Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manampy Anareo Mivady ny Baiboly

Afaka Manampy Anareo Mivady ny Baiboly

Afaka Manampy Anareo Mivady ny Baiboly

FANAMBADIANA. Mahafinaritra ny olona sasany erỳ ny mieritreritra izany. Fahoriana kosa anefa no aterak’izy io ho an’ny hafa. Mitaraina toy izao ny vehivavy iray: “Tsapako hoe tsy mifandray am-po intsony izahay mivady. Toy ny hoe tsy miraharaha ahy mihitsy izy ary manirery foana aho.”

Nahoana no mihalefy ny fitiavan’ny mpivady, nefa nivoady izy ireo hoe hotiaviny sy holalainy ny vadiny? Ny antony iray, dia satria tsy nampianarina azy ireo hoe inona no tafiditra amin’ny fanambadiana. Hoy ny mpanao gazety iray: “Manambady isika, nefa tsy nahazo fampiofanana momba izany akory.”

Vitsy ankehitriny no tena mahafantatra izay tafiditra amin’ny hoe fanambadiana. Manamarina izany ny fandinihana nataon’ny Tetik’asam-pirenena Momba ny Fanambadiana, ao amin’ny Oniversite Rutgers, any New Jersey, Etazonia. Hoy ireo tompon’andraikitra tamin’ilay tetik’asa: “Maro tamin’ireo nadinadinina no notezain’ny ray aman-dreny tsy sambatra am-panambadiana na nisaraka. Fantatr’izy ireo tsara ny atao hoe fanambadiana tsy sambatra. Tsy dia hainy loatra kosa anefa ny atao hoe fanambadiana sambatra. Milaza fotsiny ny sasany fa izany dia ny ‘mifanohitra amin’ny an’ny ray aman-dreniny.’”

Mety hanana olana ara-panambadiana koa ve ny Kristianina? Eny. Nila nanarina mivantana mihitsy aza ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, mba tsy hitady fomba hialana amin’ny vadiny. (1 Korintianina 7:27) Mazava àry fa tsy maintsy hisy olana eo amin’ny fanambadian’ny olon-droa tsy lavorary. Misy afaka manampy antsika anefa. Afaka manatsara ny fifandraisan’ny mpivady ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly.

Marina aloha fa tsy boky momba ny fanambadiana ny Baiboly. Avy amin’ilay namorona ny fanambadiana anefa izy io, ka inoantsika fa hahasoa ny toro lalana ao anatiny. Hoy i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.”​—Isaia 48:17, 18.

Nihalefy ve ny fifankatiavanareo mivady? Mahatsiaro ho toy ny voageja anatin’ny fanambadiana tsy misy fitiavana ve ianao? Hoy ny vehivavy iray, nanambady efa hatramin’ny 26 taona: “Tsy hay lazaina ny fijaliana tsapa ao anatin’ny tokantrano toy izany. Ory foana ianao ary tsy misy farany izany.” Toy izay hiaritra ao anatin’ny fanambadiana tsy mahafa-po, nahoana raha manapa-kevitra ny hanao zavatra? Ny toro lalan’ny Baiboly dia afaka manampy ny mpivady mba ho tapa-kevitra ny hanarina sy hampaharitra ny fanambadiany. Izany no hatoron’ny lahatsoratra manaraka azy ireo.