Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampahery ny Miresaka Zavatra Ara-panahy

Mampahery ny Miresaka Zavatra Ara-panahy

Mampahery ny Miresaka Zavatra Ara-panahy

“Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo, fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa, rehefa ilaina izany, mba ho zava-tsoa no ho ren’izay mihaino.”​—EFESIANINA 4:29.

1, 2. a) Nahoana no sarobidy ny fahaizan’ny olombelona miteny? b) Ahoana no tokony hampiasan’ny mpanompon’i Jehovah ny fahaizany miteny?

“TSY takatry ny saina ny fahaizan’ny olombelona miteny. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany, ary fahagagana mihitsy aza.” Izany no nosoratan’i Ludwig Koehler, mpanao diksionera. Mihevitra angamba isika hoe tsy dia misy vidiny firy io fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra io. (Jakoba 1:17) Eritrereto anefa fa mafy tokoa izany hoe tsy afaka miresaka mazava tsara intsony ny havan-tiana iray, satria tapaka lalan-dra. Izany no tsapan’i Joan, rehefa tapaka lalan-dra ny vadiny, tsy ela izay. Hoy izy: “Tena nifampiresaka tsara izahay mivady taloha, ka niraiki-po be. Malahelo aho fa tsy afaka manao izany intsony izahay!”

2 Mampiraiki-po ny mpinamana ny fifampiresahana, sady mampilamina ny disadisa, mampahery ny kivy, manatanjaka ny finoana, ary mahatonga ny fiainana hahafinaritra. Tsy tongatonga ho azy anefa izany. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18) Tokony hampionona sy hampahery ny resaka ataontsika mpanompon’i Jehovah, fa tsy handratra na hanakivy. Tokony hiderantsika an’i Jehovah koa ny fahaizantsika miteny, na eny amin’ny fanompoana izany, na rehefa miresaka. Nihira toy izao ilay mpanao salamo: “Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.”​—Salamo 44:8.

3, 4. a) Inona no olana hitantsika rehetra mahakasika ny resaka? b) Nahoana no zava-dehibe ny resaka ataontsika?

3 Mampitandrina i Jakoba mpianatra fa “tsy misy olombelona mahafolaka ny lela.” Mampahatsiahy antsika koa izy hoe: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary, mahafehy ny tenany manontolo koa.’ (Jakoba 3:2, 8) Tsy lavorary isika rehetra. Koa tsy mampahery ny hafa na midera ny Mpamorona ny tenintsika indraindray, na dia irintsika fatratra ho toy izany aza. Tsy maintsy mianatra mitandrina izay lazaintsika àry isika. Hoy koa i Jesosy: “Izay teny tsy mahasoa rehetra lazain’ny olona, dia hampamoahana azy amin’ny Andro Fitsarana. Fa ny teninao no hanambarana anao ho marina, ary ny teninao no hanamelohana anao.” (Matio 12:36, 37) Hampamoahin’ilay Andriamanitra marina tokoa isika, arakaraka izay teny ataontsika.

4 Ilaina ny mizatra miresaka zavatra ara-panahy. Izany no iray amin’ny fomba tsara indrindra tsy hanaovana teny mandratra. Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fomba hanaovana izany sy izay zavatra azo resahina, ary ny soa azontsika rehefa manao resaka mampahery.

Diniho ny fonao

5. Nahoana no lazaina fa miainga ao am-po ny resaka mampahery?

5 Mba hizàrana manao resaka mampahery, dia tsy maintsy ekentsika aloha fa mampiseho izay ao am-pontsika ny tenintsika. Hoy i Jesosy: “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” (Matio 12:34) Raha tsorina, dia hoe mahafinaritra antsika ny miresaka momba izay zava-dehibe amintsika. Mila manontany tena àry isika hoe: ‘Inona no asehon’ny resaka ataoko momba ny toe-poko? Inona matetika no tena ataoko anton-dresaka, rehefa miaraka amin’ny fianakaviako na ny mpiray finoana amiko aho? Zavatra ara-panahy ve, sa fanatanjahan-tena, akanjo, filma, sakafo, entana vao novidiko, na zavatra hafa tsy dia misy dikany?’ Mety ho tsy nahatsikaritra akory isika, fa hay zavatra tsy dia lehibe loatra no lasa mibahana eo amin’ny fiainantsika sy ao an-tsaintsika. Hihatsara ny resatsika sy ny fiainantsika, raha miezaka mifantoka indray amin’izay tokony hatao loha laharana isika.​—Filipianina 1:10.

6. Inona no vokatry ny fisaintsainana eo amin’ny resaka ataontsika?

6 Hanampy antsika hanatsara ny resaka ataontsika koa ny fisaintsainana. Handeha ho azy ny firesahana zavatra ara-panahy, raha miezaka mieritreritra momba izany isika. Hitan’i Davida Mpanjaka fa mifandray ny fisaintsainana sy ny resaka atao. Nihira izy hoe: “Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô.” (Salamo 19:14) I Asafa mpanao salamo indray nilaza hoe: “Hisaina ny [asan’Andriamanitra] rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Salamo 77:12) Handeha ho azy amintsika ny fiderana an’Andriamanitra, raha mameno ny fontsika sy ny saintsika ny fahamarinana ao amin’ny Teniny. Tsy maintsy niresaka momba ny zavatra nampianarin’i Jehovah azy i Jeremia, fa tsy nahatana izany ho azy samirery. (Jeremia 20:9) Ho toy izany koa ny amintsika, raha misaintsaina tsy tapaka momba ny zavatra ara-panahy isika.​—1 Timoty 4:15.

7, 8. Inona no tsara horesahina mba hifampaherezana?

7 Ho betsaka ny resaka mampahery azontsika atao, raha zatra manao zavatra ara-panahy isika. (Filipianina 3:16) Mahazo zava-tsarobidy ara-panahy isika any amin’ny fivoriambe sy ny fivoriana, ao amin’ny boky sy gazety vaovao, ary ny teny hodinihina isan’andro sy ilay fanazavana miaraka aminy. Azontsika resahina daholo ireny. (Matio 13:52) Tena mandrisika antsika koa ny zavatra hitantsika eny amin’ny fanompoana kristianina!

8 Talanjona i Solomona Mpanjaka nandinika ireo karazana hazo, biby, vorona, ary trondro maro be tany Israely. (1 Mpanjaka 5:13) Nahafinaritra azy ny niresaka momba ny zavaboarin’Andriamanitra, ary afaka manao izany koa isika. Tia miresaka zavatra isan-karazany ny mpanompon’i Jehovah, nefa mampiditra foto-dresaka ara-panahy foana ny olona tia zavatra ara-panahy.​—1 Korintianina 2:13.

“Izany foana heverina”

9. Inona no torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny Filipianina?

9 Na inona na inona foto-dresatsika, dia hampahery ny hafa foana isika, raha manaraka ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny fiangonana tany Filipy. Hoy izy: “Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.” (Filipianina 4:8) Tena zava-dehibe ny hevitra ambaran’i Paoly eo, ka mampirisika izy hoe “izany foana heverina.” Ireo no tokony hataontsika mameno ny saintsika sy ny fontsika. Andeha isika izao handinika ny tsirairay amin’ireo zavatra valo tononin’i Paoly ireo, mba hanatsarana ny resatsika.

10. Inona no zavatra marina azontsika resahina?

10 Tsy ilazana zavatra tsy diso fotsiny ny teny hoe marina. Manondro izay mahitsy sy mendri-pitokisana koa izy io, toy ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mihevitra izay marina àry isika, rehefa miresaka momba ny fahamarinana ara-baiboly nampiaiky antsika, lahateny na anjara nampahery antsika, na torohevitra ara-baiboly nanampy antsika. Tsy ekentsika kosa “ilay atao hoe ‘fahalalana’ nefa sandoka.” Manana ny endriky ny fahamarinana fotsiny izy io. (1 Timoty 6:20) Mitandrina koa isika mba tsy hanely fosafosa, na tantara tsy azo antoka sady sarotra hamarinina.

11. Inona avy no zava-dehibe azontsika ampidirina amin’ny resatsika?

11 Mifanohitra amin’ny zavatra tsy misy dikany firy ny hoe zava-dehibe, ary ilazana foto-dresaka mendri-kaja. Tafiditra amin’izany ny fotoan-tsarotra iainantsika sy ny fanompoantsika ary ny fitondran-tena tsara tokony hananantsika foana. Lasa tapa-kevitra kokoa ny hiambina sy tsy hivadika ary hitory ny vaovao tsara hatrany isika, rehefa miresaka momba ireo zava-dehibe ireo. Misy zavatra maro samihafa mahaliana hita eny amin’ny fanompoana. Eo koa ny fisehoan-javatra mampahatsiahy antsika hoe andro farany izao iainantsika izao. Tena mandrisika antsika ny miresaka momba izany.​—Asan’ny Apostoly 14:27; 2 Timoty 3:1-5.

12. Inona no tokony hohalavirintsika, araka ny torohevitr’i Paoly hoe mihevera izay mahitsy sy madio?

12 Ny teny hoe mahitsy dia midika hoe mahitsy araka ny fiheveran’Andriamanitra, na mifanaraka amin’ny fitsipiny. Ilazana ny fahadiovan’ny eritreritra sy ny fitondran-tena kosa ny hoe madio. Tsy tokony hanendrikendrika na hanao vazivazy vetaveta sy hiresadresaka an-kolaka momba ny firaisana àry isika. (Efesianina 5:3; Kolosianina 3:8) Rehefa manomboka manao resaka toy izany ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra, dia fahendrena ho an’ny Kristianina ny miala.

13. Inona avy no zavatra azo resahina, ka mifantoka amin’izay mahatehotia sy tsara laza?

13 Rehefa milaza i Paoly hoe hevero izay mahatehotia, dia zavatra mahafinaritra no tiany holazaina, fa tsy izay miteraka fankahalana sy fahatezerana be, na ady. Ary tafiditra amin’ny zavatra tsara laza ny tantaram-piainan’ireo rahalahy sy anabavy mahatoky, izay mivoaka tsy tapaka ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Nahoana raha lazaina amin’ny hafa izay nanohina ny fonao, rehefa avy namaky ireny lahatsoratra manatanjaka finoana ireny ianao? Tena mampahery koa ny mandre ny zava-bitan’ny hafa eo amin’ny fanompoana! Hahatonga ny fiangonana hifankatia sy hiray saina ny resaka toy izany.

14. a) Inona no tsy maintsy ataontsika mba hanehoana hatsarana? b) Inona avy no zavatra mendri-piderana azontsika resahina?

14 Miresaka momba izay “misy hatsarana” koa i Paoly. Milaza hatsaran’ny toetra sy ny fitondran-tena tsara ny hoe hatsarana. Tsy maintsy ataontsika mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Soratra Masina ny resatsika, ka tsy maintsy mahitsy sy madio ary misy hatsarana hatrany. Tokony hihevitra ny zavatra mendri-piderana koa isika. Raha nandre lahateny iray nahafinaritra ianao, na mahatsikaritra olona iray tsy mivadika eo anivon’ny fiangonana, dia miresaha momba izany. Lazao amin’ilay olona izany, ary ampahafantaro ny hafa ihany koa. Matetika ny apostoly Paoly no nidera ny mpiray finoana taminy noho ny toetra tsaran’izy ireo. (Romanina 16:12; Filipianina 2:19-22; Filemona 4-7) Mazava ho azy koa fa tena mendri-piderana ny zavaboary nataon’ny Mpamorona antsika. Betsaka ny zavatra mampahery azo resahina momba izany.​—Ohabolana 6:6-8; 20:12; 26:2.

Manaova resaka mampahery

15. Inona no baiko ao amin’ny Soratra Masina, izay mandidy ny ray aman-dreny hiresaka zavatra mahasoa amin-janany?

15 Hoy ny Deoteronomia 6:6, 7: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” Mazava, araka izany, fa tokony hiresaka zavatra ara-panahy sy mahasoa amin’ny zanany ny ray aman-dreny.

16, 17. Inona no lesona azon’ny ray aman-dreny kristianina tsoahina avy amin’ny ohatr’i Jehovah sy Abrahama?

16 Alao sary an-tsaina ange ny dinidinika naharitra nifanaovan’i Jesosy sy ilay Rainy any an-danitra e! Tsy maintsy ho niresaka momba ny asa nanirahana an’i Jesosy tetỳ an-tany izy mianaka. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ny Ray izay naniraka ahy no nandidy ahy ny amin’izay holazaiko sy hoteneniko.” (Jaona 12:49; Deoteronomia 18:18) Azo inoana koa fa niresaka nandritra ny ora maro tamin’i Isaka zanany i Abrahama, ka nilaza taminy ny fitahiana nomen’i Jehovah azy ireo sy ny razambeny. Tsy maintsy ho nanampy an’i Jesosy sy Isaka hanaiky amim-panetren-tena ny sitrapon’Andriamanitra ireny resaka ireny.​—Genesisy 22:7-9; Matio 26:39.

17 Mila iresahana zavatra mampahery koa ny ankizy. Tsy maintsy manokana fotoana hiresahana amin-janany ny ray aman-dreny, na dia be atao aza. Nahoana raha miara-misakafo ianareo mianakavy, fara fahakeliny, indray mandeha isan’andro, raha azo atao? Afaka manararaotra manao resaka mampahery ianareo, mandritra ny sakafo sy aorian’izany. Tena ilaina izany, satria hanatsara ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana.

18. Milazà zava-nitranga izay mampiseho ny soa azo, rehefa mifampiresaka tsara ny ray aman-dreny sy ny zanaka.

18 Tsaroan’i Alejandro, izay 20 taona eo ho eo sy mpisava lalana, fa nisy zavatra nampisalasala azy fony izy 14 taona. Hoy izy: “Noho ny resaka sy ny ohatra nomen’ny mpiara-mianatra tamiko sy ny mpampianatra, dia nanjary tsy azoko antoka raha tena nisy Andriamanitra, ary raha azo itokisana ny Baiboly. Nampisaintsaina ahy nandritra ny ora maro ny ray aman-dreniko. Izany no nanampy ahy tsy hisalasala intsony tamin’iny fotoan-tsarotra iny, sy handray fanapahan-kevitra tsara teo amin’ny fiainako.” Ary ahoana ny amin’izao fotoana izao? Hoy ihany i Alejandro: “Mbola miara-mipetraka amin’i Dada sy Neny aho, nefa tsy afaka mifampiresaka firy izahay sy i Dada, satria samy be atao. Noho izany, dia miara-misakafo any am-piasany izahay, indray mandeha isan-kerinandro. Tena sarobidy amiko mihitsy ireny resakay ireny.”

19. Nahoana isika rehetra no mila miresaka zavatra ara-panahy?

19 Moa ve tsy sarobidy amintsika koa ny fahafahana miresaka zavatra ara-panahy sy mahasoa amin’ny mpiray finoana amintsika? Afaka manao izany isika any am-pivoriana, rehefa manompo eny amin’ny saha, na miaraka mikorana na manao dia lavitra. Tsy andrin’i Paoly izay niresahana tamin’ny Kristianina tany Roma. Nanoratra tamin’izy ireo izy hoe: “Maniry mafy hahita anareo . . . aho, . . . mba hisy fifampaherezana eo amintsika, ka mba hampahery anareo ny finoako ary ny anareo kosa hampahery ahy.” (Romanina 1:11, 12) Hoy ny anti-panahy iray atao hoe Johannes: “Tena ilaina ny miresaka zavatra ara-panahy amin’ny Kristianina hafa. Mampahery izany no sady manamaivana ny enta-mavesatra entintsika isan’andro. Matetika aho no mangataka amin’ireo zokiolona mba hitantara amiko ny fiainany sy izay nanampy azy tsy hivadika. Maro no efa niresahako, ary samy nampita fahendrena na fahalalana lalina tamiko, ka lasa nahafinaritra kokoa ny fiainako.”

20. Inona no azontsika atao raha sendra olona saro-kenatra isika?

20 Ahoana anefa raha toa tsy miraika ny olona sasany, rehefa iresahana zavatra ara-panahy? Aza kivy. Hahita fotoana mety kokoa amin’izany angamba ianao any aoriana. Hoy i Solomona: “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” (Ohabolana 25:11) Aza manakiana na mitsara ny olona saro-kenatra. “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany.” * (Ohabolana 20:5) Ambonin’izany rehetra izany, dia aza avela hisakana anao tsy hiresaka momba izay manohina ny fonao ny fihetsiky ny hafa.

Mahasoa ny miresaka zavatra ara-panahy

21, 22. Inona no soa azontsika avy amin’ny firesahana zavatra ara-panahy?

21 Nanoro hevitra i Paoly hoe: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo, fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa, rehefa ilaina izany, mba ho zava-tsoa no ho ren’izay mihaino.” (Efesianina 4:29; Romanina 10:10) Mila miezaka angamba isika mba hiresahana zavatra mampahery, nefa betsaka ny soa azo avy amin’izany. Afaka manambara ny finoantsika amin’ny hafa sy mampahery ireo rahalahy sy anabavintsika isika, rehefa miresaka zavatra ara-panahy.

22 Aoka àry hoentintsika hampaherezana ny hafa sy hiderana an’Andriamanitra ny fahaizantsika miteny. Ho afa-po koa isika amin’izay. Hampifaly ny fon’i Jehovah mihitsy aza izany, satria manongilan-tsofina izy rehefa miresaka isika, ary faly izy rehefa ampiasaintsika amin’ny fomba tsara ny fahaizantsika miteny. (Salamo 139:4; Ohabolana 27:11) Afaka matoky isika fa tsy hanadino antsika i Jehovah, raha miresaka zavatra ara-panahy isika. Hoy ny Baiboly momba ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao: “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” (Malakia 3:16; 4:5) Tena ilaintsika àry ny miresaka zavatra ara-panahy sy mampahery!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Lalina be ny fantsakana sasany tany Israely. Nahita fitahirizan-drano tany amin’ny 25 metatra ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany, tany Gibeona. Misy tohatra ao anatiny, natao hidinan’ny olona mantsaka rano.

Ahoana no Havalinao?

• Mampiseho inona momba antsika ny resaka ataontsika?

• Inona avy no zavatra mampahery azontsika resahina?

• Nahoana no tena ilaina ny mifampiresaka eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana kristianina?

• Inona no soa entin’ny firesahana zavatra mampahery?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Ny resaka mampahery dia miompana amin’ireto:

“na inona na inona marina”

“na inona na inona zava-dehibe”

“na inona na inona mendri-piderana”

“na inona na inona tsara laza”

[Sary nahazoan-dalana]

Video cover, Stalin: U.S. Army photo; Creator book cover, Eagle Nebula: J. Hester and P. Scowen (AZ State Univ.), NASA

[Sary, pejy 13]

Tena tsara ny manararaotra miresaka zavatra ara-panahy mandritra ny fotoana fisakafoana