Handeha Amin’ny Anaran’i Jehovah Mandrakizay Isika!
Handeha Amin’ny Anaran’i Jehovah Mandrakizay Isika!
‘Handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria isika.’—MIKA 4:5.
1. Inona no hafatra ao amin’ny Mika toko faha-3 ka hatramin’ny faha-5?
NANAN-JAVATRA holazaina tamin’ny vahoakany i Jehovah, ka nampiasa an’i Mika ho mpaminaniny. Nikasa hanafay ny ratsy fanahy izy, ary hanasazy ny Isiraely, noho izy ireo nivadi-pinoana. Soa ihany anefa fa hitahy izay mandeha amin’ny anarany i Jehovah. Ireo no hafatra misongadina ao amin’ny faminanian’i Mika toko faha-3 ka hatramin’ny faha-5.
2, 3. a) Inona no toetra tokony ho nananan’ireo mpitondra ny Isiraely, nefa inona no nataony? b) Ahoana no hanazavanao ireo sarin-teny ao amin’ny Mika 3:2, 3?
2 Hoy ilay mpaminanin’Andriamanitra: “Masìna hianareo, mihainoa, ry loholon’i Jakoba, sy hianareo mpanapaka ny taranak’Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?” Izany tokoa no andraikitr’izy ireo. Inona anefa no nataony? Hoy i Mika: “Hianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, izay manendaka ny hoditry ny olona sy ny nofony amin’ny taolany, eny, hianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa sady manendaka ny hodiny ary mamakivaky ny taolany; eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, ary toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena.”—Mika 3:1-3.
3 Sahin’ireo mpitondra tokoa ny nampahory ilay vahoaka nahantra sy tsy nisy mpiaro! Mora tamin’ireo nihaino an’i Mika ny nahazo ireo sarin-teny ireo. Alohan’ny handrahoana ny ondry vao novonoina, dia endahana aloha ny hodiny, ary tetehina ilay izy. Indraindray dia vakina ny taolany mba hahazoana ny tsokany. Ampangotrahina ao anaty vilany be, toy ilay nolazain’i Mika, ny nofony sy ny taolany. (Ezekiela 24:3-5, 10) Tena voalazan’io fanoharana io tsara ny fahorian’ilay vahoaka nampijalin’ireo mpitondra ratsy fanahy, tamin’ny andron’i Mika!
Takin’i Jehovah ny hanaovantsika ny rariny
4. Inona no tsy mampitovy ny mpitondra ny Isiraely amin’i Jehovah?
4 Tena tsy mitovy amin’i Jehovah, Mpiandry be fitiavana, ireo mpitondra ny Isiraely. Tsy nanao ny rariny izy ireo, ka tsy nahavita ny asa nankinina taminy, dia ny miaro ny ondry. Tia tena kosa izy ireo, ka nanararaotra ny ondry, na ny vahoaka. Voalaza ao amin’ny Mika 3:10 fa nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo ny mpitondra, sady ‘nandatsaka ny rany.’ Inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
5. Inona no takin’i Jehovah amin’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny vahoakany?
5 Takin’i Jehovah ny hanaovan’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny vahoakany ny rariny, ary izany tokoa no hitantsika eo anivon’ny mpanompony ankehitriny. Mifanaraka amin’izao voalazan’ny Isaia 32:1 izao koa izany: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny.” Inona anefa no nitranga tamin’ny andron’i Mika? Nikiry nanolana ny rariny foana ny olona ‘nankahala ny tsara’ sy “tia ny ratsy.”
Iza no mahazo valim-bavaka?
6, 7. Inona no hevi-dehibe misongadina ao amin’ny Mika 3:4?
6 Afaka nanantena hahazo sitraka tamin’i Jehovah ve ireo ratsy fanahy tamin’ny andron’i Mika? Mazava ho azy fa tsia! Hoy ny Mika 3:4: “Hitaraina amin’i Jehovah izy, nefa tsy hohenoiny; hanafina ny tavany aminy amin’izany andro izany Izy, araka ny faharatsian’ny nataon’ireo.” Misy hevi-dehibe iray misongadina eo.
7 Tsy hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah, Salamo 26:4: “Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ny olom-petsy.” Raha olombelona aza mihevitra toy izany, tsy mainka ve fa i Jehovah! Tsy hamaly ny vavak’izay minia mandika ny Teniny mihitsy izy!
raha zatra manota isika. Tsy hihaino mihitsy izy, raha miseho ho mpanompony tsy mivadika isika, nefa manafina ny ratsy ataontsika. Nihira toy izao i Davida, ao amin’nyManatanjaka antsika ny fanahin’Andriamanitra
8. Inona no fampitandremana nomena ny mpaminany sandoka tamin’ny andron’i Mika?
8 Faran’izay ratsy ny zavatra nataon’ireo mpitondra fivavahana teo amin’ny Isiraely! Nampaniasia ny vahoakan’Andriamanitra ireo mpaminany sandoka, nitarika azy ireo hiala tamin’ny fivavahana marina. ‘Nitory fiadanana’ ireo mpitondra matimatin-karena, nefa niantso ady masina tamin’ireo tsy nanisy hanina teo am-bavany. “Koa izany no hisian’ny alina aminareo”, hoy i Jehovah, “ka tsy hisy fahitana, ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, ary ho maizina aminy ny andro. Dia ho menatra ny mpahita, ary hangaihay ny mpanao fankatovana; eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra.”—Mika 3:5-7a.
9, 10. Inona no dikan’ilay hoe ‘mitampim-bava’, ary nahoana i Mika no tsy nanana antony hanaovana izany?
9 Nahoana izy ireo no ‘nitampim-bava’? Nanao izany ireo ratsy fanahy tamin’ny andron’i Mika, satria menatra. Ary tokony ho menatra mihitsy ireo olon-dratsy ireo. Tsy nahazo ‘valiny avy tamin’Andriamanitra’ izy ireo. (Mika 3:7b) Tsy mihaino ny vavaky ny olon-dratsy mieboebo i Jehovah.
10 Tsy nisy antony tokony ‘hampitampim-bava’ an’i Mika kosa anefa, satria tsy nisy nahamenatra azy. Namaly ny vavaka nataony i Jehovah. Mariho ny nolazain’io mpaminany nahatoky io, ao amin’ny Mika 3:8. Hoy izy: “Izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin’i Jehovah, mbamin’ny rariny sy ny faherezana.” Tena velom-pankasitrahana i Mika, satria “feno hery, dia ny Fanahin’i Jehovah” foana izy, nandritra ny fotoana lava be nanompoany tamim-pahatokiana! Izany no nanatanjaka azy, “mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy amin’Isiraely ny fahotany.”
11. Ahoana no ahazoan’ny olombelona tanjaka hanambarana ny hafatr’Andriamanitra?
11 Nila hery nihoatra noho ny an’ny olombelona i Mika, mba hanambarana fa nomelohin’Andriamanitra ireo firenena ireo. Tena ilaina ny fanahin’Andriamanitra, na ny hery lehibe ampiasainy. Ahoana ny amintsika? Tsy hahavita ny asa fitoriana nanirahana antsika isika, raha tsy omen’i Jehovah fanahy masina hanatanjaka antsika. Ho very maina ny fiezahantsika mitory, raha manohy manota an-tsitrapo isika. Tsy hamaly ny vavaka ataontsika mantsy Andriamanitra, na dia mangataka hery aminy hanaovana io asa io aza isika. Azo antoka fa tsy ho afaka hanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah Raintsika any an-danitra isika, raha tsy manana ‘ny fanahiny.’ Hanana herim-po hitoriana ny Teniny toa an’i Mika kosa isika, rehefa henoiny ny vavaka ataontsika, sady ampian’ny fanahy masina isika.
12. Nahoana ireo mpianatr’i Jesosy voalohany no afaka ‘nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana’ hatrany?
12 Tsaroanao angamba ilay tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:23-31. Eritrereto hoe anisan’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany ianao. Nisy mpanenjika nafana fo loatra, ka nitady hisakana ny mpanara-dia an’i Kristy tsy hitory. Tsy nivadika anefa izy ireo, ary nitalaho tamin’ilay Tompo Fara Tampony hoe: “Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra.” Inona no vokany? Rehefa nivavaka izy ireo, dia nihovitrovitra ny trano niangonany, ary feno ny fanahy masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana. Enga anie isika koa hivavaka sy hangataka fanampiana amin’i Jehovah, ary hiantehitra amin’ny fanahiny masina, rehefa manao ny fanompoantsika.
13. Inona no hanjo an’i Jerosalema sy Samaria, ary nahoana?
13 Eritrereto indray ny tamin’ny andron’i Mika. Lazain’ny Mika 3:9-12 fa nitsara mba hahazoany kolikoly ireo mpitondra nivesatra trosan-dra, nampianatra mba hahazoany karama ny mpisorona, ary nanao fankatovana, na sikidy, mba hahazoany vola ireo mpaminany sandoka. Tsy mahagaga raha namoaka didim-pitsarana i Jehovah hoe “ho tonga korontam-bato” i Jerosalema, renivohitr’i Joda! Maro be koa ny olona nanaraka fivavahan-diso sy ratsy fitondran-tena teo amin’ny Isiraely, hany ka nasain’Andriamanitra nampitandrina i Mika fa hataony “korontam-bato” i Samaria. (Mika 1:6) Mbola velona io mpaminany io tamin’ny taona 740 T.K., ka nahita ny nandringanan’ny tafika asyrianina an’i Samaria tamin’izay, araka ny efa nambara mialoha. (2 Mpanjaka 17:5, 6; 25:1-21) Hafatra mafonja tokoa izany, ka tsy ho voambara raha tsy tamin’ny herin’i Jehovah.
14. Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Mika 3:12, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?
Mika 3:12 hoe “hasaina toy ny tanimboly” i Ziona. Fantatsika amin’izao andro izao fa nitranga ireo zavatra ireo fony nandrava an’i Joda sy Jerosalema ny Babylonianina, tamin’ny taona 607 T.K. Taona maro taorian’ny naminanian’i Mika izany vao niseho, nefa natoky izy fa ho tanteraka ilay izy. Tokony hatoky koa isika fa hifarana ity tontolo ratsy ity mandritra ilay “andron’Andriamanitra” nambara mialoha.—2 Petera 3:11, 12.
14 Tsy afaka nandositra ny fanamelohan’i Jehovah i Joda. Tanteraka ny faminaniana ao amin’nyManitsy ny vahoakany i Jehovah
15. Ahoana no ilazanao ilay faminaniana ao amin’ny Mika 4:1-4 amin’ny fomba fiteninao?
15 Raha iverenantsika ilay faminaniana, dia ho hitantsika fa hafatra mampientam-po sy manome fanantenana no ambaran’i Mika manaraka. Tena mampahery ny Mika 4:1-4! Hoy i Mika: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny firenena hitanjozotra hankany. . . . Ary hitsara ny adin’ny firenena maro Izy ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin’ny lavitra; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony. Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.”
16, 17. Ahoana no ahatanterahan’ny Mika 4:1-4 ankehitriny?
16 Iza ireo “firenena maro” sy “firenena mahery” resahina eo? Tsy ireo firenena sy fitondram-panjakana eto amin’ity tontolo ity izy ireo. Io faminaniana io kosa dia miresaka momba ny olona avy amin’ny firenena rehetra, izay tafaray amin’ny fanompoana masina eo an-tendrombohitr’i Jehovah, dia ny fivavahana marina.
17 Tsy ho ela dia harahina an-tsakany sy an-davany eran-tany ny fivavahana madio, araka ny faminanian’i Mika. Ampianarin’i Jehovah ny sitrapony ny olona manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay. (Asan’ny Apostoly 13:48) Mitsara sy mampiaiky, na manitsy ireo mpino izay miandany amin’ny Fanjakany i Jehovah ankehitriny. Ho anisan’ny “olona betsaka” ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe” izy ireo. (Apokalypsy 7:9, 14) Nanefy ny sabany ho fangady izy ireo, ka dieny izao dia efa miaina amim-piadanana miaraka amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah namany sy ny olon-kafa. Tena mahafaly tokoa ny hoe anisan’izy ireo!
Tapa-kevitra ny handeha amin’ny anaran’i Jehovah
18. Inona no dikan’ny hoe ‘mipetraka eo ambanin’ny voalobony sy aviaviny’?
18 Tena faly isika mahita olona maro mianatra ny sitrapon’i Jehovah, amin’izao fotoana anjakan’ny tahotra izao. Tsy andrintsika erỳ ilay fotoana tsy hianaran’ireo olona tia an’Andriamanitra ireo ady intsony. Kely sisa izany dia hitranga, ary hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy aviaviny izy ireo amin’izay. Matetika ny aviavy no ambolena ao amin’ny tanimboaloboka. (Lioka 13:6) Ny hoe mipetraka eo ambanin’ny voalobony sy aviaviny, dia midika hoe miadana sy sambatra ary tsy manana ahiahy. Dieny izao isika dia milamin-tsaina sy manana finoana matanjaka, noho isika mihavana amin’i Jehovah. Tsy hatahotra na hanana ahiahy mihitsy isika, rehefa hitondra ireo toe-piainana ireo ilay Fanjakana.
19. Inona no dikan’ny hoe mandeha amin’ny anaran’i Jehovah?
19 Tsy maintsy mandeha amin’ny anaran’i Jehovah isika, raha te hahazo ny fankasitrahany sy ny fitahiany. Manantitrantitra izany ilay mpaminany ao amin’ny Mika 4:5. Hoy izy: “Ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” Ny hoe mandeha amin’ny anaran’i Jehovah, dia tsy midika fotsiny hoe milaza fa izy no Andriamanitsika. Tsy ampy koa ny mandray anjara amin’ny fivoriana kristianina, sy ny fitoriana ilay Fanjakana, na dia tena ilaina aza izany. Raha mandeha amin’ny anaran’i Jehovah isika, dia manolo-tena ho azy sady miezaka mafy tsy hivadika aminy, noho ny fitiavantsika azy amin’ny fo manontolo. (Matio 22:37) Ary azo antoka fa tapa-kevitra ny handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay isika mpanompony.
20. Inona no voambara mialoha ao amin’ny Mika 4:6-13?
20 Diniho kosa izao ny faminaniana ao amin’ny Mika 4:6-13. Tsy maintsy hatao sesitany “hatrany Babylona” i “Ziona zanakavavy.” Izany indrindra no nanjo ny mponin’i Jerosalema tamin’ny taonjato fahafito T.K. Voalazan’ny faminanian’i Mika anefa fa hisy sisa amin’izy ireo hiverina any Joda. Rehefa hamerina an’i Ziona amin’ny laoniny i Jehovah, dia homontsamontsaniny koa ny fahavalony.
21, 22. Ahoana no nahatanterahan’ny Mika 5:1?
21 Misy fisehoan-javatra manaitra koa voalaza mialoha ao amin’ny Mika toko faha-5. Mariho, ohatra, izay lazain’ny Mika 5:1-3. Naminany i Mika fa hisy Mpitondra iray voatendrin’Andriamanitra hivoaka avy ao Betlehema, ary “hatry ny fahagola no efa nivoahany.” Hanjaka toy ny mpiandry izy “amin’ny herin’i Jehovah.” Ho lehibe koa izy, tsy eo amin’ny Isiraely fotsiny, fa “hatrany amin’ny faran’ny tany.” Sahiran-tsaina angamba ny ankamaroan’ny olona mamantatra hoe iza io Mpitondra io. Tsy miafina amintsika anefa hoe iza izy.
22 Iza moa no niavaka indrindra tamin’ny olona rehetra teraka tany Betlehema? Ary iza no ho “lehibe hatrany amin’ny faran’ny tany”? Tsy iza fa i Jesosy Kristy, ilay Mesia! Rehefa nanontanian’i Heroda Lehibe ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna hoe aiza ny Mesia no tokony ho teraka, dia hoy izy ireo: “Ao Betlehema an’i Jodia.” Namerina ny teny ao amin’ny Mika 5:1 mihitsy aza izy ireo. (Matio 2:3-6) Nisy nahalala izany koa ny sarambabem-bahoaka, satria nilaza toy izao izy ireo, araka ny Jaona 7:42: “Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin’ny taranak’i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’i Davida?”
Tena famelombelomana ho an’ny olona
23. Inona no mitranga ankehitriny, ka manatanteraka ny Mika 5:6?
23 Miresaka momba ny fanafihan’ny Asyrianina, ny Mika 5:4-14. Voalaza ao fa tsy haharitra ny fandresen’izy ireo, ary hiharan’ny famalian’Andriamanitra ireo firenena tsy mihaino, na tsy mankatò. Mampanantena ny Mika 5:6 fa hiverina any amin’ny taniny ireo Jiosy sisa tavela izay nibebaka. Mihatra amin’ny androntsika koa anefa ireo teny ireo. Hoy i Mika: “Izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro dia ho tahaka ny ando avy amin’i Jehovah, sy tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra.” Asehon’io fanoharana kanto io fa ny sisa amin’i Jakoba, na Isiraely ara-panahy, dia ho toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an’ny olona. Faly ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy, izay manantena hiaina eto an-tany, satria miara-manompo amin’ny sisa amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, ka manatanjaka ny finoan’ny hafa. (Jaona 10:16; Galatiana 6:16; Zefania 3:9) Misy hevitra tsara hosaintsainina momba izany. Tokony hankamamintsika rehetra mpitory ilay Fanjakana ny tombontsoantsika, dia ny mitondra ny tena famelombelomana ho an’ny olona.
24. Inona no hevitra nanaitra anao tao amin’ny Mika toko faha-3 ka hatramin’ny faha-5?
24 Inona àry no nianaranao avy tamin’ny
faminanian’i Mika toko faha-3 ka hatramin’ny faha-5? Ireto hevitra ireto angamba: 1) Takin’i Jehovah ny hanaovan’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny vahoakany ny rariny. 2) Tsy hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah, raha manohy manota an-tsitrapo isika. 3) Tsy ho vita ny asa fitoriana nanirahana antsika, raha tsy manatanjaka antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina Andriamanitra. 4) Tsy maintsy mandeha amin’ny anaran’i Jehovah isika, raha te hahazo sitraka aminy. 5) Tokony hankamamintsika mpitory ilay Fanjakana ny tombontsoantsika, dia ny mitondra ny tena famelombelomana ho an’ny olona. Nisy hevitra hafa nanaitra anao koa angamba tao. Inona no mbola azontsika ianarana avy amin’io bokim-paminaniana io? Ny lahatsoratra manaraka dia hanampy antsika hanatsoaka lesona mahasoa avy amin’ny toko roa farany amin’ny faminanian’i Mika, izay manatanjaka finoana.Ahoana no Havalinao?
• Inona no takin’Andriamanitra amin’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny vahoakany?
• Nahoana ny vavaka sy ny fanahy masina no tena ilaina, rehefa manompo an’i Jehovah?
• Ahoana no ‘andehanan’ny olona amin’ny anaran’i Jehovah’?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 15]
Hainao hazavaina ve ilay fanoharan’i Mika misy resaka vilany?
[Sary, pejy 16]
Be herim-po toa an’i Mika isika rehefa manao fanompoana