Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Nanova ity Lehilahy ity ny Baiboly

Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Nanova ity Lehilahy ity ny Baiboly

“Manatòna An’Andriamanitra, dia Hanatona Anareo Izy”

Fiainana Taloha sy Ankehitriny​—Nanova ity Lehilahy ity ny Baiboly

NY MOZIKA no zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainan’i Rolf-Michael. Nanandevo azy koa ny zava-mahadomelina. Niboboka toaka izy tamin’izy tanora, tany Alemaina. Nanaram-po tamin’ny fampiasana zava-mahadomelina koa izy, anisan’izany ny LSD sy kôkainina ary rongony.

Voasambotra izy ary nigadra herintaona sy iray volana, raha saika hanondrana zava-mahadomelina an-tsokosoko tany amin’ny tany afrikanina iray. Nanam-potoana tsara nieritreretana ny tena antony hahavelomana izy tany am-ponja.

Nitady fatratra ny fahamarinana sy ny tena hevitry ny fiainana i Rolf-Michael sy Ursula vadiny. Naniry mafy ny hahafantatra an’Andriamanitra izy mivady na dia diso fanantenana tamin’ny fivavahan’ny Kristianina anarana aza. Nanana fanontaniana maro izy mivady nefa tsy nahafa-po azy ny valin-teny nomen’ireo antokom-pivavahana samihafa. Tsy nanosika azy mivady hanao fanovana teo amin’ny fiainana koa ireo fivavahana ireo.

Nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Rolf-Michael sy Ursula, tatỳ aoriana. Rehefa nanomboka nianatra Baiboly i Rolf-Michael, dia tena nanosika azy hanao zavatra ilay fampirisihana hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Tapa-kevitra izy ny ‘hanaisotra ny toetrany taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenany fahiny, ary hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana.’​—Efesianina 4:22-24.

Ahoana no nahafahan’i Rolf-Michael nitafy ny toetra vaovao? Naseho azy avy tao amin’ny Baiboly fa “amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara”, dia azo ‘havaozina araka ny endrik’i Jehovah Andriamanitra namorona azy’, ny toetran’ny olona iray.​—Kolosianina 3:9-11.

Nandray fahalalana marina tsara i Rolf-Michael, ka niezaka nampifanaraka ny fiainany tamin’ny toro lalan’ny Tenin’Andriamanitra. (Jaona 17:3) Sarotra tamin’i Rolf-Michael ny nijanona tsy nampiasa zava-mahadomelina intsony, saingy tsapany ny hasarobidin’ny fanatonana an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka, sy ny fanampiany. (1 Jaona 5:14, 15) Tena nanampy azy koa ny fiarahana akaiky tamin’ireo efa Vavolombelon’i Jehovah, izay miezaka mafy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra.

Nanampy an’i Rolf-Michael koa ny fahafantarana fa mandalo ity tontolo ity, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. Nahatonga azy tsy hifidy ny ho tia an’ity tontolo mandalo ity izany, fa ny fitahiana mandrakizay azo amin’ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana. (1 Jaona 2:15-17) Tena nanohina ny fon’i Rolf-Michael ireo teny ao amin’ny Ohabolana 27:11 hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” Izao no tenim-pankasitrahana nolazainy: “Mampiseho ny halalin’ny fitiavan’i Jehovah io andinin-teny io, satria omeny fahafahana hampifaly ny fony ny olombelona.”

Olona maro koa no mandray soa amin’ny fanarahana ny toro lalan’ny Baiboly, toa an’i Rolf-Michael sy ny vadiny, ary ny zanany telo mianadahy. Misy olona toy izany koa eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Mampalahelo fa endrikendrehina ho sekta mampidi-doza sy mampisaraka fianakaviana ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tany sasany. Ny mifanohitra amin’izany anefa no niainan’i Rolf-Michael.​—Hebreo 4:12.

Milaza i Rolf-Michael fa ny Matio 6:33, izay mampirisika antsika hametraka ny asa ara-panahy ho eo amin’ny toerana voalohany, no mitarika ny fianakaviany handeha eo amin’ny lalam-piainana. Mankasitraka be dia be an’i Jehovah izy sy ny ankohonany, noho ny fiainam-pianakaviany sambatra, amin’ny maha Kristianina azy. Mitovy fihetseham-po amin’ilay mpanao salamo izy ireo, araka ilay hirany hoe: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?”​—Salamo 116:12.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Omen’Andriamanitra fahafahana hampifaly ny fony ny olombelona

[Efajoro, pejy 9]

Manan-kery ny Toro Lalan’ny Baiboly

Ireto no anisan’ireo toro lalan’ny Baiboly nanampy olona maro hahafoy ny fahazaran-dratsy mahafaty:

“Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy.” (Salamo 97:10) Ho mora kokoa amin’ny olona ny manao izay mahafaly an’Andriamanitra, raha ekeny ny maha ratsy ireo fanao mahafaty, ary ianarany ny mankahala azy ireny.

“Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20) Ilain’ny olona ny mahay mifantina tsara ny namany, mba handavany ny rongony na zava-mahadomelina hafa. Tena andraisan-tsoa koa ny minamana amin’ny Kristianina, izay hanampy amin’ny fanalavirana ireo fahazaran-dratsy ireo.

“Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) Izany fiadanan-tsaina sy fiadanam-po izany, dia tsy ho azo mihitsy amin’ny zavatra mahadomelina. Ny vavaka sy ny fianteherana amin’Andriamanitra koa no manampy ny olona hiatrika an’ireo olana eo amin’ny fiainana fa tsy ny zava-mahadomelina.