Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanamafisanao ny Fatoram-panambadianao?

Ahoana no Hanamafisanao ny Fatoram-panambadianao?

Ahoana no Hanamafisanao ny Fatoram-panambadianao?

ALAO sary an-tsaina ny trano iray simba. Miendaka ny loko, simba ny tafo, ary na ny zaridaina aza lasa feno lobolobo. Nisy fiantraikany teo amin’ilay trano tokoa ireo tafio-drivotra nifandimby tao anatin’ireo taona lasa. Teo koa ny fanaovana an-tsirambina. Tokony harodana ve izy io? Tsy voatery ho izany. Azo amboarina izy io, raha mafy ny fotony ary tsy mihozongozona ny rindriny.

Mampahatsiahy anao ny fanambadianao ve ny toetoetran’io trano io? Nanaratsy ny fifandraisanareo mivady angamba ny olana toy ny tafio-drivotra nifandimby tao anatin’ireo taona maro lasa. Mety ho somary nanao tsirambina ny fanambadianareo koa ianareo mivady. Mety hitovy fihetseham-po amin’i Sandy ianao. Nilaza toy izao izy, 15 taona taorian’ny nanambadiany: “Tsy nisy zavatra azo lazaina hoe niombonanay afa-tsy ny mariazinay. Tsy ampy mihitsy izany.”

Na dia lasa toy izany aza ny fanambadianao, dia aza maika hanatsoaka hevitra hoe tsy maintsy faranana izy io. Inoana fa mbola azo arenina ny fanambadianao. Hahavita izany ianareo mivady, raha samy tena tapa-kevitra ny hanarina sy hampaharitra ny fanambadianareo. Ho mafy orina ny fanambadiana, raha tapa-kevitra toy izany ny mpivady. Ahoana anefa no hanampian’ny Baiboly anao ho tapa-kevitra sy haniry bebe kokoa hanao izany?

Ilaina ny fahatsapana adidy

Rehefa misy olona tena tapa-kevitra ny hanao zavatra iray, dia mahatsiaro ho manana adidy hamita izany izy. Eritrereto, ohatra, hoe misy mpanao trano nanaiky hanangana trano ho an’olona, ary nanao sonian’ny fifanekena momba izany. Mahatsiaro ho voatery hanaraka ny voalazan’ilay fifanekena izy, ary azo inoana fa hahatsapa adidy hanaja ny teniny, na dia mety tsy ho fantany akory aza ilay olona nampanao ilay asa.

Marina fa tsy raharaham-barotra toy izany ny fanambadiana. Kanefa, hahatsapa adidy amin’ny fanambadianao ianao, raha tena tapa-kevitra ny hampaharitra azy io. Azo inoana fa nivoady teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianareo mivady fa hiara-mitoetra, na inon-kidona na inon-kihatra. Hoy i Jesosy: “Izay nahary [ny lehilahy sy ny vehivavy], dia nahary azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny.’” Hoy koa izy: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Matio 19:4-6) Tokony ho tapa-kevitra mafy ny hanaja ny voady nifanaovanareo àry ianareo mivady, rehefa mipoitra ny olana. * Hoy ny vehivavy iray: “Tsy nanomboka nihatsara ny fifandraisanay, raha tsy nesorinay tao an-tsaina ny hoe azonay atao ny misaraka.”

Tsy fahatsapana adidy fotsiny anefa no tokony hahatonga ny mpivady ho tapa-kevitra hampaharitra ny fanambadiany. Inona koa no ilaina?

Miaraha manao zavatra

Tsy voatery hifanara-kevitra foana ny mpivady, izay tapa-kevitra ny hampaharitra ny fanambadiany. Rehefa misy ny tsy fifanarahana, dia tokony haniry handamina izany izy ireo, tsy noho ilay voady nifanaovana fotsiny, fa noho ny firaiketam-po koa. Hoy i Jesosy momba ny mpivady: “Tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.”

Inona no dikan’ny hoe lasa “nofo iray” ianareo mivady? Nilaza ny apostoly Paoly fa ‘tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy.’ (Efesianina 5:28, 29) Ny hoe lasa “nofo iray” àry, dia midika hoe mitady izay hahasoa ny vadinao, tahaka ny itadiavanao izay hahasoa anao. Tsy tokony hieritreritra intsony ny olona manambady hoe “ny ahy” na “izaho”, fa “ny anay” sy “izahay.” Hoy ny mpanolo-tsaina iray: “Tsy tokony hieritreritra sy hitondra tena toy ny mpitovo intsony izy roa, fa hieritreritra sy hitondra tena toy ny olona manambady.”

‘Mieritreritra sy mitondra tena toy ny olona manambady’ ve ianao sy ny vadinao? Misy olona efa nivady hatramin’ny taona maro, nefa mbola tsy “nofo iray” amin’izay heviny izay ihany. Mety hitranga izany, nefa milaza toy izao ilay boky hoe Makà Fotoana Handaminan-javatra (anglisy): “Midika ho fiaraha-miaina ny fanambadiana, ka arakaraka ny hanaovan-javatra miaraka no hampahomby azy io.”

Misy mpivady tsy sambatra, nefa miara-mitoetra ihany ho tombontsoan’ny zanany, na mba tsy ho sahirana ara-bola. Aleon’ny hafa miaritra, satria tsy eken’ny sainy mihitsy izany hoe misaraka izany, na satria matahotra izay hoeritreretin’ny olona izy ireo raha misaraka. Mendri-piderana tokoa ny fanambadiana maharitra toy izany. Tadidio anefa fa tsy ny hampaharitra ny fanambadianao fotsiny no tokony ho tanjonao, fa ny hisian’ny fitiavana eo aminareo koa.

Manehoa fahafoizan-tena

Nilaza mialoha ny Baiboly fa “ho tia tena” ny olona “amin’ny andro farany.” (2 Timoty 3:1, 2) Marina tokoa izany faminaniana izany, satria toa manindrahindra be ny tenany ny olona ankehitriny. Maro ny mpivady no mihevitra fa diso izy raha mahafoy tena ho an’ny andefimandriny, nefa tsy azony antoka hoe hanao toy izany koa izy io. Samy mahafoy tena anefa ny mpivady manana tokantrano sambatra. Inona àry no hanampy anao hahafoy tena?

Aza mieritreritra hoe: ‘Inona no soa azoko avy amin’ny fifandraisanay?’, fa manontania tena kosa hoe: ‘Inona no ataoko mba hanamafisana ny fatoram-panambadianay?’ Milaza ny Baiboly fa ny Kristianina dia tokony ‘hanisy fiheverana manokana izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.’ (Filipianina 2:4) Saintsaino io toro lalan’ny Baiboly io ary diniho ny nataonao tamin’ny herinandro. Impiry ianao no naneho hatsaram-panahy mba ho tombontsoan’ny vadinao fotsiny? Nihaino azy ve ianao, tamin’izy naniry hiresaka taminao, na dia tsy te hihaino azy loatra aza ianao tamin’izay? Firy ny zavatra nataonareo ka nahaliana kokoa ny vadinao noho ianao?

Eo am-pamakafakana ireo fanontaniana ireo, dia aza manahy hoe tsy ho voamarika na tsy hovalian-tsoa ny asa tsara nataonao. Hoy ny boky iray: “Rehefa miahy ny hafa ianao, dia mazàna no voatosika hanao toy izany koa izy ireo. Miezaha àry haneho fiahiana bebe kokoa, mba hampirisihana ny vadinao haneho fiahiana koa.” Manamafy ny fatoram-panambadianao ny fanehoana fahafoizan-tena, satria mampiseho izany fa sarobidy aminao izy io, ary tianao harovana.

Tadidio fa natao haharitra ny fanambadiana

Sarobidy amin’i Jehovah Andriamanitra ny tsy fivadihana. Milaza tokoa ny Baiboly hoe: ‘Ny olona tsara [na “tsy mivadika”, TV] no isehoan’i Jehovah fa tsara [na “tsy mivadika”].’ (2 Samoela 22:26) Raha tsy te hivadika amin’Andriamanitra ianao, dia tsy tokony hivadika mihitsy amin’ny voadin’ny fanambadiana, izay naoriny.​—Genesisy 2:24.

Ho tsapanareo fa haharitra ny fiarahanareo, raha tsy mivadika amin’ny andaniny ny ankilany. Mahita an-tsaina anareo mivady mbola miaraka foana ianareo, rehefa mieritreritra an’ireo volana sy taona maro ho avy. Manamafy orina ny fifandraisanareo izany, satria tsy tonga ao an-tsainareo akory izany hoe hisaraka izany. Hoy ny vehivavy iray manambady: “Tsy manahy mihitsy aho hoe hisaraka izahay, na dia tezitra be amin’ny [vadiko] aza aho, sy tezitra noho ny zava-mitranga eo aminay. Ny mampanahy ahy kosa dia hoe ahoana no hifandraisanay tsara toy ny taloha. Tsy misalasala mihitsy aho fa ho toy ny taloha indray ny fifandraisanay. Tsy fantatro fotsiny amin’io fotoana io hoe ahoana no hatao.”

Raha tapa-kevitra ny hampaharitra ny fanambadiany ny olona iray, dia mila mitadidy fa natao haharitra izy io. Mampalahelo anefa fa tsy manana izany fomba fihevitra izany ny mpivady maro. Rehefa miady ny mpivady, dia mety hiteny ny iray hoe: “Ilaozako eo ianao!” na, “Hitady olon-kafa mahay mankasitraka ahy aho!” Marina aloha fa matetika tsy izany no tena ao an-tsainy. Manamarika anefa ny Baiboly fa mety ho “feno poizina mahafaty” ny lela. (Jakoba 3:8) Ny fandrahonana toy izany dia toy ny milaza hoe: ‘Tsy natao haharitra ange ny fanambadiantsika e! Afaka mandao anao aho rehefa te handeha.’ Mety handrava ny fanambadiana izany.

Rehefa mihevitra ianao fa natao haharitra ny fanambadianao, dia maniry ny hijanona amin’ny vadinao ianao, na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Misy tombony ny fiheverana toy izany. Ho mora kokoa aminareo mivady amin’izay ny hanaiky ny fahalemena sy fahadisoan’ny ankilany, ka hifampizaka sy hifamela heloka tanteraka foana. (Kolosianina 3:13) Milaza ny boky iray fa “samy mety ho diso ny mpivady eo anivon’ny tokantrano sambatra, kanefa tsy maharava ny fanambadiany izany.”

Tamin’ny andro fampakaram-bady, dia ny vadinao mihitsy no nanaovanao voady, fa tsy ny fanambadiana. Tokony hisy heriny lehibe eo amin’ny fomba fisainanao sy fanaovanao zavatra àry izany. Tsy mihevitra ve ianao fa tokony hijanona amin’ny vadinao ianao satria tianao izy, fa tsy satria fotsiny hoe mihevitra ny fanambadiana ho masina ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Mety hisy antony marim-pototra azon’ny mpivady hisarahana, rehefa misy olana lehibe. (1 Korintianina 7:10, 11; jereo ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, pejy 159-161, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.) Mamela ny mpivady hisara-panambadiana koa ny Baiboly, noho ny fijangajangana.​—Matio 19:9.

[Efajoro/Sary, pejy 5]

Inona no Azonao Atao?

Tena tapa-kevitra ny hiaro sy hanamafy ny fatoram-panambadianao ve ianao? Mahita lafiny azo hatsaraina angamba ianao. Mba hahatonga anao ho tapa-kevitra kokoa àry, dia iezaho ireto:

● Mandiniha tena. Manontania tena hoe: ‘Mieritreritra sy manao zavatra toy ny olona manambady ve aho, sa mbola toy ny mpitovo ihany?’ Anontanio ny vadinao hoe manao ahoana ny fahitany anao, amin’io lafiny io.

● Vakio miaraka amin’ny vadinao ity lahatsoratra ity. Resaho milamina avy eo izay azonareo atao mba ho tapa-kevitra kokoa hanarina sy hampaharitra ny fanambadianareo.

● Miaraha manao zavatra, izay hahatonga anareo ho tapa-kevitra ny hampaharitra ny fanambadianareo. Ohatra: Jereo ireo sarin’ny mariazinareo na fisehoan-javatra niavaka hafa. Ataovy ireo zavatra nahafinaritra anareo taminareo mbola niaraka na vao nivady. Miaraha mianatra ireo lahatsoratra ara-baiboly ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! momba ny fanambadiana.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Raha Tapa-kevitra ny Hampaharitra ny Fanambadianao Ianao, dia Tokony . . .

Hahatsapa adidy “Efao ny voadinao. Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.”​—Mpitoriteny 5:3, 4.

Hiara-manao zavatra amin’ny vadinao “Tsara ny roa noho ny iray . . . Raha misy lavo izy, dia arenin’ny namany.”​—Mpitoriteny 4:9, 10.

Hahafoy tena “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asan’ny Apostoly 20:35.

Hitadidy fa natao haharitra ny fanambadiana “Ny fitiavana . . . miaritra ny zava-drehetra.”​—1 Korintianina 13:4, 7.

[Sary, pejy 7]

Mihaino ve ianao rehefa te hiresaka ny vadinao?