Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Antoka ny Fanantenan’ny Mpanompon’i Jehovah

Azo Antoka ny Fanantenan’ny Mpanompon’i Jehovah

Azo Antoka ny Fanantenan’ny Mpanompon’i Jehovah

‘Izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro dia ho tahaka ny ando avy amin’i Jehovah, izay tsy manantena olombelona.’​—MIKA 5:6.

1. Ahoana no itondran’ny Isiraely ara-panahy famelombelomana ho an’ny olona?

I JEHOVAH no Mpanao ny orana sy ny ando. Ho diso fanantenana izay miantehitra amin’ny olombelona mba hahazoana ando na orana. Hoy i Mika mpaminany: “Izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro dia ho tahaka ny ando avy amin’i Jehovah, sy tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra, izay tsy manantena mpaniraka, na miandry zanak’olombelona.” (Mika 5:6) Iza no “sisa amin’i Jakoba” ankehitriny? Izy ireo dia Isiraelita ara-panahy, na ny sisa amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra.” (Galatiana 6:16) Ho an’ny “firenena maro” eto an-tany, dia toy ny “ando avy amin’i Jehovah” izy ireo, ary toy ny “ranonorana eny amin’ny ahitra.” Tena mitondra famelombelomana avy amin’Andriamanitra tokoa ireo Kristianina voahosotra mbola eto an-tany. Irahin’i Jehovah ireo mpitory ilay Fanjakana ireo, mba hitondra fanantenana azo antoka ho an’ny olona.

2. Nahoana isika no manana fanantenana azo antoka, na dia miaina eo anivon’ny tontolo mikorontana aza?

2 Tsy tokony hahagaga raha tsy manana fanantenana azo antoka ity tontolo ity. Misy ny korontana ara-politika, ny fitondran-tena miharatsy, ny asan-jiolahy, ny olana ara-toe-karena, ny asa fampihorohoroana, ary ny ady. Efa ampoizintsika izany, satria i Satana Devoly no mifehy ity tontolo ity. (1 Jaona 5:19) Olona maro no manahy ny amin’ny hoavy. Tsy manahy kosa anefa isika mpivavaka amin’i Jehovah, satria manana fanantenana azo antoka momba ny hoavy isika. Miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra io fanantenantsika io. Matoky an’i Jehovah sy ny Teniny isika, satria tanteraka foana izay lazainy.

3. a) Nahoana i Jehovah no hanasazy ny Isiraely sy Joda? b) Nahoana ny tenin’i Mika no mihatra amin’ny androntsika koa?

3 Manatanjaka antsika handeha amin’ny anaran’i Jehovah ny faminanian’i Mika, sady mahatonga antsika hanana fanantenana azo antoka. Fony naminany i Mika tamin’ny taonjato fahavalo T.K. dia nizara roa ilay vahoaka nanao fifanekena tamin’Andriamanitra, dia ny Isiraely sy Joda. Samy tsy niraharaha ilay fifanekena izy ireo, ka niharatsy ny fitondran-tenany, nivadi-pinoana izy ireo, ary nanjary tia harena tafahoatra. Nampitandrina àry i Jehovah fa hanasazy azy ireo izy. Marina aloha fa ireo mpiara-belona tamin’i Mika no tena nampitandreman’Andriamanitra. Mihatra amin’ny androntsika koa anefa ny tenin’i Mika, satria tena mitovy amin’ny zava-nisy tamin’ny androny ny toe-javatra ankehitriny. Hahita izany isika, rehefa mandinika ireo hevitra misongadina ao amin’ireo toko fito amin’ny bokin’i Mika.

Topy maso amin’ny bokin’i Mika

4. Inona no fanazavana hita ao amin’ny Mika toko 1 ka hatramin’ny faha-3?

4 Hojerentsika amin’ny ambangovangony aloha ny bokin’i Mika. Ao amin’ny toko 1, dia ahariharin’i Jehovah ny fikomian’ny Isiraely sy Joda. Nandika ny didiny izy ireo, ka horinganina ny Isiraely, ary ho tonga hatreny amin’ny vavahadin’i Jerosalema ny sazin’ny Joda. Asehon’ny toko faha-2 fa mampahory ny osa sy ny tsy misy mpiaro, ireo manankarena sy matanjaka. Misy fampanantenana avy amin’Andriamanitra koa anefa ao. Hangonina ny vahoakany, ary hiray saina. Milaza ny didim-pitsaran’i Jehovah ho an’ireo mpitondra sy mpaminany tsy mpankatò kosa ny toko faha-3. Mamadika ny rariny ireo mpitondra, ary mandainga ireo mpaminany. Na izany aza anefa, dia nohatanjahin’ny fanahy masina i Mika, ka nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah.

5. Inona no votoatin’ny Mika toko faha-4 sy faha-5?

5 Milaza mialoha ny toko faha-4 fa any am-parany, dia hiakatra any an-tendrombohitra avo misy ny tranon’i Jehovah ny firenena rehetra mba hampianariny. Hatao sesitany any Babylona ny Joda alohan’izany, kanefa hanafaka azy i Jehovah. Ambaran’ny toko faha-5 fa ho teraka ao Betlehema any Joda ny Mesia. Hiandry ny vahoakany izy ary hanafaka azy ireo amin’ny firenena mampahory azy.

6, 7. Inona no hevitra velabelarina ao amin’ny faminanian’i Mika toko faha-6 sy faha-7?

6 Ao amin’ny toko faha-6, dia toy ny miampanga ny olony any amin’ny fitsarana i Jehovah. Fa inona moa no nataony no mikomy ny vahoakany? Tsy nisy. Ara-drariny tsara ny zavatra takiny. Tiany hanao ny rariny sy ho tsara fanahy ary hanetry tena ny mpivavaka aminy, rehefa miara-mandeha aminy. Tsy nanao izany anefa ny Isiraely sy Joda, fa nikomy, ka tsy maintsy hizaka ny vokany.

7 Ao amin’ny toko farany amin’ilay faminaniana, dia mampiharihary ny faharatsian’ireo mpiara-belona taminy i Mika. Tsy kivy anefa izy, fa tapa-kevitra ny “hiandry” an’i Jehovah. (Mika 7:7) Eo am-pamaranana ilay bokiny, dia asehony fa matoky izy hoe hamindra fo amin’ny vahoakany i Jehovah. Voaporofon’ny tantara fa tanteraka izany fanantenany izany. Rehefa tapitra ny sazy nampiharin’i Jehovah tamin’ny vahoakany, tamin’ny taona 537 T.K. dia namindra fo izy, ka namerina ny sisa tamin’izy ireo tany amin’ny taniny.

8. Ahoana no amintinanao ny bokin’i Mika?

8 Faran’izay tsara tokoa ny zavatra nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mika! Io boky ara-tsindrimandry io dia mirakitra ohatra fampitandremana, mampiseho izay ataon’Andriamanitra amin’ny olona mihambo ho mpanompony nefa mivadika. Voalazan’io boky io mialoha ny zava-mitranga ankehitriny. Omeny ao koa ny torohevitr’Andriamanitra mahakasika ny fitondran-tena tokony hananantsika mandritra izao andro sarotra izao, mba hahamafy orina ny fanantenantsika.

Miteny i Jehovah Tompo Fara Tampony

9. Inona no hataon’i Jehovah, araka ny Mika 1:2?

9 Andeha hodinihintsika amin’ny an-tsipiriany izao ny bokin’i Mika. Izao no vakintsika ao amin’ny Mika 1:2: “Samia mihaino hianareo, ry firenena rehetra; atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, dia Jehovah avy ao amin’ny tempoliny masina.” Tsy maintsy ho nisarika ny sainao ireo teny ireo, raha velona tamin’ny andron’i Mika ianao. Tena misarika ny sainao tokoa izy ireo, satria miteny avy ao amin’ny tempoliny masina i Jehovah, ary tsy ny Isiraely sy Joda ihany no iresahany, fa ny firenena rehetra. Tamin’ny andron’i Mika, dia efa hatramin’ny ela loatra ny olona no tsy niraharaha an’i Jehovah Tompo Fara Tampony. Hiova tsy ho ela anefa izany. Tapa-kevitra ny hanao zavatra hentitra i Jehovah.

10. Nahoana no zava-dehibe amintsika ny teny ao amin’ny Mika 1:2?

10 Toy izany koa ny amin’izao andro izao. Asehon’ny Apokalypsy 14:18-20 fa miteny avy ao amin’ny tempoliny masina indray i Jehovah. Tsy ho ela dia hanao zavatra hentitra izy, ary hisy fisehoan-javatra lehibe indray hanaitra mafy ny olombelona. Amin’izay fotoana izay, ny ‘voaloboka ratsin’ny tany’ dia hatsipy ao amin’ny ‘famiazam-boaloboka lehibe’, na ny fahatezeran’i Jehovah, ka ho ringana tanteraka ny tontolon’i Satana.

11. Inona no dikan’ireo teny ao amin’ny Mika 1:3, 4?

11 Henoy ny zavatra hataon’i Jehovah. Hoy ny Mika 1:3, 4: “Indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ny fitoerany ary midina ka mandia ny havoana amin’ny tany. Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, ary mivava ny lohasaha, tahaka ny savoka taninin’ny afo, sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin’ny hantsana.” Midika ve izany fa hidina avy any an-danitra fonenany i Jehovah, ka hamakivaky ara-bakiteny ny tendrombohitra sy ny lohasahan’ny Tany Nampanantenaina? Tsia. Tsy mila manao izany izy. Hampitodika ny sainy ho amin’ny tany fotsiny izy, dia ho tanteraka ny sitrapony. Ankoatra izany, dia ny olona no hiharan’ireo zavatra voambara ireo, fa tsy ny tany ara-bakiteny. Hidiran-doza ireo tsy mahatoky, rehefa hanao zavatra i Jehovah, ka toy ny hoe mitsonika tahaka ny savoka ny tendrombohitra, ary ny lohasaha mitresaka noho ny horohoron-tany.

12, 13. Inona no hanamafy orina ny fanantenantsika, araka ny 2 Petera 3:10-12?

12 Mety hampahatsiaro anao faminaniana iray hafa manambara loza ho an’ny tany ny faminanian’ny Mika 1:3, 4. Hoy ny apostoly Petera, araka ny 2 Petera 3:10: “Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.” Toy ny faminanian’i Mika, dia tsy miresaka momba ny lanitra sy tany ara-bakiteny i Petera. Manondro fahoriana lehibe iray hihatra amin’ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity kosa izy io.

13 Toa an’i Mika anefa ny Kristianina, ka tsy matahotra ny hoavy, na dia hisy aza izany loza izany. Fa nahoana? Satria manaraka ny torohevitra ao amin’ny andininy manaraka ao amin’ny taratasy nosoratan’i Petera izy ireo. Izao no lazain’io apostoly io ao: “Olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra!” (2 Petera 3:11, 12) Ho azo antoka ny fanantenantsika, raha miezaka isika hanana fo mankatò sy fitondran-tena masina, ary mazoto maneho toe-panahy araka an’Andriamanitra, na mahafoy tena ho azy. Mba hanamafy orina ny fanantenantsika, dia tsy maintsy tadidintsika koa fa tsy maintsy ho avy ny andron’i Jehovah.

14. Nahoana no mendrika hosazina ny Isiraely sy Joda?

14 Hazavain’i Jehovah hoe nahoana ny vahoakany fahiny no mendrika hosazina. Hoy ny Mika 1:5: “Noho ny fahadisoan’i Jakoba sy ny fahotan’ny taranak’Isiraely no isian’izany rehetra izany. Iza no nahadiso an’i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon’i Joda? Tsy Jerosalema va?” Tsy ho nisy ny Isiraely sy Joda, raha tsy noho i Jehovah. Nikomy taminy anefa izy ireo, ary nikomy koa na dia i Samaria sy Jerosalema, renivohitr’izy ireo, aza.

Manjaka ny faharatsiana

15, 16. Inona no asa ratsy nahameloka ny mpiara-belona tamin’i Mika?

15 Voatantara tsara ao amin’ny Mika 2:1, 2 ny zava-dratsy sasany nataon’ny mpiara-belona tamin’i Mika. Izao no vakintsika ao: “Lozan’izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, satria manan-kery ny tànany. Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, sy trano koa ka mahalasa azy; ary mampahory olona mbamin’ny ankohonany izy, dia ny olona mbamin’ny lovany.”

16 Miari-tory ny olona matimatin-karena, ka mitady tetika hangalarany ny tany sy ny tranon’ny namany. Mailaka erỳ izy ireo manatanteraka ny teti-dratsiny rehefa maraina ny andro. Tsy ho nanao izany asa ratsy izany izy ireo, raha nitadidy ny fifanekeny tamin’i Jehovah. Misy fitsipika miaro ny mahantra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy, ka tsy misy fianakaviana tokony hamoy tanteraka ny lovany. Tsy te hahalala izany anefa ireo olona matimatin-karena ireo. Tsy raharahain’izy ireo ny teny ao amin’ny Levitikosy 19:18, hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

17. Inona no mety hitranga, rehefa manao ny harena ho loha laharana eo amin’ny fiainany ny olona mihambo ho manompo an’Andriamanitra?

17 Izany no mety hitranga rehefa mihambo ho manompo an’Andriamanitra ny olona, nefa manao tsirambina ny tanjona ara-panahy, ary manao ny harena ho loha laharana eo amin’ny fiainany. Nampitandrina ny Kristianina tamin’ny androny i Paoly hoe: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.” (1 Timoty 6:9) Izay manao ny fitadiavam-bola ho tanjony voalohany eo amin’ny fiainana, dia manompo andriamani-diso, raha ny marina. Manompo an’i Mamôna na ny Harena izy. Tsy manome fanantenana azo antoka momba ny hoavy anefa io andriamani-diso io.​—Matio 6:24.

18. Inona no hanjo an’ireo matimatin-karena tamin’ny andron’i Mika?

18 Efa nizaka ny voka-dratsiny ny olona maro tamin’ny andron’i Mika, vao niaiky fa mandiso fanantenana ny miantehitra amin’ny harena. Hoy i Jehovah, araka ny Mika 2:4: “Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko; endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an’ny mpiodina avy ny tanintsika!” Hamoy ny lova avy amin’ny fianakaviany tokoa ireo mpangalatra trano sy tany ireo. Hatao sesitany izy ireo, ary ny fananany dia ho babon’ny “mpiodina”, na ny olona hafa firenena. Vita hatreo ny fanantenany fiainana mampiadana.

19, 20. Inona no nitranga tamin’ireo Jiosy natoky an’i Jehovah?

19 Tsy ho diso fanantenana anefa ireo mitoky amin’i Jehovah. Tsy mivadika amin’ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Davida i Jehovah, ary mamindra fo amin’ireo toa an’i Mika, izany hoe amin’ireo tia azy sy malahelo satria niala tamin’Andriamanitra ny mpiara-belona aminy. Haverin’Andriamanitra any amin’ny taniny ireny olona marina ireny amin’ny fotoana voatondrony.

20 Nitranga izany tamin’ny taona 537 T.K., rehefa resy i Babylona, ka nody tany an-tanindrazany ny sisa tamin’ny Jiosy. Tamin’izay no tanteraka voalohany ny Mika 2:12. Hoy i Jehovah ao: “Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, ary hanangona ny sisa amin’ny Isiraely tokoa, hakambako toy ny ondry any amin’ny vala izy,​—toy ny ondry andiany ao amin’ny tany fiandrasana; hitabataba izy noho ny hamaroan’ny olona.” Tena be fitiavana tokoa i Jehovah! Rehefa avy nanafay ny vahoakany izy, dia navelany hody ny sisa tamin’izy ireo, mba hanompo azy tany amin’ny tany nomeny ny razambeny.

Fitoviana mahavariana amin’ny androntsika

21. Inona no mampitovy ny zava-misy ankehitriny sy ny tamin’ny andron’i Mika?

21 Rehefa avy nandinika ny toko roa voalohany amin’ny Mika ianao, moa ve nanaitra anao ny nahita fa tena mitovy amin’ny zava-misy amin’izao andro izao ny voalaza ao? Toy ny tamin’ny andron’i Mika, dia maro no mihambo ho manompo an’Andriamanitra ankehitriny. Misara-bazana sy miady amin’izy samy izy anefa izy ireo, toy ny Joda sy Isiraely. Mpanan-karena maro ao amin’ny Kristianisma Anarana no mampahory ireo mahantra. Vao mainka mihamilefitra sy manala tsiny ireo fanao raran’ny Baiboly mazava tsara ny mpitondra fivavahana. Tsy mahagaga raha haringana tsy ho ela ny Kristianisma Anarana, sy ny sisa amin’i “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso rehetra! (Apokalypsy 18:1-5) Hisy mpanompon’i Jehovah mahatoky foana anefa eto an-tany, toy ny tamin’ny andron’i Mika.

22. Iza ireo antokon’olona roa manantena ny Fanjakan’Andriamanitra?

22 Tamin’ny 1919, dia nisaraka tanteraka tamin’ny Kristianisma Anarana ireo Kristianina voahosotra nahatoky, ary nanomboka nanambara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ny firenena rehetra. (Matio 24:14) Nitady ny sisa tamin’ny Isiraely ara-panahy aloha izy ireo. Nanomboka nangonina koa ny “ondry hafa” avy eo, ary lasa “andiany iray” tarihin’ny ‘Mpiandry iray’ ireo antokon’olona roa ireo. (Jaona 10:16) Miray saina, toy ny hoe ‘nakambana’, ireo mpanompo mahatoky rehetra ireo, na dia manompo an’i Jehovah any amin’ny tany 234 aza. ‘Mitabataba’ izao ny ao amin’ny vala, “noho ny hamaroan’ny” lehilahy sy vehivavy ary ankizy ao aminy. Tsy ity tontolo ity no antenain’izy ireo, fa ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanorina tsy ho ela ny Paradisa eto an-tany.

23. Nahoana ianao no matoky fa azo antoka ny fanantenanao?

23 Hoy ny andininy farany amin’ny Mika toko faha-2 momba ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky: “Ny mpanjakany mandroso eo alohany, ary Jehovah no mitarika azy.” Azonao sary an-tsaina ve ny tenanao ao amin’io filaharan’ny mpandresy io, manaraka an’i Jesosy Kristy Mpanjakanao, ary tarihin’i Jehovah mihitsy? Raha izany no izy, dia afaka matoky ianao fa hahazo ny fandresena, ary azo antoka ny fanantenanao. Hazava kokoa izany, rehefa handinika ny hevitra hafa misongadina ao amin’ny faminanian’i Mika isika.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana i Jehovah no nanasazy ny Joda sy Isiraely tamin’ny andron’i Mika?

• Inona no mety hitranga, rehefa manao ny harena ho loha laharana eo amin’ny fiainany ny olona mihambo ho manompo an’Andriamanitra?

• Nahoana ianao no matoky fa azo antoka ny fanantenanao, rehefa avy nandinika ny Mika toko 1 sy faha-2?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Mampahery antsika ny faminanian’i Mika

[Sary, pejy 10]

Toa an’ireo Jiosy sisa tavela tamin’ny 537 T.K. dia mampandroso ny fivavahana marina ny Isiraelita ara-panahy sy ny namany