Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampiray Azy Mianakavy ny Fivavahana Marina

Nampiray Azy Mianakavy ny Fivavahana Marina

Nampiray Azy Mianakavy ny Fivavahana Marina

TELO ambin’ny folo taona i Maria, rehefa nandre voalohany momba an’i Jehovah sy ny fanantenana paradisa eto an-tany, izy sy i Lucy zandriny vavy. Ny havany iray no nahalalany izany. Nanitikitika ny sain’izy mirahavavy izany, ka niaraka taminy tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nampiaiky an’i Maria ny fampianarana mazava nomena tany, satria hafa tanteraka noho ny tany am-piangonana. Hira mantsy no tena natao tany am-piangonana! Tsy ela àry dia nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mirahavavy.

Liana tamin’ny filozofia sy ny evolisiona i Hugo, zokiny lahy. Nilaza ho tsy mino an’Andriamanitra izy. Rehefa nanao raharaha miaramila anefa izy, dia namaky ilay boky hoe Ny FiainanaAhoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? (frantsay). * Nahita ny valin’ny fanontaniana tsy hain’ny fivavahana hafa novaliana izy. Rehefa nahavita raharaha miaramila izy, dia nanomboka nanatanjaka ny finoany vaovao, ka nianatra Baiboly sy nanatrika fivoriana niaraka tamin’ny anabaviny. Natao batisa i Maria sy Lucy tamin’ny 1992, roa taona taorian’ny nandrenesany voalohany ny fahamarinana. Natao batisa koa ny anadahiny, roa taona tatỳ aoriana.

Katolika hiringiriny ny ray aman-dreniny, ary tsy liana firy tamin’ny fahamarinana, tamin’izany fotoana izany. Olona manorisory no fiheverany ny Vavolombelon’i Jehovah. Niaiky anefa izy ireo fa mahalala fomba sy miakanjo maotina tsara ireo tanora Vavolombelona entin’ny zanany ao an-trano. Rehefa nitantara izay nianarany tany am-pivoriana koa ny zanany nandritra ny sakafo, dia nanitikitika ny sain’izy mivady izany.

Nilalao ody anefa ireo ray aman-drenin’i Maria ireo. Mamo lava ny rainy ary namono ny reniny. Efa ho rava mihitsy ilay fianakaviana. Tany am-ponja nandritra ny tapa-bolana koa ny rainy, noho ny fimamoana. Nanomboka namaky Baiboly izy tany, ka nahita ireo famantarana ny andro farany noresahin’i Jesosy. Nahatonga azy mivady hametraka fanontaniana be dia be izany. Nankany amin’ny Efitrano Fanjakana àry izy ireo, ary nanaiky hianatra Baiboly. Nopotehiny daholo ny bokiny momba ny filalaovana ody, rehefa nianatra ny fahamarinana izy. Nitsahatra koa ny fanafihan’ny demonia, rehefa nantsoiny ny anaran’i Jehovah. Nanomboka nanao fiovana lehibe teo amin’ny toetrany koa izy.

Azonao an-tsaina ve ny fihetseham-pon’i Maria sy Lucy, rehefa nahita ny ray aman-dreniny nataon’i Hugo zokiny lahy batisa, nandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray tany Bolivia tamin’ny 1999? Sivy taona izay no lasa hatramin’ny nandrenesan’i Maria sy Lucy voalohany momba an’i Jehovah sy ny fampanantenany. Mpanompo manontolo andro izy telo mianadahy izao. Tena faly mihitsy izy ireo, satria nampiray azy mianakavy ny fivavahana marina!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.