Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Fanao any amin’ny tany maro ny manolotra fanomezana ho an’ny mpivady vao. Inona avy no toro lalan’ny Soratra Masina tokony harahintsika rehefa manolotra na mandray fanomezana toy izany isika?
Ankasitrahan’ny Baiboly rehefa atao noho ny antony tsara sy amin’ny fotoana mety ny fanomezana. Mampirisika ny Kristianina ny Baiboly mba hanahaka an’i Jehovah ka ho tia manome. (Jakoba 1:17) Nampirisika mafy ny Kristianina toy izao ny apostoly Paoly: “Aza manadino hanao soa sy hizara zavatra amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” Ampirisihina àry ny Kristianina mba ho tia manome.—Hebreo 13:16; Lioka 6:38.
Any amin’ny tany sasany dia fanaon’ny olon-droa hivady tsy ho ela ny mandeha mialoha any amin’ny magazay mpivarotra fanomezana. Rehefa tonga any izy roa, dia fidiny sy ataony lisitra ny fanomezana tiany ho azo. Koa rehefa hividy fanomezana ny havany sy ny namany, dia any amin’ilay magazay izy ireo no mijery ilay lisitra efa vita, sy mifidy ny fanomezana tiany hatolotra. Misy lafy tsarany izany satria tsy ho lany fotoana hitetezana magazay ny mpanome. Any amin’ny tany tandrefana sasany koa dia azo atao ny mamerina ny fanomezana tsy tiana. Tsy ho voatery hanao izany anefa izay nampiasa ny lisitra misy ireo fanomezana.
Ireo olon-droa hivady no hanapa-kevitra raha tiany ny hampiasa lisitra misy ireo fanomezana iriny ho azo. Tokony hitandrina anefa ny Kristianina mba tsy hanao zavatra mifanipaka amin’ny fitsipiky ny Baiboly. Ahoana raha toa ka lafo be daholo ny fanomezana ao amin’ilay lisitra nataon’izy roa? Raha izany no izy, dia mety tsy ho afaka hividy fanomezana ny kely vola. Na, mety hieritreritra izy hoe aleo tsy manatrika ilay mariazy mihitsy mba tsy ho afa-baraka amin’ny fanomezana mora vidy hoentiny. Hoy ny anabavy iray: “Manjary enta-mavesatra ilay izy. Niezaka ny halala-tanana aho, nefa tsy nitondra fifaliana ho ahy toy ny taloha intsony izany.” Tena hampalahelo raha hiteraka fahakiviana toy izany ny mariazy!
Tsy tokony hatao izay hieritreretan’ny mpanolotra hoe tsy maintsy lafo vidy be ny fanomezany vao hankasitrahana. Nasehon’i Jesosy Kristy fa ny toe-pon’ny mpanome no tena sarobidy eo imason’Andriamanitra fa tsy ny mahalafo vidy an’ilay fanomezana. (Lioka 21:1-4) Izao indrindra no nosoratan’ny apostoly Paoly momba ny fiantrana ny mahantra: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”—2 Korintianina 9:7.
Tsy raran’ny Baiboly raha tian’ny mpanolotra fanomezana ny hampahafantatra ny tenany. Azony atao, ohatra, ny manisy teny kely miaraka amin’ilay fanomezana. Indraindray anefa dia fanao ny mampahafantatra ny anaran’ilay nanolotra fanomezana, amin’ny mpanatrika rehetra tonga ao amin’ilay lanonana. Mety hiteraka olana izany. Mety tsy te hisehoseho mantsy ny mpanolotra fanomezana sasany, satria tsy te hisarika ny sain’ny olona aminy izy. Manao zavatra mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Matio 6:3 ny olona toy izany. Milaza i Jesosy ao hoe: “Fa ianao kosa, raha manao fiantrana ny mahantra, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havanana.” Mety hieritreritra koa ny sasany fa tokony ho raharahan’ny mpanolotra sy ny mpandray ihany ny fanolorana fanomezana. Mety hisy hampitaha koa ireo fanomezana raha fantatra ny mpanolotra azy. Hiteraka “fifaninanana sy fifampialonana” izany. (Galatianina 5:26) Tsy irin’ny Kristianina mihitsy ny hahasanganehana olona, ka hilaza ampahibemaso ny anarany sy ny fanomezana natolony.—1 Petera 3:8.
Eny, hahafaly foana ny fanolorana fanomezana raha arahina ny toro lalan’ny Tenin’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 20:35.