Manao Ahoana ny Lazanao?
Manao Ahoana ny Lazanao?
EFA mba namaky filazana manjo tao amin’ny gazety ve ianao, na nahita tatitra lava be momba ny fiainana sy ny zava-bitan’ny olona iray nodimandry? Nanontany tena ve ianao hoe ‘Inona re no mba holazain’ny olona momba ahy e?’ Firifiry akory moa ny mba mieritreritra hoe inona no hotsaroan’ny olona momba azy rehefa maty izy? Diniho ireto fanontaniana tsotra sy mivantana ireto: Inona no holazain’ny olona momba anao androany, raha sanatria maty omaly ianao? Manao ahoana ny lazanao? Inona no tianao hotsaroan’ireo olom-pantatrao sy Andriamanitra momba anao?
Hoy ilay olon-kendry nanoratra ny Mpitoriteny: “Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.” (Mpitoriteny 7:1) Nahoana no aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana? Satria mbola tsy manana laza ny olona iray vao teraka. Mbola tsy fantatra izay ho fiainany, fa arakaraka izay hataony no hahatsara laza na ratsy laza azy. Ho an’izay tsara laza noho ny nataony hatramin’izay àry, dia aleo mihitsy ny andro ahafatesana toy izay ny andro ahaterahana.
Anjarantsika àry ny misafidy. Miankina amin’ireo safidy maro be ataontsika isan’andro tokoa ny ho lazantsika rehefa maty isika, ary indrindra fa izay hotsaroan’Andriamanitra momba antsika. Noho izany, dia mbola nanoratra ihany ilay olon-kendry hebreo hoe: “Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; fa ho lo ny anaran’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 10:7) Voninahitra tokoa izany hoe hotsaroan’Andriamanitra ka hahazo sitraka aminy izany!
Raha hendry isika, dia ny hampifaly azy sy hiaina mifanaraka amin’ny fitsipiny no ho tanjontsika. Midika izany fa harahintsika ireto toro lalana fototra nambaran’i Kristy ireto: “‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.’ Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’ Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”—Matio 22:37-40.
Mpanao asa soa, na mpiaro ny zon’olombelona, no ahatsiarovana ny sasany. Ny hafa indray tsaroana noho ireo zava-bitany teo amin’ny sehatry ny varotra, siansa, fitsaboana, na sehatra hafa. Inona anefa no tianao hotsaroana momba anao?
Nilaza ilay poety ekosey atao hoe Robert Burns (1759-1796), fa tiany raha mba nataon’Andriamanitra mahay mamantatra ny fiheveran’ny hafa antsika isika. Afaka mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra ve ianao, ka milaza fa tsara laza eo anatrehan’ny olona sy Andriamanitra? Any aoriana any, dia azo antoka fa ny fifandraisantsika amin’ny olona no zava-dehibe kokoa, noho izay mety ho zava-bitantsika nandritra ny fotoana fohy, teo amin’ny sehatry ny
fanatanjahan-tena na ny varotra. Izao àry no fanontaniana mipetraka: Ahoana no fitondrantsika ny hafa? Inona no fiantraikan’ny resatsika sy fombantsika ary fihetsitsika eo amin’izy ireo? Hitany ho mora hatonina ve isika, sa miavona? Tsara fanahy sa masiaka? Mahay mifanaraka amin’ny toe-javatra sa hentitra loatra? Be fitiavana sy mahay miara-miory amin’ny olona, sa tsy sariaka sady tsy mba miraharaha ny hafa mihitsy? Mpanakiana mankarary fo fotsiny sa mpanoro hevitra mahasoa? Andeha isika handinika ohatra sasantsasany tamin’ny lasa sy ankehitriny, ary haka lesona avy amin’izany.[Sary, pejy 3]
Tian’i Robert Burns raha mba nataon’Andriamanitra mahay mamantatra ny fiheveran’ny hafa antsika isika
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ilay boky A History of England