Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontaniana Maro Tsy dia Misy Valiny Mahafa-po

Fanontaniana Maro Tsy dia Misy Valiny Mahafa-po

Fanontaniana Maro Tsy dia Misy Valiny Mahafa-po

TAMIN’NY marainan’ny Fetin’ny Olo-masina, 1 Novambra 1755, dia nisy horohoron-tany nahery vaika nandrava ny tanànan’i Lisbonne. Tany am-piangonana ny ankamaroan’ny olona tamin’izay. An’arivo ny trano nirodana, ary an’alina ny olona maty.

Taoriana kelin’io loza io, dia nisy mpanoratra frantsay atao hoe Voltaire, namoaka asa soratra hoe Poème sur le désastre de Lisbonne (Tononkalo Momba Ilay Loza Tany Lisbonne). Ambarany ao fa tsy ekeny hoe famaizan’Andriamanitra ny olona noho ny fahotan’izy ireo ilay loza. Antitranteriny fa tsy takatry ny sain’ny olombelona sady tsy hainy hazavaina ny antony hitrangan’ireny fahavoazana ireny. Izao no nosoratan’i Voltaire:

Moana ny voary, sasa-poana isika manontany azy;

Mila Andriamanitra hiresaka amin’ny olombelona isika.

Mazava ho azy fa tsy i Voltaire no voalohany nanontany momba an’Andriamanitra. Betsaka ny fahoriana sy loza nitranga teo amin’ny tantara, ka niteraka fanontaniana tao an-tsain’ny olona. Anisan’izy ireo i Joba, izay niaina an’arivo taona lasa izay. Maty daholo ny zanany, ary nijaly izy noho ny aretina nahatsiravina nahazo azy. Nanontany izy taoriana kelin’izay hoe: “Nahoana no fahazavana no mba [omen’Andriamanitra] ny reraka, ary fiainana ho an’izay latsaka amin’ny fangidiana?” (Joba 3:20) Maro koa ankehitriny no manontany hoe: Nahoana no toa tsy manao na inona na inona ilay Andriamanitra tsara fanahy sy be fitiavana, nefa be dia be ny fijaliana sy ny tsy rariny?

Rehefa miatrika ny mosary, ny ady, ny aretina, ary ny fahafatesana ny olona maro, dia mety holaviny tanteraka hoe misy Mpamorona miahy ny olombelona. Hoy ny filozofa iray tsy mino an’Andriamanitra: “Tsy azo alan-tsiny mihitsy Andriamanitra, rehefa mamela ankizy hijaly, . . . raha tsy hoe tsy misy angaha izy.” Mahatonga ny olona hanatsoaka hevitra toy izany koa ny loza lehibe, toy ilay Famonoana Tambabe tamin’ny Ady Lehibe II. Mariho ny nolazain’ny mpanoratra jiosy iray tao amin’ny gazety. Hoy izy: “Ny antony tsotra indrindra nahatonga ny fijaliana tany Auschwitz, dia satria tsy misy Andriamanitra miraharaha ny fiainan’ny olombelona.” Nisy fanadinadinana natao tany Frantsa tamin’ny 1997. Katolika moa ny ankabeazan’ny olona any. Hita tamin’izy io koa fa ny antsasany latsaka kely amin’ny mponina any, dia misalasala raha misy Andriamanitra, noho ny fandripahana foko, toy ilay nitranga tany Rwanda tamin’ny 1994.

Misakana ny olona tsy hanam-pinoana ve izany?

Nahoana Andriamanitra no tsy misakana ny faharatsiana? Nisy mpanoratra katolika nilaza fa “tena misakana [ny olona maro] tsy hanam-pinoana” io fanontaniana io. Nanontany izy hoe: “Azo atao ve ny mino an’Andriamanitra, raha tsy afa-manoatra izy fa mitazana fotsiny ny fahafatesan’ireo olona maro be tsy manan-tsiny, sy ireo foko manontolo indray ripaka, nefa izy tsy misakana izany akory?”

Nilaza toy izao koa ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety katolika La Croix: “Mivarahontsana foana ny olona, sady mitodika any amin’Andriamanitra, rehefa mahatsiaro ny loza tamin’ny lasa, na mahita loza vokatry ny teknolojia, na loza araka ny natiora, na asan’ny fikambanan-jiolahy, na ny fahafatesan’ny havan-tiana. Manontany izy hoe: Aiza Andriamanitra? Mitady valiny izy. Andriamanitra anefa ve moa hihontsina amin’izany na hiraharaha izany?”

Nanadihady izany ny Papa Jean-Paul II tamin’ny 1984, tao amin’ilay taratasiny hoe Salvifici Doloris. Nanoratra izy hoe: “Toy ny hoe mampisokatra ny mason’ny olombelona izao rehetra izao, ka mahatonga azy hiaiky fa misy Andriamanitra, sady hendry sy mahery ary tena ambony izy. Ny faharatsiana sy ny fijaliana kosa anefa toa mampanjavona ny fahitany, na manajamba azy mihitsy aza indraindray, ka lasa tsy hitany ireo toetran’Andriamanitra ireo, indrindra rehefa be dia be isan’andro ny olona mijaly tsy amin’antony, sy ny mpanao ratsy tsy voasazy araka ny tokony ho izy.”

Azo inoana tokoa ve ny lazain’ny Baiboly hoe misy Andriamanitra be fitiavana sy manana hery tsy hay tohaina, nefa hita hatraiza hatraiza ny fijaliana? Arovany tsy hiharan’ny loza ve ny isam-batan’olona, na ny olona maro mitambatra? Manao zavatra ho antsika ve Andriamanitra amin’izao andro izao? Araka ny tenin’i Voltaire, moa ve misy “Andriamanitra hiresaka amin’ny olombelona”, ka hamaly ireo fanontaniana ireo? Vakio ny lahatsoratra manaraka, aza fady, mba hahitanao ny valiny.

[Sary, pejy 3]

Ny faharavan’i Lisbonne tamin’ny 1755, dia nahatonga an’i Voltaire hanantitrantitra fa tsy takatry ny sain’ny olombelona ny anton’ireny fisehoan-javatra ireny

[Sary nahazoan-dalana]

Voltaire: Avy amin’ilay boky Great Men and Famous Women; Lisbonne: J.P. Le Bas, Praça da Patriarcal depois do terramoto de 1755. Foto: Museu da Cidade/Lisboa

[Sary, pejy 4]

Maro no misalasala raha misy Andriamanitra, noho ireo fandripahana foko nahatsiravina, toy ilay tany Rwanda

[Sary nahazoan-dalana]

AFP PHOTO