Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Enjehina Noho ny Fahamarinana

Enjehina Noho ny Fahamarinana

Enjehina Noho ny Fahamarinana

“Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana.”​—MATIO 5:10.

1. Nahoana i Jesosy no teo anatrehan’i Pontio Pilato, ary inona no nolazainy?

“IZAO no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Teo anatrehan’i Pontio Pilato, governora romanina tany Jodia, i Jesosy, fony nilaza ireo teny ireo. Tsy izy akory no te ho any, na hoe nasain’i Pilato izy. Tany kosa izy, satria niampanga azy ho mpanao ratsy mendrika ny hovonoina ny mpitondra fivavahana jiosy.​—Jaona 18:29-31.

2. Inona no nataon’i Jesosy, ary inona no vokany?

2 Fantatr’i Jesosy tsara fa nanana fahefana hanafaka na hamono azy i Pilato. (Jaona 19:10) Tsy nahasakana azy tsy ho sahy hiresaka taminy momba ilay Fanjakana anefa izany. Nanararaotra nitory tamin’io manam-pahefana ambony indrindra tao amin’ilay faritra io i Jesosy, na dia notandindomin-doza aza ny ainy. Nomelohina sy novonoina ihany anefa izy na izany aza, ary nijalijaly vao maty maritiora teo amin’ny hazo fijaliana.​—Matio 27:24-26; Marka 15:15; Lioka 23:24, 25; Jaona 19:13-16.

Vavolombelona sa maritiora?

3. Inona no dikan’ny hoe “maritiora” tamin’ny andron’ny Baiboly, nefa inona no heviny ankehitriny?

3 Ny fiheveran’ny olona ny hoe maritiora ankehitriny, dia olona mafana fo tafahoatra. Matetika ireo vonona ho faty noho ny zavatra inoany, ary indrindra noho ny fivavahany, no ahiahina ho mpampihorohoro, na hampidi-doza ny fiaraha-monina. Avy amin’ny teny grika (marʹtys) anefa ny teny hoe maritiora. “Vavolombelona” no dikan’izy io tamin’ny andron’ny Baiboly, izany hoe olona manambara ny fahamarinan’ny zavatra inoany, angamba any amin’ny fitsarana. Tatỳ aoriana ny teny hoe maritiora vao nidika hoe “olona mahafoy ny ainy noho izy manambara ny zavatra inoany”, na mahafoy ny ainy mba hampahafantarana ny zavatra inoany.

4. Inona no tena antony ilazana fa maritiora i Jesosy?

4 Ny hevitr’ilay teny hoe maritiora tany am-boalohany no tena mihatra amin’i Jesosy. Araka ny teniny tamin’i Pilato, dia tonga mba “hanambara ny marina” izy. Samy hafa be ny fihetsiky ny olona, vokatry ny fitoriany. Nanohina lalina ny olona sasany ny zavatra hitany sy reny, hany ka nino an’i Jesosy izy ireo. (Jaona 2:23; 8:30) Nanohitra mafy azy kosa anefa ny ankamaroan’ny vahoaka, indrindra fa ny mpitondra fivavahana. Nilaza tamin’ireo havany tsy nino azy i Jesosy hoe: “Tsy misy antony ankahalan’izao tontolo izao anareo. Fa izaho kosa halany, satria manaporofo fa ratsy ny ataony.” (Jaona 7:7) Noho i Jesosy nanambara ny marina, dia tezitra taminy ny mpitondra an’ilay firenena, ka novonoina ho faty izy. Tena “vavolombelona (marʹtys) mahatoky sy marina” tokoa i Jesosy.​—Apokalypsy 3:14.

‘Ho halan’ny olona ianareo’

5. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fanenjehana, tamin’izy vao nanomboka ny fanompoany?

5 Nenjehina mafy i Jesosy, sady nampitandrina ny mpanara-dia azy fa henjehina koa izy ireo. Tamin’izy vao nanomboka ny fanompoany, dia hoy izy tamin’ireo nihaino ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha omen’ny olona tsiny sy enjehiny ary amoronany lainga ho nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra.”​—Matio 5:10-12.

6. Inona no nampitandreman’i Jesosy an’ireo apostoly 12 tamin’izy naniraka azy?

6 Rehefa naniraka ny apostoly 12 i Jesosy tatỳ aoriana, dia hoy izy taminy: “Mitandrema amin’ny olona, fa hatolony amin’ny fitsarana eo an-toerana ianareo, ary hoveleziny any amin’ny synagogany. Hotaritarihina ho eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena.” Tsy ny mpitondra fivavahana ihany anefa no hanenjika ireo mpianatra. Nilaza koa i Jesosy hoe: “Ny rahalahy koa hanolotra ny rahalahiny ho faty, ny ray hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampamono azy ho faty. Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Fa izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 10:17, 18, 21, 22) Manamarina ireo teny ireo ny tantaran’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany.

Nahatoky sy niaritra izy ireo

7. Inona no nahatonga an’i Stefana ho maritiora?

7 Taoriana kelin’ny nahafatesan’i Jesosy, dia i Stefana no Kristianina voalohany novonoina, noho izy nanambara ny marina. “Feno toetra mahafinaritra sy hery” izy, “ka nampiseho fambara sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka.” “Tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny hafanam-po nasehony tamin’ny teniny” ireo mpivavaka nanohitra azy. (Asan’ny Apostoly 6:8, 10) Feno fialonana àry izy ireo, ka nitondra an-keriny an’i Stefana nankany amin’ny Fitsarana Avo Jiosy. Niatrika an’ireo mpiampanga lainga azy izy tany, ary nitory tamim-pahasahiana. Novonoin’ny fahavalony anefa io vavolombelona nahatoky io tamin’ny farany.​—Asan’ny Apostoly 7:59, 60.

8. Inona no nataon’ireo mpianatra tany Jerosalema rehefa nenjehina izy ireo, taorian’ny namonoana an’i Stefana?

8 Taorian’ny namonoana an’i Stefana, dia “nisy fanenjehana mafy nihatra tamin’ny fiangonana tany Jerosalema, ka niparitaka nanerana ny faritr’i Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny apostoly ihany.” (Asan’ny Apostoly 8:1) Nampitsahatra ny fitorian’ireo Kristianina ve ny fanenjehana? Nifanohitra tamin’izany no nitranga, satria voatantara fa ‘izay niparitaka dia namakivaky an’ilay faritra, ka nitory ny vaovao tsaran’ny teny masina.’ (Asan’ny Apostoly 8:4) Azo antoka fa neken’izy ireo, ireto tenin’ny apostoly Petera ireto hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.” (Asan’ny Apostoly 5:29) Nisy ny fanenjehana, nefa mbola niezaka nanambara ny marina hatrany ireo mpianatra nahatoky sy be herim-po ireo, na dia fantany aza fa hampitombo ny fijaliany izany.​—Asan’ny Apostoly 11:19-21.

9. Inona no fanenjehana mbola nampiharina tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy?

9 Nitohy hatrany ny fijalian’izy ireo. Voalaza aloha fa i Saoly, izay nanatri-maso ny nitoraham-bato an’i Stefana sady nankasitraka izany, dia “mbola nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatry ny Tompo. Koa nankany amin’ny mpisoronabe izy, ary nangataka taratasy ho an’ireo synagoga any Damaskosy, mba hoentiny nifatotra tany Jerosalema izay hitany manaraka Ny Lalana, na lahy na vavy.” (Asan’ny Apostoly 9:1, 2) Avy eo, tany amin’ny taona 44 tany ho any, dia “nosamborin’i Heroda mpanjaka ny sasany izay anisan’ny fiangonana mba hampahoriny. Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Jakoba, rahalahin’i Jaona.”​—Asan’ny Apostoly 12:1, 2.

10. Inona no fanenjehana voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly sy ny Apokalypsy?

10 Voarakitra ao amin’ny tapany farany amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny fisedrana sy fampidirana am-ponja ary fanenjehana niaretan’ireo olona nahatoky, toa an-dry Paoly, izay maty maritiora. Ny Emperora Romanina Néron angamba no nandidy ny hamonoana an’io mpanenjika niova ho apostoly io, tany amin’ny taona 65 tany ho any. (2 Korintianina 11:23-27; 2 Timoty 4:6-8) Farany, hitantsika ao amin’ny Apokalypsy, izay nosoratana tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, fa natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo ny apostoly Jaona efa zokiolona, “satria niresaka ny amin’Andriamanitra sy vavolombelona nanambara an’i Jesosy.” Voaresaka ao amin’ny Apokalypsy koa i ‘Antipasy, ilay vavolombelony nahatoky, izay novonoina’ tany Pergamosy.​—Apokalypsy 1:9; 2:13.

11. Nahoana no manamarina izay nolazain’i Jesosy momba ny fanenjehana, ny zava-nitranga tamin’ny Kristianina voalohany?

11 Izany rehetra izany dia manamarina ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe: “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Vonona ny hiatrika ny fitsapana mafy indrindra, izany hoe ny fahafatesana, ireo Kristianina voalohany nahatoky. Vonona ny hampijalijalina izy ireo, na hatsipy hohanin’ny bibidia, na hovonoina amin’ny fomba hafa, mba hanatontosana ilay asa nanirahan’i Jesosy Kristy Tompo azy ireo hoe: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.”​—Asan’ny Apostoly 1:8.

12. Nahoana no milaza isika fa tsy taloha ihany no nenjehina ny Kristianina?

12 Diso hevitra tanteraka izay olona mieritreritra fa taloha ihany no nenjehina tamin-kalozana toy izany ny mpanara-dia an’i Jesosy. I Paoly, izay niaritra fijaliana maro be araka ny efa hitantsika, dia nanoratra hoe: “Henjehina koa izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:12) Hoy i Petera momba ny fanenjehana: “Ho amin’izany lalana izany tokoa mantsy no niantsoana anareo, satria na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo tsara ny diany.” (1 Petera 2:21) Mbola ankahalaina sy toherina foana ny vahoakan’i Jehovah, na dia amin’izao “andro farany” izao aza. (2 Timoty 3:1) Samy efa nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, na ny isam-batan’olona izany, na ny maromaro nitambatra, ary na tany amin’ny tany nisy fitondrana jadona izany, na tany amin’ny tany demokratika.

Nahoana izy ireo no ankahalaina sy enjehina?

13. Inona no tokony hotadidin’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny, raha ny fanenjehana no resahina?

13 Na dia azo lazaina aza hoe afaka mitory sy mivory malalaka sy amim-pilaminana ny ankamaroantsika, dia tsy maintsy tadidintsika ny fampahatsiahivan’ny Baiboly hoe “miovaova ny sehatr’ity tontolo ity.” (1 Korintianina 7:31) Mety hitsimbadika tampoka ny toe-draharaha, hany ka mety hivadika isika raha tsy manomana tsara ny saintsika sy ny fontsika, ary manatanjaka ny finoantsika. Inona àry no azontsika atao mba hiarovan-tena? Ho fiarovana mafy ho antsika ny fitadidiana tsara ny antony ankahalana sy anenjehana ny Kristianina tia fiadanana sy mpankatò lalàna.

14. Inona no nolazain’i Petera fa antony nanenjehana ny Kristianina?

14 Niresaka momba izany ny apostoly Petera ao amin’ny taratasiny voalohany, izay nosoratany tokony ho tamin’ny taona 62-64. Nosedraina sy nenjehina ny Kristianina nanerana ny Fanjakana Romanina tamin’izay. Hoy izy: “Ry malala, aoka tsy hahavery hevitra anareo ilay afo mandoro eo aminareo, toy ny hoe zavatra hafahafa no manjo anareo. Natao hitsapana anareo mantsy izany afo izany.” Toy izao no nanazavany ny tiany holazaina: “Aoka . . . tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona. Fa raha misy mijaly, satria Kristianina, dia aoka tsy ho menatra izy, fa aoka kosa hankalaza hatrany an’Andriamanitra amin’izany anarana izany.” Nohazavain’i Petera fa nijaly izy ireo, tsy noho ny fanaovan-dratsy, fa noho izy ireo Kristianina. Ho nandray tsara azy ireo ny mpiara-belona taminy, raha niara-nanaram-po taminy tamin’ny “filibana” izy ireo. Raha ny marina anefa dia nijaly izy ireo, satria niezaka ny hanara-dia an’i Kristy. Izany koa no manjo ny tena Kristianina ankehitriny.​—1 Petera 4:4, 12, 15, 16.

15. Inona no fifanoheran-javatra hita eo amin’ny fomba itondrana ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?

15 Mahazo teny fiderana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny faritra maro, noho izy ireo miray saina sy miara-miasa rehefa manao fivoriambe, na manorina trano. Deraina koa izy ireo satria manao ny marina sy mazoto miasa, manana fitondran-tena sy fiainam-pianakaviana fakan-tahaka, ary mahafinaritra ny fitafiny sy ny fihetsiny. * Voafepetra na voarara anefa ny asan’izy ireo any amin’ny tany 28, fara fahakeliny, tamin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity. Vavolombelona maro no mijaly sy mamoy ny ainy mbamin’ny fananany, noho ny finoany. Nahoana no misy izany fifanoheran-javatra izany? Ary nahoana no avelan’Andriamanitra hisy izany?

16. Inona no antony voalohany amelan’Andriamanitra ny vahoakany henjehina?

16 Voalohany indrindra aloha, dia tokony hotadidintsika ny Ohabolana 27:11 manao hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” Ilay adihevitra nipoitra efa ela be momba ny zon’i Jehovah hitondra àry no mahatonga izany. Be dia be mihitsy ny olona efa nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah hatramin’izay. Mbola miteny ratsy an’i Jehovah ihany anefa i Satana, toy ny tamin’ny andron’ilay lehilahy marina atao hoe Joba. (Joba 1:9-11; 2:4, 5) Tsy isalasalana fa miala nenina farany izy izao, ka mikely aina hanaporofoana ny fanendrikendrehany. Efa tafaorina tsara mantsy ny Fanjakan’Andriamanitra, sady manana solontena sy vahoaka tsy mivadika eran-tany. Tsy hivadika amin’Andriamanitra ve izy ireo na inona na inona fahoriana na zava-tsarotra hanjo azy? Anjaran’ny mpanompon’i Jehovah tsirairay ny mamaly izany.​—Apokalypsy 12:12, 17.

17. Inona no tian’i Jesosy holazaina, rehefa niteny izy hoe “ho afaka hitory aminy ianareo noho izany”?

17 Nanome antony iray hafa amelan’i Jehovah ny mpanompony henjehina koa i Jesosy, rehefa nilaza tamin’ny mpianany ny zavatra hitranga mandritra ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Hoy izy: ‘Hoentina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny governora ianareo, noho ny anarako. Ho afaka hitory aminy ianareo noho izany.’ (Matio 24:3, 9; Lioka 21:12, 13) Nitory tamin’i Heroda sy Pontio Pilato mihitsy i Jesosy. ‘Nentina teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny governora’ koa ny apostoly Paoly. Nahazo toromarika avy tamin’i Jesosy Kristy Tompo izy, ka nitady fomba hitoriana tamin’ilay olona nanam-pahefana indrindra tamin’ny androny, rehefa nilaza hoe: “Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!” (Asan’ny Apostoly 23:11; 25:8-12) Tsy misy hafa amin’izany koa ankehitriny. Nahafahana nanao fitoriana tsara tamin’ny manam-pahefana sy ny besinimaro matetika ny zava-tsarotra natrehina. *

18, 19. a) Nahoana no mahasoa antsika ny miatrika fisedrana? b) Inona avy no fanontaniana hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Farany, mety hahasoa antsika koa ny miatrika fisedrana sy fahoriana. Nahoana? Nampahatsiahy ny Kristianina i Jakoba mpianatra hoe: “Rehefa tojo fitsapana maro samihafa ianareo, ry rahalahiko, dia raiso ho fifaliana lehibe izany. Fantatrareo mantsy fa miteraka fiaretana ny finoanareo vita sedra.” Tena afaka manatanjaka ny finoantsika sy mahatonga antsika hiaritra bebe kokoa ny fanenjehana. Noho izany, dia tsy mampivarahontsana antsika ny fanenjehana. Tsy mitady fomba tsy araka ny Soratra Masina koa isika hialana amin’izany na hampitsaharana izany. Arahintsika kosa ilay torohevitr’i Jakoba hoe: ‘Avelao hamita ny asany ny fiaretana, mba ho lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.’​—Jakoba 1:2-4.

19 Manampy antsika ny Tenin’Andriamanitra hahatakatra hoe nahoana ny mpanompony mahatoky no mijaly, ary nahoana no avelany hitranga izany. Tsy mahatonga ny fanenjehana ho mora zakaina anefa izany. Ahoana àry no ahazoantsika hery hiatrehana izany? Inona no azontsika atao rehefa tojo fanenjehana isika? Handinika ireo hevi-dehibe ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1995, pejy 27-29, sy ny 15 Aprily 1994, pejy 16, 17; ary ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1996, pejy 61-64.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no tena antony ilazana fa maritiora i Jesosy?

• Inona no nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany rehefa nenjehina izy ireo?

• Nahoana no nenjehina ny Kristianina voalohany, araka ny nohazavain’i Petera?

• Inona avy no antony amelan’i Jehovah ny mpanompony henjehina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10, 11]

Nijaly ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, tsy noho ny fanaovan-dratsy, fa noho izy ireo Kristianina

PAOLY

JAONA

ANTIPASY

JAKOBA

STEFANA