Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokana Ihany ny Fivavahana Kristianina Marina

Tokana Ihany ny Fivavahana Kristianina Marina

Tokana Ihany ny Fivavahana Kristianina Marina

FIANGONANA iray monja no naorin’i Jesosy Kristy. Toy ny fianakaviam-be iray ny olona anisan’izy io. Nofidin’ny fanahy masin’Andriamanitra izy rehetra, ary nekeny ho ‘zanany.’​—Romanina 8:16, 17; Galatianina 3:26.

Nampianatra i Jesosy fa iray ihany no fomba itarihan’​Andriamanitra ny olona ho amin’ny fahamarinana sy ny fiainana. Mba hanazavana izany hevi-dehibe izany, dia nohariny tamin’ny lalana ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Hoy izy: “Midira amin’ny vavahady tery, satria lehibe sady malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka maro no miditra any, fa tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.”​—Matio 7:13,​14; Jaona 14:6; Asan’ny Apostoly 4:11, 12.

Fiangonana niray saina

Io fiangonana tamin’ny taonjato voalohany io dia “tsy fikambanana maneran-tany sy iraisam-pirenena ary voalamina toy ny eglizy katolika ankehitriny”, hoy ny Diksionera Vaovaon’ny Teolojia (anglisy). Nahoana? “Tsotra ny antony”, hoy io boky io. “Tsy nisy fikambanana maneran-tany sy voalamina toy izany tamin’izany andro izany.”

Iaraha-manaiky fa tsy nanaraka ny rafitra sy fombafomba be arahin’ireo fivavahana ankehitriny mihitsy ny fiangonana kristianina voalohany. Voalamina anefa izy io. Tsy nanao izay saim-pantany ireo fiangonana, fa nanaiky ny fahefan’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema. Ireo apostoly sy anti-panahin’ny fiangonana tany Jerosalema no nahaforona an’io filan-kevi-pitantanana io. Nataon’izy ireo izay hampiray saina hatrany ny fiangonana, toy ny “vatana” iray ihany, dia ny an’i Kristy.​—Efesianina 4:4, 11-16; Asan’ny Apostoly 15:22-31; 16:4, 5.

Inona àry no nitranga tamin’io fiangonana nanaraka ny fivavahana marina io? Izy io ve no nanjary ilay Eglizy Katolika, izay tena manan-kery? Sa nitatra ve izy io, ka lasa ny fivavahana protestanta misampantsampana be? Sa nisy zavatra hafa nitranga?

“Vary” sy “tsimparifary”

Mba hahitana ny valin’izany, dia hodinihintsika tsara izay nolazain’i Jesosy Kristy fa hitranga. Mety ho gaga ianao hahafantatra fa efa nampoizin’i Jesosy hoe ho sarotra havahana ilay fiangonany, ary hamela izany hitranga mandritra ny taonjato maro izy.

Nampitoviny tamin’ny “fanjakan’ny lanitra” ny fiangonany, rehefa nilaza izy hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray namafy voa tsara tany an-tanimbariny. Raha mbola natory ny olona, dia tonga ny fahavalony namafy tsimparifary teo amin’ny vary, dia lasa. Rehefa naniry ny vary ka niteraka, dia nipoitra koa ny tsimparifary. Koa tonga ny mpanompon-dralehilahy ka nilaza taminy hoe: ‘Tompoko, tsy voa tsara ve no nafafinao tany an-tanimbarinao? Koa nahoana àry no misy tsimparifary koa?’ Hoy izy tamin’ireo: ‘Fahavalo no nanao izany.’ Hoy ireo taminy: ‘Tianao àry ve ny handehananay hanangona azy ireny?’ Hoy izy: ‘Tsia, sao manongotra ny vary koa ianareo rehefa manangona ny tsimparifary. Avelao ihany hiara-maniry izy roa tonta mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Hilaza amin’ny mpijinja aho amin’izay fotoana izay hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana, ary avy eo vao angony ny vary ka ataovy ao an-trano fitahirizako vokatra.’”​—Matio 13:24-30.

Nanazava i Jesosy fa izy no “mpamafy.” Ny tena mpianany no “voa tsara.” I Satana Devoly no ‘fahavalony.’ Ary “ny tsimparifary” dia ireo Kristianina sandoka nitsofoka tsikelikely teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany. Nilaza i Jesosy fa havelany hiara-maniry “ny vary” sy “ny tsimparifary”, mandra-pahatongan’ny “fotoam-pijinjana”, dia ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 13:37-43) Inona no dikan’izany rehetra izany?

Niala tamin’ny marina ilay fiangonana kristianina

Tsy ela taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, dia nisy nivadi-pinoana teo anivon’ny fiangonana, ka nanomboka nifehy azy io. “Nanolana hevi-teny” izy ireo “mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Noho izany, dia Kristianina maro no ‘niala tamin’ny finoana.’ ‘Nivily ho amin’ny tantara tsy marina’ izy ireo.​—1 Timoty 4:1-3; 2 Timoty 4:3, 4.

Voalazan’ny Diksionera Vaovaon’ny Teolojia fa ny ‘fivavahana katolika no lasa fivavahana ofisialy nanerana ny fanjakana romanina’, tamin’ny taonjato fahefatra. Nikambana ny Fivavahana sy ny Fanjakana. Nifanohitra tanteraka tamin’ny zavatra ninoan’ireo Kristianina voalohany anefa izany. (Jaona 17:16; Jakoba 4:4) Voalazan’io boky io fa nisy zavatra hafahafa sy ratsy be nitranga tamin’izay, dia ny fampifangaroana ny Testamenta Taloha sy ny filozofia. Nanova tanteraka ny rafitry ny fivavahana sy ny lafiny mampiavaka azy izany, ary koa ny maro tamin’ny foto-pampianarany. Araka ny efa nolazain’i Jesosy Kristy àry, dia nanjary tsy niharihary intsony ny tena mpianany, rehefa nihabetsaka ny Kristianina sandoka.

Fantatr’ireo nihaino an’i Jesosy fa tena sarotra ny manavaka ny vary amin’ny tsimparifary, izay misy poizina ny karazany sasany. Mitovy endrika amin’ny vary mantsy io ahidratsy io rehefa maniry. Naka an’io ohatra io i Jesosy, mba hampisehoana fa hisy fotoana hahasarotra ny fanavahana ny tena Kristianina amin’ny Kristianina sandoka. Tsy midika anefa izany hoe hanjavona tanteraka ny fiangonana kristianina, satria nampanantena i Jesosy fa hitari-dalana azy ireo, “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:20) Nilaza izy fa hitombo foana ny vary. Azo inoana fa niezaka mafy hanaraka ny fampianaran’i Kristy ny tena Kristianina, na ny tsirairay izany, na ny maromaro nitambatra. Tsy fikambanana iray hita niavaka tsara toy ny taloha intsony anefa izy ireo. Azo antoka anefa fa izy ireo dia tsy sahala amin’ny fivavahana nivadi-pinoana, izay niavaka tsara sy tsy nanao afa-tsy ny nanala baraka ny anaran’i Jesosy Kristy.​—2 Petera 2:1, 2.

‘Naharihary ilay lehilahy mpandika lalàna’

Nilaza zavatra hafa hampiavaka an’io fivavahana nivadi-pinoana io ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Aoka tsy hisy hamitaka anareo na amin’inona na amin’inona, satria tsy ho tonga [ny andron’i Jehovah] raha tsy efa tonga aloha ilay Fivadiham-pinoana, ka haharihary ilay lehilahy mpandika lalàna.” (2 Tesalonianina 2:2-4) Tsy iza io “lehilahy mpandika lalàna” io fa ireo mpitondra fivavahana, izay nanandra-tena hifehy ny fiangonana nolazaina fa kristianina. *

Nanomboka tamin’ny andron’ny apostoly Paoly ny fivadiham-pinoana. Nitombo haingana kokoa izy io, rehefa tsy nisy nisakana intsony, taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly. Nilaza i Paoly fa hampiavaka azy io “ny asan’i Satana, miaraka amin’ny fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra, ary amin’ny famitahana tsy marina rehetra.” (2 Tesalonianina 2:6-12) Tena mahalaza ny asan’ny mpitondra fivavahana maro teo amin’ny tantara mihitsy izany!

Milaza ny mpitondra fivavahana katolika fa ny fivavahany ihany no marina. Mba hanaporofoana izany, dia lazainy fa nandimby ny apostolin’i Jesosy ny evekany, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny Kristianisma ka hatramin’izao. Tsy manaporofo izany anefa, na ny tantara na ny Soratra Masina. Tsy misy porofo marim-pototra koa hoe ny fanahy masin’Andriamanitra no nahatonga ny ambaratongam-pahefana eo amin’ireo fivavahana, taorian’ny nahafatesan’ny apostolin’i Jesosy.​—Romanina 8:9; Galatianina 5:19-21.

Ary ahoana ny amin’ireo fivavahana nipoitra, taorian’ny Fanavaozana Protestanta? Nanaraka ny modely navelan’ny fiangonana kristianina voalohany ve izy ireo? Niverina tamin’ny fampianarana marina narahin’io fiangonana io ve izy ireo? Marina fa lasa maro be ny olon-tsotra afaka nahazo Baiboly amin’ny fiteniny, taorian’ny Fanavaozana Protestanta. Asehon’ny tantara anefa fa mbola nampianatra zavatra diso foana ireny fivavahana ireny. *​—Matio 15:7-9.

Mariho anefa fa nilaza mazava i Jesosy Kristy hoe hiavaka tsara indray ny fivavahana marina mandritra ny fifaranan’ity tontolo ity. (Matio 13:30, 39) Tanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, ka mampiseho izany fa miaina amin’io fotoana io isika. (Matio 24:3-35) Mila manontany tena àry isika tsirairay hoe: ‘Aiza no misy io hany fivavahana marina io?’ Tokony ho mora havahana kokoa izy io arakaraka ny fandehan’ny fotoana.

Mihevitra angamba ianao hoe efa nahita io fivavahana io. Tena ilaina ho azo antoka anefa izany. Nahoana? Satria, toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia tokana ihany ny fivavahana marina. Efa naka fotoana handinihana ny fivavahanao ve ianao, mba hahazoana antoka raha manaraka akaiky ny modely navelan’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany izy io, sady mampihatra tsara ny fampianaran’i Jesosy Kristy? Nahoana raha mandinika izany izao? Ho faly hanampy anao hanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah.​—Asan’ny Apostoly 17:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Misy fanazavana bebe kokoa momba “ilay lehilahy mpandika lalàna” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 1990, pejy 10-14.

^ feh. 20 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Fanavaozana Anglisy​—Fotoam-piovana”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 1998, pejy 26, 27.

[Sary, pejy 5]

Inona no ianarantsika momba ny fivavahana marina, rehefa dinihina ilay fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy tsimparifary?

[Sary, pejy 7]

Manaraka ny modely navelan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ve ny fivavahanao, rehefa mitory sy mianatra?