Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro ny Anton’ny Fananarana

Fantaro ny Anton’ny Fananarana

Fantaro ny Anton’ny Fananarana

INONA no tonga ao an-tsainao amin’ny teny hoe ‘fananarana’ na famaizana? Izao no amaritan’ny diksionera iray an’io teny io: ‘Fanerena ny olona hankatò lalàna na fitsipika momba ny fitondran-tena, ary fanasaziana azy raha mandà izy.’ Maro ny fomba azo amaritana ny hoe famaizana, kanefa misy heviny ratsy toy izany foana ny fandraisan’ny olona azy io.

Hafa kosa ny amaritan’ny Baiboly ny famaizana. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Anaka, aza manamavo ny famaizan’i Jehovah.” (Ohabolana 3:11) Tsy ny famaizana amin’ny ankapobeny no resahina eo, fa ny “famaizan’i Jehovah”, na ny fananarany, izay miorina amin’ny toro lalany lavorary. Io fananarana io ihany no mitondra soa sy tena ilaina eo amin’ny lafiny ara-panahy, sady tena faniry. Tsy misy antra sady mampahory kosa matetika ny famaizana avy amin’ny fisainan’olombelona izay mifanohitra amin’ny toro lalan’i Jehovah. Izany no mahatonga ny olona hieritreritra hoe ratsy ny famaizana.

Nahoana isika no asaina manaiky ny fananaran’i Jehovah? Lazaina ao amin’ny Soratra Masina fa tian’i Jehovah ny olona matoa anariny. Hoy àry i Solomona: “Izay tian’i Jehovah no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.”​—Ohabolana 3:12.

Samy hafa ve ny fananarana sy ny fanasaziana?

Misy lafiny maro ny fananarana resahina ao amin’ny Baiboly. Mety ho tari-dalana izany, toromarika, fampiofanana, fifehezana, fanitsiana, ary mety ho fanasaziana koa aza. Ny fitiavana foana anefa no mahatonga an’i Jehovah hanome ilay fananarana, ary natao mba hahasoa an’ilay olona omena azy izany. Tsy natao hanasaziana fotsiny akory ny fananaran’i Jehovah.

Tsy voatery hoe manitsy na mampiofana foana koa anefa Andriamanitra rehefa manasazy. Ohatra: Nanomboka nizaka ny vokatry ny tsy fankatoavany i Adama sy Eva tamin’ny andro nanotan’izy ireo. Noroahin’i Jehovah avy tao amin’ny saha paradisan’i Edena izy ireo, ary nanjary tsy lavorary, sy narary, ary antitra. Maty mandrakizay izy ireo, rehefa avy niaina tao anatin’ny fahoriana nandritra ny an-jato taona. Sazy avy tamin’i Jehovah izany rehetra izany, kanefa tsy natao hananarana azy mivady. Tsy nety intsony ny nananatra an’i Adama sy Eva, satria an-tsitrapo ny tsy fankatoavany sady tsy nety nibebaka izy ireo.

Ireto misy tantara hafa momba ny fanasazian’i Jehovah: Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, fandravana an’i Sodoma sy Gomora, ary fanafoanana ny tafika ejipsianina tao amin’ny Ranomasina Mena. Tsy natao hanomezana tari-dalana, na fampianarana, na fampiofanana an’ireo olona nomena azy akory, ireo zavatra nataon’i Jehovah ireo. Hoy ny apostoly Petera momba ireo fanasazian’Andriamanitra ireo: “Tsy niahotra koa Andriamanitra nanasazy an’ilay tontolo fahiny, fa niaro kosa an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito hafa, fony izy nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra. Nomelohin’Andriamanitra ny tanànan’i Sodoma sy Gomora rehefa nataony lasa lavenona, ka napetrany ho ohatra fampitandremana momba ny hoavy, ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra.”​—2 Petera 2:5, 6.

Nahoana ireny sazy ireny no “ohatra fampitandremana momba ny hoavy”? Nolazain’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Tesalonianina, fa ny androntsika no “fotoana [hamalian’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Zanany] an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara.” Hoy koa izy: “Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay.” (2 Tesalonianina 1:8, 9) Miharihary fa tsy natao hampianarana na hanitsiana an’ireo nomena azy, ny sazy toy izany. Tsy ny fanasaziana ny mpanota tsy mibebaka anefa no nolazain’i Jehovah, rehefa nasainy hanaiky ny fananarany ny mpivavaka aminy.

Tsara homarihina fa tsy mpanasazy akory no iantsoan’ny Baiboly an’i Jehovah. Matetika kosa izy io no milaza an’i Jehovah ho mpampianatra be fitiavana sy manam-paharetana. (Joba 36:22; Salamo 71:17; Isaia 54:13) Arahin’ny fitiavana sy faharetana foana tokoa ny fananaran’Andriamanitra. Mora manaiky fananarana, sady tsara toerana mba hanome azy io ny Kristianina, raha mahatakatra ny anton’ny fananarana.

Fananaran’ny ray aman-dreny be fitiavana

Tokony ho takatry ny rehetra eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana ny anton’ny fananarana. Tokony hahatakatra izany bebe kokoa ireo manana fahefana, toy ny ray aman-dreny. Hoy ny Ohabolana 13:24: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.”

Ahoana no tokony hanomezan’ny ray aman-dreny ny fananarana? Manazava ny Baiboly hoe: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” (Efesianina 6:4) Izao koa no nilazana io fananarana io: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”​—Kolosianina 3:21.

Tsy masiaka ny ray aman-dreny kristianina, raha mahatakatra ny anton’ny fananarana. Mahakasika ny fomba anomezan’ny ray aman-dreny fananarana ny voalazan’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 2:24. Hoy izy: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, hahay hampianatra.” Tsy mety amin’ny Kristianina, sady tsy azo lazaina hoe fananarana amim-pitiavana, ny fahatezerana tsy voafehy, ny filelalelana, ny teny ratsy na fanevatevana.​—Efesianina 4:31; Kolosianina 3:8.

Tsy ampy ny manasazy maimaika fotsiny avy hatrany, raha te hanitsy ny zanany ny ray aman-dreny. Mila anarina imbetsaka ny ankamaroan’ny ankizy, vao hanitsy ny fomba fisainany. Mila mandany fotoana miaraka amin’ny zanany àry ny ray aman-dreny, ary maneho faharetana sy mandinika tsara ny fomba fananarany. Tsy maintsy mitadidy izy ireo, fa tokony hotezaina hatrany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah” ny ankizy. Fampiofanana maharitra taona maro no dikan’izany.

Malemy fanahy ny mpiandry kristianina rehefa mananatra

Mihatra amin’ny anti-panahy kristianina koa ireo toro lalana ireo. Mpiandry be fitiavana izy ireo, ka miezaka mampahery ny andian’ondry, izany hoe manome toromarika sy tari-dalana ho azy ireo, ary mananatra rehefa ilaina izany. Mitadidy ny tena anton’ny fananarana izy ireo, eo am-panaovana izany. (Efesianina 4:11, 12) Manjary tsy manao zavatra hafa izy ireo, raha mifantoka amin’ny fanasaziana fotsiny. Mihoatra lavitra noho izany ny hoe fananarana miorina amin’ny toro lalan’Andriamanitra. Miahy an’ireo nanao fahadisoana ny anti-panahy, ka mijery ny fomba nampiharan’izy ireny ny toroheviny. Mijery izay mahasoa ny ondry izy ireo, ka matetika no manokana fotoana ampaherezana sy ampiofanana.

Manaraka ilay torohevitra ao amin’ny 2 Timoty 2:25, 26 ny anti-panahy, ka ‘malemy fanahy’ foana, na dia tsy mora mandray ny fananarany aza ny olona ampiany. Izao no ilazan’io andininy io ny anton’ny fananarana: “Angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana ka hahalala marina tsara ny fahamarinana izy, ary ho tonga saina izy ka ho afaka amin’ny fandriky ny Devoly.”

Tsy maintsy roahina tsy ho eo anivon’ny fiangonana anefa indraindray ny mpanota tsy mibebaka. (1 Timoty 1:18-20) Tokony hoheverina ho fananarana, na dia ny fanapahan-kevitra lehibe toy izany aza, fa tsy hoe fanasaziana fotsiny. Miezaka mitsidika an’ireo voaroaka efa niala tamin’ny fanao ratsy ny anti-panahy, indraindray. Manao zavatra mifanaraka amin’ny anton’ny fananarana ny anti-panahy amin’ireny fitsidihana ireny, ka milaza amin’ilay olona izay tokony hataony mba hiverenany eo anivon’ny fiangonana kristianina.

Mpitsara lavorary i Jehovah

Tokony hihevitra ho zava-dehibe ny andraikiny hanome fananarana ny ray aman-dreny, ny mpiandry kristianina, ary ny olon-kafa, izay nomen’ny Soratra Masina fahefana hanao izany. Tsy tokony ho sahisahy hilaza izy ireo hoe tsy mety miova intsony ny olona iray. Tsy tokony haka endrika valifaty na sazy miharo fankahalana àry ny fananaran’izy ireo.

Marina fa miresaka an’i Jehovah ho Ilay mpanome sazy mafy sy faran’izay henjana ny Baiboly. Milaza tokoa ny Soratra Masina hoe “zavatra mampahatahotra ny ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona.” (Hebreo 10:31) Tsy tokony hisy olombelona hampitaha ny tenany amin’i Jehovah anefa amin’io lafiny io, na amin’ny lafiny hafa. Ary tsy tokony hisy hahatsapa hoe mampahatahotra be izany anarin’ny ray aman-dreny na ny anti-panahy izany.

Voalanjalanja tanteraka ny fananaran’i Jehovah. Tsy mba toy izany kosa ny olombelona. Fantatr’Andriamanitra ny ao am-po, ary fantany raha tsy azo ahitsy intsony ny olona iray ka mendrika ny sazy lehibe sy farany. Tsy hain’ny olombelona anefa ny mamoaka didim-pitsarana toy izany. Koa rehefa ilaina àry ny fananarana, dia ny hanitsy no tokony ho zava-kendren’ireo manana fahefana hanome izany.

Ekeo ny fananaran’i Jehovah

Mila ny fananaran’i Jehovah isika rehetra. (Ohabolana 8:33) Tokony haniry hahazo fananarana araka ny Tenin’Andriamanitra aza isika. Maharay fananarana mivantana avy amin’i Jehovah isika rehefa mianatra ny Teniny, satria mananatra antsika amin’ny alalan’ny Soratra Masina izy. (2 Timoty 3:16, 17) Mety hanarin’ny namana kristianina koa anefa isika indraindray. Ho vonona hanaiky izany isika, raha mahatakatra ny antony anaovany izany.

Niaiky toy izao ny apostoly Paoly: “Marina fa tsy misy famaizana toa mahafaly eo no ho eo, fa mampahory.” Hoy izy avy eo: “Aorian’izany kosa anefa izy io, dia mitondra vokatra hiadanana ho an’izay nomena fanazarana tamin’izany.” (Hebreo 12:11) Mananatra antsika i Jehovah, satria tena tia antsika. Aoka àry hotadidintsika ny anton’ny fananaran’i Jehovah, na mananatra isika, na isika no anarina. Aoka koa isika hanaraka ilay torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly hoe: “Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; hazòny izy, fa ainao.”​—Ohabolana 4:13.

[Sary, pejy 21]

Tsy fananarana no omen’Andriamanitra ny mpanota tsy mibebaka fa sazy

[Sary, pejy 22]

Miahy an’ireo nanao fahadisoana ny anti-panahy, ka manokana fotoana hikarohana sy hanampiana azy ireo

[Sary, pejy 23]

Be fitiavana sy maneho faharetana ny ray aman-dreny, rehefa manome ho an’ny zanany ny ‘fananarana sy fomba fisainan’i Jehovah’