Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matokia Tanteraka An’i Jehovah Amin’ny Andro Fahoriana

Matokia Tanteraka An’i Jehovah Amin’ny Andro Fahoriana

Matokia Tanteraka An’i Jehovah Amin’ny Andro Fahoriana

“Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.”​—SALAMO 46:1.

1, 2. a) Inona no ohatra mampiseho fa tsy ampy ny milaza hoe matoky an’Andriamanitra isika? b) Nahoana no tsy ampy ny milaza fotsiny hoe matoky an’i Jehovah isika?

MORA kokoa ny milaza hoe matoky an’Andriamanitra, noho ny mampiseho izany amin’ny atao. Efa hatramin’ny ela, ohatra, no misy soratra eo amin’ny vola amerikanina hoe “Andriamanitra no Itokisanay.” * Nolanin’ny Antenimieram-pirenena Amerikanina tamin’ny 1956, ny lalàna nilaza azy io ho teny filamatr’i Etazonia. Mahatsikaiky anefa fa maro no matoky kokoa ny vola sy ny harena noho Andriamanitra, ary tsy any Etazonia ihany fa eran-tany mihitsy.​—Lioka 12:16-21.

2 Tsy ampy ny milaza fotsiny hoe matoky an’i Jehovah isika tena Kristianina. ‘Maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao’, dia toy izany koa fa tsy misy dikany ny filazana hoe matoky an’Andriamanitra isika, raha tsy asehontsika amin’ny ataontsika. (Jakoba 2:26) Nianarantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa mampiseho ny fatokisantsika an’i Jehovah isika rehefa mivavaka aminy, ary mitady tari-dalana ao amin’ny Teniny sy avy amin’ny fandaminany. Andeha àry hodinihintsika hoe ahoana no hanarahana ireo fomba telo ireo amin’ny fotoam-pahoriana.

Rehefa tsy an’asa na kely fidiram-bola

3. Inona no olana ara-bola atrehin’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao “fotoan-tsarotra” izao, ary ahoana no ahalalantsika fa vonona hanampy antsika Andriamanitra?

3 Miatrika olana ara-bola toy ny olon-kafa isika Kristianina amin’izao “fotoan-tsarotra” izao. (2 Timoty 3:1) Mety hamoy tampoka ny asantsika àry isika. Na mety ho voatery hiasa mandritra ny ora maro isika, nefa mikarama varimasaka. Mety ho sarotra amin’izay fotoana izay ny ‘hanome izay ilain’ny’ fianakaviantsika. (1 Timoty 5:8) Vonona hanampy antsika anefa ve ilay Andriamanitra Avo Indrindra amin’ny fotoana toy izany? Azo antoka mihitsy fa izany no izy! Mazava ho azy fa tsy miaro antsika amin’ny zava-tsarotra rehetra eto amin’ity tontolo ity i Jehovah. Ho tanteraka amintsika anefa ny Salamo 46:1, raha matoky azy isika. Izao no voalaza ao: “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.” Ahoana anefa no ampisehoantsika fa matoky tanteraka an’i Jehovah isika, rehefa sahirana ara-bola?

4. Inona no azontsika angatahina amim-bavaka rehefa sahirana ara-bola, ary ahoana no amalian’i Jehovah ny vavaka toy izany?

4 Ny vavaka no fomba iray ampisehoantsika fa matoky an’i Jehovah isika. Inona anefa no azontsika angatahina amim-bavaka? Rehefa sahirana ara-bola indrindra isika, no mila fahendrena. Koa mivavaha àry mba hananana azy io! Manome toky antsika ny Tenin’i Jehovah hoe: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Ary dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5) Mba hanaovana fanapahan-kevitra sy safidy tsara àry, dia mangataha fahendrena amin’i Jehovah, izany hoe ny fahaizana mampiasa tsara ny fahalalana sy ny fahaiza-misaina ary ny fahaiza-manavaka. Manome toky antsika ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra fa hihaino ny vavaka toy izany izy. Vonona handamina ny lalan’ireo matoky azy amin’ny fony manontolo mihitsy aza izy.​—Salamo 65:2; Ohabolana 3:5, 6.

5, 6. a) Nahoana no tsara ny mitady fanampiana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hiatrehana olana ara-bola? b) Inona no azo atao mba tsy hampanahy be loatra antsika, raha tsy an’asa isika?

5 Ny fitadiavana ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra no fomba hafa ampisehoana fa matoky azy isika. “Marina indrindra” ireo fampahatsiahivany feno fahendrena ao amin’ny Baiboly. (Salamo 93:5) Efa 1 900 taona mahery no nahavitana io boky avy tamin’ny fanampian’ny fanahy masina io. Afaka manampy antsika hiatrika tsara kokoa ireo olana ara-bola anefa ny torohevitra mendri-pitokisana sy fahalalana lalina ao anatiny. Diniho ny santionany amin’izany fahendrena izany.

6 Hoy i Solomona Mpanjaka hendry, taloha ela be: “Mamy ny torimason’ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben’ny ananan’ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.” (Mpitoriteny 5:11) Mitaky fotoana sy vola ny manamboatra, manadio, mikojakoja, ary miaro ny fananantsika. Raha tsy an’asa àry isika, dia afaka manararaotra mandinika indray ny fomba fiainantsika, ary hiezaka hanavaka izay ilaina sy tsy dia ilaina. Mety ho fahendrena ny manao fanovana sasany, mba tsy hampanahy be loatra antsika. Azontsika atao ve, ohatra, ny manatsotra ny fiainantsika, ka angamba hifindra amin’ny trano kely kokoa, na tsy hitahiry ireo entana tsy ilaina?​—Matio 6:22.

7, 8. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa takany hoe mirona hanahy tafahoatra ny amin’ny zavatra ilainy ny olombelona tsy lavorary? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.) b) Inona no torohevitra feno fahendrena nomen’i Jesosy mba tsy hanahiana tafahoatra?

7 Nanoro hevitra i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra hoe: “Aza manahy ny amin’ny ainareo intsony, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo.” * (Matio 6:25) Fantatr’i Jesosy fa voajanahary ho an’ny olona tsy lavorary ny manahy ny amin’izay tena ilainy. Ahoana anefa no hahatonga antsika tsy ‘hanahy intsony’ ny amin’ny zavatra toy izany? ‘Katsaho hatrany aloha ny fanjakany’, hoy i Jesosy. Tsy maintsy ataontsika loha laharana foana ny fanompoana an’i Jehovah, na inona na inona olana atrehintsika. Raha manao izany isika, dia ‘homen’ny’ Raintsika any an-danitra antsika ny zavatra rehetra ilaina isan’andro. Hanome antsika izay ilaintsika izy, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.​—Matio 6:33.

8 Nanoro hevitra koa i Jesosy hoe: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany.” (Matio 6:34) Tsy fahendrena ny manahy be loatra ny amin’izay mety havoakan’ny ampitso. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Tsy ratsy toy ny atahorantsika azy matetika ny zava-mitranga.” Tsy hanahy tafahoatra isika raha manetry tena, ka manaraka ny torohevitry ny Baiboly mba hifantoka hatrany amin’izay tena zava-dehibe sy handamina ny zava-manahirana, arakaraka ny ipoirany.​—1 Petera 5:6, 7.

9. Ahoana no hanampian’ny boky sy gazety navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” antsika, rehefa sahirana ara-bola isika?

9 Mampiseho ny fatokisantsika an’i Jehovah koa isika, raha mitady fanampiana ao amin’ny boky sy gazety avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, rehefa sahirana ara-bola. (Matio 24:45) Indraindray dia misy lahatsoratra mirakitra torohevitra sy soso-kevitra mahasoa hiatrehana ny fahasahiranana ara-bola ao amin’ny gazety Mifohaza! Misy toro lalana valo azo ampiharina, ohatra, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Rehefa Tsy Manana Asa​—Inona no Hatao?”, ao amin’ny Mifohaza! No. 2/1992. * Nanampy olona maro tsy an’asa, mba hiatrika ny fahasahiranany sy tsy ho kivy, izy io. Ankoatra ireo torohevitra ireo, dia tsy maintsy mahay mandanjalanja isika amin’ny resaka ara-bola. Izany no resahin’ilay lahatsoratra hoe “Lehibe Kokoa Noho ny Vola”, ao amin’io gazety io ihany.​—Mpitoriteny 7:12.

Rehefa mampahory ny aretina

10. Nahoana no mahasoa ny matoky an’i Jehovah rehefa marary mafy, araka ny asehon’ny ohatr’i Davida Mpanjaka?

10 Tena mahasoa ve ny matoky an’i Jehovah rehefa marary mafy? Mahasoa tokoa! Mahay miara-miory amin’ireo marary eo anivon’ny vahoakany i Jehovah. Vonona hanampy azy ireo mihitsy aza izy. Diniho, ohatra, i Davida Mpanjaka. Narary mafy angamba izy tamin’izy nanoratra ny amin’ny fomba itondran’Andriamanitra ny olo-marina marary. Hoy izy: “Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy; ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.” (Salamo 41:1, 3, 7, 8) Natoky an’Andriamanitra foana i Davida, ary sitrana izy tamin’ny farany. Ahoana anefa no ampisehoana fa matoky an’Andriamanitra isika, rehefa ampahorin’ny aretina?

11. Inona no azontsika angatahina amin’ilay Raintsika any an-danitra, rehefa marary isika?

11 Ny fomba iray ampisehoana hoe matoky an’i Jehovah isika rehefa marary, dia ny mitalaho aminy mba hanampiany antsika hiaritra. Afaka mangataka “fahendrena” aminy isika, mba hahasalama antsika araka izay azo atao. (Ohabolana 3:21) Afaka mangataka ny fanampiany koa isika, mba hanam-paharetana sy hahari-pery. Ny tena tiantsika hangatahina amin’i Jehovah anefa, dia ny hanohanany antsika, ka hanomezany antsika ny hery tsy hivadihana aminy, ary ho tony hatrany, na inona na inona mitranga. (Filipianina 4:13) Zava-dehibe kokoa noho ny fiarovana ny aintsika ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra. Hanome antsika fahasalamana sy fiainana lavorary mandrakizay ilay Mpamaly soa Lehibe, raha tsy mivadika isika.​—Hebreo 11:6.

12. Toro lalana inona ao amin’ny Baiboly no hanampy antsika hisafidy amim-pahendrena izay fitsaboana harahina?

12 Manosika antsika hitady tari-dalana ao amin’ny Tenin’i Jehovah, na ny Baiboly, koa ny fatokisantsika azy. Hanampy antsika hisafidy amim-pahendrena izay fitsaboana harahina, ny toro lalana hita ao. Fantatsika, ohatra, fa raran’ny Baiboly ny “fifandraisana amin’ny fanahy ratsy”, ka tsy hanaiky fizaham-pahasalamana na fitsaboana mifandray amin’izany isika. (Galatianina 5:19-21; Deoteronomia 18:10-12) Intỳ koa misy ohatra hafa, mampiseho ny fahendrena mendri-pitokisana ao amin’ny Baiboly: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15) Hendry àry isika raha mitady fanazavana azo atokisana, rehefa mieritreritra izay fitsaboana harahintsika, fa tsy “mino ny teny rehetra.” Ny ‘fisainana’ toy izany dia hanampy antsika handinika tsara ny safidy manoloana antsika sy handray fanapahan-kevitra voahevitra tsara.​—Titosy 2:12.

13, 14. a) Milazà lahatsoratra sasany ara-pahasalamana nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! (Jereo ilay efajoro ao amin’ny pejy 17.) b) Inona no torohevitra nomena tao amin’ny Mifohaza! 8 Febroary 2001, ny amin’ny fomba hiatrehana aretina mitaiza?

13 Mampiseho ny fatokisantsika an’i Jehovah koa isika, rehefa mikaroka ao amin’ny boky sy gazety avoakan’ny mpanompo mahatoky. Mamoaka fanazavana momba ny aretina maro voafaritra tsara Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! indraindray. * Hita ao ny tantaran’olona nahavita niatrika aretina sy kilema maro samihafa. Misy koa lahatsoratra manome soso-kevitra avy ao amin’ny Soratra Masina sy torohevitra hafa, manampy ny olona hizaka aretina mitaiza.

14 Nisy fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Fankaherezana An’ireo Marary”, ohatra, tao amin’ny Mifohaza! 8 Febroary 2001. Misy toro lalan’ny Baiboly mahasoa ao anatiny, ary koa fanazavana nomen’ireo olona manana aretina miteraka takaitra, efa hatramin’ny taona maro. Manoro hevitra toy izao ilay lahatsoratra hoe “Miaritra Aretina Nefa Mahita Fahombiazana​—Amin’ny Fomba Ahoana?”: Manovoza fahalalana betsaka araka izay azonao atao momba ny aretinao. (Ohabolana 24:5) Manàna tanjona azo tratrarina, anisan’izany ny hanampy ny hafa. Tadidio anefa fa mety tsy ho tratranao ny tanjona tratran’ny hafa. (Asan’ny Apostoly 20:35; Galatianina 6:4) Aza mitokantokana. (Ohabolana 18:1) Ataovy izay hahatonga ny olona ho finaritra, rehefa mitsidika anao. (Ohabolana 17:22) Ambonin’izany rehetra izany, dia mifandraisa akaiky foana amin’i Jehovah sy ny fiangonana. (Nahoma 1:7; Romanina 1:11, 12) Tsy velom-pankasitrahana ve isika noho ny tari-dalana mendri-pitokisana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany?

Rehefa misy fahalemen’ny nofo tsy mety resy

15. Ahoana no nahafahan’i Paoly nandresy ny fahalemen’ny nofo tsy lavorary, ary inona no toky ananantsika?

15 Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amin’ny nofoko.’ (Romanina 7:18) Fantatr’i Paoly tsara fa sarotra ny miady amin’ny faniriana sy ny fahalemen’ny nofo tsy lavorary. Natoky anefa izy fa afaka ny handresy. (1 Korintianina 9:26, 27) Amin’ny fomba ahoana? Raha matoky tanteraka an’i Jehovah. Noho izany, dia afaka niteny izy hoe: “Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity vatana izay azon’ny fahafatesana ity? Isaorana anie Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!” (Romanina 7:24, 25) Ahoana ny amintsika? Miady amin’ny fahalemen’ny nofo koa isika. Mora ny manary toky ka hanjary hieritreritra hoe tsy hivoaka ho mpandresy mihitsy isika amin’io ady io. Hanampy antsika anefa i Jehovah, raha tena miantehitra aminy toa an’i Paoly isika, fa tsy miantehitra amin’ny herintsika fotsiny.

16. Inona no ilaintsika angatahina amim-bavaka, rehefa misy fahalemena tsy mety resy, ary inona no tokony hatao raha niverina tamin’izany indray isika?

16 Mampiseho ny fatokisantsika an’i Jehovah isika raha mitalaho aminy amim-bavaka, rehefa misy fahalemena tsy mety resy. Mila mangataka ny fanampian’ny fanahiny masina isika, eny miangavy mafy mihitsy aza. (Lioka 11:9-13) Azontsika angatahina manokana ny fifehezan-tena, izay anisan’ny vokatry ny fanahiny. (Galatianina 5:22, 23) Inona no tokony hatao raha niverina tamin’ny fahalementsika indray isika? Tsy tokony hanary toky isika, na ahoana na ahoana. Aoka isika hanetry tena, ary tsy ho sasatra ny hangataka famelan-keloka sy fanampiana amin’ilay Andriamanitsika be famindram-po. Tsy holavin’i Jehovah na hailikiliny mihitsy ny fo “torotoro sy mangorakoraka” vesaran’ny fahatsiarovan-tena ho meloka. (Salamo 51:17) Hanampy antsika hanohitra fakam-panahy izy, raha mitalaho aminy isika, sy tena manenina mafy.​—Filipianina 4:6, 7.

17. a) Nahoana no mahasoa ny misaintsaina izay tsapan’i Jehovah momba ilay fahalemena iadiantsika? b) Inona no andinin-teny azontsika tadidina, raha miady mafy isika mba tsy ho mora tezitra? mba hifehezana ny lelantsika? mba tsy ho voasinton’ny fialam-boly tsy mendrika?

17 Mampiseho ny fatokisantsika an’i Jehovah koa isika, rehefa mitady fanampiana ao amin’ny Teniny. Afaka mampiasa fizahan-teny ara-baiboly isika, na ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hamantarana hoe: ‘Inona no tsapan’i Jehovah momba ilay fahalemena iadiako?’ Mety haniry hampifaly azy kokoa isika, rehefa misaintsaina izay tsapany momba ilay raharaha. Mety hanomboka hitovy fihetseham-po aminy isika, ka hankahala izay ankahalainy. (Salamo 97:10) Hitan’ny sasany fa manampy ny mitadidy andinin-teny ara-baiboly mifandray amin’ilay fahalemena iadiany. Miady mafy ve isika mba tsy ho mora tezitra? Azontsika atao ny mitadidy ny Ohabolana 14:17 sy ny Efesianina 4:31. Sarotra amintsika ve ny mifehy ny lelantsika? Azontsika ianarana tsianjery ny Ohabolana 12:18 sy ny Efesianina 4:29. Manintona antsika ve ny fialam-boly tsy mendrika? Azontsika tadidina ny Efesianina 5:3 sy ny Kolosianina 3:5.

18. Nahoana isika no tsy tokony ho menatra hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy, mba handresena ny fahalementsika?

18 Mampiseho koa isika hoe matoky an’i Jehovah, rehefa mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy voatendrin’ny fanahy. (Asan’ny Apostoly 20:28) Fandaharana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny, mba hiaro sy hikarakara ny ondriny. (Efesianina 4:7, 8, 11-14) Marina aloha fa mety tsy ho mora ny mangataka fanampiana mba hiadiana amin’ny fahalemena. Mety ho menatra isika, na hatahotra sao tsy hankasitraka firy antsika intsony ny anti-panahy. Tsy isalasalana anefa fa hanaja antsika ireny lehilahy matotra ireny, rehefa sahy mangataka fanampiana isika. Ankoatra izany, dia miezaka hanahaka ny toetran’i Jehovah koa ny anti-panahy, rehefa mifampiraharaha amin’ny andian’ondry. Manome torohevitra mahasoa sy mampahery ary toromarika ara-baiboly izy ireny. Mety ho izany mihitsy no ilaintsika mba ho tapa-kevitra kokoa isika handresy ilay fahalementsika.​—Jakoba 5:14-16.

19. a) Inona no kendren’i Satana amin’ny fampiasana ny zava-poana eto amin’ity tontolo ity? b) Hita taratra eo amin’ny inona ny fatokisantsika, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

19 Aza hadinoina mihitsy fa fantatr’i Satana hoe kely sisa ny androny. (Apokalypsy 12:12) Te hampiasa ny zava-poana eto amin’ity tontolo ity izy mba hanakiviana antsika, ka hahatonga antsika hilavo lefona. Enga anie isika hatoky tanteraka ny voalazan’ny Romanina 8:35-39 hoe: “Iza no hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana ve, sa fijaliana, sa fanenjehana, sa hanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? . . . Mifanohitra amin’izany aza, fa mivoaka ho mpandresy tanteraka isika amin’izany rehetra izany, amin’ny alalan’ilay tia antsika. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fitondram-panjakana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.” Fatokisana an’i Jehovah re izany! Tsy fihetseham-po fotsiny anefa izany fatokisana izany, fa hita taratra eo amin’ny fanapahan-kevitra nosaintsainina tsara raisintsika isan’andro. Aoka àry isika ho tapa-kevitra tsara ny hatoky tanteraka an’i Jehovah amin’ny fotoam-pahoriana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Izao no nosoratan’i Salmon Chase, Minisitry ny Fitantanam-bola, ho an’ny Mpanonta Vola Amerikanina, tamin’ny 20 Novambra 1861: “Tsy hatanjaka ny firenena iray raha tsy Andriamanitra no manatanjaka azy, ary tsy hilamina izy io raha tsy Izy no miaro azy. Tokony hosoratana eo amin’ny volantsika àry fa matoky an’Andriamanitra ny firenentsika.” Noho izany, dia nasiana ilay teny filamatra hoe “Andriamanitra no Itokisanay” ny vola amerikanina, nanomboka tamin’ny 1864.

^ feh. 7 Ny hoe fanahiana eto dia milaza “tahotra miharo tebiteby, mahatonga ny fiainana tsy hahafinaritra intsony.” Milaza fotsiny ny fandikan-teny sasany hoe: “Aza manahy.” Te hilaza izany fa tsy tokony hanomboka hanahy isika. Hoy anefa ny boky iray: “Manana endrika mandidy ilay matoanteny grika ampiasaina eto, ary midika hoe tsy tokony hanohy zavatra iray efa natomboka.”

^ feh. 9 Ireto avy ireo hevitra valo: 1) Aoka ianao ho tony; 2) mijere lafy tsaran-javatra; 3) aoka ianao ho vonona hanaiky asa hafa; 4) aoka ianao hiaina mifanaraka amin’izay anananao, fa tsy hanenjika ny an’ny hafa; 5) aoka ianao ho mailo, rehefa mividy zavatra aloa tsikelikely; 6) arovy ny firaisam-pianakaviana; 7) aza mihevi-tena ho tsy misy vidiny; ary 8) manaova teti-bola.

^ feh. 13 Tsy mampirisika na mitaona ny olona hanaraka fitsaboana manokana ireo gazety ara-baiboly ireo, satria anjaran’ny tsirairay no misafidy izany. Natao hampahafantarana ny zava-misy fotsiny, ny lahatsoratra mamelabelatra aretina sasany.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no ampisehoantsika fa matoky an’i Jehovah isika, rehefa sahirana ara-bola?

• Ahoana no ampisehoantsika fatokisana an’Andriamanitra, rehefa mampahory antsika ny aretina?

• Ahoana no ampisehoantsika fa tena miantehitra amin’i Jehovah isika, rehefa manana fahalemena tsy mety resy?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 17]

Tadidinao ve Ireto Lahatsoratra Ireto?

Rehefa mahatsiaro ho kivy isika noho ny tsy fahasalamana, dia mampahery ny mamaky ny tantaran’ireo olona nahavita niaritra ny aretina sy kilema nahazo azy. Ireto misy lahatsoratra vitsivitsy nivoaka tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!

“Nandresy ny Fahalemeko Aho.” Miompana amin’ny fomba hijerena lafy tsaran-javatra sy handresena ny fahaketrahana.​—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1990.

“Nanova ny Fiainako ny Takaitra Nahazo Ahy.”​—Mifohaza! 8 Mey 2003.

“Potraka, Nefa Tsy Maty.” Mifantoka amin’ny fomba hiatrehana fahalemena.​—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1995.

“Tsy Mahalala ny ho Ampitso Hianareo.” Miresaka ny amin’ny fomba hiatrehana karazana aretin-tsaina.​—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2000.

“Nivoaka avy tao Anatin’ny Fanginana i Loida.” Mifantoka amin’ny fomba hiatrehana ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha.​—Mifohaza! 8 Mey 2000.

“Ny Ady Ataoko Amin’ny Endometriozy.”​—Mifohaza! 8 Aogositra 2000.

“Feno Fankasitrahana ny Fanohanana Azo Antoka Omen’i Jehovah.”​—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1993.

“Ny Fahalemeko no Fahatanjahako.”​—Mifohaza! 8 Febroary 1997.

[Sary, pejy 15]

Mety ho fahendrena ny handinihana indray ny fomba fiainantsika, raha tsy an’asa isika

[Sary, pejy 16]

Asehon’ny tantaran’i Loida fa manampy antsika hiaritra ny fatokisana an’i Jehovah. (Jereo ny efajoro ao amin’ny pejy 17)

[Sary, pejy 18]

Tsy tokony ho menatra hangataka fanampiana isika, mba handresena fahalemena