Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mianara Mandanjalanja

Mianara Mandanjalanja

Mianara Mandanjalanja

TSIKARITR’I Peggy tamin’ny resaky ny zanany roa lahy fa nasiaka be tamin’ilay zandriny ilay zokiny. Hoy àry izy: “Heverinao ve fa izany no fomba tsara indrindra hitenenana ny zandrinao? Jereo ange izy fa mampalahelo be e!” Nahoana izy no nilaza izany? Tiany ny hampianatra ny zanany hahay handanjalanja sy hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa.

Nampirisika an’i Timoty tanora, mpiara-miasa taminy, ny apostoly Paoly mba ‘halemy fanahy [izany hoe hahay handanjalanja] amin’ny olona rehetra.’ Tsy handratra ny fihetseham-pon’ny hafa i Timoty raha manao izany. (2 Timoty 2:24) Inona anefa no atao hoe mahay mandanjalanja? Ahoana no hihatsaranao amin’io lafiny io? Ary ahoana no hanampianao ny hafa hahay handanjalanja?

Inona no atao hoe mahay mandanjalanja?

Ny hoe mahay mandanjalanja dia midika hoe “mahay mamantatra ny toe-javatra mila fitandremana kokoa, ary tena tsara fanahy rehefa manao na miteny zavatra ho setrin’izany.” Mahay mamantatra ny fihetseham-pon’ny olon-kafa sy ny vokatry ny fihetsiny sy ny teniny, ny olona mahay mandanjalanja. Tsy hoe mitaky fahaizana fotsiny anefa izany. Ilaina koa ny faniriana mafy tsy hanafintohina olona.

Tsy nahay nandanjalanja mihitsy, ohatra, i Gehazy mpanompon’i Elisa, resahina ao amin’ny Baiboly. Tonga nitady fampiononana tany amin’i Elisa ny vehivavy sonemita iray, satria vao maty teo am-pofoany ny zanany lahy kely. Rehefa nanontaniana ilay vehivavy raha nandeha tsara ny zava-drehetra, dia hoy izy: “Tsara ihany.” Rehefa nanatona an’i Elisa anefa izy, dia “nanatona hampiala azy” i Gehazy. Hoy kosa i Elisa: “Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny.”​—2 Mpanjaka 4:17-20, 25-27.

Nahoana i Gehazy no tsy nieritreritra sy tsy nahay nandanjalanja toy izany? Marina fa tsy nilaza ny tena fihetseham-pony ilay vehivavy rehefa nanontaniana. Tsy hamboraka ny fihetseham-pony amin’ny olona rehetra koa ny ankamaroan’ny olona. Tsy maintsy ho nisy fomba namantarana ny tao am-pon’ilay vehivavy anefa, matoa tsikaritr’i Elisa izany. Tsy tsikaritr’i Gehazy kosa izany, na angamba niniany tsy nojerena. Hita tsara avy amin’izany ny antony mahatonga ny olona tsy hahay handanjalanja. Manjary tsy miraharaha izay ilain’ireo mifandray aminy ny olona iray, rehefa mihevitra ny asany ho zava-dehibe loatra. Ny olona toy izany dia mitovy amin’ny saoferana bisy mpitatitra mpiasa, izay maika loatra ny ho tonga ara-potoana, ka tsy nijanona mihitsy mba handray ireo mpiasa tokony hotateriny.

Tokony hiezaka ny ho tsara fanahy isika, fa tsy ho toa an’i Gehazy, satria tsy tena fantatsika izay ao am-pon’ny olona. Tokony ho mailaka ny hamantatra ny fihetseham-pon’ny hafa foana isika, ka hiteny sy hanao zavatra amin-katsaram-panahy. Ahoana no hahaizanao hanao izany tsara kokoa?

Fantaro ny fihetseham-pon’ny hafa

I Jesosy no tena nahay namantatra ny fihetseham-pon’ny hafa sy nitondra olona tamin-katsaram-panahy. Nisakafo tao an-tranon’i Simona Fariseo izy indray andro, ary nisy vehivavy nalaza ho “mpanota tao an-tanàna”, nanatona azy. Tsy nisy resaka nifanaovana koa teo, nefa nilaza zavatra betsaka tamin’i Jesosy ny fihetsik’ilay vehivavy. “Nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy; ary nijanona teo ivohony tanilan’ny [tongotr’i Jesosy] izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra.” Fantatr’i Jesosy ny dikan’izany. Ary na dia tsy niloa-bava koa aza i Simona dia fantatr’i Jesosy ny filazany anakampo hoe: “Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.”​—Lioka 7:37-39.

Eritrereto ny ratram-po nety ho tsapan’ilay vehivavy raha nanositosika azy i Jesosy. Hevero koa ny mety ho tsapan’i Simona raha nilaza taminy i Jesosy hoe: “Olona tsy misy saina ianao! Tsy hitanao ve fa mibebaka izy?” Nahay nandanjalanja i Jesosy ka niresaka tamin’i Simona momba ny ohatry ny lehilahy iray nanan-trosa tamin’ny olona roa. Navelan’io lehilahy io avokoa, na ilay nananany betsaka na ilay nananany kely. Nanontany àry i Jesosy hoe: “Iza moa amin’ireo no ho tia azy indrindra?” Tsy nanameloka an’i Simona i Jesosy. Noderainy kosa aza izy noho ny valin-teny marina nomeny. Nampiany tamin-katsaram-panahy i Simona avy eo, hahatakatra ny tao am-pon’ilay vehivavy sy ny fibebahany. Nitodika tany amin’ilay vehivavy i Jesosy, ary nasehony azy tamin-katsaram-panahy fa takany ny fihetseham-pony. Hoy izy taminy: “Voavela ny helokao”, ary koa hoe: “Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.” Azo inoana fa ho voatosika hanao ny tsara ilay vehivavy rehefa nandre teny voalanjalanja toy izany! (Lioka 7:40-50) Nahay nandanjalanja i Jesosy satria namantatra izay tao am-pon’ny olona aloha izy, vao namaly tamin-katsaram-panahy.

Nanampy an’i Simona i Jesosy. Afaka mampianatra ny hafa hamantatra ny ao am-pon’ny olona koa isika. Afaka manampy ireo vaovao hanao izany indraindray ny Kristianina za-draharaha, rehefa eny amin’ny fanompoana. Azon’izy ireo atao, ohatra, ny miara-mandinika ny fihetsiky ny olona vao nitoriany, hamantarana hoe olona manao ahoana izy io. Saro-kenatra ve izy sa be fisalasalana sa sorisorena sa sahirana? Ahoana no hanampiana azy amin-katsaram-panahy? Azon’ny anti-panahy atao koa ny manampy rahalahy sy anabavy tsy nahay nandanjalanja ka nanafintohina olona. Tokony hampiana ny tsirairay hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa. Mahatsiaro ho afa-baraka na natao tsinontsinona ve ilay tafintohina, sa diso fandray ny heviny ny olona? Ahoana no azo ampiononana azy amin-katsaram-panahy?

Maneho fahendrena ny ray aman-dreny raha mampianatra ny zanany hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa, satria manampy azy ireo hahay handanjalanja izany. Tsikaritr’ilay zanak’i Peggy, noresahina terỳ am-piandohana, ohatra, fa boramena ilay zandriny sady nanalava molotra ary nanganohano ny masony. Tsapany tamin’izay fa nalahelo be io zandriny io. Tsy diso fanantenana i Peggy satria nanenina ilay zanany ary tapa-kevitra ny hiova. Nandray soa tamin’ny fianarana azony fahakely ireo zanak’i Peggy roa lahy. Lasa mpampianatra mahomby sy mpiandry eo anivon’ny fiangonana kristianina izy mirahalahy tatỳ aoriana.

Asehoy fa takatrao ny fihetseham-pony

Zava-dehibe ny fahaiza-mandanjalanja, indrindra rehefa manana olana amin’olona ianao. Mety ho mora erỳ ny hanala baraka olona. Izao anefa no tsara hanombohana ny resaka: Derao izy noho ny zavatra tsara vitany. Aza kianina izy, fa mifantoha amin’ilay olana. Resaho aminy ny nataony ka nanafintohina anao, ary lazao ny fiovana tianao ho hita. Mihainoa tsara avy eo. Angamba diso fandray ny teniny fotsiny ianao.

Faly ny olona rehefa takatrao ny fomba fiheviny, na dia tsy mitovy hevitra aminy aza ianao. Nilaza zavatra tamim-pahaiza-mandanjalanja i Jesosy, hanehoana fa takany ny fanahian’i Marta. Hoy izy: “Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina hianao.” (Lioka 10:41) Tsy tokony ho maika ny hanome torohevitra koa ianao rehefa iresahan’ny olona ny zava-manahirana azy. Henoy tsara aloha izy. Avereno amin’ny fomba fiteninao avy eo ilay zava-manahirana. Fomba tsara izany hampisehoana fa takatrao ny fihetseham-pony.

Fantaro izay tsy tokony holazaina

Naniry hiresaka tamin’ny vadiny i Estera Mpanjakavavy mba hanafoanana ilay teti-dratsy nomanin’i Hamana, hamongorana ny Jiosy. Nahay nandanjalanja i Estera ka nataony aloha izay hahafaly ny fon’ny vadiny, vao niresaka momba ilay toe-javatra nilana fitandremana be izy. Andraisantsika lesona koa ny zavatra tsy nolazainy. Mariho fa nahay nandanjalanja izy ka tsy niresaka momba ny andraikitry ny vadiny tamin’ilay teti-dratsy.​—Estera 5:1-8; 7:1, 2; 8:5.

Toy izany koa rehefa mamangy anabavy manambady tsy mpino ianao. Mahaiza mandanjalanja ka miresaha aloha zavatra hafa mahaliana ilay rangahy, fa aza ny Baiboly no arantiranty raha vao tonga any ianao. Toy izany koa rehefa misy vaovao miakanjo tsy maotina na olona ela tsy nivory, tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana. Tokony hiarahaba azy amin-kafanam-po isika, fa tsy ny akanjony na ny tsy nahitana azy no horesahintsika. Mety ho tsara koa ny tsy hanitsiana avy hatrany ireo vaovao manana fomba fijery diso. (Jaona 16:12) Tena mahay mandanjalanja tokoa isika rehefa tsara fanahy ka mifantina izay lazaintsika.

Teny manasitrana

Hanampy anao hankafy ny fifandraisanao amin’ny hafa ny fanaovana teny manasitrana, na dia misy olona malahelo mafy aza noho izy nandray tamin’ny fomba diso ny hevitrao. Namaly tamim-pahaiza-mandanjalanja, ohatra, i Gideona rehefa “nanome tsiny azy mafy” ireo lehilahy efraimita. Nohazavainy fa tsinontsinona ny nataony raha noharina tamin’ny zava-bitan’izy ireo. Takatr’i Gideona fa tohina ny hambom-pon’izy ireo. Nanetry tena àry izy ka nitony ny fahatezeran’izy ireo.​—Mpitsara 8:1-3; Ohabolana 16:24.

Eritrereto foana ny mety ho vokatr’izay lazainao amin’ny olona. Raha miezaka ny hahay handanjalanja àry ianao, dia ho tsapanao ny fifaliana voalaza ao amin’ny Ohabolana 15:23, hoe: “Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, ary endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!”

[Sary, pejy 31]

Afaka manampy ny zanany hihevitra amim-pitiavana ny olon-kafa ny ray aman-dreny

[Sary, pejy 31]

Azon’ny Kristianina za-draharaha ampiana ny vaovao, mba hahay handanjalanja kokoa rehefa eny amin’ny fanompoana