Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matokia An’i Jehovah

Matokia An’i Jehovah

Matokia An’i Jehovah

“Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.”​—SALAMO 71:5.

1. Inona no fihantsiana natrehin’i Davida, ilay zazalahy mpiandry ondry?

EFA ho telo metatra ny halavan’i Goliata. Tsy nahagaga raha tsy nisy sahy nifanandrina taminy ny miaramilan’ny Israely! Nihantsy ady azy ireo marain-tsy hariva, nandritra ny herinandro maromaro, io Filistinina goavam-be io. Nasainy nandefa mpiady mahay izy ireo hifanandrina aminy. Nisy nanaiky ihany tamin’ny farany, ary tsy miaramila ilay izy, fa ankizilahy. Fohy kely sady mbola zaza tokoa i Davida, mpiandry ondry, raha nampitahaina tamin’ilay fahavalony. Mety ho maivana noho ny fiadiana rehetra teny amin’i Goliata mihitsy aza izy! Nifanandrina tamin’ilay goavam-be anefa io ankizilahy io, ka lasa nalaza noho ny herim-pony.​—1 Samoela 17:1-51.

2, 3. a) Nahoana i Davida no sahy nifanandrina tamin’i Goliata? b) Inona ireo fomba roa hodinihintsika mba hahatonga antsika hatoky an’i Jehovah?

2 Ahoana no nananan’i Davida herim-po toy izany? Diniho ny teny sasany, izay miharihary fa nosoratany rehefa antitra izy. Hoy izy: “Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.” (Salamo 71:5) Natoky tanteraka an’i Jehovah tokoa i Davida fony izy tanora. Hoy izy tamin’i Goliata: “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefompohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.” (1 Samoela 17:45) Natoky ny haben’ny tanjany sy ny fiadiany i Goliata, fa i Davida kosa natoky an’i Jehovah. Nomba azy ilay Tompo Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao. Koa nahoana moa izy no hatahotra izay olombelona, na dia goavana sy mirongo fiadiana toy inona aza izy io?

3 Irinao koa ve ny hatoky bebe kokoa an’i Jehovah, rehefa mamaky ny tantaran’i Davida ianao? Azo inoana fa maniry an’izany ny maro amintsika. Andeha àry isika handinika fomba roa, izay hahatonga antsika hatoky an’i Jehovah. Voalohany, mila resentsika hatrany ny sakana, izay mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy hatoky azy. Faharoa, mila ianarantsika ny tena tafiditra amin’ny hoe matoky an’i Jehovah.

Reseo ny sakana tsy hatokisana an’i Jehovah

4, 5. Nahoana no sarotra amin’ny olona maro ny matoky an’Andriamanitra?

4 Inona no misakana ny olona tsy hatoky an’Andriamanitra? Very hevitra ny sasany matetika, satria tsy azony ny antony isian’ny faharatsiana. Maro no ampianarina fa avy amin’Andriamanitra ny fijaliana. Rehefa mitranga ny loza, dia mety hilaza ny mpitondra fivavahana fa “nalain’Andriamanitra” ho any aminy any an-danitra, ireo maty. Maro amin’izy ireo koa no mampianatra fa efa voalahatr’Andriamanitra taloha ela be ny zava-drehetra, anisan’izany ny loza sy faharatsiana tsirairay mitranga eto amin’ity tany ity. Ho sarotra ny hatoky Andriamanitra mafy fo toy izany. Manajamba ny sain’ny tsy mino i Satana, sady may erỳ hampiely izany “fampianaran’ny demonia” izany.​—1 Timoty 4:1; 2 Korintianina 4:4.

5 Tsy tian’i Satana hatoky an’i Jehovah intsony ny olona. Tsy tian’io fahavalon’Andriamanitra io ho fantatsika ny tena antony mahatonga ny olona hijaly. Ary raha efa nianarantsika tao amin’ny Soratra Masina izany antony izany, dia tiany hohadinointsika. Tsara àry raha mamerina mijery tsindraindray ireo antony telo isian’ny fijaliana isika. Rehefa manao izany isika, dia afaka matoky amin’ny fontsika manontolo fa tsy avy amin’i Jehovah ireo olana hitantsika eo amin’ny fiainana.​—Filipianina 1:9, 10.

6. Ahoana no anasongadinan’ny 1 Petera 5:8 ny antony iray mahatonga ny olona hijaly?

6 Ny antony iray mahatonga ny olona hijaly, dia satria tian’i Satana hivadika amin’i Jehovah ny olony mahatoky. Nanandrana nitaona an’i Joba hivadika izy. Tsy nahomby izy tamin’izay, nefa tsy nilavo lefona. Izy no mpitondra an’izao tontolo izao, ary mitady ‘handrapaka’ ny mpanompon’i Jehovah mahatoky izy. (1 Petera 5:8) Anisan’izany isika tsirairay! Tian’i Satana hitsahatra tsy hanompo an’i Jehovah isika, ka izany no mahatonga azy hampipoitra fanenjehana matetika. Mampahory tokoa izy ireny, nefa misy antony tsara tokony hiaretantsika. Raha miaritra isika, dia manaporofo fa mpandainga i Satana, ka hampifaly an’i Jehovah izany. (Joba 2:4; Ohabolana 27:11) Manjary matoky kokoa an’i Jehovah isika, rehefa omeny hery hiaretana fanenjehana.​—Salamo 9:9, 10.

7. Inona no antony mahatonga ny fijaliana, araka ny Galatianina 6:7?

7 Hita ato amin’ity toro lalana ity ny antony faharoa isian’ny fijaliana: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Mamafy na manao safidy ratsy ny olona indraindray, ka mijinja fijaliana. Mety hifidy ny tsy hitandrina izy ireo rehefa mitondra fiara, ka idiran-doza. Maro no mifidy ny hifoka sigara, ka lasa marary fo na voan’ny kanseran’ny havokavoka. Ireo mifidy ny haloto fitondran-tena dia mety handrava ny tokantranony, hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny, ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, na hanana anaka tsy nirina. Mety hanome tsiny an’Andriamanitra ny olona noho izy ireo mijaly toy izany, nefa ny fanapahan-kevitra ratsy nataony ihany no nahatonga izany.​—Ohabolana 19:3.

8. Nahoana ny olona no mijaly, araka ny Mpitoriteny 9:11?

8 Hita ao amin’ny Mpitoriteny 9:11 ny antony fahatelo mahatonga ny fijaliana. Izao no voalaza ao: “Ary hitako atỳ ambanin’ny masoandro indray fa tsy ho an’ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” Sendra mba teo amin’ny toerana nitrangan’ilay loza fotsiny ny olona indraindray, tamin’ny fotoana nisehoan’izy io. Mety hijaly sy ho faty amin’ny fotoana tsy ampoizina isika, na matanjaka na osa. Tamin’ny andron’i Jesosy, ohatra, dia nisy tilikambo nianjera tany Jerosalema, ka nahafaty olona 18. Nanazava i Jesosy fa tsy nanasazy azy ireo noho ny fahotany akory Andriamanitra. (Lioka 13:4) Tsy avy amin’i Jehovah ny fijaliana toy izany.

9. Inona no tsy azon’ny olona maro mahakasika ny fijaliana?

9 Ilaina ny mahatakatra ny antony sasany mampisy ny fijaliana. Misy lafin-javatra tsy azon’ny olona maro anefa, dia ny hoe: Nahoana no avelan’i Jehovah Andriamanitra hisy ny fijaliana?

Nahoana no avelan’i Jehovah hisy ny fijaliana?

10, 11. a) Natao ahoana ny “zavaboary rehetra”, araka ny Romanina 8:19-22? b) Ahoana no ahalalantsika hoe iza no namela ny zavaboary ho tonga zava-poana?

10 Misy andalan-teny manazava an’io foto-kevitra lehibe io ao amin’ny taratasin’ny apostoly Paoly ho an’ny Romanina. Hoy izy: “Ny zavaboary dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra. Fa navela ho tonga zava-poana ny zavaboary, tsy noho ny sitrapony anefa fa noho ilay namela izany, miorina amin’izao fanantenana izao: Hafahana koa amin’ny fanandevozan’ny fahalovana ny zavaboary, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Fantatsika mantsy fa mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.”​—Romanina 8:19-22.

11 Misy fanontaniana lehibe mila valiana aloha, mba hahatakarana ny hevitr’ireo andinin-teny ireo. Ohatra, iza no namela ny zavaboary ho tonga zava-poana? Ao ny milaza hoe Satana, ny hafa indray miteny hoe Adama. Tsy nisy afaka nanao izany anefa izy ireo. Nahoana? Satria ilay namela ny zavaboary ho tonga zava-poana dia nanao izany noho ny “fanantenana.” Mampanantena izy fa ‘hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana’ ireo tsy mivadika. Tsy afaka nampanantena izany anefa na i Adama, na i Satana. I Jehovah irery no afaka nanao izany. Mazava àry fa izy no namela ny zavaboary ho tonga zava-poana.

12. Inona no heverin’ny olona fa atao hoe “zavaboary rehetra”, ary ahoana no ahalalantsika hoe inona no tondroin’izany?

12 Inona anefa ilay hoe “zavaboary rehetra”? Misy milaza fa manondro ny zavaboary tsy an-kanavaka io teny io, ka anisan’izany ny biby sy ny zavamaniry. Manantena hahazo “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” anefa ve ny biby sy ny zavamaniry? Tsia. (2 Petera 2:12) Tsy mety hanondro afa-tsy ny olombelona àry ny hoe “zavaboary rehetra.” Izy ireo no zavaboary nanjary nanota sy maty noho ilay fikomiana tany Edena, ka mila fanantenana mafy dia mafy.​—Romanina 5:12.

13. Inona no vokatr’ilay fikomiana tany Edena teo amin’ny olombelona?

13 Inona marina moa no vokatr’io fikomiana io teo amin’ny olombelona? Teny tokana no namintinan’i Paoly azy: zava-poana. Manazava ny boky iray fa io teny io dia milazalaza “ny maha zava-poana ny zavatra iray tsy mandeha araka ny namoronana azy.” Noforonina hiaina mandrakizay ny olombelona, ka ho tonga fianakaviana lavorary sy tafaray miara-mikarakara ny tany paradisa. Nanjary fohy sy mampahory anefa ny fiainan’izy ireo, ary matetika no tsy mahafa-po. Marina ny tenin’i Joba hoe: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.” (Joba 14:1) Zava-poana tokoa izany!

14, 15. a) Inona no manaporofo fa ara-drariny ny sazy nampiharin’i Jehovah tamin’ny olombelona? b) Nahoana i Paoly no nilaza fa navela ho tonga zava-poana ny zavaboary, nefa “tsy noho ny sitrapony”?

14 Tonga eo amin’ilay fanontaniana lehibe izao isika hoe: Nahoana ilay “Mpitsara ny tany rehetra” no namela ny olombelona hanana fiainana mampahory sy tsy mahafa-po? (Genesisy 18:25) Rariny ve ny nataony? Tadidio ange ny zavatra nataon’ny ray aman-drenintsika voalohany e! Rehefa nikomy tamin’Andriamanitra izy ireo, dia niandany tamin’i Satana, izay nanizingizina fa tsy manana zo hitondra i Jehovah. Tamin’izay izy mivady dia toy ny nanohana ny hevitr’i Satana fa ho tsara kokoa ny fiainan’ny olombelona, raha tsy misy an’i Jehovah, fa izy samy izy ihany no mitondra, eo ambany fitarihan’io anjely mpikomy io. Nomen’i Jehovah izay notadiaviny ireo mpikomy ireo, rehefa nosaziny. Navelany ho ny olombelona ihany no hitondra ny olombelona, teo ambany fitaoman’i Satana. Noho izany, moa ve tsy ara-drariny tanteraka raha navela ho tonga zava-poana ny olombelona, nefa nomena fanantenana?

15 Mazava ho azy fa ‘tsy izany no sitrapon’ny’ zavaboary. Tsy fidiny antsika raha teraka andevon’ny ota sy ny fahalovana isika. Namindra fo anefa i Jehovah, ka namela an’i Adama sy Eva ho velona kelikely sy hiteraka. Tsy voatery hanahaka ny fitondran-tena ratsin’izy mivady anefa isika taranany, na dia navela ho tonga zava-poana aza, izany hoe lasa mpanota sy mety maty. Afaka mihaino an’i Jehovah isika, ka mianatra fa ara-drariny sy lavorary ny fitondrany, fa rehefa ny olona kosa no mitondra sy tsy miankina aminy, dia mampahory sy tsy mahafa-po ary zava-poana ny vokany. (Jeremia 10:23; Apokalypsy 4:11) Manampy trotraka koa ny fitaoman’i Satana. Manamarina izany ny tantaran’ny olombelona.​—Mpitoriteny 8:9.

16. a) Nahoana no azontsika antoka fa tsy avy amin’i Jehovah ny fijaliana misy ankehitriny? b) Inona no fanantenana nomen’i Jehovah tamim-pitiavana ny olona mahatoky?

16 Ara-drariny àry matoa navelan’i Jehovah ho tonga zava-poana ny olombelona. Midika anefa ve izany fa izy no mahatonga ny zava-poana sy fijaliana manjo antsika tsirairay isan’andro? Aoka hatao hoe misy mpitsara manameloka olona iray nanao heloka bevava, ary ara-drariny izany. Mety hijaly be ilay voaheloka rehefa manefa ny saziny, nefa rariny ve raha ilay mpitsara no omeny tsiny, ka lazainy fa izy no mahatonga azy hijaly? Azo antoka fa tsia! Ankoatra izany, dia tsy avy amin’i Jehovah mihitsy ny faharatsiana. Hoy ny Jakoba 1:13: “Tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” Aoka hotadidintsika koa fa nanome “fanantenana” i Jehovah, na dia nanasazy ny olombelona aza. Nanao zavatra tamim-pitiavana ho an’ny olona mahatoky, taranak’i Adama sy Eva izy, mba hahitan’izy ireo ny faran’ny zava-poana. Hankafy “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” izy ireo amin’izay. Tsy hatahotra intsony mandrakizay ny olombelona mahatoky hoe mety ho tonga zava-poana sy hijaly indray ny zavaboary rehetra. Tsy hiadian-kevitra intsony mandrakizay ny zon’i Jehovah hitondra, noho ilay vahaolana ara-drariny noraisiny.​—Isaia 25:8.

17. Inona no tokony ho tsapantsika, rehefa avy nandinika indray ireo antony isian’ny fijaliana ankehitriny?

17 Rehefa avy nojerentsika indray ireo antony mahatonga ny olona hijaly, moa ve isika mahita antony hanomezan-tsiny an’i Jehovah noho ny faharatsiana, na antony tsy hatokisana azy intsony? Mifanohitra amin’izany, fa mahatonga antsika hiray hevitra amin’i Mosesy ny fandinihana nataontsika. Hoy izy: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4) Aoka àry isika hisaintsaina ireo antony ireo tsindraindray, ka hiezaka hitadidy izany. Tsy hahavita hampipoitra fisalasalana ao an-tsaintsika i Satana amin’izay, rehefa tojo fisedrana isika. Ahoana indray àry ny amin’ilay fomba faharoa voalaza terỳ am-piandohana? Inona no tafiditra amin’ny hoe matoky an’i Jehovah?

Ny dikan’ny hoe matoky an’i Jehovah

18, 19. Inona no lazain’ny Baiboly mba hampirisihana antsika hatoky an’i Jehovah, nefa inona no hevi-diso ananan’ny olona sasany?

18 Mampirisika antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:5, 6) Mahafinaritra sy manome toky ireo teny ireo. Azo antoka fa tsy misy mendri-pitokisana noho ilay Raintsika malala any an-danitra, eo amin’izao rehetra izao. Mora vakina anefa ireo teny ao amin’ny Ohabolana ireo, fa sarotra ampiharina.

19 Maro no diso hevitra mahakasika ny dikan’ny hoe matoky an’i Jehovah. Misy mihevitra fa fihetseham-po fotsiny izy io, toy ny fahasambarana tokony ho tonga ho azy ao am-po. Ny hafa toa mino fa ny dikan’izany dia hoe manantena fa hiaro antsika amin’ny zava-manahirana rehetra Andriamanitra, hamaha ny olana rehetra atrehintsika, ary handamina avy hatrany ny zava-tsarotra rehetra mipoitra isan’andro, araka izay irintsika! Tsy mitombina anefa izany. Tsy fihetseham-po fotsiny na nofinofy ny fitokisana. Rehefa ny olon-dehibe no atao hoe matoky, dia midika izany hoe mandray fanapahan-kevitra voahevitra tsara izy.

20, 21. Inona no dikan’ny hoe matoky an’i Jehovah? Manomeza ohatra.

20 Mariho indray izay lazain’ny Ohabolana 3:5. Ampifanoheriny ny hoe matoky an’i Jehovah sy ny hoe miankina amin’ny fahalalantsika. Te hilaza izany fa tsy miaraka ireo. Midika ve izany fa tsy mahazo mampiasa ny saintsika isika? Tsia, satria nomen’i Jehovah saina isika, ary antenainy ny ampiasantsika azy io eo am-panompoana azy. (Romanina 12:1) Inona anefa no iankinantsika, na ianteherantsika? Raha tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’i Jehovah ny antsika, moa ve isika manaiky fa hendry lavitra noho isika izy? (Isaia 55:8, 9) Ny hoe matoky an’i Jehovah dia midika hoe mamela ny eritreriny hibaiko ny antsika.

21 Indro misy ohatra: Eritrereto ny ankizy kely iray miara-mandeha fiara amin’ny ray aman-dreniny. Izy mivady eo aloha, ary izy ao aoriana. Ny rainy no mitondra. Aoka hatao hoe misy olana mipoitra mandritra ilay dia. Tsy fantatra, ohatra, ny lalana tokony hizorana, na angamba ratsy ny andro na ratsy ny lalana. Ahoana no fihetsiky ny ankizy mankatò sy matoky ny ray aman-dreniny? Hikiakiaka avy ao aoriana ve izy, hilaza amin’ny rainy ny fomba hitondrana ilay fiara? Hisalasala ve izy rehefa misy fanapahan-kevitra raisin’ny ray aman-dreniny, na tsy hanaiky rehefa mampahatsiahy azy mba hipetraka tsara izy ireo? Tsia, matoky avy hatrany izy fa ho voalamin’ny ray aman-dreniny izany olana izany, na dia tsy lavorary aza izy ireo. Ray lavorary kosa anefa i Jehovah. Tsy tokony hatoky azy tanteraka àry ve isika, indrindra rehefa tojo zava-tsarotra?​—Isaia 30:21.

22, 23. a) Nahoana isika no tokony hatoky an’i Jehovah rehefa misy olana, ary ahoana no ampisehoantsika izany? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

22 Milaza anefa ny Ohabolana 3:6 fa tokony ‘hanaiky an’i Jehovah amin’ny alehantsika rehetra’ isika, fa tsy rehefa tojo zava-tsarotra ihany. Tokony ho hita amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro àry fa matoky an’i Jehovah isika. Rehefa misy olana, dia tsy tokony hamoy fo isika, na hivadi-po, na tsy hanaiky ny vahaolana tsara indrindra atoron’i Jehovah. Ny fisedrana dia tokony hoheverintsika ho toy ny fahafahana hanohana ny zon’i Jehovah hitondra, sy hanaporofo fa mpandainga i Satana. Tokony hampianatra antsika hankatò bebe kokoa an’i Jehovah koa izy ireny, sady fomba hanehoana toetra tsara hafa mampifaly azy.​—Hebreo 5:7, 8.

23 Afaka mampiseho ny fatokisantsika an’i Jehovah isika, na inona na inona vato misakana eo anoloantsika. Manao izany isika, rehefa mivavaka sy mitady tari-dalana ao amin’ny Teniny sy avy amin’ny fandaminany. Inona anefa no zavatra voafaritra tsara azontsika atao, mba hampisehoana fa matoky an’i Jehovah isika, manoloana ireo olana misy ankehitriny? Hamakafaka izany ny lahatsoratra manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no nampisehoan’i Davida fa natoky an’i Jehovah izy?

• Inona ireo antony telo mahatonga ny olona hijaly, ary nahoana no tokony hamerina handinika azy ireo isika tsindraindray?

• Inona no sazy nampiharin’i Jehovah tamin’ny olombelona, ary nahoana izany no ara-drariny?

• Inona no dikan’ny hoe matoky an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Natoky an’i Jehovah i Davida

[Sary, pejy 10]

Nilaza i Jesosy fa tsy i Jehovah no nampianjera ilay tilikambo tany Jerosalema