Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sambatra Izay Manana An’i Jehovah ho Andriamaniny

Sambatra Izay Manana An’i Jehovah ho Andriamaniny

Tantaram-piainana

Sambatra Izay Manana An’i Jehovah ho Andriamaniny

NOTANTARAIN’I TOM DIDUR

Efa nanofa tranom-pokonolona tany Porcupine Plain, any Saskatchewan, eto Kanada, izahay. Olona 300 teo ho eo no nantenaina hanatrika ilay fivoriambe hatao tao amin’ilay tranom-pokonolona. Nanomboka nilatsaka ny orampanala ny alarobia, ary nisy tafiotran’orampanala ny zoma, ka nanjavona tanteraka ny manodidina. Nidina 40 degre ambanin’ny zero ny mari-pana. Valo amby roapolo no tonga nanatrika ilay fivoriambe, ka ankizy ny sasany tamin’ireo. Izany no fivoriambe voalohany niandraiketako tamin’izaho 25 taona. Vao voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’izay, ka nitebiteby. Alohan’ny hitantarako aminareo izay nitranga anefa, dia aleo holazaiko izay nahatonga ahy hanana tombontsoa manokana ho mpiandraikitra ny faritra.

VALO mirahalahy izahay, ka izaho no fahafito. I Bill no zokiny indrindra, ary manarakaraka azy i Metro, John, Fred, Mike, ary Alex. Teraka tamin’ny 1925 aho, ary i Wally no zandriny indrindra. Nipetraka tany akaikin’ny tanànan’i Ukraina, eto amin’ny faritanin’i Manitoba, izahay, satria nanana toeram-pambolena sy fiompiana kely tany i Michael sy Anna Didur ray aman-dreninay. Mpikarakara lalamby no asan’i Dada. Sady lavitra ny tanàna no tery ny trano nipetrahany, ka tsy antonona fianakaviana maro anaka toa anay. Nijanona tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana ihany àry izahay. Mazàna i Dada no tsy tao an-trano, ka i Neny no nitaiza anay. Nankany amin’i Dada i Neny indraindray, nandritra ny herinandro na mahery, nefa nataony izay hahaizanay hahandro sakafo sy hanao mofo ary hanao raharaha hafa. Nivavaka tany amin’ny Eglizy Katolika Grika koa izahay, ka anisan’ny zavatra nampianarin’i Neny anay voalohany ny nitadidy vavaka sy nanao fombafomba hafa.

Nahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly

Nanomboka naniry hahatakatra izay lazain’ny Baiboly aho, tamin’ny fahatanorako. Nisy Vavolombelon’i Jehovah mpiara-monina taminay, nitsidika ny fianakavianay tsy tapaka. Namakian’izy ireo andinin-teny tao amin’ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Hara-magedona ary ireo fitahiana ao amin’ny tontolo vaovao izahay. Tsy nahaliana an’i Neny mihitsy izay nolazainy, saingy nahasarika an’i Mike sy Alex kosa. Tsy nety nanao raharaha miaramila àry izy ireo tamin’ny Ady Lehibe II, noho ny zavatra nianarany sy ny feon’ny fieritreretany. Voaheloka higadra nandritra ny fotoana fohy i Mike taorian’izay, ary i Alex nalefa tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona tany Ontario. Nanaiky ny fahamarinana koa i Fred sy Wally, tatỳ aoriana. Tsy mba nanao toy izany kosa anefa ny zokiko lehibe indrindra telo. I Neny koa aza nanohitra ny fahamarinana nandritra ny taona maro, nefa gaga izahay tatỳ aoriana, satria lasa niandany tamin’i Jehovah izy. Natao batisa izy rehefa 83 taona, ary maty tamin’izy 96 taona. Nankasitraka ny fahamarinana koa i Dada talohan’ny nahafatesany.

Nanketo Winnipeg aho, tamin’izaho 17 taona, mba hitady asa sy hifandray tamin’izay olona afaka hanampy ahy hianatra Baiboly. Voarara ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, nefa nisy fivoriana nalamina tsy tapaka. Tany an-tranon’olona ny fivoriana voalohany natrehiko. Toa hafahafa tamiko ny zavatra reko tamin’izay, satria notezaina tamin’ny fivavahana katolika grika aho. Takatro tsikelikely anefa hoe nahoana no tsy araka ny Soratra Masina ny fanavahana ny mpitondra fivavahana amin’ny mpivavaka tsotra, sy hoe nahoana no tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana mitso-drano ny ady. (Isaia 2:4; Matio 23:8-10; Romana 12:17, 18) Afa-tsy izany koa, dia toa azon’ny saina ekena kokoa ny hoe hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany, noho ny hoe hiaina mandrakizay any ankoatra.

Niaiky aho fa nahita ny fahamarinana, ka nanolo-tena ho an’i Jehovah, ary natao batisa tamin’ny 1942, teto Winnipeg. Tsy norarana intsony ny Vavolombelon’i Jehovah teto Kanada tamin’ny 1943, ka nandroso haingana ny asa fitoriana. Ankoatra izany, dia nisy vokany lalina kokoa tao am-poko ny fahamarinana ara-baiboly. Nanana tombontsoa ho lasa mpanompo na anti-panahin’ny fiangonana aho. Nanao lahateny tany amin’ny faritanin’ny fiangonana, sy niasa tany amin’ny faritany tsy nisy tompony koa aho. Tena nanampy ahy handroso ara-panahy koa ny nanatrehako fivoriambe lehibe tany Etazonia.

Nanitatra ny fanompoako an’i Jehovah aho

Lasa mpisava lalana aho tamin’ny 1950, ary voasa ho mpiandraikitra ny faritra tamin’ny Desambra tamin’io taona io. Nahazo tombontsoa manokana aho satria i Charlie Hepworth, rahalahy mahay sady mahatoky, no nampiofana ahy tany akaikin’i Toronto. Faly koa aho satria niaraka tamin’i Alex rahalahiko, ny herinandro farany nampiofanana ahy. Mpiandraikitra ny faritra teto Winnipeg izy tamin’izany.

Tsy hadinoko mihitsy ny fivoriamben’ny faritra voalohany niandraiketako. Efa voalazako terỳ aloha ilay izy. Mazava ho azy fa nitebiteby ny amin’izay hiafaran’io fivoriambe io aho. Nampanao anay zavatra be dia be sy nanao izay hahafalifaly anay anefa ny Rahalahy Jack Nathan, mpiandraikitra ny vondrom-paritra. Nohafohezinay niaraka tamin’izay mpandray anjara tonga teo ilay fivoriambe. Nifandimby nitantara ny zavatra niainanay izahay, namerimberina fomba fampiseho eny am-pitoriana, ary nampiseho fomba fanaovana fiverenana mitsidika sy fomba fitarihana fampianarana Baiboly. Nanao hiran’ilay Fanjakana izahay. Be dia be koa ny sakafo. Saika isaky ny adiny roa, dia nisotro kafe sy nihinana mofomamy izahay. Ny sasany natory teny ambonin’ny dabilio sy ny lampihazo, fa ny sasany natory tamin’ny tany. Nihena kely ilay tafiotran’orampanala ny alahady, ka 96 no nanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro. Nampianatra ahy hahay hiaritra zava-tsarotra iny toe-javatra iny.

Tany Alberta avaratra, any Kolombia Britanika sy ny Faritr’i Yukon, izay faritra misy masoandro amin’ny misasakalina, no nanendrena ahy taorian’izay. Nilana fiaretana sy fitandremana ny nandeha fiara sy ny nitory tany amin’ny Lalam-ben’i Alaska mikitoantoana, manomboka any Dawson Creek, any Kolombia Britanika, hatrany Whitehorse, any Yukon (halaviran-dalana 1 477 kilaometatra). Tena nanahirana ny orampanala nihotsaka sy ny tehezan-tendrombohitra nalama ary ny zavona nateraky ny orampanala nifafy.

Tena gaga aho rehefa nahita fa tonga hatrany amin’ny Farany Avaratr’i Kanada ny fahamarinana. Indray mandeha, izahay sy Walter Lewkowicz, dia nitsidika trano kely iray tany akaikin’i Lower Post, any Kolombia Britanika, any amin’ny Lalam-ben’i Alaska, tsy lavitra ny Faritr’i Yukon. Fantatray fa nisy olona nipetraka tao amin’ilay trano kely satria nisy hazavana nitsilopilopy tazana avy teo am-baravarankely. Tamin’ny sivy ora alina teo ho eo tamin’izay. Nandondòna teo am-baravarana izahay. Nisy feon-dehilahy nilaza taminay mba handroso, ka niditra izahay. Gaga be izahay nahita lahiantitra nitsotra teo ambony fandriana namaky gazety Tilikambo Fiambenana! Mbola vao haingana noho ny gazety natolotray aza ilay gazetiny. Nohazavainy fa nalefa fiaramanidina ny taratasiny sy ny gazetiny. Mbola tsy naharay ny gazety farany kosa izahay tamin’io fotoana io, satria efa valo andro mahery izahay no tsy tany amin’ny fiangonana nisy anay. Nilaza io lahiantitra io fa Fred Berg no anarany. Nilaza koa izy fa sambany vao notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia efa an-taona maro aza no nahazo gazety tsy tapaka. Nasainy nijanona tao aminy izahay iny alina iny. Afaka nampianatra azy fahamarinana maro avy tao amin’ny Soratra Masina izahay. Nilazanay koa izy fa hasainay hitsidika azy ny Vavolombelona mpankany amin’ilay faritra.

Niandraikitra faritra kely telo aho nandritra ny taona maro. Nanomboka tany atsinanana, any Grande Prairie, Alberta izany, ka hatrany andrefana, any Kodiak, Alaska. Maherin’ny 3 500 kilaometatra ny elanelan’ireo faritra ireo.

Nahafaly ahy ny nahita fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’ny olona rehetra any amin’ny faritra lavitra i Jehovah, toy ny ataony any an-toeran-kafa. Manova ny saina sy ny fon’ny olona maniry hiaina mandrakizay koa ny fanahiny. Iray tamin’ireny olona ireny i Henry Lepine, avy any Dawson City, any Yukon, antsoina hoe Dawson ankehitriny. Nipetraka tany amin’ny toerana nitokana i Henry. Mbola tsy nivoaka ny tanàna fitrandrahana volamena mihitsy izy nandritra ny 60 taona mahery. Natosiky ny fanahin’i Jehovah anefa io lehilahy 84 taona io, ka nanao dia 1 600 kilaometatra mahery nankany Anchorage, mba hanatrika fivoriamben’ny faritra, na dia mbola tsy nanatrika ny fivorian’ny fiangonana mihitsy aza izy. Tena nahafinaritra azy ilay fandaharana, ary tena faly izy niaraka tamin’ireo rahalahy. Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Henry, rehefa niverina tany Dawson City. Nanontany tena ny olona maro nahafantatra an’io lahiantitra io hoe inona no nahatonga azy hanao izany dia lavitra be izany. Nisy zokiolona vitsivitsy nanontany toy izany koa, ka lasa nanaiky ny fahamarinana tamin’ny farany. Nanao fanambarana tsara àry i Henry, na dia tsy nivantana aza izany.

Nahazo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah

Faly aho tamin’ny 1955, satria voasa hanatrika ny kilasy faha-26 tamin’ny Sekolin’i Gileada. Nanatanjaka ny finoako sy nanampy ahy ho akaiky kokoa an’i Jehovah io fianarana io. Voatendry hanohy ny asa fitetezam-paritra teto Kanada aho, rehefa vita ilay fianarana.

Nanompo tany amin’ny faritanin’i Ontario aho nandritra ny herintaona teo ho eo. Notendrena tany Alaska indray aho avy eo. Tsara tarehy ny toerana any. Mbola tsy afaka ato an-tsaiko ny lalam-be tsara tarehy manamorona farihy madio mangalahala, ary miakatra manaraka tandavan-tendrombohitra rakotry ny orampanala ny tampony. Rakotra voninkazo dia mareva-doko ny lohasaha sy ny lemaka mandritra ny vanin-taona mafana, ka mahavariana erỳ ny mijery azy. Madio ny rivotra sy ny rano. Mandehandeha malalaka manerana ny fonenany ny orsa, amboadia, serfa, ary ny bibidia hafa.

Nahitana zava-tsarotra anefa ny fandehanana tany Alaska. Tsy vitan’ny hoe miovaova mantsy ny toetr’andro, fa mifanalavitra be koa ny toerana. Mahatratra 3 200 kilaometatra avy any atsinanana mankany andrefana ny faritra niandraiketako. Mbola tsy nomena fiarakodia ny mpiandraikitra ny faritra tamin’izany. Nanolo-tena hitondra ahy tamin’ny fiara avy tamin’ny fiangonana iray nankany amin’ny fiangonana hafa ny rahalahy teo an-toerana. Tsy maintsy nanakana mpitondra kamiao na mpizaha tany anefa aho indraindray.

Sendra zava-tsarotra, ohatra, aho tany amin’ny Lalam-ben’i Alaska, teo anelanelan’i Tok Junction sy ny faritr’i Scotty Creek. Nifanelanelana 160 kilaometatra teo ho eo ny doanina tamin’ireo toerana roa ireo. Nandalo teo amin’ny doanina amerikanina aho tany Tok, ary afaka nandeha fiara tamin’ny lalana 50 kilaometatra teo ho eo. Tsy nisy fiara nandalo intsony anefa taorian’izay, ka voatery nandeha an-tongotra adiny folo teo ho eo aho, ary nahavita 40 kilaometatra mahery. Tatỳ aoriana vao reko fa najanona daholo ny fifamoivoizana teo anelanelan’i Tok Junction sy Scotty Creek, satria nisy orampanala nihotsaka teo akaikin’ilay doanina, taoriana kelin’ny nandalovako. Nidina 23 degre ambanin’ny zero tany ho any ny mari-pana tamin’ny misasakalina, nefa mbola 80 kilaometatra teo ho eo vao nisy trano. Tena nila toerana azoko natoriana aho tamin’izay.

Nanohy ny diako moramora aho, ary nahita fiara tsy nisy tompony intsony teo amoron-dalana. Rakotry ny orampanala ny ampahany tamin’izy io. Nieritreritra aho hoe ho voaro tamin’ny hatsiaka mandra-pahamarainan’ny andro, raha tafiditra tao anatin’ilay fiara ka natory teo ambony seza. Nesoriko àry ny orampanala mba hivohan’ny varavarana, kanjo tsy nisy seza intsony tao amin’ilay fiara, fa vy sisa tavela. Soa ihany fa nahita trano kely tsy nisy olona aho, teo akaiky teo. Sahirana ihany aho vao tafiditra tao sy nahavita nandrehitra afo, nefa afaka natory nandritra ny ora vitsivitsy aho. Nahita fiara afaka nitondra ahy tany amin’ny toerana manaraka nisy hotely aho ny marainan’iny. Nahazo ny sakafo nilaiko aho tany, ary afaka nikarakara ny rantsantanako ngoly.

Ampitomboin’i Jehovah ny any Alaska

Ny fitsidihako voalohany tany Fairbanks no tena nampahery ahy. Nahita vokatra tsara izahay teny amin’ny fanompoana, ary 50 teo ho eo no nanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro ny alahady. Tao amin’ny trano kely nipetrahan’ny misionera roa, dia i Vernor sy Lorraine Davis, no nanaovana ilay lahateny. Nitsirika avy teny amin’ny lakozia sy ny efitra fandriana ary ny lalantsara ny olona mba handre ilay lahateny. Hitanay avy tamin’ny habetsahan’ny mpanatrika fa nila Efitrano Fanjakana izahay mba hampandrosoana ny asa fitoriana tany Fairbanks. Noho ny fanampian’i Jehovah àry, dia nividy trano malalaka fandihizana izahay, ary nafindranay tany amin’ny toerana nety tsara ilay izy. Nanao lava-drano izahay, ary nasianay efitrano fidiovana sy fitaovana fanafanana ilay trano. Herintaona monja, dia nisokatra ny Efitrano Fanjakanan’i Fairbanks. Nasiana lakozia ilay izy tatỳ aoriana, ka azo nampiasaina nanaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 1958, ary 330 no nanatrika.

Nanao dia lava be tamin’ny fiara nankany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York aho, tany antenatenan’ny taona 1960. Hanatrika fampiofanana fanampiny, natokana ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany any Etazonia sy eto Kanada no anton-diako tany. Nanadinadina ahy tamin’izay, ny Rahalahy Nathan Knorr sy ny rahalahy hafa nanana andraikitra, satria nieritreritra ny hanorina biraon’ny sampana tany Alaska ry zareo. Volana vitsivitsy taorian’izay, dia faly izahay nandre fa hanana ny biraon’ny sampany manokana i Alaska, manomboka ny 1 Septambra 1961. Voatendry hiandraikitra ny asa tao amin’ny sampana ny Rahalahy Andrew Wagner. Efa nanompo tany Brooklyn nandritra ny 20 taona izy sy Vera vadiny, ary efa za-draharaha tamin’ny asa fitetezam-paritany koa. Tena nankasitrahanay ny fanorenana ny biraon’ny sampan’i Alaska satria nihena ny dia nataon’ny mpiandraikitra ny faritra, ka afaka nifantoka kokoa tamin’izay zavatra tena nilain’ny fiangonana sy ny faritany mitokana izy ireo.

Fotoam-pifaliana ho an’i Alaska ny vanin-taona mafana tamin’ny 1962. Notokanana ny sampan’i Alaska, ary nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Juneau, any Alaska ihany. Nisy Efitrano Fanjakana vaovao maro naorina tany Juneau sy Whitehorse, any Yukon, ary nisy antoko-mpitory vaovao maro niforona.

Niverina teto Kanada

Nifanoratra tamin’i Margareta Petras avy eto Kanada aho, nandritra ny taona maro. Reta no fiantsoana azy. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana izy tamin’ny 1947. Nahazo diplaoman’i Gileada izy tamin’ny 1955, ary lasa mpisava lalana tany atsinanan’i Kanada. Nangataka azy ho vady aho, ary nanaiky izy. Natao tany Whitehorse ny mariazinay tamin’ny Febroary 1963. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra tany andrefan’i Kanada aho, tamin’ny faramparan’io taona io, ary faly izahay nanompo tany nandritra ny 25 taona nanaraka.

Nihatsy salama izahay, ka notendrena ho mpisava lalana manokana teto Winnipeg, eto Manitoba, nanomboka tamin’ny 1988. Anisan’ny asa nataonay tamin’izany ny fikarakarana Efitrano Fivoriambe, nandritra ny dimy taona teo ho eo. Mbola mandray anjara araka izay vitanay amin’ilay asa mahafaly, dia ny fanaovana mpianatra, izahay. Tamin’ny fotoana nanaovanay ny asan’ny faritra, dia nanomboka fampianarana Baiboly maro be izahay ary ny olon-kafa no nanohy azy. Noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah anefa ankehitriny, dia manomboka fampianarana Baiboly izahay, ary faly satria mahita ny mpianatray mandroso ho amin’ny fanoloran-tena sy batisa.

Miaiky aho fa ny fanompoana an’i Jehovah no fomba fiaina tsara indrindra. Tsara izy io sady mahafa-po, ary mahatonga ny fitiavantsika an’i Jehovah hihalalina kokoa isan’andro. Izany no tena mahasambatra. Na inona na inona fanendrena omen’i Jehovah antsika, na aiza na aiza misy antsika, dia manaiky ity tenin’ny mpanao salamo ity isika: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.”​—Salamo 144:15.

[Sary, pejy 24, 25]

Tamin’izaho nitety faritra

[Sary, pejy 25]

Nitsidika an’i Henry Lepine tany Dawson City. Eo ankavia aho

[Sary, pejy 26]

Efitrano Fanjakana voalohany tany Anchorage

[Sary, pejy 26]

Izahay sy Reta, 1998