Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

Inona avy no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Rota?

Ohatra tsara izy teo amin’ny fitiavana an’i Jehovah. Naneho fitiavana tsy mivadika tamin’i Naomy koa izy, ary nazoto niasa sy nanetry tena. Ara-dalàna àry raha nilaza ny olona hoe “vehivavy tsara” izy. (Rota 3:11)​—15/4, pejy 23-26.

Ahoana no ahafantarantsika fa miahy ny olon-tsotra i Jehovah?

Nilazany ireo Isiraelita izay nampijalina tany Ejipta, mba tsy hampahory ny mahantra. (Eksodosy 22:21-24) Nanahaka ny Rainy i Jesosy ka tena niahy ny olon-tsotra. “Tsy mba mpahay lalàna na nampianarina” ireo lehilahy nofidiny ho apostoly. (Asan’ny Apostoly 4:13; Matio 9:36) Manahaka an’i Jehovah koa isika raha miahy ny hafa, anisan’ireny ny tanora.​—15/4, pejy 28-31.

• Nahoana isika no matoky fa voamarik’i Jehovah izay ataontsika?

Asehon’ny tantara ao amin’ny Baiboly fa voamarik’i Jehovah izay ataon’ny olombelona. Tsikariny ny fanatitra nataon’i Abela ary hitany koa isika rehefa manolotra “fanati-piderana . . . dia ny vokatry ny molotra.” (Hebreo 13:15) Voamarik’i Jehovah fa niezaka nampifaly azy i Enoka, ka tsy nanao ratsy fa tsara fitondran-tena. Hitan’Andriamanitra koa ny nataon’ilay vehivavy mpitondratena tsy Isiraelita tany Zarefata, izay nizara ny kely nananany tamin’i Elisa mpaminany. Eny, voamarik’i Jehovah isika rehefa manao asa mampiseho finoana.​—1/5, pejy 28-31.

Nahoana no nila nanolo-tena ho an’Andriamanitra ireo Jiosy lasa Kristianina taorian’ny Pentekosta taona 33?

Nanolo-tena ho an’i Jehovah ny Isiraelita tamin’ny 1513 T.K. (Eksodosy 19:3-8) Koa izay Jiosy rehetra teraka nanomboka teo àry, dia teraka teo anivon’ny firenena nanolo-tena sy nanaovana ny faneken’ny Lalàna. Nofoanan’i Jehovah anefa ny faneken’ny Lalàna, rehefa maty i Kristy tamin’ny taona 33. (Kolosiana 2:14) Taorian’io ny Jiosy izay naniry hanompo an’Andriamanitra tamin’ny fomba ankasitrahany, dia nila nanolo-tena ho azy sy natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy.​—15/5, pejy 30, 31.

Mety amin’ny Kristianina ankehitriny ve ny mandoro emboka manitra?

Nampiasaina tamin’ny fivavahana marina ny emboka manitra teo amin’ny Isiraely fahiny. (Eksodosy 30:37, 38; Levitikosy 16:12, 13) Nifarana tamin’ny nahafatesan’i Kristy anefa ny faneken’ny Lalàna, tafiditra amin’izany ny fampiasana emboka manitra. Tompon’ny fanapahan-keviny ny Kristianina, raha tiany ny hampiasa emboka manitra amin’ny zavatra tsy ara-pivavahana. Tsy fombafomba eo amin’ny fivavahana marina anefa izy io ankehitriny. Tokony hotandremana koa anefa ny tsy hanafintohinana olona.​—1/6, pejy 28-30.

Inona no zavatra hita vao haingana nahatonga olona maro hino fa tetỳ an-tany tokoa i Jesosy?

Nalaza be ilay fitahirizana taolam-paty hita tany Isiraely. Toa efa nisy hatramin’ny taonjato voalohany izy io ary ahitana soratra hoe: “Jakoba, zanak’i Josefa, rahalahin’i Jesosy.” Misy milaza fa raha jerena ny zavatra hafa ankoatra ny Baiboly, dia izy io no “porofo tranainy indrindra hitan’ireo arkeology manaporofo” fa olona tena nisy i Jesosy.​—6/15, pejy 3, 4.

Ahoana no ianarantsika maneho fitiavana?

Amin’ny voalohany ny olombelona dia mianatra maneho fitiavana avy amin’ny ohatra sy ny fampiofanana omen’ny ray aman-dreniny. Mianatra maneho fitiavana ny ankizy rehefa mifanaja sy mifankatia ny ray aman-dreniny. (Efesiana 5:28; Titosy 2:4) Afaka mianatra maneho fitiavana koa na dia ireo olona tsy mba notezaina teo anivon’ny fianakaviana mifankatia aza. Ho vitany izany raha ekeny ny tari-dalana amim-pitiavana avy amin’i Jehovah sy ny fanampian’ny fanahy masina. Manampy koa ny fanohanana feno fitiavana omen’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina.​—1/7, pejy 4-7.

Iza moa i Eusèbe, ary mampianatra antsika inona ny tantaram-piainany?

Mpahay tantara i Eusèbe, ary tamin’ny taona 324 no vitany ny fanoratana ilay fitambaram-boky folo hoe Tantaran’ny Fivavahana Kristianina (anglisy). Na dia ninoany aza fa nisy talohan’ny Zanaka ny Ray, dia nanaiky hevitra nifanohitra amin’izany ihany izy tao amin’ilay konsily tany Nicée. Hita fa tsy niraharaha ny zavatra notakin’i Jesosy i Eusèbe, dia ilay hoe “tsy naman’izao tontolo izao” ireo mpanara-dia azy. (Jaona 17:16)​—15/7, pejy 29-31.

Niova ve ny fiheveran’i Jehovah momba ny fananana vady maro?

Tsy niova ny fiheveran’i Jehovah momba ny fananana vady maro. (Malakia 3:6) Nataon’Andriamanitra “hikambana amin’ny vadiny” ny lehilahy, ka ho lasa nofo iray ihany izy mivady. (Genesisy 2:24) Nilaza i Jesosy fa manitsakitsa-bady izay olona misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony nisarahany. (Matio 19:4-6, 9) Tsy noleferin’i Jehovah intsony ny fananana vady maro, taorian’ny niforonan’ny fiangonana kristianina.​—1/8, pejy 28.