Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iray Ihany ve ny Fivavahana Marina?

Iray Ihany ve ny Fivavahana Marina?

Iray Ihany ve ny Fivavahana Marina?

“KOA satria tsy misy afa-tsy Kristy iray, dia iray ihany koa ny tenan’i Kristy, na Vadin’i Kristy, dia ny ‘Eglizy Katolika sy apostolika ihany.’”​—Dominus Iesus.

Izany no nambaran’ilay kardinaly katolika atao hoe Joseph Ratzinger, rehefa nampita ny fampianaran’ny egliziny hoe iray ihany ny fivavahana marina. Nilaza izy fa “ny Fiangonana tokan’i Kristy, izany hoe ny Eglizy Katolika” io fivavahana io.

“Tsy azo lazaina ho tena Fiangonana”

Nanizingizina ny Papa Jean-Paul II fa “tsy manambany na manimbazimba ny fivavahana hafa” ilay fanambarana ofisialy Dominus Iesus (Jesosy Tompo). Na izany aza anefa, dia nahatezitra ny mpitondra fivavahana protestanta izy io. Hita izany tamin’ny Fivoriamben’ny Presbyterianina tany Belfast, any Irlandy Avaratra, tamin’ny Jona 2001. Nisy mpitondra fivavahana niteny tamin’izay fa ‘ny lohandohany to teny ao amin’ny Eglizy Katolika’ no nanao io fanambarana io. ‘Natahotra fadiranovana izy ireo’, hoy izy, ‘satria nampirisika ny olona halala-tsaina ilay konsily faharoa nataon’i Vatikana.’

Nilaza i Robin Eames, Arsevekan’ny Fiangonan’i Irlandy, fa “tena ho diso fanantenana” izy, raha toa io fanambarana io ka hampiverina ny Eglizy Katolika amin’ny toe-tsainy talohan’ny nanaovana ilay konsily faharoa. Nambaran’i Vatikana fa “tsy azo lazaina ho tena Fiangonana” ny fiangonana tsy manaiky ny foto-pampianarana katolika sasany. “Tena manafintohina mihitsy ny fahitako izany”, hoy i Eames.

Fa inona no antony namoahana ilay Dominus Iesus? Toa nampanahy ny Fitondram-panjakan’i Vatikana ny fiheveran’ny olona fa anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra raha marina ny fivavahana iray na tsia. Lazain’ny Gazetin’ny Irlandey (anglisy) fa ‘nitombo ny ahiahin’ny Kardinaly Ratzinger, rehefa hitany fa nanomboka nieritreritra ny olona hoe samy tsara daholo ny fivavahana rehetra.’ Toa izany no nahatonga azy hanambara fa iray ihany ny fivavahana marina.

Zava-dehibe ve izay fivavahana arahinao?

Misy mihevitra fa mitombina kokoa ny hoe anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra raha marina ny fivavahana iray na tsia, na koa hoe samy tsara daholo ny fivavahana rehetra. Misarika azy ireo kokoa izany hevitra izany, toy izay ny hoe iray ihany ny fivavahana marina. Mino izy ireo fa ny tsirairay no tokony hisafidy ny fivavahany. Ambarany fa ‘tsy zava-dehibe loatra izay fivavahana arahinao, raha ny tena izy.’

Toa malala-tsaina izay mihevitra toy izany, na dia izany aza no nahatonga ny fivavahana hizarazara ho antokom-pivavahana be dia be. Maro no milaza fa ‘ny fisian’ny fivavahana maro isan-karazany, dia fomba mety tsara hampisehoana fa samy misafidy ny fivavahany ny olona.’ Milaza kosa anefa ny mpanoratra iray atao hoe Steve Bruce, fa toy ny “tsy miraika amin’ny fivavahana” ihany, ny hoe “malala-tsaina amin’ny resaka fivavahana.”

Ahoana àry no tokony ho izy? Iray ihany ve ny fivavahana marina? Ny Eglizy Katolika ve izy io? Ankasitrahan’Andriamanitra koa ve ny fivavahana hafa? Tena mila mamantatra ny hevitry ny Mpamorona momba ireo fanontaniana ireo isika, satria miankina amin’izany ny fihavanantsika aminy. Ahoana àry no ahafantarana ny heviny? Mila mandinika ny Teniny, dia ny Baiboly, isika. (Asan’ny Apostoly 17:11; 2 Timoty 3:16, 17) Andeha hojerentsika izay lazain’io boky io momba ny hoe fivavahana marina.