Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tsy Tokony Hitsahatra Hivavaka?

Nahoana Isika no Tsy Tokony Hitsahatra Hivavaka?

Nahoana Isika no Tsy Tokony Hitsahatra Hivavaka?

“Aza mitsahatra mivavaka. Misaora amin’ny zava-drehetra.”​—1 Tesalonianina 5:17, 18.

1, 2. Ahoana no nampisehoan’i Daniela fa sarobidy taminy ny tombontsoany hivavaka, ary inona no vokatr’izany teo amin’ny fifandraisany tamin’Andriamanitra?

FAHAZARAN’I Daniela mpaminany ny nivavaka tamin’Andriamanitra intelo isan’andro. Nandohalika nanoloana ny varavarankelin’ny efitranony ambony, nanandrify an’i Jerosalema izy, ary nitalaho taminy. (1 Mpanjaka 8:46-49; Daniela 6:11) Tsy nisalasala nivavaka mihitsy koa i Daniela, na dia namoaka didy aza i Dariosy mpanjaka persanina hoe tsy misy mahazo manao fangatahana, na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminy. Nitalaho tsy tapaka tamin’i Jehovah io lehilahy mpivavaka io, na dia nety haningotra ny ainy aza izany.

2 Ahoana no niheveran’i Jehovah an’i Daniela? Tonga namaly ny vavaka iray nataon’i Daniela ny anjely Gabriela indray mandeha. Nambarany fa “malala indrindra” ilay mpaminany. (Daniela 9:20-23) Ao amin’ny faminanian’i Ezekiela, dia nilaza i Jehovah fa olo-marina i Daniela. (Ezekiela 14:14, 20) Nahatonga an’i Daniela hifandray akaiky tamin’Andriamanitra ireo vavaka nataony, ary na i Dariosy aza dia nanaiky izany.​—Daniela 6:17.

3. Ahoana no anampian’ny vavaka antsika mba tsy hivadika, rehefa dinihina ny zavatra niainan’ny misionera iray?

3 Afaka manampy antsika hiatrika fisedrana mafy koa ny fivavahana tsy tapaka. Diniho, ohatra, ny nanjo an’i Harold King tany Chine. Natoka-monina tany am-ponja io misionera io, nandritra ny dimy taona. Hoy ny Rahalahy King momba ny zavatra niainany: “Tsy nisy afaka nampisaraka ahy tamin’Andriamanitra, na dia nosarahina tamin’ny mpiara-belona tamiko aza aho. . . . Izany no nahatonga ahy handohalika intelo isan’andro tao amin’ny efitrano nigadrako, sy hivavaka tamin’ny feo avo, sady nitadidy ny tantaran’i Daniela ao amin’ny Baiboly. Nahita ahy izay olona rehetra nandalo. . . . Tsapako fa nampifantoka ny saiko tamin’ny zavatra mahasoa ny fanahin’Andriamanitra tamin’ireny fotoana ireny, sady nampitony ahy. Tena nampahery sy nampionona ahy ny vavaka!”

4. Inona avy no fanontaniana momba ny vavaka hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

4 Manoro hevitra antsika ny Baiboly hoe: “Aza mitsahatra mivavaka. Misaora amin’ny zava-drehetra.” (1 Tesalonianina 5:17, 18) Noho izany, dia aoka isika hieritreritra ireto fanontaniana ireto: Nahoana isika no tokony handinika ny vavaka ataontsika? Inona avy no antony tokony hiresahantsika tsy tapaka amin’i Jehovah? Ary inona no tokony hataontsika, raha mahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hivavaka aminy isika, noho ny fahadisoana nataontsika?

Mivavaha mba ho naman’i Jehovah

5. Hanana tombontsoa tsy manan-tsahala ho naman’iza isika, rehefa mivavaka?

5 Tianao ve raha ataon’i Jehovah hoe sakaizany, na namany ianao? Toy izany no niantsoany an’i Abrahama. (Isaia 41:8; Jakoba 2:23) Tian’i Jehovah ho namany koa isika. Manasa antsika hanatona azy mihitsy izy. (Jakoba 4:8) Moa ve izany fanasana izany tsy tokony hahatonga antsika hieritreritra tsara momba ny vavaka, izay tombontsoa miavaka? Tena sarotra ny maka fotoana hiresahana amin’ny olona ambony eo amin’ny fitondrana, mainka moa fa ny ho lasa namany! Ny Mpamorona an’izao rehetra izao kosa anefa dia mampirisika antsika hiresaka aminy amim-pahatsorana amin’ny alalan’ny vavaka, na rahoviana na rahoviana isika no te hanao izany, na mila manao izany. (Salamo 37:5) Ho naman’i Jehovah sady hifandray akaiky aminy isika, rehefa mivavaka tsy tapaka.

6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa mila “mivavaka hatrany” isika?

6 Tena mety hanao tsirambina ny vavaka anefa isika! Mety ho variana loatra amin’ny olana mitranga isan’andro isika, ka tsy hiezaka hiresaka amin’Andriamanitra. Nampirisika ny mpianany ‘hivavaka hatrany’ anefa i Jesosy, ary nanao izany mihitsy koa izy. (Matio 26:41) Nanokana fotoana hiresahana tamin’ilay Rainy any an-danitra izy, na dia be atao foana aza, manomboka amin’ny maraina mandra-paharivan’ny andro. Nifoha “vao maraina be” izy indraindray, “raha mbola maizina ny andro”, mba hivavaka. (Marka 1:35) Nandeha nitokana koa izy indraindray rehefa hariva ny andro, mba hiresaka tamin’i Jehovah. (Matio 14:23) Nanokana fotoana hivavahana foana i Jesosy, ary izany koa no tokony hataontsika.​—1 Petera 2:21.

7. Rahoviana isika no tokony hiresaka amin’ilay Raintsika any an-danitra, ao anatin’ny andro iray?

7 Afaka mivavaka imbetsaka isika ao anatin’ny andro iray, rehefa misy olana, na fakam-panahy, na fanapahan-kevitra raisina. (Efesianina 6:18) Azo antoka fa hihamafy ny fihavanantsika amin’Andriamanitra, rehefa mitady ny tari-dalany isika amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. Moa ve tsy manjary miraiki-po kokoa ny mpinamana, rehefa miara-miatrika zava-manahirana? (Ohabolana 17:17) Izany koa no mitranga, rehefa miantehitra amin’i Jehovah isika, ary mahatsapa fa ampiany.​—2 Tantara 14:10.

8. Tokony hanao ahoana ny halavan’ny vavaka ataontsika, rehefa jerena ny ohatr’i Nehemia sy Jesosy ary Hana?

8 Tena faly mihitsy isika fa tsy feran’Andriamanitra hoe adiny firy na isaky ny inona isika no mahazo mivavaka aminy! Nivavaka mangina haingana i Nehemia, talohan’ny nanaovany fangatahana tamin’ny mpanjakan’i Persia. (Nehemia 2:4, 5) Nanao vavaka fohy koa i Jesosy, rehefa nangataka hery tamin’i Jehovah mba hananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty. (Jaona 11:41, 42) Ary i Hana indray dia “naharitra nivavaka teo anatrehan’i Jehovah”, rehefa namboraka taminy izay tao am-pony. (1 Samoela 1:12, 15, 16) Afaka manao vavaka fohy na lava àry isika, arakaraka izay ilaintsika sy ny zava-mitranga.

9. Rehefa mivavaka, nahoana isika no tokony hidera sy hisaotra an’i Jehovah, noho izay rehetra nataony ho antsika?

9 Maro amin’ireo vavaka resahin’ny Baiboly no mampiseho ny fanekena ny toerana fara tampony tanan’i Jehovah. Maneho fankasitrahana lalina ny asany mahagaga koa izy ireny. (Eksodosy 15:1-19; 1 Tantara 16:7-36; Salamo 145) Tao amin’ny fahitana iray, dia hitan’ny apostoly Jaona nidera an’i Jehovah ireo anti-panahy 24, na ny Kristianina voahosotra rehetra any an-danitra. Izao no lazain’izy ireo: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” (Apokalypsy 4:10, 11) Manana antony iderana tsy tapaka ny Mpamorona koa isika. Dibo-kafaliana ny ray aman-dreny, rehefa misaotra azy amin’ny fony manontolo ny zanany, noho izay nataon’izy ireo ho azy! Tena hihatsara àry ny vavaka ataontsika, raha misaintsaina lalina momba ny hatsaram-panahin’i Jehovah isika, sady mankasitraka izany amin’ny fo manontolo.

Nahoana isika no tsy tokony ‘hitsahatra hivavaka’?

10. Ahoana no anatanjahan’ny vavaka ny finoantsika?

10 Tena mila mivavaka tsy tapaka isika, mba hananana finoana. Rehefa avy nanao fanoharana i Jesosy hanazavana fa ilaina ny ‘mivavaka mandrakariva, ka tsy mitsahatra’, dia nanontany izy hoe: “Rehefa tonga . . . ny Zanak’olona, tena hahita finoana toy izany etỳ an-tany ve izy?” (Lioka 18:1-8) Manatanjaka finoana ny mivavaka amin-kafanam-po sy amim-pahatsorana. Rehefa nihantitra i Abrahama, nefa mbola tsy niteraka, dia noresahiny tamin’Andriamanitra izany. Nasain’i Jehovah nijery ny lanitra sy nanisa ny kintana àry izy, raha nahavita. Nomeny toky i Abrahama avy eo hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao.” Inona no vokatr’izany? “Nino an’i Jehovah” i Abrahama, “ka dia nisainy ho fahamarinany izany.” (Genesisy 15:5, 6) Hanatanjaka ny finoantsika i Jehovah, raha mamboraka ny ao am-pontsika amin’ny vavaka isika, ary manaiky ny fanomezany toky ao amin’ny Baiboly sady mankatò azy.

11. Ahoana no anampian’ny vavaka antsika hiatrika zava-manahirana?

11 Afaka manampy antsika hiatrika zava-manahirana koa ny vavaka. Miaritra ny mafy ve ianao, sa misy zava-manahirana manavesatra anao? Hoy ny Baiboly: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22) Afaka manahaka an’i Jesosy isika, rehefa misy fanapahan-kevitra sarotra raisina. Nivavaka nandritra ny alina manontolo izy, talohan’ny nifidianany ny apostoliny 12. (Lioka 6:12-16) Nivavaka mafy koa izy ny alina talohan’ny nahafatesany, hany ka “nanjary tahaka ny ra nitete teo amin’ny tany ny hatsembohany.” (Lioka 22:44) Inona no vokany? “Nohenoina [izy] noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.” (Hebreo 5:7) Hahavita hiatrika ny zava-tsarotra mampitebiteby sy ny fisedrana mafy isika, rehefa tsy mitsahatra mivavaka amin-kafanam-po.

12. Nahoana no mampiseho ny fiahian’i Jehovah antsika tsirairay ny fahafahana mivavaka?

12 Tokony hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka koa isika, satria hanatona akaiky kokoa antsika izy amin’izay. (Jakoba 4:8) Rehefa mamboraka ny ao am-pontsika amin’i Jehovah isika, moa ve isika tsy mahatsapa fa maniry hanome izay ilaintsika izy sady tena miahy antsika? Isika tsirairay mihitsy no mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy nankinin’io Raintsika any an-danitra io tamin’olon-kafa ny andraikitra hihaino ny vavaka rehetra ataon’ny mpanompony. (Salamo 66:19, 20; Lioka 11:2) Asainy koa isika ‘hametraka aminy izay rehetra mampanahy antsika, satria mikarakara antsika izy.’​—1 Petera 5:6, 7.

13, 14. Inona avy no antony tokony hivavahantsika hatrany?

13 Manjary mazoto kokoa amin’ny fanompoana koa isika, rehefa mivavaka. Rehefa tsy miraika ny olona, na manohitra, dia mety tsy te hanohy hanompo intsony isika. Hanome hery antsika ny vavaka amin’izay fotoana izay. (Asan’ny Apostoly 4:23-31) Afaka miaro antsika amin’ny “teti-dratsin’ny Devoly” koa ny vavaka. (Efesianina 6:11, 17, 18) Afaka mangataka foana amin’Andriamanitra isika mba hanatanjaka antsika, rehefa miezaka mafy miaritra fisedrana isan’andro. Ao amin’ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy, dia misy fangatahana amin’i Jehovah hoe “manafaha anay amin’ilay ratsy”, na i Satana Devoly.​—Matio 6:13.

14 Hanampy antsika i Jehovah, raha manohy mivavaka aminy isika mba hanampiany antsika hifehy ny fironantsika hanota. Mahazo toky isika hoe: “Mahatoky . . . Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.” (1 Korintianina 10:13) Ny apostoly Paoly mihitsy no nahatsapa fa nampahery azy i Jehovah, mba hizakany fisedrana samihafa. Hoy izy: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”​—Filipianina 4:13; 2 Korintianina 11:23-29.

Mahareta amin’ny vavaka, na dia nanao fahadisoana aza

15. Inona no mety hitranga, rehefa tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra ny fitondran-tenantsika?

15 Tsy mahazo mandà ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, raha te hahazo valim-bavaka. Nilaza ny apostoly Jaona fa “na inona na inona angatahintsika dia raisintsika avy aminy izany, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.” (1 Jaona 3:22) Inona anefa no mety hitranga, raha tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra ny fitondran-tenantsika? Niafina i Adama sy Eva, rehefa avy nanota tao amin’ny saha Edena. Mety ho te hiafina “ny tavan’i Jehovah” koa isika, ka tsy hivavaka intsony. (Genesisy 3:8) Hoy i Klaus, mpiandraikitra mpitety faritany za-draharaha: “Voamariko fa tsy mivavaka intsony ny olona manomboka mihataka amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Io foana matetika no tena fahadisoany.” (Hebreo 2:1) Izany no nataon’i José Ángel. Hoy izy: “Zara raha nivavaka tamin’i Jehovah aho, nandritra ny valo taona latsaka kely. Nahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hivavaka aminy aho, na dia mbola nandray azy ho toy ny Raiko aza.”

16, 17. Manomeza ohatra mampiseho fa afaka manampy antsika handresy ny fahalementsika ny fivavahana tsy tapaka.

16 Mahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hivavaka angamba ny sasany amintsika, satria manana fahalemena na nanao ratsy. Amin’izay fotoana izay indrindra anefa no tena hahasoa antsika ny mivavaka. Nandositra ny asa nanirahana azy i Jona. Kanefa ‘niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriany izy, ka dia namaly azy izy; tao anatin’ny fiainan-tsi-hita no nitarainan’i Jona, dia nihaino ny feony i Jehovah.’ (Jona 2:3) Nivavaka i Jona, ary novalian’i Jehovah, ka afaka nihavana tsara taminy indray.

17 Nivavaka tamin-kafanam-po koa i José Ángel, mba hahazoana fanampiana. Izao no tsaroany: “Namboraka ny tao am-poko tamin’Andriamanitra aho, ary nitalaho famelan-keloka taminy. Tena nanampy ahy tokoa izy. Inoako fa raha tsy nivavaka aho, dia tsy ho tafaverina tao amin’ny fahamarinana. Mivavaka tsy tapaka isan’andro aho izao, ary tsy andriko ny fotoana hanaovana izany.” Tsy tokony hisalasala mihitsy isika hiaiky ny fahadisoantsika amin’Andriamanitra, ary hanetry tena, ka hangataka famelan-keloka. Namela ny helok’i Davida Mpanjaka i Jehovah, rehefa nibaboka ny fahotany izy. (Salamo 32:3-5) Te hanampy antsika i Jehovah, fa tsy te hanameloka antsika akory. (1 Jaona 3:19, 20) Afaka manampy antsika koa ny vavaka ataon’ny anti-panahy, satria “manan-kery lehibe” ny fitalahoan’izy ireo.​—Jakoba 5:13-16.

18. Inona no azon’ny mpanompon’Andriamanitra atokisana, na dia lehibe toy inona aza ny fahadisoan’izy ireo?

18 Hisy raim-pianakaviana ve tsy handray ny zanany, raha nanao fahadisoana io zanany io, nefa avy eo manetry tena, ka mangataka fanampiana sy torohevitra aminy? Asehon’ilay fanoharana momba ilay zanaka adala, fa na dia lehibe toy inona aza ny fahadisoantsika, dia faly ny Raintsika any an-danitra, rehefa miverina aminy isika. (Lioka 15:21, 22, 32) Ampirisihin’i Jehovah hiantso azy ny olona rehetra nanao fahadisoana, satria “hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.” (Isaia 55:6, 7) Na dia nanao fahotana lehibe maromaro aza i Davida, dia niantso an’i Jehovah izy, nanao hoe: “Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ny fitarainako.” Hoy koa izy: “Hariva sy maraina ary mitataovovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko [i Jehovah].” (Salamo 55:1, 17) Tena manome toky antsika tokoa izany!

19. Nahoana isika no tsy tokony hanatsoaka hevitra hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra, raha tsapantsika fa toa tsy voavaly ny vavaka nataontsika?

19 Ahoana anefa raha tsy mahazo valim-bavaka avy hatrany isika? Tsy maintsy ataontsika azo antoka hoe mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ny fangatahantsika, ary ataontsika amin’ny anaran’i Jesosy. (Jaona 16:23; 1 Jaona 5:14) Nilaza i Jakoba mpianatra fa tsy nahazo valim-bavaka ny Kristianina sasany, satria ‘ratsy ny anton’ny fangatahany.’ (Jakoba 4:3) Tsy tokony hanatsoaka hevitra avy hatrany koa anefa isika hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra, raha tsapantsika fa toa tsy voavaly ny vavaka nataontsika. Indraindray dia mety havelan’i Jehovah hivavaka elaela aloha ny mpanompony mahatoky, vao hiharihary ny valin’ny vavaka nataon’izy ireo. “Mangataha hatrany, dia homena ianareo”, hoy i Jesosy. (Matio 7:7) Noho izany, dia mila ‘maharitra amin’ny vavaka’ isika.​—Romanina 12:12.

Mivavaha tsy tapaka

20, 21. a) Nahoana isika no mila mivavaka tsy tapaka amin’izao “andro farany” izao? b) Inona no ho azontsika, raha manatona ny seza fiandrianan’i Jehovah isika isan’andro?

20 Mihabetsaka ny olana amin’izao “andro farany” ahitana “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1) Tena mety hampiady saina antsika ny fisedrana. Rehefa mivavaka tsy tapaka anefa isika, dia afaka mifantoka hatrany amin’ny zavatra ara-panahy, na dia misy foana aza ny zava-manahirana sy ny fakam-panahy ary ny fahakiviana. Hahazo ny hery ilaintsika isika, rehefa mivavaka isan’andro amin’i Jehovah.

21 Tsy hoe be atao loatra i Jehovah, ilay “Mpihaino vavaka”, ka tsy ho afaka hihaino antsika. (Salamo 65:2) Tsy tokony ho variana loatra amin’ny ataontsika anefa isika, ka tsy hiresaka aminy. Ny fisakaizantsika aminy no zava-tsarobidy indrindra ananantsika. Enga anie isika tsy hanamaivana mihitsy ny lanjan’izy io. “Koa aoka àry isika hanatona ny seza fiandrianan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, ary ho sahy hiteny rehefa manao izany. Amin’izay isika dia hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, mba hahazoana fanampiana amin’ny fotoana mety.”​—Hebreo 4:16.

Ahoana no Havalinao?

• Manao ahoana ny hasarobidin’ny vavaka, rehefa dinihina ny ohatr’i Daniela mpaminany?

• Ahoana no hanamafisantsika ny fihavanantsika amin’i Jehovah?

• Nahoana isika no tokony hivavaka tsy tapaka?

• Nahoana isika no tokony hivavaka amin’i Jehovah foana, na dia mahatsiaro tena ho tsy mendrika aza?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Nanao vavaka fohy sy mangina i Nehemia talohan’ny niresahany tamin’ny mpanjaka

[Sary, pejy 17]

“Naharitra nivavaka teo anatrehan’i Jehovah” i Hana

[Sary, pejy 18]

Nivavaka nandritra ny alina manontolo i Jesosy talohan’ny nifidianany ny apostoliny 12

[Sary, pejy 20]

Afaka mivavaka imbetsaka isika ao anatin’ny andro iray