Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampanantenana Azo Antoka

Fampanantenana Azo Antoka

Fampanantenana Azo Antoka

BETSAKA ireo fampanantenana poaka aty teo amin’ny tantara. Matetika ireo firenena no tsy nanaja ny dinan’ny tsy fifanafihana izay efa nosoniaviny, ka nitarika ny olony hanao ady mahatsiravina. Nilaza ilay emperora frantsay atao hoe Napoléon indray mandeha hoe: “Tsy manatanteraka ny fampanantenany mihitsy ny fitondram-panjakana, raha tsy voatery manao izany na mahita tombontsoa amin’izany.”

Ahoana indray ny amin’ny fampanantenana ataon’ny isam-batan’olona? Tena diso fanantenana isika rehefa tsy mitana ny teny nataony ny olona! Indrindra moa raha fantatrao sy atokisanao ilay olona. Mazava ho azy fa mety tsy ho afaka na tsy ho vonona hanatanteraka ny fampanantenany ny olona.

Tena samy hafa tokoa ny fampanantenan’olombelona sy ny an’Andriamanitra! Azo ianteherana sy mendri-pitokisana tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Azo antoka ny fampanantenana rehetra omen’i Jehovah Andriamanitra, ka tsy maintsy tanteraka. Tsy mety diso ny teniny, araka ny voalazan’ny Isaia 55:11 toy izao: “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.”

Ahoana àry no tokony ho fijerintsika ny fampanantenan’Andriamanitra, izay noraketina ao amin’ny Baiboly? Afaka matoky azy ireny tokoa isika. Nanoratra toy izao, ohatra, ny apostoly Jaona: “Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4) Afaka mahazo izany fitahiana izany ianao, raha manaraka ity tenin’i Jesosy ity: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”​—Jaona 17:3.