Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Nisy Olona Roa Nandondòna tao Am-baravaranay”

“Nisy Olona Roa Nandondòna tao Am-baravaranay”

“Nisy Olona Roa Nandondòna tao Am-baravaranay”

“ROA taona izay no namoizanay tamin’alahelo ny zanakay vavikely.” Manomboka amin’ireo teny ireo ny taratasy tao amin’ny gazety Le Progrès, navoaka tany Saint-Étienne, any Frantsa.

“Telo volana i Mélissa, tamin’izy voan’ilay aretin-dratsy antsoina hoe trisomie 18. Mety tsy ho afaka tanteraka ilay alahelo, satria toa tsy rariny ilay fahafatesana. Na dia notezaina tamin’ny finoana katolika aza izahay, dia nibahana tao an-tsainay ilay fanontaniana hoe: ‘Andriamanitra ô, raha misy ianao, nahoana no avelanao hiseho izao?’” Nahatsiaro ho kivy sy tsy afa-nanoatra tokoa ilay reny nanoratra io taratasy io. Mitohy toy izao ny taratasiny:

“Taoriana kelin’izany, dia nisy olona roa nandondòna tao am-baravaranay. Fantatro avy hatrany hoe Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Efa nivonona handroaka azy ireo tamim-panajana aho, saingy voamariko ilay bokikely natolony. Niresaka momba ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ilay izy. Nanapa-kevitra ny hampandroso azy ireo indray aho, mba hanaporofoako hoe diso ny hevitra arosony. Nihevitra aho fa be loatra ny fijaliana hitan’ny fianakaviako, sady efa ampy izay ny nandrenesanay fitenenana toy ny hoe: ‘Andriamanitra no nanome, ary izy koa no naka.’ Adiny iray mahery kely no nijanonan’ireo Vavolombelona tao amiko. Tena nangoraka izy ireo nihaino ahy. Azoazoko ny aiko rehefa handeha izy ireo, hany ka nanaiky ny hotsidihiny indray aho. Tamin’ny roa taona lasa teo ho eo izany. Tsy Vavolombelon’i Jehovah aho akory, nefa nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’izy ireo, ary efa manatrika ny fivoriany matetika araka izay azoko atao.”