Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no dikan’ny hoe: manana “fiainana ao anatiny”?

Milaza ny Baiboly fa manana “fiainana ao anatiny” i Jesosy Kristy. Lazainy koa fa manana ‘fiainana ao anatin’izy ireo’ ny mpianany. (Jaona 5:26; 6:53) Tsy mitovy anefa ny hevitr’ireo andinin-teny roa ireo.

“Toy ny ananan’ny Ray fiainana ao anatiny”, hoy i Jesosy, “no anomezany lalana ny Zanaka mba hanana fiainana ao anatiny.” Nilaza toy izao izy, talohan’ny nanaovany io fanambarana miavaka io: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay mandre ny teniko ka mino an’ilay naniraka ahy no manana fiainana mandrakizay, . . . fa ho avy ny fotoana, eny, tonga ankehitriny ny fotoana handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ary ho velona izay nihaino.” Eo i Jesosy dia misarika ny saintsika ho amin’ny fahefana lehibe izay nomen’ny Rainy azy, dia ny fahafahana manome laza tsara ny olona eo anatrehan’Andriamanitra. Afaka manangana ny maty sy manome fiainana azy ireo koa i Jesosy. Midika àry izany fa manana hery hanaovana izany izy, rehefa lazaina fa manana “fiainana ao anatiny.” Toy ny Ray, dia afaka manome fiainana koa ny Zanaka. (Jaona 5:24-26) Fa ahoana ny amin’ireo mpanara-dia azy?

Nilaza toy izao tamin’ny mpihaino azy i Jesosy, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy manana fiainana ao anatinareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia manana fiainana mandrakizay, ary izaho hanangana azy amin’ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 6:53, 54) Ampitovin’i Jesosy eto ny hoe manana “fiainana ao anatinareo” sy ny hoe mahazo “fiainana mandrakizay.” Misy teny hafa mitovy firafitra amin’ny hoe manana “fiainana ao anatinareo”, ao amin’ny Soratra Grika. Ireto misy ohatra roa: “Manàna sira ao anatinareo”, sy “nandray tao amin’ny tenany ny valin’izany rehetra izany.” (Marka 9:50; Romanina 1:27) Izany akory tsy midika hoe manana fahefana hanome sira ireo olona ireo, na hoe afaka mamaly ny hafa noho izay nataony. Izy ireo mihitsy no manana sira, sy nandray ny valin’ny nataony. Noho izany, dia midika hoe manana ny tena fiainana, ilay hoe manana ‘fiainana ao anatiny’, resahin’ny Jaona 6:53.

Niresaka momba ny nofony sy ny rany i Jesosy, rehefa nilaza fa ny mpanara-dia azy dia manana ny fiainana ao anatin’izy ireo. Niresaka momba ny nofony sy ny rany indray i Jesosy tatỳ aoriana, rehefa nanao ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany. Nasainy nihinana ny mofo tsy misy leviora sy nisotro ny divay, izay mampiseho ny tenany sy ny rany, ny mpianany, izay handray anjara amin’ny fanekena vaovao. Midika ve izany fa ireo Kristianina voahosotra ao anatin’ny fanekena vaovao amin’i Jehovah Andriamanitra ihany, no mahazo izany tena fiainana izany? Tsia. Mielanelana iray taona ireo fisehoan-javatra roa ireo. Ny olona nandre ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:53, 54, dia tsy nahafantatra momba ny fankalazana iray fanao isan-taona, izay ampiasana mofo sy divay mampiseho ny nofon’i Kristy sy ny rany.

Nampitahain’i Jesosy tamin’ny mana aloha ny nofony, araka izao voalaza ao amin’ny Jaona toko faha-6 izao: “Nihinana ny mana ny razanareo tany an-tany efitra, nefa maty ihany. Ity kosa no mofo nidina avy tany an-danitra mba ho afaka hihinana azy ny olona, ka tsy ho faty. Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra. Raha misy mihinana an’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy.” Lehibe kokoa noho ny mana ara-bakiteny ny nofo sy ny ran’i Jesosy. Nahoana? Satria nomena “ho fiainan’izao tontolo izao” ny nofony, ary mahatonga ny fiainana mandrakizay hety. * Noho izany, ilay hoe manana “fiainana ao anatinareo” ao amin’ny Jaona 6:53, dia mihatra amin’izay rehetra mahazo ny fiainana mandrakizay, na any an-danitra na eto an-tany.​—Jaona 6:48-51.

Rahoviana ny mpanara-dia an’i Kristy no mahazo fiainana ao anatiny, na ny tena fiainana? Mahazo izany ny voahosotra izay handova ny Fanjakana, rehefa hatsangana ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty any an-danitra. (1 Korintianina 15:52, 53; 1 Jaona 3:2) Hahazo ny tena fiainana kosa ireo ‘ondry hafan’i’ Jesosy, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona. Efa ho avy nosedraina izy ireo amin’izay, ary ho hita hoe nahatoky sy marina, ka hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa.​—Jaona 10:16; Apokalypsy 20:5, 7-10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Samy nila mana mba hivelomana ny Israelita sy ny “olona maro samy hafa firenena”, tany an’efitra. (Eksodosy 12:37, 38; 16:13-18) Tsy maintsy mandray ilay mana avy any an-danitra koa ny Kristianina rehetra, na voahosotra na tsia, mba hahazoany fiainana mandrakizay. Midika izany fa tokony hino izy ireo hoe manan-kery hanavotana ny olona ny nofon’i Jesosy sy ny rany nataony sorona.​—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 1988, pejy faha-30 sy 31.

[Sary, pejy 31]

Afaka manana ‘fiainana ao anatiny’ ny Kristianina marina rehetra