Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Maty

Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Maty

Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Maty

TENA mampahory ny famoizana havan-tiana amin’ny fahafatesana. Tsy hay lazaina ny fahabangana, ary koa ny fahatsapana ho manirery sy nilaozana. Mety hahatsiaro tena ho tsy afa-manoatra ny olona nidonam-pahoriana. Tsy misy mihitsy mantsy olona mahavita manangana ny maty, na manao ahoana na manao ahoana harena na fahefana na hery ananany.

Tena hafa anefa ny hevitry ny Mpamorona. Namorona ny olombelona voalohany tamin’ny vovoka izy, ka vitany ny mamelona indray ny maty. Amin’Andriamanitra àry, dia toy ny hoe mbola velona ireny maty ireny. Hoy i Jesosy, momba ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky ka maty: “Velona eo anatrehany [Andriamanitra] izy rehetra”, na, hoe amin’Andriamanitra dia velona avokoa izy rehetra.​—Lioka 20:38, Fandikan-teny Katolika.

Nomena hery hanangana ny maty i Jesosy teto an-tany. (Jaona 5:21) Nitovy hevitra tamin-dRainy izy raha ny momba ireo olona nahatoky, izay efa nodimandry. Rehefa maty, ohatra, i Lazarosy, dia hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Handeha hamoha azy Aho.” (Jaona 11:11) Maty i Lazarosy, raha araka ny fomba fijerin’olombelona. Natory kosa izy tamin’i Jehovah sy Jesosy.

“Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka”, rehefa hanapaka ny Fanjakana entin’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 24:15) Hampianarin’Andriamanitra ireo hatsangana amin’ny maty ary ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany.​—Jaona 5:28, 29.

Marina fa mety hitondra fahoriana sy alahelo mandritra ny taona maro ny fahafatesan’ny havan-tiana. Hionona anefa isika ary ho velom-panantenana raha mitovy hevitra amin’Andriamanitra raha ny momba ny maty.​—2 Korintiana 1:3, 4.