Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy Aminao ve Ireo Zokiolona Mpiray Finoana Aminao?

Sarobidy Aminao ve Ireo Zokiolona Mpiray Finoana Aminao?

Sarobidy Aminao ve Ireo Zokiolona Mpiray Finoana Aminao?

NOMENA izao didy izao ny Isiraelita fahiny, fony izy ireo nofehezin’ilay fifanekeny tamin’Andriamanitra: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy, ary matahora an’Andriamanitrao.” (Levitikosy 19:32) Araka izany, dia adidy masina ny fanajana ny be taona, sady anisan’ny fankatoavana an’Andriamanitra. Marina fa tsy fehezin’ny Lalàn’i Mosesy intsony ny Kristianina ankehitriny. Mampahatsiahy antsika anefa izy io fa sarobidy amin’i Jehovah ireo zokiolona manompo azy. (Ohabolana 16:31; Hebreo 7:18) Mitovy fomba fijery amin’i Jehovah ve isika? Sarobidy amintsika ve ireo rahalahintsika sy anabavintsika zokiolona, eo anivon’ny fiangonana?

Sarobidy taminy ilay namany zokiolona

Misy tantara iray ao amin’ny Baiboly manasongadina ny fanajana ireo zokiolona. Ao amin’ny Mpanjaka Faharoa no ahitana azy io. Resahina ao ny zava-nitranga rehefa nandimby an’i Elia mpaminany i Elisa, mpaminany tanora kokoa. Diniho izay nitranga tamin’ny andro farany naha mpaminany an’i Elia teo amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely.

Nasain’i Jehovah nandao an’i Gilgala io mpaminany zokiolona io, ka hankany Betela, ary avy eo ho any Jeriko, sy any amin’ny Reniranon’i Jordana. (2 Mpanjaka 2:1, 2, 4, 6) Intelo i Elia no niteny an’i Elisa mba tsy hanaraka azy intsony, nandritra io dia efa ho 50 kilaometatra io. Tsy nety nandao an’ilay mpaminany zokiolona mihitsy anefa i Elisa, toa an’i Rota tanora izay tsy nety nandao an’i Naomy, taonjato maro talohan’izay. (Rota 1:16, 17) Intelo i Elisa no niteny hoe: “Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho.” (2 Mpanjaka 2:2, 4, 6) Efa nanampy an’i Elia nandritra ny enin-taona i Elisa tamin’izay fotoana izay. Na izany aza anefa, dia naniry hiara-manompo tamin’i Elia nandritra ny fotoana ela araka izay azony natao izy. Nolazain’ilay fitantarana mihitsy aza fa “raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy dia, indro, . . . Elia niakatra.” (Andininy faha-11) Nifampiresaka foana i Elia sy Elisa mandra-pahatongan’ny fotoana farany nanompoan’i Elia teo amin’ny Israely. Toa dodona erỳ i Elisa handray fampianarana sy fampaherezana betsaka araka izay azo natao avy tamin’ilay mpaminany zokiolona sy za-draharaha kokoa. Tena sarobidy taminy tokoa ilay namany zokiolona.

‘Toy ny ray sy reny’

Tian’i Elisa ary noraisiny ho toy ny namana sy toy ny ray nitari-dalana sy nampiofana azy teo amin’ny fanompoana mihitsy, ilay mpaminany zokiolona. Tsy saro-pantarina ny antony nahatonga izany. (2 Mpanjaka 2:12) Taloha kelin’ny nifaranan’ny asa nanendrena an’i Elia teo amin’ny Israely, dia hoy izy tamin’i Elisa: “Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho.” (Andininy faha-9) Niahy ny fahasalamana ara-panahin’ilay mpandimby azy foana àry i Elia, no sady nanao izay hitohizan’ny asan’Andriamanitra.

Mampahery ny mahita fa toy ny ray sy reny miahy ny hafa koa ireo zokiolona eo anivon’ny fiangonantsika. Mazoto erỳ izy ireo mampita ny fahalalany sy ny fahendreny amin’ny tanora. Faly manampy ireo mpianakavin’ny Betela vaovao mba hahay tsara ny asany, ohatra, ireo mpiasa an-tsitrapo nanompo hatramin’ny ela any amin’ireo biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy izany koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, izay mitsidika fiangonana hatramin’ny taona maro. Faly izy ireo mampita ny fahaizana maro be ananany amin’ireo miofana ho mpiandraikitra mpitety faritany. Misy rahalahy sy anabavy zokiolona efa nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro koa, any amin’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Faly izy ireny mampita fahendrena sy fahaizana amin’ireo vaovao eo anivon’ny fiangonana.​—Ohabolana 3:21; Filipianina 3:17; Titosy 2:3-5.

Rehefa be fiahiana toy izany ireny zokiolona malalantsika ireny, dia tena mahafinaritra ny manaja azy. Tokony hanaraka ny ohatr’i Elisa àry isika, ka hankasitraka lalina ireo zokiolona mpiray finoana amintsika. Araka ny ampahatsiahivin’ny apostoly Paoly antsika, dia enga anie isika hanohy hitondra ny “lehilahy zokiolona . . . toy ny ray” ary “ny vehivavy zokiolona toy ny reny.” (1 Timoty 5:1, 2) Anisan’ny mampandeha tsara sy mampandroso ny fiangonana kristianina eran-tany isika, raha manao izany.

[Sary, pejy 30]

Naniry hiara-manompo tamin’i Elia nandritra ny fotoana ela araka izay azony natao i Elisa

[Sary, pejy 31]

Maro ny soa raisin’ny tanora avy amin’ireo Kristianina zokiolona