Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Zava-bitan’i Martin Luther

Ny Zava-bitan’i Martin Luther

Ny Zava-bitan’i Martin Luther

“VOALAZA fa i [Martin Luther] no nanoratana boky betsaka indrindra teo amin’ny tantara, manarakaraka an’i Jesosy Kristy tompony.” Izany no nolazain’ny gazety Ny Fotoana (anglisy). Ny tenin’i Luther sy ny zavatra nataony no anisan’ny nahatonga ilay fihetsiketsehana ara-pivavahana nantsoina hoe Fanavaozana, izay noheverina ho “ny fiovana niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona.” Nandray anjara tamin’ny fanovana ny fivavahana tamin’ny ankapobeny tany Eoropa àry i Luther. Nandray anjara tamin’ny famaranana ny vanim-potoanan’ny Moyen Âge tany amin’io kontinanta io koa izy. Nanampy tamin’ny famoronana ny teny alemà an-tsoratra ampiasaina ankehitriny koa izy. Ny Baiboly nadikany koa hatramin’izao no be mpamaky indrindra, raha oharina amin’ny Baiboly hafa amin’ny teny alemà.

Fa iza moa i Martin Luther? Nahoana ny zavatra nataony no nisy vokany toy izany, tany Eoropa?

Lasa manam-pahaizana i Luther

Teraka tany Eisleben, any Alemaina, i Martin Luther tamin’ny Novambra 1483. Mpitrandraka varahina no asan’ny rainy, nefa nataony izay hananana vola ampy mba hahatafitan’i Martin amin’ny fianarana. Nianatra tany amin’ny Oniversiten’i Erfurt i Martin tamin’ny 1501. Tao amin’ny fitehirizam-bokin’io oniversite io izy no namaky Baiboly voalohany. “Tiako be ilay boky”, hoy izy, “ka nanantena aho fa mba ho mendrika hahazo boky toy io indray andro any.”

Niditra tany amin’ny monasiteran’i Augustin any Erfurt i Luther, rehefa feno 22 taona. Nianatra teolojia tany amin’ny Oniversiten’i Wittenberg izy tatỳ aoriana, ka nahazo ny diplaoma ambony indrindra. Tsapany fa tsy mendrika ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra izy. Tena kivy izy indraindray satria nanameloka azy ny fieritreretany. Nianatra Baiboly sy nivavaka ary nisaintsaina anefa izy, ka nanjary nahatakatra kokoa ny fomba fijerin’Andriamanitra ny mpanota. Takany fa tsy omen’Andriamanitra antsika ho tambin’ny nataontsika ny fankasitrahany. Manome izany an’ireo manam-pinoana kosa izy, noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.​—Romanina 1:16; 3:23, 24, 28.

Ahoana no nahafahan’i Luther nanatsoaka hevitra fa marina io zavatra nianarany io? Hoy ny nosoratan’ny Profesora Kurt Aland, mpampianatra ny tantaran’ny eglizy voalohany sady mpikaroka momba ny Testamenta Vaovao: “Nisaintsaina ny Baiboly manontolo i Luther mba hahitany raha mbola marina ilay hevitra vaovao nianarany na dia ampitahaina amin’ny zavatra hafa voalazan’ny Baiboly aza. Vao mainka nanamafy izany izy ireo.” Nampianatra i Luther fa amin’ny alalan’ny finoana no hahazoana famonjena fa tsy amin’ny alalan’ny fihafiana. Io foto-pampianarana io foana no niorenan’ny fampianarany hafa rehetra.

Nahatezitra azy ny indolzansy

Nampifanolana an’i Luther tamin’ny Eglizy Katolika ny fahatakarany ny fomba fijerin’Andriamanitra ny mpanota. Ninoan’ny olona tamin’izany fotoana izany mantsy fa tsy maintsy voasazy mandritra ny fotoana voafetra ny mpanota rehefa maty. Voalaza anefa fa azo hafohezina io fotoana io raha mahazo indolzansy na famotsoran-keloka, ilay mpanota. Ny papa no manana fahefana hanome indolzansy, ary andoavam-bola ilay izy. Nahazo vola be tamin’ny olon-tsotra, ohatra, ny mpivarotra indolzansy toa an-dry Johann Tetzel, izay nisolo tena ny Arseveka Albert avy any Mayence. Maro no nihevitra fa miantoka ny olona iray tsy ho voasazy amin’izay fahotana mety hataony any aoriana ny indolzansy.

Nahatezitra an’i Luther ny fivarotana indolzansy. Fantany fa tsy afaka miady varotra amin’Andriamanitra ny olombelona. Nanoratra ireo tsangan-keviny malaza miisa 95 izy tamin’ny faramparan’ny taona 1517. Tamin’izany no niampangany ny eglizy ho nanararaotra ny olona teo amin’ny lafiny ara-bola, sy nampianatra zavatra tsy hita ao amin’ny Baiboly, ary nampiasa ny fivavahana mba hahazoana tombontsoa manokana. Tsy naniry ny hikomy i Luther fa ny hanao fanavaozana, ka nalefany tany amin’ny Arseveka Albert tany Mayence sy ny manam-pahaizana maromaro ireo tsangan-keviny. Mpahay tantara maro no milaza fa tany amin’ny taona 1517 tany ho any no nanombohan’ny Fanavaozana.

Tsy i Luther irery no nitaraina momba ny zava-dratsy nataon’ny eglizy. Efa nanameloka ny fivarotana indolzansy koa ilay mpitondra fanavaozana ara-pivavahana tseky atao hoe Jan Hus, 100 taona talohan’izay. Na dia talohan’i Hus aza, dia efa nanamarika i John Wycliffe avy any Angletera, fa tsy hita ao amin’ny Soratra Masina ny fanao sasany ao amin’ny eglizy. Nampirisika ny hanaovana fanavaozana koa i Érasme avy any Rotterdam sy Tyndale avy any Angletera, izay niara-belona tamin’i Luther. Ny tsangan-kevitr’i Luther anefa no nisy vokany kokoa sady niely lavitra kokoa noho ny an’ireo mpitondra fanavaozana rehetra ireo, satria tamin’izany vao nisy ny milina fanontam-pirinty, noforonin’ilay alemà antsoina hoe Johannes Gutenberg.

Tamin’ny taona 1455 no nanomboka nampiasaina ny milina fanontam-pirintin’i Gutenberg, tany Mayence. Tany am-piandohan’ireo taona 1500, dia nisy milina fanontam-pirinty tany amin’ny tanàna 60 tany Alemaina sy tany amin’ny firenena eoropeanina 12 hafa. Sambany teo amin’ny tantara vao afaka nahafantatra haingana ny vaovao nahaliana azy ny olona. Natao pirinty sy naely ireo tsangan-kevitra 95 nosoratan’i Luther, na dia nety ho tsy nahazoana lalana taminy akory aza. Tsy nijanona ho raharaha teo an-toerana intsony àry ilay resaka fanavaozana ny eglizy. Lasa adihevitra hatraiza hatraiza ilay izy. Tampotampoka teo dia i Martin Luther no olona nalaza indrindra nanerana an’i Alemaina.

Nanohitra azy ny “masoandro sy ny volana”

Nandritra ny taonjato maro, dia nofehezin’ny fikambanana matanjaka roa i Eoropa: ny Empira Romanina Masina sy ny Eglizy Katolika. “Toy ny masoandro sy ny volana ny emperora sy ny papa”, hoy ny fanazavan’i Hanns Lilje, prezidàn’ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny Fivavahana Loteranina teo aloha. Tsy tena fantatra tsara anefa hoe iza tamin’izy ireo no nanana fahefana bebe kokoa (“masoandro”), ary iza no nanana fahefana kely kokoa (“volana”). Tsy dia nanana fahefana firy intsony ireo fikambanana roa ireo, tany am-piandohan’ireo taona 1500. Efa nananontanona mantsy ny fiovana.

Norahonan’ny Papa Léon X i Luther fa hesorina tsy ho mpikambana tao amin’ny eglizy intsony izy raha tsy miaiky fa diso ireo tsangan-kevitra 95 navoakany. Nanda mafy tsy hanao izany i Luther, ka nodorany teo imasom-bahoaka ilay taratasy nisy ny fandrahonan’ny papa. Namoaka lahatsoratra fanampiny izy mba hampirisihana ireo lohandohany tao amin’ny Eglizy hanao fanavaozana, na dia tsy nahazo lalana tamin’ny papa aza. Nesorin’ny Papa Léon X tsy ho mpikambana tao amin’ny eglizy intsony i Luther tamin’ny 1521. Tsy nanaiky an’izany anefa i Luther satria nomelohina tsy nisy fitsarana, hono, izy. Nasain’ny Emperora Charles V hiseho teo anatrehan’ny filan-kevi-pitondrana tany Worms àry izy. Toy ny filaharam-pandresena ny dia naharitra 15 andro nataon’i Luther avy tany Wittenberg nankany Worms, tamin’ny Aprily 1521. Nanohana ny tsangan-keviny ny vahoaka, ka te hahita azy tany amin’ny toerana rehetra nandalovany.

Notsaraina teo anatrehan’ny emperora sy ny printsy ary ny solontenan’ny papa i Luther, tany Worms. Toy izany koa ny fomba nitsarana an’i Jan Hus tamin’ny 1415, tany Constance. Nodorana teo amin’ny hazo i Hus avy eo. Nihaino an’i Luther daholo izao ny lohandohany tao amin’ny eglizy sy ny fanjakana. Nilaza i Luther fa tsy hiala amin’ny fampianarany izy, raha tsy porofoin’ireo mpanohitra azy avy ao amin’ny Baiboly fa diso izy. Tsy nisy afaka nifampitaha taminy anefa teo amin’ny fitadidiana ny Soratra Masina. Ilay taratasy nantsoina hoe Lalàn’i Worms no nirakitra ny didim-pitsarana. Nambara tao fa mpandika lalàna i Luther, ary voarara ny asa sorany. Tandindomin-doza izao ny ainy satria efa nesorin’ny papa tsy ho mpikambana tao amin’ny eglizy intsony izy sady nomelohin’ny emperora ho mpandika lalàna.

Nisy zava-niseho tena nahagaga sy tsy nampoizina anefa taorian’izay. Mody nampaka an’i Luther an-keriny i Frederick, andriana tsara fanahy avy any Saxe, raha mbola teny an-dalana hiverina ho any Wittenberg izy. Niaro an’i Luther tsy ho azon’ny fahavalony izany. Nentina an-tsokosoko tany amin’ny lapa iray mitokana, antsoina hoe lapan’i Wartburg, i Luther. Nampanirin’i Luther ny volombavany, ary niova anarana izy, ka lasa ny andriana Junker Jörg.

Be mpitady ny Baiboly Septambra

Niafina tany amin’ny lapan’i Wartburg i Luther nandritra ireo folo volana nanaraka, mba tsy ho hitan’ny emperora sy ny papa. Hazavain’ny boky iray momba an’io lapa io fa “ny fotoana nijanonan’i Luther tany Wartburg no nahavitany zavatra betsaka indrindra teo amin’ny fiainany.” Tany, ohatra, no nanaovany ny iray tamin’ireo zava-bitany lehibe indrindra, dia ny fandikana tamin’ny teny alemà ny Baiboly Soratra Grika nataon’i Érasme. Nantsoina hoe Baiboly Septambra io fandikan-teny io, satria navoaka tamin’ny Septambra 1522. Tsy nosoratana tao anatiny anefa hoe i Luther no nandika azy. Iray florin (vola holandey) mahery kely no vidiny. Nitovy tamin’ny vidin’ny angadin’omby enina izany. Maro be anefa no nitady an’io Baiboly io. Natonta indroa izy io tao anatin’ny herintaona, ka 6 000 no natao pirinty. Natonta in-69 izy io, fara fahakeliny, nandritra ireo 12 taona nanaraka.

Nanambady an’i Katharina von Bora, masera taloha, i Martin Luther tamin’ny 1525. Tena nahay nikarakara tokantrano i Katharina. Nalala-tanana sady tia nandray vahiny i Luther vadiny, ka betsaka ny zavatra tsy maintsy nosahanin’i Katharina, nefa vitany tsara izany. Tsy ny vadiny sy ny zanany enina ihany no niara-nipetraka tamin’i Luther, fa nisy namana sy manam-pahaizana ary mpitsoa-ponenana koa. Nalaza ho mpanoro hevitra i Luther tamin’ireo taona faramparany niainany, ka nitondra penina sy taratasy ny manam-pahaizana nivahiny tao aminy mba hanoratana izay nolazainy. Natambatra ho boky iray ireny zavatra nolazainy ireny, ka nampitondraina ny lohateny hoe Resadresak’i Luther teo Am-pisakafoana (alemà). Nandritra ny fotoana kelikely, dia io no boky niely indrindra nanerana an’i Alemaina, nanarakaraka ny Baiboly.

Nahay nandika teny sy nanoratra boky maro

Nahavita ny fandikana ny Soratra Hebreo i Luther tamin’ny 1534. Hainy tsara ny nampifanaraka ny fomba fanoratra sy ny gadona ary ny voambolana. Nazava tsara tamin’ny olon-tsotra àry ny Baiboly nadikany. Hoy ny nosoratan’i Luther momba ny fomba fandikany teny: “Tokony hiresaka amin’ny renim-pianakaviana ao an-trano sy ny ankizy eny amin’ny arabe ary ny olon-tsotra eny an-tsena isika, ka hihaino tsara ny fomba firesany, ary arakarak’izay no hanaovantsika ny fandikan-tenintsika.” Ny Baibolin’i Luther no nahafahana namorona ny teny alemà an-tsoratra, izay lasa nampiasaina nanerana an’i Alemaina tatỳ aoriana.

Mpanoratra mahay koa anefa i Luther. Voalaza fa nanoratra lahatsoratra iray isaky ny tapa-bolana izy tamin’izy mbola afaka niasa. Hita taratra tao amin’ny sasany tamin’ireny fa tia niady hevitra i Luther. Zatra nampiasa teny henjana koa izy tamin’ireo asa sorany voalohany, nefa tsy niova mihitsy izany na dia efa antitra aza izy. Vao mainka henjana kokoa aza ny teny nampiasainy tao amin’ireo lahatsorany faramparany. Milaza ny Rakibolana Momba ny Teolojia sy ny Eglizy (alemà) hoe miharihary avy amin’ny asa soratr’i Luther fa “tafahoatra ny hatezerany”, ary “tsy ampy fanetren-tena sy fitiavana” izy. Asehon’izy ireny koa anefa fa “nahatsapa izy hoe tena nilaina ny zavatra nataony.”

Tatỳ aoriana, dia nipoaka ny Adin’ny Tantsaha, ka olona maro be no maty tany amin’ny faritra nanjakan’ny andriana alemà. Nanontaniana i Luther raha rariny ny fikomian’ny tantsaha tamin’ireo andriana ireo. Tsy niezaka nilaza zavatra hahazoana sitraka tamin’ny vahoaka anefa izy. Araka ny heviny, dia tokony hankatò ny manam-pahefana ny mpanompon’Andriamanitra. (Romanina 13:1) Nilaza tsy nisy olakolaka izy fa tokony hofaranana amin’ny alalan’ny fampiasan-kery ilay fikomiana. Hoy izy: “Aoka hanindrona amin’ny antsy sy hikapoka ary hamono, izay rehetra afaka manao izany.” Nomarihin’i Hanns Lilje fa “lasa tsy tian’ny vahoaka toy ny teo aloha intsony i Luther”, noho io teniny io. Ankoatra izany, dia nahatonga olona maro hihevitra azy ho tsy tia Jiosy ireo lahatsoratra navoakany tatỳ aoriana momba ireo Jiosy tsy nety niova ho Kristianina. Anisan’izany ilay lahatsorany hoe Ny Jiosy sy ny Laingany (alemà).

Ny zava-bitan’i Luther

Niforona ny fivavahana vaovao nantsoina hoe Fivavahana Protestanta, rehefa nampirisika ny hanaovana Fanavaozana ny olona toa an-dry Luther sy Calvin ary Zwingli. Ny fampianarana lehibe indrindra noraisin’ny Protestanta avy tamin’i Luther, dia ilay hoe miankina amin’ny finoana ny famonjena. Nanaraka ny finoana protestanta ny faritra sasany nanjakan’ny andriana alemà, ary nisy nanaraka ny finoana katolika. Niely ny fivavahana protestanta, ka maro be no nanaraka azy io tany Skandinavia, Soisa, Angletera, ary Holandy. An-jato tapitrisa izao ny protestanta.

Mbola maro no manaja an’i Luther na dia tsy manaraka ny finoany aza. Tamin’ny 1983, dia nankalaza ny faha-500 taona nahaterahan’i Luther ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina teo aloha, izay nahatafiditra an’i Eisleben, Erfurt, Wittenberg, ary Wartburg. Neken’io Fanjakana Sosialista io fa olona tena niavaka teo amin’ny tantara sy ny kolontsaina alemà i Luther. Namintina ny zava-bitan’i Luther koa ny teolojianina katolika iray tamin’ireo taona 1980, ka nilaza hoe: “Tsy nisy afaka nifampitaha tamin’i Luther ny olona rehetra taoriany.” Nanoratra toy izao ny Profesora Aland: “Miisa 500, fara fahakeliny, ny boky vaovao avoaka isan-taona momba an’i Martin Luther sy ny Fanavaozana. Saika avoaka amin’ireo fiteny lehibe indrindra eran-tany ireny boky ireny.”

Tena narani-tsaina, nanana fitadidiana nikoizana, nahafehy tsara ny fiteniny, ary nazoto niasa, i Martin Luther. Tsy nanam-paharetana sy mpanivaiva koa anefa izy. Nanohitra mafy izay noheveriny fa fihatsarambelatsihy koa izy. Taloha kelin’ny nahafatesany tamin’ny Febroary 1546 tany Eisleben, dia nanontany azy ny namany raha mbola hifikitra amin’ireo fampianarana nampianariny izy. “Eny”, hoy ny navaliny. Maty i Luther, nefa olona maro no mbola manaraka ny fampianarany.

[Sary, pejy 27]

Notoherin’i Luther ny fivarotana indolzansy

[Sary nahazoan-dalana]

Mit freundlicher Genehmigung: Wartburg-Stiftung

[Sary, pejy 28]

Nilaza i Luther fa tsy hiala amin’ny fampianarany izy, raha tsy porofoin’ireo mpanohitra azy avy ao amin’ny Baiboly fa diso izy

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny boky The Story of Liberty, 1878

[Sary, pejy 29]

Efitranon’i Luther tany amin’ny Lapan’i Wartburg. Tao izy no nandika ny Baiboly

[Sary nahazoan-dalana]

Sary: Mit freundlicher Genehmigung: Wartburg-Stiftung

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Avy amin’ny boky Martin Luther The Reformer, 3rd Edition, navoakan’ny Toronto Willard Tract Depository, Toronto, Ontario

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Avy amin’ny boky The History of Protestantism (Vol. I)