Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitady An’i Jehovah Amim-pikirizana ve Ianao?

Mitady An’i Jehovah Amim-pikirizana ve Ianao?

Mitady An’i Jehovah Amim-pikirizana ve Ianao?

NANIRY mafy ny hitory ny vaovao tsara tamin’ny mpandeha fiarandalamby, ny lehilahy kristianina iray. (Marka 13:10) Natahotra anefa izy. Nilavo lefona ve izy? Tsia, nivavaka mafy momba izany izy sady nianatra fanombohan-dresaka. Namaly ny fangatahany i Jehovah Andriamanitra, ka nanome azy hery hitoriana.

Tena ilaina ny fikirizana toy izany, rehefa mitady an’i Jehovah sy ny fankasitrahany isika. Hoy ny apostoly Paoly: “Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6) Tsy ampy ny hoe mitady an’i Jehovah. Milaza tanjaka sy ezaka mafy mantsy ilay matoanteny grika nadika hoe “mazoto mitady.” Voafaoka amin’izany ny fo sy ny saina ary ny hery manontolo. Tsy hitsitsy tena na tsy ho rototra, na ho kamo isika, raha mazoto mitady an’i Jehovah. Tena hazoto kosa isika.​—Asan’ny Apostoly 15:17.

Ireo nitady an’i Jehovah tamim-pikirizana

Misy ohatra maro momba ireo niezaka mafy nitady an’i Jehovah, ao amin’ny Soratra Masina. Anisan’ireny i Jakoba. Nitolona mafy tamin’ny anjelin’Andriamanitra nitafy nofo izy, mandra-pahamarainan’ny andro. Nanjary nantsoina hoe Isiraely (Mpitolona amin’Andriamanitra) izy, satria “nitolona”, na niady mafy sy naharitra tamin’Andriamanitra. Nitso-drano azy ilay anjely, noho ny fikirizany.​—Genesisy 32:25-31.

Teo koa ilay vehivavy Galilianina, izay narary nitsi-dra efa hatramin’ny 12 taona, sady efa “niaritra zavatra be.” Tsy tokony ho nikasika olon-kafa akory izy, noho izany. Nisikina herim-po anefa izy, mba hihaonana amin’i Jesosy. Hoy izy anakampo: “Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.” Eritrereto izy namakivaky ilay “vahoaka betsaka nanaraka [an’i Jesosy] ka nifanety taminy.” Tsaroany fa “ritra ny loharanon’aretiny”, izany hoe sitrana ilay aretina nitaiza azy, raha vao nikasika ny akanjo ivelan’i Jesosy izy! Natahotra be izy, rehefa nanontany i Jesosy hoe: “Iza izany nanendry ny lambako izany?” Nangoraka anefa i Jesosy niteny taminy hoe: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao. Mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao.” Novalian-tsoa izy noho ny fiezahany.​—Marka 5:24-34; Levitikosy 15:25-27.

Nisy vehivavy Fenisianina iray koa nitalaho mafy tamin’i Jesosy mba hanasitrana ny zanany vavy. Novalian’i Jesosy izy hoe tsy mety ny maka mofon-jaza, ka manome izany ho an’ny amboakely. Ny tiany holazaina dia hoe tsy afaka mikarakara an’ireo tsy Isiraelita izy, ka ny Jiosy indray no tsy ho voakarakarany. Takatr’ilay vehivavy ny hevitry ny fanoharany, nefa mbola niangavy ihany izy hoe: “Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.” Nanosika an’i Jesosy hiteny toy izao, ny finoana matanjaka sy ny fahatsoran’io vehivavy io: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao.”​—Matio 15:22-28.

Inona no ho nitranga tamin’ireo olona ireo, raha tsy naharitra tamin’ny ezaka nataony izy? Ho nahazo ny fitahiana ve izy ireo raha nilavo lefona avy hatrany, rehefa nisy vato misakana na fandavana? Tsia, tsy ho nahazo izany izy ireo! Manazava tsara ilay hevitra tian’i Jesosy hampianarina ireo ohatra ireo. Izao izany: Tsara sady tena ilaina ny ‘mitaraina fatratra’, rehefa hitady an’i Jehovah.​—Lioka 11:5-13.

Araka ny sitrapony

Sitrana tamin’ny fomba mahagaga ny olona sasany voatantara etsy aloha. Ny fikirizana ve no hany notakina tamin’izy ireo, mba hahazoany izany? Tsia, tsy maintsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fangatahany. Nomena hery mahagaga i Jesosy mba hampisehoana tamin’ny fomba niavaka fa izy no Zanak’Andriamanitra, sady ilay Mesia nampanantenaina. (Jaona 6:14; 9:33; Asan’ny Apostoly 2:22) Ireo fahagagana nataony koa dia nampiseho mialoha ny fitahiana lehibe homen’i Jehovah ny olombelona eto an-tany, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.​—Apokalypsy 21:4; 22:2.

Tsy sitrapon’Andriamanitra intsony ny hananan’ny tena mpivavaka hery mahagaga, toy ny fahaiza-manasitrana sy fiteny tsy fantatra. (1 Korintiana 13:8, 13) Izao kosa no anisan’ny sitrapony ankehitriny: famitana ny fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany, mba ‘ho tonga amin’ny fahalalana ny marina’ ny karazan’olona rehetra. (1 Timoty 2:4; Matio 24:14; 28:19, 20) Afaka manantena ny mpanompon’i Jehovah fa hihaino ny vavaka ataon’izy ireo amim-pahatsorana izy, raha miezaka hanao ny sitrapony izy ireo.

Mety hisy hiteny hoe: ‘Nahoana moa no hiezaka mafy, nefa ho tanteraka ihany ny fikasan’Andriamanitra?’ Marina fa hotanterahin’i Jehovah ny fikasany, na misy ezaka ataon’ny olombelona na tsia. Faly anefa izy, raha nisy olona nandray anjara tamin’ny fanaovana ny sitrapony. Azo ampitahaina amin’ny mpanao trano i Jehovah. Ananan’ilay mpanao trano ny planina rehetra momba ilay tetik’asa, nefa nifidy ny hampiasa fitaovam-panorenana misy eo an-toerana izy. Manana tetik’asa hotanterahina amin’izao andro izao koa i Jehovah, ary faly izy mampiasa ny mpanompony mazoto manolo-tena ho azy.​—Salamo 110:3; 1 Korintiana 9:16, 17.

Diniho izay nitranga tamin’ny tovolahy iray antsoina hoe Toshio. Te hitory betsaka araka izay azony natao izy, rehefa niditra teny amin’ny lise. Noheveriny ho faritaniny manokana izany. Nitondra Baiboly foana izy, ary nitandrina tsara mba ho Kristianina fakan-tahaka. Nisy fahafahana hanao famelabelaran-kevitra tamin’ireo iray kilasy taminy, rehefa akaiky hifarana ny taom-pianarana. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izy mba hanampy azy, ary gaga nahita ny iray kilasy nihaino azy tsara tamin’ilay famelabelarany hoe “Ny Faniriako Hanao ny Asan’ny Mpisava Lalana ho Anton’asa.” Nohazavainy fa maniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah manompo manontolo andro izy. Nanaiky hianatra Baiboly miaraka aminy ny iray tamin’ireo mpianatra, ary nandroso hatramin’ny batisa. Nandray valisoa be dia be i Toshio, noho izy nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony.

Mikiry mafy ve ianao?

Maro ny fomba azonao ampisehoana, fa mikiry mafy mitady an’i Jehovah sy ny fitahiany ianao. Voalohany, dia azonao atao ireo zavatra fototra, toy ny fanomanana tsara ireo fivoriana kristianina. Hita fa mikiry mafy mitady an’i Jehovah ianao, raha manome valin-teny voaomana tsara, manao lahateny mandrisika, ary manao fampisehoana mandaitra. Mampiseho ny fikirizanao koa ianao, raha manatsara ny fanompoanao. Miezaka ho sariaka ve ianao rehefa mitory? Mampiasa fampidiran-dresaka mahomby sy mifanentana tsara amin’ny faritaninao ve ianao? (Kolosiana 3:23) Hotendrena ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy ny lehilahy Kristianina, ary ho vonona hanaiky izany, raha mikely aina amin’ny fony manontolo. (1 Timoty 3:1, 2, 12, 13) Hahita fifaliana amin’ny fanomezana ianao, raha vonona hanompo. Azonao atao angamba ny manao fangatahana hiasa amin’ny tetik’asa fanorenana ny tranon’ny sampana, na hiasa ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety hirinao koa ny hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, raha rahalahy mpitovo ianao ka mahafeno fepetra ho amin’izany. Manampy ny lehilahy araka ny fanahy ho mpiandry tsara io sekoly io. Raha manambady ianao, dia angamba ny fanompoan’ny misionera no ahafahanao mampiseho ny fanirianao mafy hanompo an’i Jehovah misimisy kokoa. Mety ho azonao atao koa ny mifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa.​—1 Korintiana 16:9.

Ny toe-tsaina enti-manao ilay asa anendrena no tena zava-dehibe. Ataovy amim-pikirizana sy fahazotoana be ary “fahatsoram-po” izay andraikitra omena anao, na inona izany na inona. (Asan’ny Apostoly 2:46; Romana 12:8) Tokony hoheverinao ho fahafahana hampiseho ny fikirizanao hanome voninahitra an’i Jehovah, ny fanendrena tsirairay. Mivavaha tsy tapaka mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah, ary manaova araka izay fara herinao. Handray valisoa be dia be ianao amin’izay.

Valisoa noho ny fikirizana

Tadidinao ve ilay lehilahy kristianina nivavaka mba handresy ny tahotra, ka ho afaka hitory amin’ny mpandeha fiarandalamby? Notahin’i Jehovah ny fiezahany feno fahatsorana. Niezaka mafy ilay rahalahy nanomana foto-kevitra maromaro sy fomba mahafinaritra hanombohan-dresaka. Afaka nampiasa tsara ny Baiboly izy mba hitoriana tamin’ny lehilahy iray very hevitra noho ireo tsy fifanarahan’ny olombelona. Nianatra Baiboly tany an-trano io olona io, rehefa niresahana imbetsaka tao anaty fiarandalamby. Tena nitahy ilay lehilahy kristianina tokoa i Jehovah, noho ny ezaka mafy nataony!

Afaka mahita vokatra toy izany ianao, raha manohy mitady an’i Jehovah amim-pikirizana. Hampiasa anao mifanaraka amin’ny sitrapony izy, ka hitahy anao be dia be, raha sady manetry tena ianao no mikiry amin’ny fonao manontolo hanatanteraka izay karazana fanompoana kristianina ataonao.

[Sary, pejy 26]

Inona no ho nitranga tamin’io vehivavy io, raha tsy naharitra izy?

[Sary, pejy 27]

Maharitra mitalaho amin’i Jehovah ve ianao mba hahazoana ny fitahiany?

[Sary, pejy 28]

Ahoana no ampisehoanao fa mitady an’i Jehovah amim-pikirizana ianao?