Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loharanon’aina ny “Fampianaran’ny Hendry”

Loharanon’aina ny “Fampianaran’ny Hendry”

Loharanon’aina ny “Fampianaran’ny Hendry”

HOY ny apostoly Paoly: “Lalina tokoa ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!” (Romanina 11:33) Hoy koa i Joba, lehilahy nahatoky: “Hendry am-po [i Jehovah Andriamanitra].” (Joba 9:4) Tsy manan-tsahala tokoa ny fahendren’ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Inona no azontsika lazaina momba ny fampianarana, na ny Tenin’ilay Mpamorona?

Hoy ny mpanao salamo: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.” (Salamo 19:7, 8) Azo inoana mihitsy, fa nahatakatra ny dikan’ireo teny ireo i Solomona Mpanjaka! Hoy izy: “Ny fampianaran’ny hendry dia loharanon’aina ka mampivily tsy ho ao amin’ny fandriky ny fahafatesana.” (Ohabolana 13:14) Nasehon’i Solomona tao amin’ireo andininy 13 talohan’io, fa tena manampy antsika ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hanatsarana ny fiainantsika sy tsy hahatandindomin-doza azy io.

Maneke hampianarina

Hoy ny Ohabolana 13:1: “Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.” Mety ho feno hatsaram-panahy, sady mety ho henjana ny fifehezana avy amin’ny ray. Mety ho fampiofanana aloha izany amin’ny voalohany, ary raha nolavina izany, dia famaizana indray no azo. Hendry ny zanakalahy, raha manaiky ny fifehezan-drainy.

Hoy ny Baiboly: “Izay tian’i Jehovah no faiziny. Eny, manasazy mafy an’izay raisiny toy ny zanaka izy.” (Hebreo 12:6) Fomba iray ifehezan’i Jehovah antsika ny Teniny, dia ny Baiboly. Tena mifehy antsika ny Baiboly, raha vakintsika sy hajaintsika ary ampiharintsika. Mandray soa avy amin’izany isika, satria mahasoa ny zavatra rehetra lazain’i Jehovah.​—Isaia 48:17.

Mety ho avy amin’ny mpiray finoana koa ny fifehezana. Manitsy antsika izy, satria mitady izay hahasoa antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy. Azo heverina ho avy amin’Andriamanitra ny torohevitra mahasoa rehetra, izay mifanaraka amin’ny Baiboly, satria izy no niavian’ny fahamarinana, fa tsy ilay olona nanome izany. Hendry isika, raha manaiky fa avy amin’Andriamanitra ilay izy. Mandray soa amin’ilay fifehezana isika rehefa manao izany, ka mamela azy io hamolavola ny saintsika, hanatsara ny fahatakarantsika ny Soratra Masina, ary hanitsy ny fomba fiainantsika. Toy izany koa amin’ireo torohevitra raisintsika amin’ny alalan’ny fivoriana kristianina sy ireo boky sy gazety ara-baiboly. Tena mahay manitsy tena isika, raha mampihatra izay ianarantsika avy amin’ny zavatra vakintsika na henointsika.

Tsy manaiky fifehezana kosa ny mpaniratsira. Milaza ny boky iray fa “tsy manaiky hampianarina izy, satria heveriny fa fantany izay tsara indrindra ho an’ny tenany.” Tsy ekeny na dia ny fananarana (fifehezana mafimafy kokoa) mafy aza. Hainy porofoina ve anefa fa diso ny fifehezan’ilay Ray? Mbola tsy diso mihitsy i Jehovah, ary tsy ho diso na oviana na oviana. Adaladala izay maniratsira, ka mandà fifehezana. Nasehon’i Solomona tamin’ny teny voafantina tsara tokoa fa tena zava-dehibe ny manaiky hampianarina!

Ambeno ny vavanao!

Noharin’ilay mpanjakan’ny Israely tamin’ny hazo mamoa ny vava, mba hampisehoana fa tokony hanan-kery eo amin’izay lazaintsika ny Tenin’Andriamanitra. Hoy izy: “Ny vokatry ny vavan’ny olona no ahazoany soa; fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.(Ohabolana 13:2) Ny teny lazaina no vokatry ny vava. Hijinja izay teny nafafiny ny olona. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Hahazo soa, izany hoe hankafy fiainana milamina sy sambatra ny olona iray, raha feno hatsaram-panahy ny teniny, ka mikendry ny ho tsara fihavanana amin’ny hafa izy.” Tsy toy izany kosa ny vokatra azon’ny mpivadika. Te hampidi-doza sy hanisy ratsy ny hafa izy. Loza no nokotrehiny, ary loza koa no hojinjainy. Eo an-tokonam-baravarany ny fandriky ny fahafatesany.

Hoy ihany i Solomona: “Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; fa izay vavana dia haringana.” (Ohabolana 13:3) Mety hanaratsy laza sy hanafintohina ary hanimba fihavanana ny teny tsy voahevitra, ary mety hankarary mihitsy aza. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra koa ny vava tsy ambina, ary hampamoahina eo anatrehany ny olona rehetra, ny amin’ny teny nataon’izy ireo. (Matio 12:36, 37) Tsy ho ringana tokoa isika, raha mifehy tsara ny vavantsika. Ahoana anefa no iambenantsika ny vavantsika?

Fomba tsotra anaovana izany ny tsy miteny be loatra. Hoy ny Baiboly: “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota.” (Ohabolana 10:19) Fomba hafa koa ny mieritreritra alohan’ny hitenenana. Hoy ilay mpanoratra nahazo herin’ny fanahy masina: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra.” (Ohabolana 12:18) Mety halahelo ilay miteny sy ireo mihaino, raha tsy noeritreretina tsara ny zavatra lazaina. Manome izao torohevitra mahasoa izao àry ny Baiboly: “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly.”​—Ohabolana 15:28.

Aoka ianao hazoto

Hoy i Solomona: “Ny fanahin’ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; fa ny fanahin’ny mazoto hohatavezina.” (Ohabolana 13:4) Milaza ny boky iray hoe: “Ny [tian’io ohabolana io] holazaina dia hoe tsy misy dikany raha izay faniriana fotsiny, fa ny fahazotoana no tena zava-dehibe. Hampijalin’io faniriana . . . mandreraka azy io ny olona kamo, ary tsy mahazo na inona na inona izy.” Hohatavezina kosa, izany hoe hovokisana, ny fanahy na ny fanirian’ny mazoto.

Ahoana kosa ny amin’ireo misalasala hanolo-tena ho an’i Jehovah, satria te hiala andraikitra? Mety haniry hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izy ireo, nefa moa ve izy vonona hanao zavatra momba izany? Izao no anisan’ny takina amin’ireo “avy tamin’ny fahoriana lehibe”: Mino ny sorom-panavotan’i Jesosy, manolo-tena ho an’i Jehovah, ary mampiseho izany amin’ny alalan’ny batisa.​—Apokalypsy 7:14, 15.

Diniho koa izay tafiditra amin’ny hoe maniry ny asan’ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. Mampirisika ny olona haniry io asa tsara io ny Soratra Masina, ary faniriana tsara izany. (1 Timoty 3:1) Tsy ampy anefa ny faniriana fotsiny. Ilaina koa ny mamboly ireo toetra sy fahaizana ilaina, raha tiana ny hahafeno fepetra. Mitaky ezaka mafy izany.

Miaro ny olona ny fahamarinana

Mamboly toetra tsara ny marina sady tsy mandainga. Takany fa fandikana ny lalàn’i Jehovah ny lainga. (Ohabolana 6:16-19; Kolosianina 3:9) Hoy i Solomona momba izany: “Ny lainga dia halan’ny marina; fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.” (Ohabolana 13:5) Tsy vitan’ny hoe tsy mandainga ny olo-marina, fa mankahala ny lainga mihitsy koa. Fantany fa manimba fihavanana ny lainga, na dia ireo lazaina hoe laingalainga kely aza. Tsy azo atokisana intsony koa ny olona mpandainga. Mampietry ny tenany ny ratsy fanahy, rehefa mandainga na manao zava-mahamenatra hafa.

Nasehon’ilay mpanjaka hendry, fa mahasoa ny manao ny tsara eo imason’Andriamanitra. Hoy izy: “Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.” (Ohabolana 13:6) Toy ny manda fiarovana ho an’ny olona ny fahamarinana, fa mitondra loza ho azy kosa ny faharatsiana.

Asehoy ny tena marina

Takatr’ilay mpanjakan’ny Israely ny toetran’ny olona, ka hoy izy: “Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.” (Ohabolana 13:7) Mety ho tsy toy izay ahitana azy ny olona iray. Mety hihambo ho manan-karena ny mahantra sasany, angamba mba hisehosehoana na hilazana fa tafita izy, na koa mba tsy hahafa-baraka fotsiny. Mety hihambo ho mahantra koa ny manana, mba hanafenany ny harenany.

Samy tsy mety na ny fisehosehoana, na ny fanafenana. Mety tsy hahazo izay tena ilaina eo amin’ny fiainana isika sy ny fianakaviantsika, raha mandany vola amin’ny haitraitra isika, mba hisehoana ho manana, nefa kely ny fidiram-bolantsika. Hanjary ho tia tena kosa ny olona mihambo ho mahantra nefa manana. Hamoy ilay fahamendrehana sy fifaliana azon’ny malala-tanana koa izy. (Asan’ny Apostoly 20:35) Ho tsara kokoa ny fiainanao, raha mampiseho ny tena marina ianao.

Aza mitady zavatra betsaka

Hoy Solomona: “Ny haren’ny olona dia avotry ny ainy; fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.” (Ohabolana 13:8) Inona no lesona ampitain’io ohabolana io?

Misy soa azo avy amin’ny harena, kanefa tsy afaka miantoka fahasambarana foana izany. Matetika no mety hisy haka an-keriny sy hangataka vola hanavotana azy, ny mpanankarena sy ny fianakaviany, amin’izao fotoan-tsarotra izao. Mety ho afaka ny handoa ilay vola hanavotana ny ainy na ny an’ny mpianakaviny, ilay mpanankarena. Matetika anefa no novonoina ilay olona nalaina an-keriny. Loza mitatao amin’ny mpanankarena foana izany.

Tsy manahy momba izany anefa ny tsy dia ampy fivelomana. Mety tsy hiadana sy hanan-javatra hafa ifalian’ny mpanankarena izy, nefa tsy azo inoana firy hoe hisy haka an-keriny. Efa soa azontsika izany, raha tsy mitady zavatra betsaka isika, ka tsy mandany fotoana sy hery ikatsahana harena.​—2 Timoty 2:4.

Mifalia amin’ny “fahazavana”

Mbola nasehon’i Solomona, fa tena mahasoa antsika ny manao zavatra araka ny fomban’i Jehovah. Hoy izy: “Ny fahazavan’ny marina dia tsara firehitra; fa ny jiron’ny ratsy fanahy ho faty.”​Ohabolana 13:9.

Ny jiro dia mampiseho ilay zavatra iankinantsika mba hanazava ny lalantsika eo amin’ny fiainana. ‘Fanilon’ny tongotry [ny olo-marina] sy fanazavana ny lalany ny tenin’Andriamanitra.’ (Salamo 119:105) Tsy mety ritra ny fahalalana sy fahendren’ny Mpamorona raketin’izy io. Mihamazava kokoa ilay fahazavana ara-panahy mitarika antsika, arakaraka ny hahatakarantsika bebe kokoa ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany. Mahafaly tokoa izany! Nahoana moa isika no ho sodokan’ny fahendren’izao tontolo izao, na “ilay atao hoe ‘fahalalana’ nefa sandoka”?​—1 Timoty 6:20; 1 Korintianina 1:20; Kolosianina 2:8.

Toa mazava erỳ ny jiron’ny ratsy fanahy, ary toa miroborobo erỳ ny fiainany. Ho faty ihany anefa ny jirony. Ho latsaka ao amin’ny haizina izy, ary tsy maintsy ho tafintohina ny tongony, sady “tsy hisy fanantenana” ho azy.​—Ohabolana 24:20.

Inona anefa no tokony hataontsika, rehefa tsy azontsika antoka izay tokony hatao? Ahoana raha tsy azontsika antoka, raha manana fahefana hanao zavatra isika, na tsia? Mampitandrina ny Ohabolana 13:10, hoe: “Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana.” Sady miavonavona ilay olona no mampisy fifandirana, raha zavatra tsy hainy na tsy ananany fahefana akory no ataony. Tsy ho tsara kokoa ve ny manontany olon-kafa manam-pahalalana sy mahay manavaka? Hoy ilay mpanjaka hendry: “Ao amin’ny mino anatra no misy fahendrena.”

Mitandrema amin’ny fanantenana sandoka

Azo ampiasaina amin-javatra tsara ny vola. Tsara kokoa ny manam-bola ampy, noho ny miaina ao anaty fihafiana na fahantrana. (Mpitoriteny 7:11, 12) Voafitaka anefa izay mihevitra fa hahasoa azy ny harena azo tamin’ny fomba ratsy. Nampitandrina i Solomona hoe: “Ny harena azoazo foana dia mihena làlandava; fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.”​Ohabolana 13:11.

Diniho, ohatra, ny fandriky ny filokana. Mety hanantena hahazo vola be ny mpiloka, ka handany ny vola nisasarany mafy. Impiry akory anefa izany no nitera-pahavoazana ho an’ny fianakaviany! Ary ahoana raha mahazo izy? Mety tsy hisy vidiny aminy ilay vola, satria azoazony mora foana. Mety tsy hahay hitantana ilay vola vao azony akory izy. Azo inoana, fa ho vetivety toy ny nahazoany azy ihany no hanjavonan’ny harenany. Azo ampiasaina amin’ny fomba tsara kosa ny harena nangonina tsikelikely tamin’ny fanaovana asa mafy.

Hoy i Solomona: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; fa hazon’aina ny faniriana tanteraka.” (Ohabolana 13:12) Mahakivy ny fanantenana tsy tanteraka, ka mankarary fo. Miseho eo amin’ny fiainana andavanandro izany. Tsy mba toy izany ny fanantenana miorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Azontsika antoka tanteraka fa ho tanteraka izy ireny. Tsy ho diso fanantenana mihitsy isika, na dia mety hoheverintsika ho ela loatra aza ny fotoana iandrasantsika.

Fantatsika, ohatra, fa akaiky ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (2 Petera 3:13) Faly isika, ka tsy andrintsika erỳ ny hahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra. Nahoana raha ampiasaintsika izany fotoana izany, ka ho be atao foana “amin’ny asan’ny Tompo” isika, hampahery ny mpiray finoana, ary hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah? Tsy ‘harary am-bavafo’ isika amin’izay, fa ho dibo-kafaliana kosa. (1 Korintianina 15:58; Hebreo 10:24, 25; Jakoba 4:8) Ho tonga ilay hazon’aina manatanjaka sy mamelombelona, rehefa ho tonga ilay zavatra nirintsika hatry ny ela.

Loharanon’aina ny fampianaran’Andriamanitra

Ilaina ny mankatò an’Andriamanitra, araka ny hazavain’ny Ohabolana 13:13. Izao no voalaza ao: “Izay manamavo ny teny ho voasingony; fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.” Hamoy ny zavatra nataony antoka ny mpitrosa, raha manao tsinontsinona ny fampanantenany, ka tsy mandoa ny vola nosamboriny. Inona kosa no hafointsika raha tsy mankatò ny didin’Andriamanitra isika?

“Ny fampianaran’ny hendry dia loharanon’aina ka mampivily tsy ho ao amin’ny fandriky ny fahafatesana.” (Ohabolana 13:14) Tsy hanana fiainana tsara kokoa sy lava kokoa isika, raha tsy manana ny tari-dalan’i Jehovah, ilay Andriamanitra hendry tanteraka. Hamoy zavatra tena lehibe isika amin’izay! Izao ihany àry no lalam-pahendrena: Mianatra sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra ary mamela izany hanan-kery eo amin’ny saintsika sy ny tenintsika ary ny ataontsika.​—2 Korintianina 10:5; Kolosianina 1:10.

[Sary, pejy 23]

Tena mahay manitsy tena isika, raha mandray tsara ny torohevitry ny Soratra Masina

[Sary, pejy 24, 25]

“Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly”

[Sary, pejy 24]

Ho dibo-kafaliana isika, raha be atao foana “amin’ny asan’ny Tompo”