Adama sy Eva rehefa nandainga taminy i Satana, ary inona no vokany?
3 Nampiasa menarana i Satana, mba hiresahana tamin’ilay vehivavy voalohany. Nilaza izy fa tsy ho faty i Eva, na dia tsy mankatò ny didin’Andriamanitra sy mihinana ilay voankazo voarara aza. Lainga izany. Mbola nampiany aza fa ho tahaka an’Andriamanitra mihitsy i Eva raha mihinana an’ilay izy, ka hahalala ny tsara sy ny ratsy. Lainga koa izany. Mbola tsy nisy nandainga tamin’i Eva mihitsy talohan’izay, nefa tsy maintsy fantany hoe nifanohitra tamin’izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Adama vadiny, ny tenin’ilay menarana. Naleony anefa nino an’i Satana, toy izay i Jehovah. Voafitaka tanteraka izy, ka naka sy nihinana ilay voankazo. Nihinana koa i Adama, avy eo. (Genesisy 3:1-6) Toa an’i Eva, dia mbola tsy nahare lainga mihitsy i Adama talohan’izay, nefa tsy voafitaka izy. (1 Timoty 2:14) Nasehony tamin’ny nataony fa nolaviny ny Mpanao azy. Loza no vokany ho an’ny olombelona. Noho i Adama tsy nankatò, dia nifindra tamin’ny taranany rehetra ny fahotana sy ny fahafatesana, mbamin’ny faharatsiana sy fahoriana maro be.—Romana 5:12.
4. a) Inona avy no lainga nolazaina tany Edena? b) Inona no tsy maintsy ataontsika mba tsy ho voafitak’i Satana?
4 Niely koa ny lainga. Tsy maintsy ekentsika fa fiampangana an’i Jehovah ho tsy milaza ny marina, ireo lainga nolazaina tany amin’ny saha Edena. Nanizingizina i Satana fa namitaka ny mpivady voalohany Andriamanitra, ka nisy zava-tsoa tsy nety nomeny azy ireo. Mazava ho azy anefa fa tsy marina izany. Tsy nitondra soa ho an’i Adama sy Eva ny tsy fankatoavany. Maty izy ireo, araka ny efa nolazain’i Jehovah. Mbola nanendrikendrika an’i Jehovah foana anefa i Satana, hany ka taonjato maro tatỳ aoriana, dia nahazo tsindrimandry ny apostoly Jaona hanoratra hoe “mamitaka izao tontolo izao” i Satana. (Apokalypsy 12:9) Tsy maintsy matoky tanteraka ny fahamarinan’i Jehovah sy ny Teniny isika, raha tsy te ho voafitak’i Satana Devoly. Ahoana no hatokisanao an’i Jehovah, sy hanamafisanao izany fatokisana izany? Ary ahoana no hanananao hery hanoherana ny fitaka sy lainga aelin’ilay Fahavalony?
Mahafantatra ny marina i Jehovah
5, 6. a) Inona no fantatr’i Jehovah? b) Manao ahoana ny fahalalan’ny olombelona, raha oharina amin’ny an’i Jehovah?
5 Milaza ny Baiboly matetika fa i Jehovah Efesiana 3:9) Izy no “nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny.” (Asan’ny Apostoly 4:24) Mahafantatra ny marina momba ny zava-drehetra i Jehovah, satria izy no Mpamorona. Indro misy ohatra: Aoka hatao hoe misy olona nanao ny planin’ny tranony, ary avy eo nanorina azy io. Izy no nametraka ny andry tsirairay sy ny fantsika tsirairay, ka hainy tsianjery mihitsy ilay trano. Tsy misy mahalala tsara azy io noho izy. Mampiseho izany fa fantatry ny olona tsara ny zavatra amboariny. Toy izany koa ny Mpamorona. Fantany amin’ny an-tsipiriany ny zavatra noforoniny.
no “nanao ny zavatra rehetra.” (6 Kanto erỳ ny fomba nilazan’ny mpaminany Isaia ny habetsahan’ny fahalalan’i Jehovah. Hoy izy: “Iza no namatra ny rano teo am-pela-tànany, ary nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin’ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana? Iza no nanome hevitra ny Fanahin’i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy? Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny làlan’ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny làlan’ny fahendrena?” (Isaia 40:12-14) “Andriamanitry ny fahalalana” tokoa i Jehovah, ary “tanteraka amin’ny fahalalana.” (1 Samoela 2:3; Joba 36:4; 37:16) Tena kely mihitsy ny zavatra fantatsika raha oharina amin’izany! Mampiaiky volana tokoa ny fahalalana voangon’ny olombelona, nefa ny zavatra fantany momba ny zavaboary, dia vao ny “sisintsisin’ny [alehan’Andriamanitra] ihany”, na hoe sombiny kely fotsiny amin’ny zava-bitany rehetra. Toy ny “siosion-teny mamelovelo” izany, raha oharina amin’ny “fikotrokotroky ny heriny.”—Joba 26:14.
7. Inona no neken’i Davida momba ny fahalalan’i Jehovah? Ary inona no tsy maintsy ekentsika noho izany?
7 Ara-dalàna raha mahafantatra antsika tsara i Jehovah, satria izy no namorona antsika. Nanaiky izany i Davida Mpanjaka. Hoy izy: “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo Salamo 139:1-4) Mazava ho azy fa takatr’i Davida hoe manana safidy malalaka ny olombelona. Nomen’Andriamanitra fahafahana hankatò azy isika na tsia. (Deoteronomia 30:19, 20; Josoa 24:15) Mahalala antsika tsara kokoa noho ny tenantsika anefa i Jehovah. Mitady izay tena hahasoa antsika izy, sady afaka mitari-dalana antsika. (Jeremia 10:23) Tsy misy mpampianatra, na manam-pahaizana, na mpanolo-tsaina hahay hampianatra antsika tsara kokoa ny fahamarinana sy hampahahendry ary hahasambatra antsika, noho izy.
amin’ny lelako, Jehovah ô.” (Milaza ny marina i Jehovah
8. Ahoana no ahalalantsika fa milaza ny marina i Jehovah?
8 Ny fahalalan’ny olona ny marina akory tsy midika avy hatrany fa hilaza ny marina foana izy. Nifidy ny tsy ‘hitoetra tamin’ny marina’, ohatra, ny Devoly. (Jaona 8:44) I Jehovah kosa anefa ‘be fahamarinana.’ (Eksodosy 34:6) Matetika ny Soratra Masina no manaporofo fa milaza ny marina izy. Nilaza ny apostoly Paoly fa “tsy mahay mandainga” Andriamanitra. (Hebreo 6:18; Titosy 1:2) Anisan’ny toetrany miavaka ny filazana ny marina. Afaka miantehitra amin’i Jehovah sy matoky azy isika, satria milaza ny marina izy; tsy mamitaka na oviana na oviana an’ireo tsy mivadika aminy izy.
9. Nahoana ny anaran’i Jehovah no misy ifandraisana amin’ny fahamarinana?
9 Ny anaran’i Jehovah mihitsy no manaporofo fa milaza ny marina izy. Ny dikan’ny anarany dia hoe “Mahatonga Izy.” Asongadin’izany fa manatanteraka tsikelikely izay rehetra ampanantenainy izy. Tsy misy olon-kafa mahavita an’izany. Tsy misy afaka manakantsakana ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah, satria izy no Tompo Fara Tampony. Tsy vitan’ny hoe milaza ny marina fotsiny izy, fa izy irery ihany no manana hery sy fahendrena hanatanterahana izay rehetra lazainy.
10. a) Ahoana no nahitan’i Josoa fa milaza ny marina i Jehovah? b) Inona avy no fampanantenan’i Jehovah hitanao fa tanteraka?
10 Maro ny vavolombelona nanatri-maso ireo fahagagana nanaporofo fa milaza ny marina i Jehovah. Iray tamin’ireny i Josoa. Tany Ejipta izy fony i Jehovah nandefa ireo loza folo tamin’ilay firenena, araka ny efa nolazainy mialoha. Teo koa izy, rehefa tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah hanafaka ny Isiraelita avy tany Ejipta, sy hitondra azy ireo tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Hitany koa ny nandresen’izy ireo ny tafika kananita nahery, izay nanohitra azy ireo. Talohan’ny nahafatesany, dia hoy izy tamin’ireo anti-panahy teo amin’ny Isiraely: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” (Josoa 23:14) Na dia tsy nanatri-maso ireo fahagagana hitan’i Josoa aza ianao, moa ve ianao efa nahatsapa fa tanteraka marina tamin’ny fiainanao, ny fampanantenan’Andriamanitra?
Manambara ny fahamarinana i Jehovah
11. Inona no mampiseho fa te hampita ny fahamarinana amin’ny olombelona i Jehovah?
11 Eritrereto hoe misy ray aman-dreny manam-pahalalana be, nefa mahalana vao miresaka amin’ny zanany. Tsy velom-pankasitrahana ve ianao fa tsy toy izany i Jehovah? Mampita amim-pitiavana hafatra amin’ny olombelona izy, sady manao izany matetika. Antsoina hoe “Mpampianatra” Lehibe izy. (Isaia 30:20) Noho ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana, dia mampita hafatra izy, na dia amin’ireo tsy vonon-kihaino azy aza. Nirahiny hitory tamin’ny olona efa fantany hoe tsy hihaino, ohatra, i Ezekiela. Hoy izy: “Ry zanak’olona, andeha mankany amin’ny taranak’Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.” Nampitandrina izy avy eo hoe: ‘Tsy hety hihaino anao izy ireo, satria tsy mety mihaino Ahy; fa ny taranak’Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.’ Tsy mora izany asa nanirahana an’i Ezekiela izany, nefa nataony tsara, hany ka nanome taratry ny fangoraham-pon’i Jehovah izy. Raha sarotra ny mitory any amin’ny faritany nanendrena anao, ka miantehitra amin’Andriamanitra ianao, dia matokia fa hanatanjaka anao izy, toy ny nataony tamin’i Ezekiela mpaminaniny.—Ezekiela 3:4, 7-9.
12, 13. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampitan’Andriamanitra hafatra tamin’ny olombelona?
12 Irin’i Jehovah ‘hovonjena ny olona rehetra, ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’ (1 Timoty 2:4) Niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany sy anjely izy, ary tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Zanany malala, mihitsy aza. (Hebreo 1:1, 2; 2:2) Hoy i Jesosy tamin’i Pilato: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.” Afaka nianatra ny marina momba ny fomba hamonjen’i Jehovah ny olona i Pilato, ary afaka nahafantatra izany mivantana avy tamin’ilay Zanak’Andriamanitra mihitsy. Tombontsoa sarobidy tokoa izany! Tsy niandany tamin’ny marina anefa i Pilato, ka tsy naniry hampianarin’i Jesosy. Sady naneso izy no namaly hoe: “Inona no marina?” (Jaona 18:37, 38) Tsy nety mihitsy ny fihetsiny! Maro anefa no tena nihaino ny fahamarinana notorin’i Jesosy. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.”—Matio 13:16.
13 Niaro ny fahamarinana i Jehovah, ka nandrakitra izany ao amin’ny Baiboly, ary nanao izay hahazoan’ny olona hatraiza hatraiza azy io. Milaza ny tena zava-misy ny Baiboly. Voalaza ao ny toetran’Andriamanitra sy ny fikasany ary ny didiny. Voalaza ao koa ny marina momba ny toe-javatra misy ny olombelona. Nivavaka tamin’i Jehovah i Jesosy hoe: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Boky tsy manan-tsahala àry ny Baiboly. Izy io irery no boky nosoratan’olona nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra, izay mahalala ny zava-drehetra. (2 Timoty 3:16) Fanomezana sarobidy ho an’ny olombelona izy io, ary mankamamy azy io ny mpanompon’Andriamanitra. Fahendrena ny mamaky azy io isan’andro.
Tano mafy ny fahamarinana
14. Inona avy no nolazain’i Jehovah fa hataony, ary nahoana isika no tokony hatoky azy?
14 Tokony hoheverintsika ho zava-dehibe izay ambaran’i Jehovah ao amin’ny Teniny. Marina izay lazainy momba ny tenany, ary hotanterahiny izay lazainy fa hataony. Tena tokony hatoky an’Andriamanitra àry isika. Afaka mino azy isika, rehefa milaza izy fa “hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tesaloniana 1:8) Afaka matoky an’i Jehovah koa isika, rehefa milaza izy fa tia an’ireo fatra-panaraka ny fahamarinana, sy hanome fiainana mandrakizay ho an’ny mino, ary hanafoana ny fanaintainana sy ny fitarainana ary na dia ny fahafatesana aza. Nasongadiny fa azo antoka izany fampanantenany izany, rehefa nomeny izao toromarika izao ny apostoly Jaona: “Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.”—Apokalypsy 21:4, 5; Ohabolana 15:9; Jaona 3:36.
15. Inona no sasany amin’ireo lainga aelin’i Satana?
15 Mifanohitra tanteraka amin’i Jehovah, i Satana. Mamitaka izy fa tsy milaza ny marina. Mampiely lainga tsy toko tsy forohana i Satana, mba hitarihana ny olona hiala amin’ny fivavahana madio. Tiany hino isika, ohatra, hoe tsy te hifandray amintsika Andriamanitra sady tsy miraharaha ny fijaliana misy etỳ an-tany. Asehon’ny Baiboly anefa fa tena miahy ny zavaboariny i Jehovah, sady tsy mankasitraka ny faharatsiana sy fijaliana. (Asan’ny Apostoly 17:24-30) Tian’i Satana hino koa ny olona fa fandaniam-potoana fotsiny ny fanaovana zavatra ara-panahy. Manome toky antsika anefa ny Soratra Masina hoe: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina, ka hanadino ny asantsika sy ny fitiavana izay nasehontsika ho voninahitry ny anarany.’ Milaza mazava koa izy io fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” izy.—Hebreo 6:10; 11:6.
16. Nahoana ny Kristianina no tsy maintsy mailo sy mitana mafy ny fahamarinana?
16 Hoy ny apostoly Paoly momba an’i Satana: ‘Manajamba ny sain’ny tsy mino ny andriamanitr’izao tontolo izao, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.’ (2 Korintiana 4:4) Misy olona voafitak’i Satana Devoly tanteraka, toa an’i Eva. Misy koa tsy voafitaka, nefa nifidy ny tsy hankatò, toa an’i Adama. (Joda 5, 11) Tsy maintsy mailo sy mitana mafy ny fahamarinana àry ny Kristianina.
Mitaky “finoana tsy mihatsaravelatsihy” i Jehovah
17. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah?
17 Koa satria i Jehovah milaza ny marina foana, dia mitaky an’izany amin’ireo mpivavaka aminy koa izy. Hoy ny mpanao salamo: “Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony.” (Salamo 15:1, 2) Azo antoka fa nahatsiaro ny Tendrombohitra Ziona ny Jiosy, rehefa nanao io hira io, ka nanonona ny tendrombohitra masin’i Jehovah. Nanao lay teo amin’io tendrombohitra io i Davida Mpanjaka, ary nentiny teny ny fiaran’ny fanekena. (2 Samoela 6:12, 17) Nampiseho an’ohatra ny toerana nipetrahan’i Jehovah àry, ilay tendrombohitra sy lay. Koa afaka nanatona azy mba hitalaho sitraka taminy teo amin’io toerana io ny olona.
18. a) Inona no takina amin’izay te ho naman’Andriamanitra? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
18 Tsy maintsy milaza ny marina ao ‘am-pony’ fa tsy amin’ny vavany fotsiny, ny olona 1 Timoty 1:5; Matio 12:34, 35) Tsy fetsifetsy na mpamitaka ny naman’Andriamanitra, satria ny “mpamitaka dia ataon’i Jehovah ho zava-betaveta.” (Salamo 5:6) Miezaka mafy hilaza ny marina toy ilay Andriamaniny, ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Izany no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
te ho naman’i Jehovah. Ny tena naman’Andriamanitra dia tsy maintsy manana fo madio sy manaporofo hoe manana “finoana tsy mihatsaravelatsihy.” Ny fo mantsy no manosika ny olona hanao ny marina. (Ahoana no Havalinao?
• Nahoana no fantatr’i Jehovah ny marina momba ny zava-drehetra?
• Inona no mampiseho fa milaza ny marina i Jehovah?
• Ahoana no anambaran’i Jehovah ny fahamarinana?
• Inona no takina amintsika, raha ny fahamarinana no resahina?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 10]
Mahafantatra tsara izay noforoniny ilay Andriamanitry ny fahamarinana
[Sary, pejy 12, 13]
Ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah