Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miderà An’i Jehovah “eo Amin’ny Fiangonana”

Miderà An’i Jehovah “eo Amin’ny Fiangonana”

Miderà An’i Jehovah “eo Amin’ny Fiangonana”

FANDAHARANA nataon’i Jehovah ny fivoriana kristianina, mba hihazonana ny vahoakany ho matanjaka ara-panahy. Sady mankasitraka ny fandaharana nataony isika no ‘mandrisika [ireo rahalahy] ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara’, rehefa manatrika tsy tapaka ny fivoriana kristianina. Asehontsika amin’izany fa mifankatia isika. (Hebreo 10:24; Jaona 13:35) Ahoana anefa no handrisihana ireo rahalahy any am-pivoriana?

Ambarao ampahibemaso ny finoanao

Hoy i Davida Mpanjaka: “Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho; eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao. Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ny fiangonan-dehibe.” “Hisaotra Anao eo amin’ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ny olona maro aho.” “Efa nilaza teny mahafaly ny amin’ny fahamarinana teo amin’ny fiangonana lehibe [aho]; indro, ny molotro tsy mba nakomboko.”​—Salamo 22:22, 25; 35:18; 40:9.

Nanambara ampahibemaso ny finoany an’i Jehovah sy ny voninahiny koa ny Kristianina tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, rehefa niara-nivory. Nifampahery sy nifampirisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara izy ireo tamin’izany. Hitantsika tokoa fa ‘manakaiky ny andron’i [Jehovah]’, amin’izao taonjato maro atỳ aorian’i Davida sy Paoly izao. (Hebreo 10:24, 25) Mivembena mankamin’ny fandringanana ny tontolon’i Satana, sady mihamaro hatrany ny olana. “Mila miaritra” kokoa noho ny hatramin’izay àry isika. (Hebreo 10:36) Iza indray moa no afaka hampirisika antsika hiaritra, ankoatra ireo rahalahintsika?

Afaka manambara ny finoany “eo amin’ny fiangonana” koa ankehitriny ny mpino tsirairay. Fomba iray azon’ny rehetra anaovana izany ny fanomezana valin-teny, rehefa misy fanontaniana apetraka amin’ny mpanatrika. Aza hamaivanina mihitsy ny soa entin’izany. Ho tapa-kevitra kokoa hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly, ohatra, ireo rahalahintsika, rehefa mandre valin-teny mampiseho ny fomba niatrehana na nisorohana olana. Mandrisika ny hafa hanatsara ny fomba fianarany kosa ny valin-teny nampidirana fanazavana hita tamin’ny fikarohana, na manazava andinin-teny voatonona nefa tsy voasoratra.

Vonona handresy ny henatra ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, rehefa takany fa mahasoa azy sy ny olon-kafa ny fanomezana valin-teny. Tokony hanome valin-teny any am-pivoriana ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana, satria izy ireo no voalohany antenaina hanatrika sy handray anjara amin’izany. Inona anefa no azon’ny olona iray atao, raha tsapany fa sarotra aminy ny manome valin-teny?

Soso-kevitra mba hihatsarana

Tadidio fa anisan’ny fanompoana an’i Jehovah ny fanomezana valin-teny. Nanazava ny heviny momba ny valin-teny omeny, ny anabavy kristianina iray any Alemaina. Hoy izy: “Ireny no hamaliako an’i Satana, izay miezaka hisakana ny vahoakan’Andriamanitra tsy hanambara ny finoany.” Hoy ny rahalahy iray vao vita batisa, iray fiangonana aminy: “Mivavaka mafy aho mba ho afaka hanome valin-teny tsara.”

Manaova fanomanana tsara. Ho sarotra aminao ny hanome valin-teny, ary tsy hisy dikany loatra ny valin-teninao, raha tsy nanomana ianao. Misy soso-kevitra momba ny fanomezana valin-teny, ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, pejy 70. *

Ataovy tanjona ny hanome valin-teny iray isaky ny fivoriana, fara fahakeliny. Tokony hanomana valin-teny maromaro ianao, satria azo antenaina kokoa hoe hanondro anao ilay mpitarika raha manangan-tanana matetika ianao. Azonao lazaina aminy mialoha koa izay fanontaniana efa niomananao hanomezana valin-teny. Tena manampy izany, indrindra raha vaovao ianao. Mety hiahotra ianao hanangan-tanana “eo amin’ny fiangonan-dehibe.” Ho sahy hanome valin-teny anefa ianao, raha izao no ataonao an-tsaina: Anao ilay fehintsoratra, ary tsy maintsy hijery ny tananao ilay mpitarika.

Manomeza valin-teny aloha kokoa. Tsy manamora ny zavatra sarotra ny fangatahana andro hanaovana azy. Mety hanampy ny manome valin-teny aloha. Ho hitanao fa ho mora kokoa ny hanome valin-teny fanindroany na fanintelony, rehefa vitanao ny nanome ilay valin-teny voalohany.

Fidio izay toerana mety. Mora kokoa amin’ny sasany ny manome valin-teny, rehefa mipetraka eny aloha izy, ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy dia voahelingelina izy amin’izay, sady mahalana ilay mpitarika vao tsy mahita ny tanany. Aza hadinoina anefa ny miteny mafy tsara mba ho ren’ny rehetra, indrindra raha tsy mampiasa mikrô fitondra mandehandeha ilay fiangonana.

Mihainoa tsara. Hanampy anao tsy hamerina izay vao avy nolazain’ny hafa izany. Mety hampahatsiahy anao andinin-teny na hevitra hanampiana izay vao avy nolazain’olon-kafa koa ireny valin-teny ireny. Mety hampahazava ilay hevitra dinihina indraindray, ny fitantarana fohy. Tena ilaina ny valin-teny toy izany.

Mianara manome valin-teny amin’ny fomba fiteninao. Raha vaovao ianao, dia mety ho tsara raha mamaky avy ao amin’ilay zavatra ianarana, rehefa manome valin-teny. Midika izany fa hitanao ny valiny marina amin’ilay fanontaniana apetraka. Asehonao kosa fa takatrao ilay hevitra dinihina, raha manome valin-teny amin’ny fomba fiteninao ianao. Tsy voatery hanonona ny teny ampiasain’ny bokintsika isika. Tsy mamerina fotsiny izay lazain’ny bokiny ny Vavolombelon’i Jehovah.

Aza mivaona amin’ilay foto-kevitra. Tsy mety ny manome valin-teny tsy mifandray amin’ny foto-kevitra na mivaona amin’ny hevi-dehibe dinihina. Tokony hifanentana tsara amin’ilay foto-kevitra dinihina ny valin-teninao. Hampahery amin’izay ilay foto-kevitra velabelarina.

Manomeza fampaherezana. Tsy tokony hilaza zavatra mety hanakivy ny hafa mihitsy isika, satria ny hampahery azy no anisan’ny antony lehibe anomezantsika valin-teny. Aza resahina avokoa ny fehintsoratra manontolo, ka ho kely sisa ny holazain’ny hafa na tsy hisy intsony. Tsy mazava ny valin-teny lava na sarotra. Mazava tsara kosa ny valin-teny fohy, sady handrisika an’ireo vaovao hanome ny valiny fohy efa nomaniny.

Andraikitry ny mpitarika fivoriana

Manana andraikitra lehibe hampahery ny hafa ilay mpitarika fivoriana. Tena liana amin’ny valin-teny rehetra izy, ka mihaino sy mijery tsara izay manome valin-teny, fa tsy variana amin-javatra hafa. Tena tsy hety mihitsy raha tsy mihaino tsara izy, ka mamerimberina fotsiny izay vao avy nolazaina, na mametraka fanontaniana efa nisy namaly!

Hahakivy koa, raha averin’ilay mpitarika amin’ny fomba hafa foana ny valin-teny nomena, ka toy ny hoe tsy ampy ilay valin-teny teo. Mampahery kosa ny valin-teny, rehefa mahatonga ny hafa hanazava misimisy kokoa momba ny hevi-dehibe. Mandrisika hanome valin-teny misy heviny ny fanontaniana toy ny hoe: ‘Ahoana no ampiharantsika an’izany eto anivon’ny fiangonantsika?’ na ‘Inona no andinin-teny ao amin’ilay fehintsoratra manohana ny voalaza teo?’

Tokony hoderaina manokana ireo vaovao na saro-kenatra, rehefa manome valin-teny. Azo atao aorian’ilay fianarana izany, ary atao mitokana, mba tsy hahasadaikatra azy. Ho afaka hanome soso-kevitra koa amin’izay ilay mpitarika, raha ilaina izany.

Mazàna no tsy miteny intsony ny hafa, raha vao misy olona iray mibodo resaka. Tsy hitany mantsy izay antony itenenana. Zara raha mihaino koa izy ireo, na tsy hihaino mihitsy an’ilay miteny. Toy izany koa no mety hitranga raha mibodo resaka ilay mpitarika, ka manome fanazavana matetika loatra. Afaka mametraka fanontaniana fanampiny anefa izy indraindray, mba hampitenenana ny mpanatrika sy hampirisihana azy ireo hieritreritra momba ilay foto-kevitra. Tsy tokony hatao betsaka ireny fanontaniana ireny.

Tsy voatery hanondro an’izay manangan-tanana voalohany ilay mpitarika. Mety hanakivy an’ireo mila fotoana kely hanomanana ny valin-teniny mantsy izany. Ho afaka hanome valin-teny ireo mbola tsy nanao izany, raha miandry kely ilay mpitarika. Haneho fahaiza-manavaka koa izy, ka tsy hanondro ankizikely mba hamaly fanontaniana tsy takatry ny sainy.

Inona no atao raha diso ilay valin-teny? Tokony tsy hanao izay hahamenatra an’ilay nanome valin-teny ilay mpitarika. Misy marina ihany ny sasany amin’ilay valin-teny, matetika. Izao no hanitsian’ilay mpitarika izany, mba tsy hisy ho sadaikatra: mitady hevitra marina ao anatin’ilay valin-teny, manamboatra ny fanontaniana napetraka na mametraka iray hafa.

Tsy mety ny mametraka fanontaniana malalaka loatra, toy ny hoe: ‘Iza no mbola manana hevitra horesahina?’ Mety hanontany amim-pahatsorana ianao hoe: ‘Efa hifarana izao ny fianarana, fa iza no mbola tsy namaly?’ Tsy hampirisika ny olona hiteny velively anefa izany. Tsy tokony hatao mahatsiaro tena ho meloka ireo rahalahy, raha tsy nanome valin-teny aloha kokoa. Tokony hampirisihina kosa izy ireo hilaza izay nianarany, satria fanehoam-pitiavana izany. Tsy mety koa raha sady manondro olona iray hanome valin-teny ilay mpitarika, no miteny hoe: “Afaka mamaly avy eo ny Rahalahy Ranona sy ny Anabavy Ranona.” Tokony hohenoiny aloha ilay valin-teny, mba hamaritany raha ilaina ny valin-teny fanampiny, na tsia.

Tombontsoa ny manome valin-teny

Ilaina ny manatrika ireo fivoriana kristianina, mba hahazoana hery hanompoana an’i Jehovah. Tombontsoa ny manome valin-teny any am-pivoriana, ary fomba manokana iderana an’i Jehovah “eo amin’ny fiangonana.” Manaraka tsara ny ohatr’i Davida sy ny torohevitr’i Paoly àry isika, rehefa mandray anjara betsaka amin’izany. Asehontsika fa anisan’ny fiangonan-dehiben’i Jehovah isika, sady tia an’ireo rahalahintsika, rehefa mandray anjara amin’ny fivoriana. Aiza indray moa no tianareo haleha, ankoatra ny any am-pivoriana, “satria hitanareo fa manakaiky ny andro”?​—Hebreo 10:25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 20]

Samy zava-dehibe ny mihaino sy ny manome valin-teny mandritra ny fivoriana kristianina

[Sary, pejy 21]

Tena liana amin’ny valin-teny rehetra ilay mpitarika fivoriana